Moa ve ?

1. Noue ( 03/01/2014 21:42)
Moa ve adala ireo Malagasy izy niharitra nandritry ny 4 taona

tao anatin'ny fahoriana ,

tao anatin'ny fahantrana ,

tao anatin'ny fandrombana

tao anatin'izao zavatra niseho t@ naha-teo an'ireo mpanongana ka mbola andeha hifidy an'zareo ihany ?

moa ve mba misy lozika izany sa dia azo lazaina hoe tena tia mihaina anaty fahoriana , habibiana , fijaliana ireo Malagasy ?

dia mba tonga saina ve io hery io hoe tsy lozika mintsy anie izao lazaina fa nandresy izao izy eeee ????

mampalahelo ny zava-miseho , eny na dia mbola tsy nivoaka akory aza ny valim-pifidianana ofisialy dia indreny fa efa nitonatonana tonga taty an-dafy sahady ka hamorona paika vaovao eo anilan'ny mpanampy t@ fanonganana iny !

tsy mba menatra akory !! izany ve no mba atao hoe filoha ?? fa filoha @ inona ?
novalian'i andrywui ny 16/01/2014 13:35
2. Nehemiah ( 04/01/2014 06:59)
Ny ahy aloha dia tsotra : na mihoapampana ny hala-bato ary tsy mataho-mena maso ny mpangala-bato, na kondrana tsy misy toy izany ny gasy, ary tsy te-hieritreritra ny faha2 ho marina aho.

Les 2 principes politiques de Todd
- Qu'importe ce qu'ils vous disent, ils ne vous disent pas toute la vérité.
- Qu'importe ce dont ils parlent, ils parlent d'argent.

Franklin Delano Roosevelt (1882-1945):

En politique, rien n’arrive par hasard. Chaque fois qu’un évènement survient, on peut être certain qu’il avait été prévu pour se dérouler ainsi

3. vahiny2004 ( 04/01/2014 12:09)
Tena miombo-kevitra aminao aho eto, lasa mieritreritra hoe dia tena NANDRA tokoa ve ny malagasy ka dia izao tokoa no sahaza azy ?

Etsy an-daniny koa dia mieritreritra hoe tena MATY ERITRERITRA mafy mihintsy ireto mpanao politika mahajery ny fahorian'ny vahoaka isan'andro isan'andro

Nehemiah:

Ny ahy aloha dia tsotra : na mihoapampana ny hala-bato ary tsy mataho-mena maso ny mpangala-bato, na kondrana tsy misy toy izany ny gasy, ary tsy te-hieritreritra ny faha2 ho marina aho.

Les 2 principes politiques de Todd
- Qu'importe ce qu'ils vous disent, ils ne vous disent pas toute la vérité.
- Qu'importe ce dont ils parlent, ils parlent d'argent.

Franklin Delano Roosevelt (1882-1945):

En politique, rien n’arrive par hasard. Chaque fois qu’un évènement survient, on peut être certain qu’il avait été prévu pour se dérouler ainsi

4. betsileolahy ( 04/01/2014 13:30)
efa ela anie izao toe-tsaina anananareo izao, oviana teto gasikara no tsy nolazaina fa misy halatra raha vao mandresy na amin'inoa na amin'inona atao? tsy omeko tsiny ny vahiny raha milaza sy mitaratra amin' ny alalan'io toe-tsaina io ny hoe TOE-TSAINA MALAGASY satria tsy mba afaka mijery ny zavatra tsara ve fa ny ratsy ihany no itanareo tao anatin' izay 4 taona izay:

ratsy avokoa ve ny zava-bita tao anatin' ny tetezamita????

ary tamin' ny andron' ny dadanareo ve mba lavorary????

moa koa ve mba lojika ny hoe efa iaraha-mahalala fa tsy MALAGASY dia mbola hofidian' ny gasy ho filohany ihany???

dia tsy menatra koa ve dadatoanareo miantsoa ny vahoaka hidina an-dalambe fa tsy mahazaka resy????

tsy azo lavina ny tenin' ny F.D.ROOSEVELT saingy aza maika ny hanameloka sy hitsara ny hafa fa mba diniho koa aloha ny tenin' ny SOCRATE hoe: "CONNAIS-TOI, TOI MEME" ary matoa izao no valim-pifidianana eo dia mba saino kely koa ny voalazan' i JANKELEVITCH fa "RIEN N'ALLAIT DU SOI" izany hoe matoa ny olona nanda an' ny JLR dia ao raha
5. alfantomas ( 04/01/2014 13:36)
marina ny an'ialahy rabetsileolahy fa lazaiko anao Noue fa ny gasy tsy adala fa tonga saina aza!!!!
6. Noue ( 04/01/2014 13:40)

betsileolahy:

ratsy avokoa ve ny zava-bita tao anatin' ny tetezamita????

ary tamin' ny andron' ny dadanareo ve mba lavorary????

