Salama e!Ndao indray mba hihaino hira mahafinarit...

1. moustaraf ( 28/10/2013 11:24)
Salama e!
Ndao indray mba hihaino hira mahafinaritra kely iray "Shir hashirim na Hiran'ireo hira", raha adika tsotra dia : "ireo hira tsara indrindra" nosoratan'i Solomona!
novalian'i moustaraf ny 29/10/2013 18:21
2. moustaraf ( 29/10/2013 18:21)
Aoka hanondana ahy ny tanany ankavia!
Aoka hanohana ahy ny tanany ankavanana!

Natory aho nefa nahatsiaro,
Injay! Ny feon’ny malalako
Mandondona manao hoe:
Vohay aho ry ampakariko!

Nitsangana hamoha varavarana aho,
Kanjo nihodina izy efa lasa!
Raha mba hitanareo…
Izaho mararim-pitia!

Injay ny feon’ny malalako!
Miontanontana ny fo!
‘ty foko efa lasanao!
Tamin’ireo masona roa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0726