Hatraiza ny fahamarinana ?

1. moi ( 09/01/2014 05:17)
Mba misy tonga saina amin'ity zavatra tantaraiko ity ve, sa izaho no taraiky ?
Indray andro, nisy niantso ahy mba hi-réinstaller ordi. Mpanompon'Andriamanitra izy io, fa raha tsoriko ny resaka dia tao za no tonga saina hoe Tsy mety ity hanao installation amin'ordinateur hafa ity a !
Raha ny tokony ho tena izy, tokony ho mividy licence windows izy vao azoko apetraka ny système d'exploitation, dia toy izay koa ny burerautique, satria tsorina fa produits Microsoft daholo no tokony apetrako. Raha manao ilay installation ve aho, tsy efa manao piraty ?
Dia tonga saina ny tena e, isika milaza ho kristiana ity, mba tonga saina ve fa mbola mampiasa logiciel tsy nahazoana alàlana ? Any andafy aloha ekeko fa betsaka no tonga dia compris amin'ny ordi vidiana ny licence windows, fa raha ny eto Madagasikara dia inoako fa be be ihany no tsy tonga saina fa pasipasy Logiciels zao ! Iza no mba manana ny CD install original ao aminy, fa tsy gravage ? Tsoriko fa tsy tanteraka aho amin'ity resaka ity, fa ny ato anaty ordi-ko tsy hoe logiciel libre daholo, na ireny freeware ireny, + soft téléchargé isan-karazany ! fa ilay fanairana ny namana kristiana no nahatonga ahy hanoratra eto, sa izaho no mitady te ho marina loatra ? Sa tsy halatra ny piraty ?
novalian'i Nehemiah ny 15/01/2014 15:42
2. vahiny2004 ( 09/01/2014 08:46)
Tokony ho nazavainao azy izany dia no proposer-nao logiciel libre izy

moi:

Mba misy tonga saina amin'ity zavatra tantaraiko ity ve, sa izaho no taraiky ?
Indray andro, nisy niantso ahy mba hi-réinstaller ordi. Mpanompon'Andriamanitra izy io, fa raha tsoriko ny resaka dia tao za no tonga saina hoe Tsy mety ity hanao installation amin'ordinateur hafa ity a !
Raha ny tokony ho tena izy, tokony ho mividy licence windows izy vao azoko apetraka ny système d'exploitation, dia toy izay koa ny burerautique, satria tsorina fa produits Microsoft daholo no tokony apetrako. Raha manao ilay installation ve aho, tsy efa manao piraty ?
Dia tonga saina ny tena e, isika milaza ho kristiana ity, mba tonga saina ve fa mbola mampiasa logiciel tsy nahazoana alàlana ? Any andafy aloha ekeko fa betsaka no tonga dia compris amin'ny ordi vidiana ny licence windows, fa raha ny eto Madagasikara dia inoako fa be be ihany no tsy tonga saina fa pasipasy Logiciels zao ! Iza no mba manana ny CD install original ao aminy, fa tsy gravage ? Tsoriko fa tsy tanteraka aho amin'ity resaka ity, fa ny ato anaty ordi-ko tsy hoe logiciel libre daholo, na ireny freeware ireny, + soft téléchargé isan-karazany ! fa ilay fanairana ny namana kristiana no nahatonga ahy hanoratra eto, sa izaho no mitady te ho marina loatra ? Sa tsy halatra ny piraty ?
3. hery ( 09/01/2014 09:52)
Ny fanontaniana tokoa izany dia hoe ny mi-installer pirate Windows ve mangalatra?

Fa ohatrinona tokoa moa izao ny vidin'ny DVD original Windows 7 na Windows 8 ohatra?
4. 5laody ( 09/01/2014 12:18)
moi:

Mba misy tonga saina amin'ity zavatra tantaraiko ity ve, sa izaho no taraiky ?
Indray andro, nisy niantso ahy mba hi-réinstaller ordi. Mpanompon'Andriamanitra izy io, fa raha tsoriko ny resaka dia tao za no tonga saina hoe Tsy mety ity hanao installation amin'ordinateur hafa ity a !
Raha ny tokony ho tena izy, tokony ho mividy licence windows izy vao azoko apetraka ny système d'exploitation, dia toy izay koa ny burerautique, satria tsorina fa produits Microsoft daholo no tokony apetrako. Raha manao ilay installation ve aho, tsy efa manao piraty ?
Dia tonga saina ny tena e, isika milaza ho kristiana ity, mba tonga saina ve fa mbola mampiasa logiciel tsy nahazoana alàlana ? Any andafy aloha ekeko fa betsaka no tonga dia compris amin'ny ordi vidiana ny licence windows, fa raha ny eto Madagasikara dia inoako fa be be ihany no tsy tonga saina fa pasipasy Logiciels zao ! Iza no mba manana ny CD install original ao aminy, fa tsy gravage ? Tsoriko fa tsy tanteraka aho amin'ity resaka ity, fa ny ato anaty ordi-ko tsy hoe logiciel libre daholo, na ireny freeware ireny, + soft téléchargé isan-karazany ! fa ilay fanairana ny namana kristiana no nahatonga ahy hanoratra eto, sa izaho no mitady te ho marina loatra ? Sa tsy halatra ny piraty ?