Mba lzao etoana ary hoe inona sy inona avy ny mba zava-bita tao anatin'io tetezamita io ?

Hatombohy @ naha-teo azy aloha satria tsy safidim-bahoaka no naha-teo azy.

Tsy misy hidiran'zay dadanao ny zavatra lazaiko eto fa ny marina rehetra eee !!!

Nahazo asa daholo ve ny olona izay very asa hatramy naha-teo io tetezamita io ???

Mihinana isan'andro ve ny akamaroan'ny olona ????

Ahoana ireny jiolahy rehetra mirongo basy rehetra manafika etsy sy eroa ireny ???

Mety @ nao daholo ireny ???

bravooooooo zany kooooooo
7. betsileolahy ( 05/01/2014 11:28)
Tsy niankina tamin' ny tetezamita na Rajoelina ny ankamaroan' ny zava-drehetra teto nefa na izany aza izaho sahy milaza fa nahavita ireo ary tokony mbola hahavita lavitra aza raha tsy nisy ny mpisompatra; ny zava-misy mandritra ny tetezamita dia efa stratejia maty paika NATAON' IREO FIRENENA LEHIBE MPANOHANA AN-DRavalomanana vantany vao niongana ravalomanana mba misy anenjehana ny tetezamita rehefa avy eo :

-satria ny firenena malagasy mbola miankin-doha amin' ny firenena matanjaka indrindra ny amerikana dia notapahiny ny AGOA dia nolazaina fa very asa ny ankamaroan' ny malagasy tao anatin' ny tetezamita nefa ny tena marina FANAHINIANA NOVEREZINA ASA vokatr' izany dia nihinana ihany ny malagasy fa tsy dia nitovy tamin' ny taloha nefa tokony tsy hoadino fa TSY NISY FAMATSIAM-BOLA teto nefa MBA NIODINA IHANY NY RAHARAHAM-PIRENENA

-raha ny jiolahy indray angaha tamin' ny tetezamita vao nisy nitodra basy rehefa manafika?????

raha ny hoe mety amiko, eny tompoko, mety namiko izao ary aleoko lavitra izao toy izay resaka valifaty politika no hiainana eto ary mbola aleoko koa izao toy izay TSY MALAGASY NO HOFILOHANAY MALAGASY
8. hadji ( 05/01/2014 16:24)
hein!? tandremo sao diso tetika ka latsa panenenana fa ny tgv izao efa tsy afaka fiakarana e, odray Tratry ny taona aby re e...
betsileolahy:

Tsy niankina tamin' ny tetezamita na Rajoelina ny ankamaroan' ny zava-drehetra teto nefa na izany aza izaho sahy milaza fa nahavita ireo ary tokony mbola hahavita lavitra aza raha tsy nisy ny mpisompatra; ny zava-misy mandritra ny tetezamita dia efa stratejia maty paika NATAON' IREO FIRENENA LEHIBE MPANOHANA AN-DRavalomanana vantany vao niongana ravalomanana mba misy anenjehana ny tetezamita rehefa avy eo :

-satria ny firenena malagasy mbola miankin-doha amin' ny firenena matanjaka indrindra ny amerikana dia notapahiny ny AGOA dia nolazaina fa very asa ny ankamaroan' ny malagasy tao anatin' ny tetezamita nefa ny tena marina FANAHINIANA NOVEREZINA ASA vokatr' izany dia nihinana ihany ny malagasy fa tsy dia nitovy tamin' ny taloha nefa tokony tsy hoadino fa TSY NISY FAMATSIAM-BOLA teto nefa MBA NIODINA IHANY NY RAHARAHAM-PIRENENA

-raha ny jiolahy indray angaha tamin' ny tetezamita vao nisy nitodra basy rehefa manafika?????

