Tablette any am-piangonana

1. Noue ( 27/12/2013 13:58)
Miarahaba,

Tsy hoe mitsara akory aho raha mandefa ity dinika ity fa somary sahirana kely ny saiko raha nahita an'izao toe-javatra izao.

Tany antananarivo aho vao tsy ela zay. Ny tena moa dia katolika noho ny fanaraham-bady fa anglikana .

Ny fianakaviako dia lasa protestanta avokoa noho ny fanaraham-bady koa.

Dia mba lasa nanaraka ny havana namonjy fotoam-pivavahana tany @ protestanta.

Variana dia variana aho raha vao tafiditra ny fiangonana fa ny hakamaroan'ny olona dia manana tablette avokoa ka nametraka fanontaniana aho hoe fa ahoana izao feno olona samy manana ny tablette-ny zao ?

dia hoe samy manana ny tablette-ny hanarahana ny fihirana mba tsy hitondrana boky fihirana intsony.

Nefa kosa aloha dia alohan'ny izany toa mifampisehoseho izay ao anatin'ny tablette-ny ny akamaroan'ny olona.

Tsy mitsara aho hoy aho fa variana , ianareo ve mitondra tablette any am-piangonana ? ianareo koa ve ataonareo ao daholo ny hira , ny vavaka izay atao ao am-piangonana ?

Misaotra eee
novalian'i toriteny ny 22/03/2014 16:13
2. hery ( 27/12/2013 16:08)
ie :-)

Efa misy koa ny an'ny katolika ny Fihirana sy Baiboly amin'ny tablet (na telephone android). Dia efa miakatra eny ambony pilpitra amin'izao izy ireny.

Mazava ho azy fa tsy tokony hoe fisehosehoana fa ampiasaina tahaka ny fihirana ihany e.

Ny an'ny katolika dia ireto:

Fihirana katolika: https://play.google.com/store/search?q=fihirana%20katolika
Baiboly Katolika: https://play.google.com/store/search?q=baiboly%20katolika

3. Noue ( 27/12/2013 19:59)
Misaotra anao Hery aa

misaotra koa @ ireo lien

hay moa tablet fa tsy tablette ;)

izaho aloha dia tsy voako ilay fanarahana fotoam-pivavahana , na hira @ io tablet io aa , fa samy manana ny tiany koa io.

tsara ny fovoharana saingy sahala ny manahirana ny saiko ny hampiasa an'io tablet io any am-piangonana.
4. hery ( 27/12/2013 20:18)
Tsy omena tsiny mihitsy i Noue raha somary mbola sahirana ka. Lalan-javatra izany.

Tamin'ny fotoana taloha, mbola tsy nisy boky, dia tsianjery no nianarana hira.

Tamin'ny vao nanomboka ny boky dia nisy vitsivitsy nitondra baiboly sy fihirana tany ampiangonana (ireo manamanana sy andriana tamin'izany fotoana izany) dia betsaka ny tafintohina hoe misehoseho satria mba mahay mamaky teny sy hoe mba manana dia mitondra boky any am-piangonana. Betsaka mihitsy aza ny tezitra hoe tsy tokony raisidraisin'ny olona ankoatra ny mompera ny baiboly sns.

Aty aoriana anefa, rehefa nanomboka nalaza be ny boky sy ny taratasy, dia namporisihina ny olona hitondra fihirana sy baiboly any am-piangonana.

Dia tsy maintsy ho tahaka izany koa io. Amin'ny voalohany dia mbola betsaka ny ho tafintohina sy ho sahirana mahita ny olona mitondra tablet any ampiangonana, fa tahaka ny boky ihany dia hiova izany fomba fijery izany.
5. Noue ( 27/12/2013 21:00)

hery:


Dia tsy maintsy ho tahaka izany koa io. Amin'ny voalohany dia mbola betsaka ny ho tafintohina sy ho sahirana mahita ny olona mitondra tablet any ampiangonana, fa tahaka ny boky ihany dia hiova izany fomba fijery izany.


