Tapitra ny 2013 aiza ilay faminaniana fa ho lasa President

1. Maranatha ( 03/01/2014 11:30)
Tsy sanatria manedri-dresy na te hanamafy fa tsy faminaniana avy any an-danitra ny an'ilay milaza ny tenany fa hiakatra ho president ny taona 2013. Fa tena te hampisokatra ny sain'ireo membre rehetra ao fa tsy maniraka olona intsony A/tra hiady toerana eto amin'izao tontolo izao.
Ity no teny mety hampiononany ny sainareo rehetra izay mbola mifikitra sy manohana azy Apok 10:10 Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tanan'ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha nataoko teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.

Hilaza izy fa tsy vao hianareo irery no diso fanantenana fa izay maharitra hatramin'ny farany ihany no ho vonjena. Toko sy andininy entiny hilazana ny tsy fahatanterahan'ny zavatra voalazany.

Ny tena mpianatry Kristy dia tsy mitady toerana eto amin'izao tontolo izao intsony, na ny mandeha mifidy aza tsy hataony. hoy i Kristy raha niresaka tamin'i Pilato izy Jaona 18:36 Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, ......; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako.

Ny hany hany hataon'ny mpianatry Kristy sisa dia mivavaka hoan'ny mpitondra izay tafakatra eo mba hiadanan'ny tany. Romana 13:1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Ny Avo-indrindra; fa izay misy dia voatendrin'Ny Avo-indrindra.2 Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Ny Avo-indrindra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.3 Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao;

Hangatahana hianreo membre ao mba hisaina tsara. Mba tsy hanohana olona fa mba hikatsaka tokoa ny fiainana mandrakizay. Ny antony hivavahana dia ny hamonjena ny fanahy mba tsy ho very.

Mbola fitiavana no hilazanay izao ho anareo. MIVOAHA EO AMINY HIANAREO RY OLOKO.
TOKANA NY FIANGONANAN'I TSITOHA ETO AMBONIN'NY TANY. TSY NITARIKA ZAZA MANIASIA ETSY SY EROA NY TSITOHA. VAHOAKA IRAY NO TARIHANY. VAHOAKA IRAY IZAY EFA MISY AZY MANERANA NY TANY Apok 10:11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.
Apok 14: 6 Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra,

Ireo Teny ireo dia milaza fa tsy maintsy efa manerana ny tany Fiangonanan'I tsitoha .

MAHEREZA
novalian'i rekinbelo ny 14/01/2014 18:49
2. hery ( 07/01/2014 06:48)
Betsaka mihitsy ny faminaniana nilaza daty sandoka. Tao ireo niteny momba ny farandro sns. Ny ahy indray raha vao milaza daty dia efa tsy matiko lolo.
3. rekinbelo ( 14/01/2014 18:49)
aza gaga enao namana fa refa misy evenement hiseh indray eto dago @ 2014 ity dia ho avy izy hanazava indray momba ireny kajikajy fanaony efa mahazatra antsika eeee.
Tena mampalahelo be mitsy aloha ny mieritreritra ilay izy namana fa dia atao ahoana eeee, le mpikambana ao aminy very miaraka aminy noo tena mampalahelo, maro aza ny tantara henoko fa izany hoe tsy mety ny manao diffamation ka aleo mangina sady tsy mety alefa eto @ serasera eto ee.
Efa andro tsy fanaovana adalana intsony izao fa mila mitandrina isika namana mila mandinika tsara ny lala-kombana sao very e
Mahereza eee
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6322