Anosivolakely sy i Patrice...

1. endriny ( 06/01/2014 19:25)
Nalaza be io teo aloha saingy ankehitriny lasa mampisy disadisa eo amin'ny samy mpitondra fiangonana Katolika. Fa naninona ary...?
novalian'i endriny ny 23/02/2014 00:55
2. hery ( 07/01/2014 06:44)
Katolika ve enao sa mpitondra fiangonana katolika?
Izaho mantsy tena katolika nefa tsy mbola naheno na tamin'ny radio katolika (rdb) na tamin'ny gazety katolika (lakroa) na fanambaran'ny Eveka milaza na ahitana hoe misy disadisa mikasika an'Anosivolakely.
Ka tsy fantatro hoe aiza nonahenoanao an'izany ary sao mba azo lazaina fa mahaliana :-)
3. toriteny ( 08/01/2014 05:54)
Bedin'i Hery indray za zao. Afaka mamaly ve Hery?
4. hery ( 08/01/2014 11:25)
Ilay fanontaniana no nahagaga ahy hoe mampisy disadisa eo amin'ny samy mpitondra fiangonana katolika. Tsy hitako nefa izany disadisa izany ka izay no lazaiko hoe sa nitantara manokana tany kosa ry zareo?
5. endriny ( 08/01/2014 17:26)
Hery.
Ka ilay tsy fahaizako azy mihintsy no mahatonga ahy hanontany koa... Fa ilay hoe gazety Lakoroa... taiza koa aloha I Hery no nahita gazety Lakoroa mitantara ny lamba maloton'ny katolika teto Madagasikara hatramin'izay e?
6. hery ( 08/01/2014 21:56)
Tsy hoe izay ka. Fa raha nisy fitsipahana na tsy fankatoavana ny momba ny any Anosivolakely dia tsy maintsy ho nisy filazàna ofisialy. Satria mpitondra fiangonana no lazainao mantsy ka tsy maintsy hisy filazana ofisialy raha misy ny disadisay... farafaharatsiny avy amin'ny ankilany.
7. toriteny ( 09/01/2014 06:02)
Hamaly ihany ary aho e rehefa tsy valian'i Hery. Na dia hahazo ny"Aza miditra amin'ny zavatra tsy fantatra" sy ny "aza manenjika" aza rehefa avy eo :)

Ny disadisa entre an'iPatrice sy ny Fiangonana katolika ve no tokony hipetrahan'ny fanontaniana sa ny Anosivolakely sy i Patrice mihitsy? Ahoana ny fijerinao an'Anosivolakely ry Hery?
8. hery ( 09/01/2014 21:18)
Tsy mbola teny Anosivolakely aho :-)
Mitovy amin'ny fijerin'ny Fiangonana ny fijeriko mikasika ireny toerana ireny (izay tsy Anosivolakely irery).

Ahoana hoy ny Fiangonana?

Vitsy, tena vitsy, ny fisehoana toa ireny anaovan'ny Fiangonana filazàna ampahibemaso (na fanekena am-pahibemaso). Ny tranga toa ireny mantsy ny ankamaroany dia miankina amin'ny finoana fa tsy azo porofoina ara-tsiansa.

Na izany aza anefa dia tsy mipetra-potsiny ny Fiangonana fa manendry mpanadihady mihitsy mijery sy manadihady ny zava-mitranga. Maharitra aman-taonany maro ny fanadihadiana. Mandritra izany anefa dia eken'ny Fiangonana ny fanaovana ireny toerana ireny ho toerana fivavahana sy fiatahana masina rehefa tsy mifanohitra amin'ny finoana katolika izany.
9. toriteny ( 10/01/2014 11:48)

hery:

rehefa tsy mifanohitra amin'ny finoana katolika izany.

Eo indrindra isiaka izao. Fa mbola miandry ny investigation an'i Vatican izany ianareo izao?
10. endriny ( 14/01/2014 19:48)

hery:

Tsy mbola teny Anosivolakely aho :-)
Mitovy amin'ny fijerin'ny Fiangonana ny fijeriko mikasika ireny toerana ireny (izay tsy Anosivolakely irery).

Ahoana hoy ny Fiangonana?

Vitsy, tena vitsy, ny fisehoana toa ireny anaovan'ny Fiangonana filazàna ampahibemaso (na fanekena am-pahibemaso). Ny tranga toa ireny mantsy ny ankamaroany dia miankina amin'ny finoana fa tsy azo porofoina ara-tsiansa.

Na izany aza anefa dia tsy mipetra-potsiny ny Fiangonana fa manendry mpanadihady mihitsy mijery sy manadihady ny zava-mitranga. Maharitra aman-taonany maro ny fanadihadiana. Mandritra izany anefa dia eken'ny Fiangonana ny fanaovana ireny toerana ireny ho toerana fivavahana sy fiatahana masina rehefa tsy mifanohitra amin'ny finoana katolika izany.

Ny fahitako azy dia io ohatran'ny ady fitantanana paroasy sy distrika misy ihany. Disadisan'ny samy Fikambanana na Communaute te hitantana sehatra iray mahasik'olona sy idiram-bola bebe kokoa.
Zava-misy eo amin'ny fiangonana Katolika eto Madagasikara sy Afrika izany, fa tsy hisy Lakroa andeha hitantara izany akory a
11. endriny ( 23/02/2014 00:55)
Fivavahana mira fahefana mira vola mira voninahitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.766