Marina izany Hery aa ! mila fahazarana marina angamba io araky ny filazanao azy.

Ny aty @ nay aloha hatramizao dia mbola misy ireo taratasy hanarahana ny fandehan'ny fotoam-pivavahana io ka io fotsiny no harahana , izay hita eo @ latabatra kely akain'ny bénitier fa efa ela tokoa no tsy nisian'ny boky.

Marina fa hoe mety lany andro , lany taratasy , ny imprimante , ny encre , mila bénévolat koa ny fikarakaraina ny fandaharana ny fotoam-pivavahana , ka ny tsotsotra tsy andaniana an'ireo voatanisa ireo dia aleo marina io tablet io no hampiasaina ?

asa re raha hi-hisy an'io tablet io aty satria hatramizao aloha mbola tsy nahita aho.

io ve ry Hery katolika gasy sa vazaha io mampiasa tablet io ? ny aty @ nay aloha dia katolika vazaha ka izay angamba no tsy mbola nahitako an'io?

6. ANARIM ( 28/12/2013 05:52)
Miarahaba, izaho manokana aloha dia efa nisy fotoana sorena ihany satria dia tena tsy ny fanompoam-pivavahana nizotra mihitsy tokoa no tazako narahin'ilay olona teo akaiky teo t@ ity "tablette" fa tena zavatra hafa mihitsy no nataony tao, ary na nandritry ny toriteny aza dia tsy an-kiala mihitsy teo amin'ilay "tablette", mbola nampiany moa aveo fanapihapihana sary an'izatsy sy izaroa! hihihihi
maromaro ny tranga efa hitako toa io ary lasa ihany ny saiko hoe mety tokoa ve! ka rehefa nandinindinika kely aho dia toa izao no hevitra hitako :
- azo atao tsara ihany ny mitondra ny boky (baiboly sy fihirana)
- tsy azo atao kosa ny mitondra finday na ny toa izany (tablette ... ... ... asa koa mety hisy hamoaka mini laptop mitsy ve ndray andro any?) Marihiko manokana fa ilay FINDAY na atao "mode silence" aza dia mbola mosy "interférence" @ "sonorisation" ary mahasosotra be tsssss, manginy fotsiny ireo manadino mamono na manao "mode silence" dia tapaka tanteraka ny "feeling" na ny an'ilay mitarika etsy aloha aza ....
- azo atao tsara kosa ny manao ezaka indray mandeha (ary mino aho fa tsy sarotra io raha mitaha @ isan'ny "fidèle" ao ampiangonana) mividy sy mampiasa ny teknolojia manara-potoana (sy manara-penitra raha vita) ka aseho @ alalan'ny "ECRAN GEANT" isaky ny lafin-drindrina ilana izany, na ny hira, na ny vakiteny, na ny fandaharam-potoana. azon'ny Fiangonana ampiasaina @ zavatra hafa mahakasika ny asa fitoriana koa io arak'izay maha-mety azy, ankoatry ny isan'Alahady!

amin'izay mantsy na ireo nahatakatra fihirana kely, na fihirana be, na "tablette" sns, na koa ireo tsy nahatakatra, na nanadino, na tsy afaka nitondra ... dia samy ho afaka handray anjara mavitrika tsara ary tsy hisy fifanelingelenana! (ny ao aminay moa dia ny ankizy majinika no tsy mba maharaka ny hira mandeha matetika satria tsy mba manana fihirana kely izy ireny)

raha ny fahalalako azy dia efa misy vitsivitsy @ ireo FJKM eto Andrenivohitra no mizotra tsikelikely any amin'io fampiasana ECRAN GEANT iraisan'ny be sy ny maro io!

mino aho fa afaka atao ny miara-mifanaiky hoe ho an'ireo manana fihirana sy baiboly maromaro ao an-tokantrano, na ao am-piangonana, amin'izay fotoana izay, dia afaka kosa entina aparitaka any @ tontolo ambanivohitra izay tsy mbola misy akory ny electricité izy ireny! mazava ho azy fa samy mitazona izay ilany ny isan-tokantrano vao manolotra izay foiny zaraina!

hihihihi manonofy ve re izaho e? sa nilaozan'ny toetr'andro? asa re, ny Fanahy Masina no aoka hiasa mahery!