Salama daholo,

Ny fomba mety ijerena ity amiko dia iny fipetrahana amin'ny toeran'ilay nanamboatra na ilay tompon'ny sangan'asa na hira izany na boky na logiciels na brevet sns....

-Io asa io (ihany) ve no ivelomany sy hamelomany ny fianakaviany?
-raha malaza ve izy sy ny asany dia hampitombo isa ny tena mpanjifa (mpividy) izay fiparitahan'ny asany izay?
-Niriny ve ny hampalaza ny asany amin'izay pasipasy tolaka izay?

Tadidio fa ny nampalaza ny win dia izay napasipasy izay ary ilay olona namorona ny coca dia maty nahantra.

Mipetraha eo amin'ny toeran'ilay olona mampiasa maimaim-poana indray ianao:

-Tena ilaiko ve ity?
-Tena mbola tsy laharam-pahamehana amin'ny filako ity fa rehefa afaka aho mividy tena izy
(fa aleo aloha ampiasaina maimaim-poana)
-Misy fomba hahafahako mampiasa an'ity na ny mitovitovy aminy maimaim-poana ve? (tranom-boky, logiciel libre, site fihainoana mozika?)
-Itony zavatra itony kosa tokony ho maimaim-poana mba hampandroso sy itaizana ny ankizy
-tokony omeko tosika kosa izay namorona an'ity fa manampy ahy sy ny fiaraha-monina ny zava-bitany ary mety mba hahavita zavatra hafa tsara hafa koa izy amin'ny manaraka.
-Aleo mba ampiana itony tanora mamorona itony fa ireny no olon-dehibe rahampitso.

Sarotra e?

Tsarovy koa fa ny zavatra azo maimaim-poana indraindray tsy dia hajain'ny olona loatra.

Ary farany, misy tantara kely ity:

Nijery ny taratasy azony isa-maraina ity ramatoabe iray,

-dokam-barotra, dokambarotra, fakitiora ary inona ity valopy matevina be ity?
nosokafany ka vola 2000 daolara no tao ary nisy taratasy niaraka taminy:

Ranona no anarako, folo taona lasa izay nangalatra ny volanao aho fa tena tao anatin'ny fahaporetana mafy aho, miala tsiny aminao aho amin'ny voka-dratsy naterak'izany zavatra izany fa tsy nahita vahaolana mihintsy aho tamin'izany fotoana izany ka dia voatery.Ireto averiko ireto ny volana ary dia mamerina ihany:
Azafady, azafady , azafady.....


Mandalova eto raha mitady gratuit dia ampireveo ny namana sy ny havana rehetra.






5. DotMG ( 09/01/2014 15:08)
Amiko aloha rehefa mandika ny fitsipika napetraky ny mpamorona an'ilay zavatra dia heloka eo anatrehan'Andriamanitra izay, ho an'ny Kristianina io. Tena tsy anjaranao mihitsy ny mandinika hoe betsaka ve ny efa azon'ilay namorona an'ity zavatra ampiasaiko ity, ara-drariny ve ny vidiny ivarotany azy. Tsy anjaranao mihitsy ny maka fanapahan-kevitra hoe raha mampiasa an'ity tsy araka izay fepetra ahafahako mampiasa azy aza aho dia tsy maninona fa vao mainka manabe voho sy mitondra vokatra tsara ho an'ny asan'ilay olona.

