Fianarana Mandrafitra

1. Simpona ( 09/01/2014 11:28)
Tratry ny taona aby,

Mitady fianarana mandrafitra ahaizana ao anatin'ny fotoana fohy aho ka sao misy afaka manoro. Tsy hanao mpandrafitra matianina akory ny tanjoko fa otran'mba ankafiziko fotsiny ilay izy. Ny fahaiza manao fototra amin'ny fandrafetana no tena tiako ho hay.

Misaotra indrindra,
novalian'i Simpona ny 20/01/2014 09:29
2. 5laody ( 14/01/2014 23:23)
Simpona:

Tratry ny taona aby,

Mitady fianarana mandrafitra ahaizana ao anatin'ny fotoana fohy aho ka sao misy afaka manoro. Tsy hanao mpandrafitra matianina akory ny tanjoko fa otran'mba ankafiziko fotsiny ilay izy. Ny fahaiza manao fototra amin'ny fandrafetana no tena tiako ho hay.

Misaotra indrindra,


Dia samy ho ambinin'ny Avo isika,

Raha izaho ianao tonga dia mitady zavatra kely foronina (seza kely akalana, kalesa, basy hazo, cadres...) tsy vita vetivety ilay mianatra fa tsy maintsy maka traikefa kely aloha. Raha zavatra tianao no amboarinao na foronina dia hisy zotom-po kokoa. inona avy ny fitaovana azonao ampiasaina?( na ananana na indramina).
ilay manao zavatra mahitsy sy manao zoro 90° no tena fototra. Tsy mpandrafitra aho fa tia mi-bricole.

ity no tsotsotra indindra hitako

3. Simpona ( 15/01/2014 09:35)
Tena te hanomboka amin'ny zavatra kely mihitsy aho, latabatra na seza kely araka ny voalazanao (te hanao izany ho an'ny zanako kely ary aho ho fanombohana). Fa mila fiofanana aho ahafahako manao zavatra tsara. Na ny fomba fanambarana ireo hazo fotsiny aza manko dia misy karazany sy misy fomba tokony ho hay.

Efa nanao gorisagorisa izay aho ho an'ny zanako dia azony hilalaovana tsara ilay izy izao, nanamboatra fasiana entana (etagere) koa aho ato andakozia sy efitra fidiovana.

Ary ny fanaovako ireo no nahatonga ahy nankafy tsikelikely sy te handalina ny fandrafetana. Izay no itadiavako fiofanana.

Misaotra indrindra,
4. booboo ( 15/01/2014 12:01)
Ny ahy ohatra ity no nataoko t@ été farany teo, tsy dia sarotra loatra fa tsy nasiako kodiarana fotsiny ilay table basse.
5. hery ( 19/01/2014 09:46)
booboo> tsara kosa ilay izy... fa tsy mora atao kosa
6. Simpona ( 20/01/2014 06:15)
Tena efa tsara mihitsy ilay nataon'i boboo an. Efa mahay tsara ianao mahavita an'io.
7. booboo ( 20/01/2014 08:43)
Hery, Simpona > merci :-).

Fa ity manaraka ity no hitako sarotra. 4 andro nanaovanay mitsam an'io, ny nandrefy² ihany no tsy nataoko fa tsy haiko mihitsy :-(, nanatsofa sy ny tariny nataoko aby, tsotra satria électrique ny fitaovana. Nalaina sary ambony ambany ilay latabatra tahaka io hita teny @ parc ; nanontaniana ny tao @ scierie t@ nividy hazo ny mety ho karazana bilao sy fika² fatao ; dia mbola nanontany olona hita teny @ rayon fantsika, nijery² tato @ internet koa.

8. booboo ( 20/01/2014 08:54)
Ilay sary voalohany izy t@ vao vita, mbola ni-gondole fa tsy maina. izao izy efa tsara endrika kokoa fa efa maina dia efa nolokoiko koa.
9. hery ( 20/01/2014 09:05)
Ary ny hazo ve tsy lafo?

Mahaleo ny sarany ihany ny vidiny raha toa ka mividy vita?
10. booboo ( 20/01/2014 09:28)
Tsy lafo ireo hazo ireo, tany @ scierie kely izay no nalehanay. Tena mora lavitra noho ny nividy vita teny @ magasin na @ internet io anay io an. Latsaky ny 200 ireo, y compris fantsika sy bilao sy ny kipitsony²... fa mila mahafantatra olona fotsiny dia mora mahita tuyaux hoe aiza sy iza no mora raha ;-)
11. Simpona ( 20/01/2014 09:29)
Raha ny fijeriko azy fotsiny izao dia ilay seza nataonao taloha io no sarotra kokoa noho ilay latabatra.

Matetika aloha manamboatra no mora kokoa noho ny mividy vita na mampanamboatra. Sady raha tia asa tanana dia mahafinaritra ilay hoe izaho no nanao an'io. Ny fotoana no olana ndraindray.

Fomba iray koa raha tsy ampy fitaovana dia ataonao ny sary sy ny refy rehetra dia avy dia hazo efa voadidy no vidianao any amin'ny mpivaro-kazo. Ianao no manambatra sy ny mamantsika amin'izay fotoana izay. Fa tena mila hamarinina mihitsy hoe mety tsara ny sary sy ny refy vao mampadidy ny hazo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0891