Amen

7. Noue ( 28/12/2013 14:26)
Mitovy hevitra tanteraka @ ANARIM aho , ary tena tsy ho lasako mihitsy aloha ilay fijerena tablet ao am-piangonana ee

Tena marina io lazain'i ANARIM io hoe tsy hisy fifanelingelenana satria ny zavatra hitako aloha dia ilay fifampisehoana ny zava-misy anaty ilay tablet ka nahasorena ahy.

Tena marina koa ny momba ny finday , aiza ve tena eo @ filazan-tsara no indray maneno ilay finday , efa nisy koa ilay vao niteny ilay mpitarika fivavahana hoe "aoka isika hivavaka" dia indro misy finday naneno.

Fahasorenana tsy nisy ohatran-zany.

Eny eee ! samy manao izay tiany io satria hoe eo koa ny fandrosoana saingy tena tsoriko aloha fa tsy ho vonona ny hanaraka fotoam-pivavahana @ tablet ny lohako sy ny saiko.

Aleko lavitra ihany mitondra boky satria amiko maivana dia maivana io boky io noho ny tablet.
8. 5laody ( 28/12/2013 17:34)

Salama daholo ,

Misy tombony sy lesoka kely toy ny zava-drehetra ihany io fa arakaraky ny finiavan'ny tompony e.

Ao anaty finday ao mantsy matetika misy sary, misy sarimihetsika, misy kilalao, agenda sy ny sisa. ao anaty kitapo iray ao daholo ny fiainanao manontolo.

Mora loatra ny mivily lalana raha iny no ampiasaina atao fihirana. Tsy hoe ratsy akory ny manana azy fa raha mba misy fihirana dia aleo ilay taratasy ihany no ampiasaina.

Raha sendra fiangonana akaiky tranon'olona ary ianao mety hisy wify tampoka.

hitantsika ihany rehefa manketo amin'ny aterineto isika dia varavarankely iray no ivoahana ary dia mety lasa lavitra mihitsy ary tsy mahatsiaharo izay ora sy asa tokony atao.

Ilay maneno tampoka iny koa dia fahazarana tsara tokony ananana ilay manidy ny feona finday rehefa hivory na manana fotoana manokana aman'olona.

any amin'ny fianarana sy hôpitaly sasany izao dia brouillé ny onde gsm rehefa miditra ao ianao mba tsy hanelingelenana ny marary sy ny mpianatra sy tsy ahafahana misopapa be rehefa fanadinana.

Inona ny mety hahatsara ny tablette sy finday any am-piangonana hoy ianao?

Raha atao fiandry rehefa tsy ampy ny taratasy na hadino ny fihirana.
rehefa tsisy lakolosy amin'ny fanolorana (ho an'ny katolika io) dia miteny ny mpanampy ny pretra (mpi servir) hoe -bipeo kely aho rehefa manangana iny Mompera.









9. Noue ( 29/12/2013 08:41)

5laody:


Ao anaty finday ao mantsy matetika misy sary, misy sarimihetsika, misy kilalao, agenda sy ny sisa. ao anaty kitapo iray ao daholo ny fiainanao manontolo.

Mora loatra ny mivily lalana raha iny no ampiasaina atao fihirana. Tsy hoe ratsy akory ny manana azy fa raha mba misy fihirana dia aleo ilay taratasy ihany no ampiasaina.





Miarahaba,

Mora loatra ny mivily lanana , ekena ery tena marina io .

Sady moa ve tsy mihaodihaody ao io fakam-panahy io hitarika @ zavatra hafa ?

