Kyste pilonidal

1. Maranatha ( 25/11/2013 11:46)
Miarahaba antsika rehetra.
Misy namana voan'io aretina Kyste pilonidal io mba mitady vahaolana amin-tsika sao misy mahita soson-kevitra mba homena azy
Toy izao amin'ny sary izao izany https://www.google.mg/search?noj=1&tbm=isch&q=kyste+pilonidal+non+infect%C3%A9&revid=1049032676&dpr=1&biw=1024&bih=605
Tsy tia ho didina izy ary efa nisy nanome hevitra ny argile vert ihany koa. sao misy hafa???
novalian'i Ratoa ny 06/05/2015 13:45
2. shannie ( 10/12/2013 11:27)
Za aloha tsy mahafantatra e. fa nanaitra ahy le sary, nangoritsina mintsy. mampalaelo le namanao. mirary fahasalamana sy mitondra ambavaka ho azy.


Toy izao amin'ny sary izao izany https://www.google.mg/search?noj=1&tbm=isch&q=kyste+pilonidal+non+infect%C3%A9&revid=1049032676&dpr=1&biw=1024&bih=605
3. Ratoa ( 01/01/2014 22:30)
atao hoe kyste fa ny tena marina dia vay (abcès) ireo. Abcès daholo ireo amin'ny say ireo. Misy mivoitra, misy mandavaka;
eo amin'ny fototry ny volo izy no manao infection dia mivadika ho nana (pus). Na koa hatsembohana tsy tafa voaka no manao infection.
raha mbola kely izy dia atao pansement au dakin (apetaka eo ny coton kely misy dakin) dia solosoloina dia levona ho azy.

Raha vay lehibe izy (mihaotra ny 1cm de diamètre) dia azo atao pansement à l'alcool ka tandremana tsy hiaotra amin'ny hoditra tsy marary ny alcool.

Masaka ny nana (pus) dans tous les cas dia potsitra dia atao pansement (mèche misy fanafody mitroka ny nana).
Misy koa avy hatrany dia trobarana ny vay manta ( marary be, izay lay hoe teri-vay manta)dia asiana mèche araky ny voalazako. marary be ny mèche ary dia tsaroana mitroka ny nana izao. Mivaoka daholo ny pus dia avy eo misy rà mandeha. (solosoloina koa ny mèche)
4. Maranatha ( 08/04/2014 13:19)
Ilay argile vert ihany no nahahafaka azy nasiana baume relax. Mety @ izay faritra mivonto rehatra @ tena oh: goitre, kiste, kambo-tenda (atao ety ivelany) sns...
Mila misotro ilay argile ihany koa rehefa maraina 2 sotro kely @ rano 1 verre. Izay efa nalona nadritra ny alina.
5. shannie ( 08/04/2014 17:38)
Maranatha> atao aôna kay ny fatra sy ny fomba fampiasa lay argil sotroina? na ilay ampiarahana @ baume relax? d hafiriana ny fotoana ampiasaina azy ireo? d izay faritra mivonto misy marary avy any anaty iany ve n ampiasaina azy? sa mety koa raha atao @ faritra sendra oe nianjera ohatra d lay mivonto sady marary ireny? misaotra anao. mirary soa ho antsika rehetra.
6. Maranatha ( 09/04/2014 05:46)

shannie:

Maranatha> atao aôna kay ny fatra sy ny fomba fampiasa lay argil sotroina? na ilay ampiarahana @ baume relax? d hafiriana ny fotoana ampiasaina azy ireo? d izay faritra mivonto misy marary avy any anaty iany ve n ampiasaina azy? sa mety koa raha atao @ faritra sendra oe nianjera ohatra d lay mivonto sady marary ireny? misaotra anao. mirary soa ho antsika rehetra.