1 Korintiana 10 : 13.

Matetika ireny fitaovana ireny dia misy fitsipika mifehy azy hatrany. Ao ny azonao ampiasaina ho anao manokana, ao ny azo ampiasaina tsy andoavam-bola saingy somary voafetra ny asa vitan'ilay tsy andoavam-bola, ao ny azo ampiasaina mandritra ny fotoana voafetra, ... Tokony hijoro ny Kristianina hanaja an'ireny fepetra rehetra ireny. Amin'ny vanim-potoana iainantsika ankehitriny dia efa misy ny "alternatives" izay azo ampiasaina maimaim-poana amin'ny karazana fitaovana informatika rehetra.
6. hery ( 09/01/2014 21:04)
Izaho aloha efa niezaka ihany nampiasa fitaovana tsy mandoa vola fa tena sarirana. Fitaovana roa fotsiny ohatra amin'ny sarimihetsika sy mozika.

Tsy hitako izao izay "tena" mahasolo ny Adobe Première amin'ny fanaovana sary mihetsika. Betsaka loatra ny fakam-panahy :-) noho ny hatsaran'ny tolotra... saingy lafo loatra ilay izy (tsy mahaleo ny sarany ny vidiny). Raha ohatra ka sary mihetsika hahazoako vola dia tsy sahirana aho ny hanome kely ampahany amin'ny vola miditra saingy tsy manana vola miditra mihitsy aho dia tsy haiko hoe ahoana no hatao. Tena lafo anie izany e :-)

Toa izany koa, ny Cubase fanaovana mozika dia tena faran'izay lafo nefa tsy hitako izay logiciel mitovitovy aminy ka maimaim-poana na mandoa vola kely aza no mahavita izay vitany.

Ka angamba ny vahaolana dia tokony hasiana sarany takatry ny kely vola ilay izy... fa raha tsy izany dia mieritreritra foana ny tena hoe natao ho an'ny tena manan-karena angamba itony. Ataony lafo ilay izy dia amin'izay raha misy manao pirates aza dia efa voatsentsin'ny vidiny ividianan'ny manan-karena azy ny lavaka.
7. DotMG ( 10/01/2014 03:53)
Antony anankiray mahatonga ny "logiciels libres" ho ratsy kalitao kokoa noho ny fitaovana lafo vidy, dia noho izy ireo vitsy mpampiasa, hany ka vitsy ny mpanampy amin'ny fanatsarana azy, ary vitsy mpampiasa izy satria ratsy kalitao noho ny fitaovana lafo vidy.

Mba hialàna amin'izay boribory vetaveta izay, ho an'ny mpampiasa an'ilay fitaovana, izay manam-potoana holaniana dia tsara ny miezaka mikaroka ireny logiciels libre ireny, manandrana sy mampiasa azy ireo, ary indrindra manaparitaka sy mampiely laza raha sendra zavatra iray azo ihafiana. Cinerella ohatra anisan'ny mety mba hivoatra ihany amin'ny fanaovana video, Audacity mety ho azo hatsaraina amin'ny fikirakirana feo. Ho an'ny mpanao logiciel indray dia mila manao jery lavitra sy dingana lehibe. Misy ny fitaovana toy ny kickstarter izay ahafahana mahazo famatsiam-bola, mety ho volabe hatramin'ny iray tapitrisa dolara aza, arakaraky ny tanjona hokendrena amin'ilay logiciel.

Jereo ny système d'exploitation ankehitriny fa efa tena tsara noho ny Windows izay andoavam-bola, ny antony dia satria be mpampiasa izy ireny dia betsaka toy izay ihany koa ny fidiram-bola ho an'ireo mpanao azy, betsaka ihany koa ny mpiara-misalahy amin'ny famolavolana sy fanatsarana.
8. DotMG ( 10/01/2014 03:58)
Ankoatr'izay dia tsara homarihina fa ho an'ny "average Joe", tena efa ampy tanteraka ny fampiasana système d'exploitation libre anankiray. Raha ny fototry ny solosaina no miainga Linux, mazava ho azy fa amin'ny ankapobeny dia maimaim-poana ny 100% amin'izay fitaovana rehetra ao. LibreOffice, navigateur, player, ...
Eo amin'ny Jeux ihany no resy be ny Linux, dia mety ho olana hipetraka ny logiciels spécifiques Windows vitsivitsy.
9. 5laody ( 11/01/2014 12:06)

DotMG:


Tena tsy anjaranao mihitsy ny mandinika hoe betsaka ve ny efa azon'ilay namorona an'ity zavatra ampiasaiko ity, ara-drariny ve ny vidiny ivarotany azy. Tsy anjaranao mihitsy ny maka fanapahan-kevitra hoe raha mampiasa an'ity tsy araka izay fepetra ahafahako mampiasa azy aza aho dia tsy maninona fa vao mainka manabe voho sy mitondra vokatra tsara ho an'ny asan'ilay olona.