Matanjaka anié io devoly sady fetsifetsy eee

Aleko lavitra ihany mi se concentrer @ boky izay natao ho an'ny fiangonana ka.
10. booboo ( 30/12/2013 18:19)
hum hum, zà zao karazan'ilay sady tsy mitondra Baiboly no tsy mitondra Fihirana rehefa mandeha any am-pengo fa @ tél aby. Pratique kokoa io amiko manokana, clic clic raim fotsiny tonga dia any @ pejy tadiavina, tsy mila mamerina malaky ao an-doha ny "GenEksLeNoDé" an-kira raha hitady ny misy ny bokin'i Habakoka ohatra ^_^, no sady afaka alebiazina ny soratra, moa koa tsy mameno paosy ho an'ny tsy mpitondra pôketra ohatra anà.
11. moi ( 02/01/2014 05:14)
raha ankizy no mitondra tablette, tsy hitako izay tsy mamadika an'io ho kilalao rehefa ao am-piangonana ! mandritra ny hira sy vakiteny fotsiny no mba tsy hors-sujet ny tablette fa vao zavatra hafa dia efa jeu, na film no jeren'ny ankizy ao.
Na io phone io aza ange ilaozan'ny maro FB foana hatrany ampiangonana e ! dia ny tablette ve no ratsy, na ny phone ? ny fampiasana azy no ratsy fa tsy io fitaovana io !
Marihina fa ny fitondranao baiboly entin-tànana dia azo lazaina fa fanairana ny hafa hoe ndao hivavaka ! (rehefa entina am tsara hoa dia tsara, fa raha hoentinao geste hoe zahay mba mivavaka a ...)
Any aoriana angamba tsisy mpiangona mandeha an-tongotra intsony, dia samy electronique daholo ny fihirana, baiboly, ho sans fil, ... tsy ho fantatra intsony hoe hay misy fiangonana androany !
12. vahiny2004 ( 02/01/2014 11:21)
Inona no tena mahasosotra @ ilay hoe mampiasa tablette any am-piangonana ? Hevero toy ny hoe mitondra fihirana fotsiny izy dia mamadibadika ny fihiranany

Ahoana no hahafahana mitsara avy hatrany fa fisehosehoana ilay izy ? Ataoko ity efa betsaka koa ny mampiasa ny karaoké

Ka raha ilàna vaniny daholo izao rehetra izao dia na ny orgue, synthétiseur , sonorisation dia ho foanana avokoa any am-piangonana fa miteraka diversion ? Nahoana raha raisina hoe fampiasàna ny teknolojia hideràna an'Andriamanitra

Misy koa anie mba fonony toy ny Baiboly ihany no entiny fa bandes dessinées angamba no ao anatiny e , dia iny no avadibadiny ao