raha ny hoe mety amiko, eny tompoko, mety namiko izao ary aleoko lavitra izao toy izay resaka valifaty politika no hiainana eto ary mbola aleoko koa izao toy izay TSY MALAGASY NO HOFILOHANAY MALAGASY
9. vahiny2004 ( 06/01/2014 08:47)

Lalina indray izany fijerinao izany ! Tsy niankina t@ Rajoelina ny ankamaroan'ny zava-drehetra teto ????

betsileolahy:

-satria ny firenena malagasy mbola miankin-doha amin' ny firenena matanjaka indrindra ny amerikana dia notapahiny ny AGOA dia nolazaina fa very asa ny ankamaroan' ny malagasy tao anatin' ny tetezamita nefa ny tena marina FANAHINIANA NOVEREZINA ASA vokatr' izany dia nihinana ihany ny malagasy fa tsy dia nitovy tamin' ny taloha nefa tokony tsy hoadino fa TSY NISY FAMATSIAM-BOLA teto nefa MBA NIODINA IHANY NY RAHARAHAM-PIRENENA

izany ve tsy fantatra alohan'ny nanonganana ?
Ka matoa nanongana dia tokony manana solution izany , sa manonganongam-poana

betsileolahy:

-raha ny jiolahy indray angaha tamin' ny tetezamita vao nisy nitodra basy rehefa manafika?????

raha ny hoe mety amiko, eny tompoko, mety namiko izao ary aleoko lavitra izao toy izay resaka valifaty politika no hiainana eto ary mbola aleoko koa izao toy izay TSY MALAGASY NO HOFILOHANAY MALAGASY

Tsy valifaty politika angaha ilay fanonganana teo ???
10. betsileolahy ( 06/01/2014 11:09)
efa fantatra mialoha mihintsy izany ary vokatry ny fahafantarana izany indrindra no nahatonga ny tgv hanongana fa tsy valifaty politika fa leo ny fitondran'i Ravalomanana ny vahoaka, efa solution anie ny fitondrana nataon'ny Rajoelina fa nofinganin'ny firenena mpanohana an-dRavalomanana
11. andrywui ( 06/01/2014 15:23)
Calme less noue à ,,dada zany.efa tsy ho tafody tsony ,,aleo hery vaovao ndray no tohanatsika less ry noue à amboary ny saina ...
12. Noue ( 06/01/2014 20:55)

andrywui:

Calme less noue à ,,dada zany.efa tsy ho tafody tsony ,,aleo hery vaovao ndray no tohanatsika less ry noue à amboary ny saina ...

aza mirediredy less wiwi aaa ! ho hitan'laha eo fa tsy tafajanona eo ny herin'laha !!

zany dadan'laha zany ko less tsy mivakl @ zany aho eee ! hery vao² io ihany no mba asesin'lah fa dia ho hitantsika eto ny tohiny eee !!
13. hadji ( 07/01/2014 03:57)
marina izany ra noue hitsikafon tsy ho ela ny halatra nireharehany tao antin'ny fotoana fohy
14. vahiny2004 ( 07/01/2014 08:18)

betsileolahy:

efa fantatra mialoha mihintsy izany ary vokatry ny fahafantarana izany indrindra no nahatonga ny tgv hanongana fa tsy valifaty politika fa leo ny fitondran'i Ravalomanana ny vahoaka, efa solution anie ny fitondrana nataon'ny Rajoelina fa nofinganin'ny firenena mpanohana an-dRavalomanana

Nofinganiny ahoana ? Solution tsy marim-pototra matoa azo nofinganina
15. Noue ( 07/01/2014 14:27)

betsileolahy:

Tsy niankina tamin' ny tetezamita na Rajoelina ny ankamaroan' ny zava-drehetra teto nefa na izany aza izaho sahy milaza fa nahavita ireo ary tokony mbola hahavita lavitra aza

resaka valifaty politika no hiainana eto ary mbola aleoko koa izao toy izay TSY MALAGASY NO HOFILOHANAY MALAGASY

fa nahavita inona aloha rajohell sy ny forongony teo eee ??? inona no tsy potika ??

ekena eeee !!! nahavita nameno ny paosiny ry rajohell sy ny tariny, sa tsy marina zany??? ay ay ay !! lasa nanankarena be tampoka teo daholo ry zalaha !!!