Maka Argile izay sahaza ilay mivoto (mba tsy ho diso betsaka ka ho ariana fotsiny na tsy ho ampy) fetafetaina @ rano hatao marihidrihitra avy eo maka baume relax kely hafangaro aminy, dia hatao matevina tsara eo @ faritra izay mivonto (eny h@ hernie , goitre,hemoiraide, sunis sns...). ilay maratra kosa aloha mbola tsy nanaovana fanandramana .
Ahosotra in-telo isan'andro; avela eo mandritra ny adin'ny telo dia hesorina (sasàna); rehefa sitrana dia hajanona.
Ilay ronono (lait d'argile):maka argile in-2 sotrokely atao anaty rano 1 vera, avela hilona ao mandritra ny alina, rehefa maraina sotroina adin'iray alohan'ny sakafo. Tandremo tsy azo alona @ kaopy plastika na vy, fa @ vera (tsy haiko hoe inona ny antony).
Mandritra ny 21 jours no misotro (mahasitrana aretina betsaka izay any anaty any izy io).
Rehefa hampiasa ilay argile aleo manafatra ireny olona avy any ambanivohitra ireny asaina ilay any anatiny mbola madio tsara iny no alainy. Ily ety @ homeopharma efa hamboarin-dry zareo dia efa lasa ilay heriny be @ voalohany iny.
HS:Tsy fantatro na miteniteny foana aho na tsia: fa ny nahasitranan'i Jesoa ny mason'ilay jamba dia naka tany izy ( mety ho argile) dia nofetafetainy t@ rora dia nahosony ny mason'ilay jamba avy nasainy nosasaina. Nahita ny masony avy eo.
Mirary fahasalamana ho anao sy izay hampiasa azy.
7. endriny ( 13/04/2014 06:29)
Efa nanao ahoana ilay namana?
Fa angaha dia tsy maintsy didiana hoy ilay dokotera? Sa hoe vakiana? Ka ilay dokotera tokony mahay ny atao amin'io tsara koa, sao lasa mihitatra be ilay izy.
Serivieta asiana rano mafana no apetaka aminy mandritry ny minitra vitsivitsy, atao fanao in-2 na in-3 isan'andro. Dia sasana amin'ny iodine.
Mirary soa.
8. borishaja ( 15/04/2014 09:16)
Arakaraky ny fivoaran'ilay aretina ihany ny fitsaboana azy e: raha mbola kyste kely tsy mbola misy nana dia mety ho vitan'ireo fombafomba ireo ihany sy ny finoana azy fa rehefa lasa vay misy nana sy ngezabe io dia aza manantena fahagagàna fa vakiana sy atao pansement + mêches isan'andro ihany + antibiotiques matanjaka no fanafodiny haingana indrindra.
Mirary soa e!
9. pompon ( 29/04/2015 11:46)
misaotra anao!, fa inona kay ny anaran'lé fanafody mitroka nana atao @ mèche? ; dia ankoatra izay koa Aho nahita torohevitra tato @ web,dia hoe tavolo no ampiasàina! ; sao mba fantatrareo kay hoe inona izany zava-maniry atao hoe tavolo izany?
Ratoa:

atao hoe kyste fa ny tena marina dia vay (abcès) ireo. Abcès daholo ireo amin'ny say ireo. Misy mivoitra, misy mandavaka;
eo amin'ny fototry ny volo izy no manao infection dia mivadika ho nana (pus). Na koa hatsembohana tsy tafa voaka no manao infection.
raha mbola kely izy dia atao pansement au dakin (apetaka eo ny coton kely misy dakin) dia solosoloina dia levona ho azy.

Raha vay lehibe izy (mihaotra ny 1cm de diamètre) dia azo atao pansement à l'alcool ka tandremana tsy hiaotra amin'ny hoditra tsy marary ny alcool.

Masaka ny nana (pus) dans tous les cas dia potsitra dia atao pansement (mèche misy fanafody mitroka ny nana).
Misy koa avy hatrany dia trobarana ny vay manta ( marary be, izay lay hoe teri-vay manta)dia asiana mèche araky ny voalazako. marary be ny mèche ary dia tsaroana mitroka ny nana izao. Mivaoka daholo ny pus dia avy eo misy rà mandeha. (solosoloina koa ny mèche)
10. Ratoa ( 06/05/2015 13:45)
tsy haiko ny anaran'ilay fanafody. Ary raha voatery hasiana mèches, dia aleo dokotera no manao azy , eny amin'ny hopitaly na clinique privée satria miisa ho opération chirurgicale ny fametahana ny mèche
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1575