Salama daholo,

Raha tsy nanapa-kevitra ny mpampianatra ahy taloha hoe ampiasao ity (fa tandremo fa tsy tena izy iny) dia mety tsy ho nanana fahafahana hikirakira araka izay tianay izahay mpianatra. telopolo mianadahy eo ho eo ny iray kilasy ary kilasy dimy isan-taona.

Fantany fa tsy afaka hividy io fitaovana io daholo ny tsirairay. ny sasany aza tsy nanana solosaina tany an-trano.

Ny tenako manokana dia faly nanana mpampianatra toa azy, ary tsy tokony hanampi-maso hoe:"rehefa hiasa na manana kilià aho vao tena hianatra an'ity fa hiandry version naloha vola".

Hafa indray ny fandehan-javatra raha mampidi-bola aminao ilay fitaovana nefa tsy novidianao ("na nangalarinao").

Maninona moa raha hofaina koa izy ireny fa tsy maintsy ananana foana? Eo indray dia anjaranao ny manao kajy hoe raha mampiasa an'ity indroa isan-taona aho dia aleoko hofaina
fa raha indray mandeha isam-bolana dia tsara kokoa ny mitazona azy?





10. Nehemiah ( 13/01/2014 15:52)

Raha ny tokony ho tena izy, tokony ho mividy licence windows izy vao azoko apetraka ny système d'exploitation, dia toy izay koa ny burerautique, satria tsorina fa produits Microsoft daholo no tokony apetrako. Raha manao ilay installation ve aho, tsy efa manao piraty ?
Dia tonga saina ny tena e, isika milaza ho kristiana ity, mba tonga saina ve fa mbola mampiasa logiciel tsy nahazoana alàlana ?

Mpit. 7:16 : Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?
11. DotMG ( 13/01/2014 16:04)
Nehemiah:

Mpit. 7:16 : Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?


Ampiaraho amin'ny Mpit 7:17 sy Mpit 7:20 io andininy io fa aza alefa mitokana toy izao.
12. Nehemiah ( 13/01/2014 16:13)
Eny ary, hoy ny Baiboly hoe "Aza mamono olona" ka tsy tokony hamono ny dahalo manafika ny tanàna ny zandary hitandrovana ny fiainan'ny mpiara-belona aminy.
13. endriny ( 14/01/2014 19:55)

moi:

Mba misy tonga saina amin'ity zavatra tantaraiko ity ve, sa izaho no taraiky ?
Indray andro, nisy niantso ahy mba hi-réinstaller ordi. Mpanompon'Andriamanitra izy io, fa raha tsoriko ny resaka dia tao za no tonga saina hoe Tsy mety ity hanao installation amin'ordinateur hafa ity a !
Raha ny tokony ho tena izy, tokony ho mividy licence windows izy vao azoko apetraka ny système d'exploitation, dia toy izay koa ny burerautique, satria tsorina fa produits Microsoft daholo no tokony apetrako. Raha manao ilay installation ve aho, tsy efa manao piraty ?
Dia tonga saina ny tena e, isika milaza ho kristiana ity, mba tonga saina ve fa mbola mampiasa logiciel tsy nahazoana alàlana ? Any andafy aloha ekeko fa betsaka no tonga dia compris amin'ny ordi vidiana ny licence windows, fa raha ny eto Madagasikara dia inoako fa be be ihany no tsy tonga saina fa pasipasy Logiciels zao ! Iza no mba manana ny CD install original ao aminy, fa tsy gravage ? Tsoriko fa tsy tanteraka aho amin'ity resaka ity, fa ny ato anaty ordi-ko tsy hoe logiciel libre daholo, na ireny freeware ireny, + soft téléchargé isan-karazany ! fa ilay fanairana ny namana kristiana no nahatonga ahy hanoratra eto, sa izaho no mitady te ho marina loatra ? Sa tsy halatra ny piraty ?

Ahahahahahha
Eo isika izao...
Izay tratra nangalatra ihany no mpangalatra. Ny sasany aza efa tratra nangalatra mbola olona madiodio ihany eny amin'ny fitsarana.
Izaho aza mangalatra dia mibebaka rehefa alahady, sady manome rakitra amboniny kely dia vao maika aza mahazo tso-drano manokana ao am-piangonana fa nanome rakit-boady...
Amen
Didy faha-11: Aza miveraka
14. Nehemiah ( 15/01/2014 15:42)
Ampahatsiahiviko hatrany ny namana @ serasera mba tsy hanome sakafo ny troll...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6384