ary rajohell nga moa tsy manana nationalité frantsay eee ??? aiza re zany eee
16. Tanora ( 12/01/2014 08:30)
o ry betsileolahy a!mety @ Malagasy ve ny miaramila omena vola dia mamono ny vahoaka? miaramila mameno paosy!miaramila mangalatra harem-pirenena?taiz t@ foatoan'andron'iza no nisy izany ra tsy t@ tetezamita??efa higagan'izao tontolo izao fa safy mahantra no farahidiny ny Malagasy dia ireo mpitondra mandetika ihany, manginy ny pesta,ny arentina samy hafa,ny tsy azoko dia ny fanenjehana foana an'i ravalo vao misy tranga,lery nefa manana ny fiainany any lavitra any, inona izy raha tsy iverina intsony aza fa izay mitondra no mpamono Firenena, ho aiza anefa no hilevona?????ny foloha rehefa tsy nasionalite frantsay dia tsy tafa eo @ sezany ange e ra-betsileo e!!tsisy nifidy ny fahafatesany sy hamono ny fianakaviany ka mbola hifidy rajoelina e!zaza tsy mahay mifitra tony avy ve no miseo ho mpitondra dia ny manaraka azy mirehareha fa nanary ankady ny Fireneny!!
17. moi ( 13/01/2014 13:03)
za aloha dia gaga amin'ny fijery hoe rehefa tsy TGV no ady eo dia Ra8, hatrany amin'ny depiote io a !
Mbola heveriko fa diso safidy ny malagasy tia mampifanandrina azy roalahy ireo, efa hoe mba olombaovao (fa tsy hery vaovao) fidiana, mbola ny eo ihany ! Hiditra amin'ny dimy taona hamerenana ny vola lany tam propagandy isika izao !
Io efa azoazo hoe tsy hanaiky izay resy eo e ! za angaha no pessimiste amin'iny.
Za koa manana fijery hoe Ra8 any io no tena nanimba ny tetezamita, noho ny fankahalana an'i Andry. Amiko mpampikatso rangahy iny, très mauvais perdant hoa ! Ataony indray izao izay hampikatso raharaha eto ; comportement an'olona efa niova ve no hitanareo amin'i Ra8 ?

ny "moa ve" dia izao : sao dia mbola ao anatin'ny famaizan'Atra hoa isika e, ka na inona atao, tsy ho tafavoaka zany e !
18. Nehemiah ( 13/01/2014 16:25)
betsileolahy:
ratsy avokoa ve ny zava-bita tao anatin' ny tetezamita????

Tsy mahatohitra ny fakam-panahy hikôpikole ny zavatra efa napetrako aty aho :-) :

Maro ny mpanao pôlitika izay mireharefa @ zava-bitany. Tsy latsa-danja @'izany koa ra-DJ. Izao ny lôjika arahiny :

1°) Tsy maintsy mahatanteraka zavatra isika.
2°) Ity misy zavatra anankiray.
---> Tsy maintsy tanterahina ity zavatra ity.

Kanefa izany anie dia mitovy tsy misy valaka @'ity fizohin-kevitra ity :
1°) 4-tongotra ny saka rehetra.
2°) 4-tongotra ny alikako.
---> Saka ny alikako.

looooooool ! :-)

betsileolahy:
moa koa ve mba lojika ny hoe efa iaraha-mahalala fa tsy MALAGASY dia mbola hofidian' ny gasy ho filohany ihany???

Kaika va arà tsa gasy ny Sihanaka ?
betsileolahy:
tsy azo lavina ny tenin' ny F.D.ROOSEVELT saingy aza maika ny hanameloka sy hitsara ny hafa fa mba diniho koa aloha ny tenin' ny SOCRATE hoe: "CONNAIS-TOI, TOI MEME"

Jn. 7:24 : Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina (izaho no manao ny sora-mandry)
betsileolahy:
ary matoa izao no valim-pifidianana eo dia mba saino kely koa ny voalazan' i JANKELEVITCH fa "RIEN N'ALLAIT DU SOI" izany hoe matoa ny olona nanda an' ny JLR dia ao raha

Izay ilay fisainan-diso atao hoe : "argumentum ad populum", aty ny antsipiriany momba an'izay, asio maso manokana ny ohatra farany
19. ronaldo09 ( 16/01/2014 07:24)
de n'importe qoui!!!! kivy aminao manoratra aho!!
20. Noue ( 16/01/2014 13:25)

ronaldo09:

de n'importe qoui!!!! kivy aminao manoratra aho!!

ity fomba fanoratanao no tena mahakivy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.603