ndao mba alefa lavitra ny fijeritsika

1. bazylou ( 26/10/2013 10:34)
raha lany eo ary i robinson. dia miverina i le8. dia inona ny tohiny ??
alain'i le8 ve ny sezan'i robinson ? dia hanaiky ve i robinson hoy ianao na dia izy aza no nahalany azy ?
Raha eny daholo no valin'ireo, dia madagasikara toa inona no hipotra eto ??

dia hofeno solom bavambahoaka tim koa izany ??? dinnn beuurrrk

izaho aloha dia lazaiko mazava eto fa hanongana n'io aho an. Kooozy eee

Dia raha ity ka i hery aza no lany eo dia hafa dia hafa mihitsy ny baolina an.

Ry vital izao no mitarika be hatramin'ny 55% any Toliara.
Ry Hery ao Mahajanga no tena nahazo vato be, hatramin'ny 50% eo.

Ny ambiny rehetra dia tena mizarazara be ihany.

Raha hatramin'izao aloha dia eo aamin'ny 30% no azon'ny robinson manerana ny nosy.
Ny ambiny latsak'izay daholo.

Asa aloha ann..................


beuuurrrk
novalian'i moi ny 31/10/2013 10:00
2. locl ( 26/10/2013 11:17)
Inona mou no manahirana anao amin'izay, mba mipetraha miandra ohatry ny olona rehetra
3. lefitatra ( 26/10/2013 11:20)

beurk be kosa raha hery efa tota no hitondra ny gasikara .
marina fa mbola tsy misioka aloha zao fa mbola tsisy fantatra hoe iza no tena lany , fa ny fantratray fotsiny aloha atreto dia nivaly ny vavaka nataonay tia tanindrazana rehetra.
Tompo ô ! Ianao mahalala zay tena olo-kendry sy manam-panahy hitondra ity firenenay izay efa voaraviravin'ny ambodia ity,ka manantena izahay fa hisy vidiny ny fitalahoan'ireo zanakao marobe miandrandra izany olona tiny hitondra azy izany , satria ianao no mandahatra ny zava-drehetra Tompo, Amen.
Mivavaka , mitolona ambavaka isika rehetra mba ho lany i Dr Jean Louis Robinson de hilamina ny tany fa aza mora miakatra amzay mpandrangitra fa ireo mpanongampan-jakana ireo mitady izay hevitra rehetra tsy hahalany ny Kandidà Dr Jean Louis ka mitady hamboly korontana,
mazto daholo ry namako isany fa ny ratsy rehetra natao tsy maintsy misy valiny avokoa, raha za ny Foza de misitrika any anaty rano haingana fa efa akaiky ny farany.
4. ronaldo09 ( 26/10/2013 14:24)
Tsy hisy Robinson handresy zany eo e!!Ny any amy province mbola tsy miakatra anie fa Tana io mamoatsampona manao voten'Adala io nefa ry zareo ihany no be maty rehefa misy ny grevy!!!Raha sanatria tafakatra 2m tour raROBY dia atao ny angaredona dia vita e!!
5. hadji ( 27/10/2013 05:19)

ronaldo09:

Tsy hisy Robinson handresy zany eo e!!Ny any amy province mbola tsy miakatra anie fa Tana io mamoatsampona manao voten'Adala io nefa ry zareo ihany no be maty rehefa misy ny grevy!!!Raha sanatria tafakatra 2m tour raROBY dia atao ny angaredona dia vita e!!

tsy baolina boribory io ka hisy tir au but amin'ny farany na any bresil no terrain fa eto mada nahazo vato i dadatoa robison aty toamasina na dia tsy nomena kara-pifidianana aza izahay merina mandalo aty nefa nosratany tao amin'ny lisitrin'ny mpifidyka raha i radoko ary no ho filoha dia inona no azaonao ronaldo
6. Dreamlover14 ( 28/10/2013 08:36)
Tsy mpanongam-panjakana tahaka ny foza akory Ra8 ka haka ny toeran'i Dr Robinson k'aza manonofy eo. Aza dia manao analyse-n'ny fohy fisainana isika azafady

Tsy aleo nanao fijery todika nibanjina ny ho avy ?

Raha tsy nanongana teo ny fouza t@ 2009 fa namela ny fitondrana hijanona teo dia sarotra ho an-dravalo ny nitazona ny toerany teo t@ 2012 (izaho anisany tezitra t@ ra8 t@ zany) En plus tao anaty lalampanorenana t@ izany dia tsy afaka manavao ny filatsahany hofidiana mihoatra ny in-droa ny filoha anankiray, dikan'izany dia tsy afaka manao mandat mihoatra ny 3 ny filoha iray.

Saingy nidina andalambe nandrava ny fouza (isany fomba tsy tiako) dia izao no niafarany, lasa nankafizin'ny oul indray ravalo ary na izaho aza mbola nifidy an'i Dr Robinson teo.
7. hadji ( 28/10/2013 09:05)
ok merci hiraka hisotro classiko indray atsy ho atsy e
8. danbal ( 28/10/2013 17:04)
misaotra betsaka @ le classiko ry hadji a, fa mazotoa enao, fa io ndray ry Bazylou de hisy raharaha eto raha le8 no miverina eo, ary ny sezan-dRoby ozy enao, alainy ve? fa angaha izy haka an'io zany fa le mamely avy ao ambadika no tena talentany, tonga de tereny fotsiny zao hoe zao ny ataon'lah ry Roby, ny vola no miresaka e!! Pauvre de nous!!!!!! sa ve hoe alain-dRoby izy de ataony praiministra, aza misy anie zany!! au secooooouuuuur!!!!!
9. moi ( 31/10/2013 10:00)
raha alefa lavitra ny fijery dia hitako fa hikorontana foana raha avy amin'ny Ra8, na FAT ny kandida lany eo, ka naleoko olom-baovao hafa mihitsy, ary izay foana no efa novoiziko !
Hahita isika e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2557