Misy koa aza tonga any am-piangonana ny vatany fa ny fony mety tsy ao akory ! Tsy anjaran-tsika angamba no mitsara
13. manetritena ( 05/01/2014 12:19)
Miarahaba antsika rehetra !
Ny tenako dia Anglikana !raha hanoratra eto aho dia mba hilaza ny hevitro !
Amiko ny fiangonana ,araka ny fampianarana izay azoko ,dia Tempoly na tranon'Andriamanitra ,izany hoe MASINA INDRINDRA !noho izany dia heveriko fa izay rehetra atao ao ka mety tsy hahamasina azy dia tokony hampieritreritra .
Tokony hipetraka ao an-tsain'ny tsirairay izay hiditra ao am-piangonana fa HITADY an' ilay MASINA INDRINDRA izy ,izay ary izay ihany no antondiany ao ! fa raha tsy izany dia lany andro sy mamita-tena izy !Raha tsorina dia hitady an'Andriamanitra Ray ,Zanaka ,Fanahy Masina .
Ny mampalahelo dia tsy tena tsapan'olona izay,hany ka mihena mba tsy hilazana hoe tsy voahaja ny tranon'Andriamanitra raha oharina @ trano hafa !
ohatra vitsy no raisiko : Mihinan-javatra ao am-piangonana,mitakoristika ao ampiangonana ,sns..Raha hiresaka momba ilay Finday aho ,Moa ve ho sahiko ny TSY HAMONO ny findayiko raha hiditra ao @ biraon'ny olona izay heveriko ho manampahefana ambony aho (Ministra ,na filoham pirenena mihitsy aza) raha hanagataka zavatra aminy ? Tsia angamba no valiny ! Koa izay no hisarihiko ny saintsika hoe Aiza ho aiza @ izay anefa ny fanajàn'olona an'ilay MANAMPAHEFANA AMBONY INDRINDRA ,raha hiresaka sy angataka zavatra aminy ao @ tranony isika ?
Ny tiako ambara dia izao : Amiko IZAY REHETRA METY HISAKANA na hampihena ny fifandraisako mivantana @ ilay Masina indrindra dia tokony tsy ampiasaina !ary izay rehetra ihany koa ataoko mety hanelingelina ny hafa mpiaramivavaka amiko (na fihetsika fotsiny aza) dia heveriko fa fanamelohana ho ahy izay eo anatrehan'ilay nanasa antsika rehetra hiditra ao antranony ka tsy hahafahan'ny hafa hifantoka sy hiresaka amin'ilay MASINA INDRINDRA ! Noho izany tsarovy fa na ny fitafy izay hanaovana ho entina eny ampiangonana aza dia mila ho eritreretina tsara sao hanafintohina ny hafa na ny mifanohitra amin'izany (mahatehotia,hafakely ) ,ary hahatonga azy hijery anao fa tsy hijery an'ilay MASINA INDRINDRA !
Fantatro fa mety tsy hisy hitovy hevitra amiko mihitsy kanefa malalaka moa ny fanehoankevitra koa dia manararaotra aho manoratra lava satria sarotra ihany koa ny maneho izay tiankambara @ teny fohy .
Raha fehezina izany ny hevitro dia izao : Tsy mitsara na iza na iza aho ,kanefa kosa tsy mankasitraka izay rehetra mety manohitohina ny vavaka izay atao ao am-piangonana ,eny fa na dia teknolojia vaovao avo lenta aza ,koa raha ny fisian'ny Orgue na ny synthétiseur no tsy ahazahoako mifantoka tanteraka @ Adriamanitra dia aleoko tsy misy,fa raha ny fisiany no hampandroso lalina bebe kokoa @ fanompoana dia ilaina ny fisiany !Ny fontsika manatrika ny Tompo no ilaina vaovao aloha vao ny fitafintsika izay endrika ivelany daholo fotsiny ihany !
Ary ny hamaranako azy dia ity teny filozofika ity : "raha te hijery lavitra sy lalina hianao dia akipio ny masonao "
Misaotra anao naharitra namaky .Ny fahasoavan'ny Tompo ho amintsika rehetra !
14. toriteny ( 22/03/2014 16:13)
Dia ahoana izany iny fanambarana nataon'ny WWF sa tsy tadidiko ilay organisation namoaka an'iny hoe hatao filamantra toy ny tamin'ny taona 2 000 tamin'ny ordinateur (izay tsy mahay ordi tsy mahay manoratra) hoe privilégier na ny tablette noho ny cahier?
Tsy aleo koa v mba tablette d mba tsy tapaka ny hazo é. Mba ny any ambanivohitra be tsy misy jiro sisa no hanaovana baiboly?
Fa io tsy misy maha déconcentré anao izany any am-piangonana rehefa tena mino ianao, na tablette io, na téléphone, na inona na inona.

Za zao mahita hoe be dia be ny hilavana ny tablette any am-piangonana:
-Enregistrer na toriten'ny pasitera. Dia tsy maka naoty fa afaka henoina foana.
-Hangalana sary tableaun'ny hira ho an'izay mipetraka any aoriana ka tsy mahita
-hasiana version be dia be baiboly(français, Louis segond, Dikan-teny iombonana, concordansa), afaka asiana fihirana
-Afaka alehibeazina ny soratra ao amin'ny baiboly sy ny fihirana

Ny tiako tenenina raiso ho toy ny fitaovana rehetra ny tablette(toy ny stylo izay raha omenao ny ankizy ao am-piangonana mety hilalaovany, mety hangalany lesona amin'ny 5 minitran'ny ankizy). arakaraky ny nizaranao azy ihany io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0501