La NASA a decouvert "DIEU" sur Mars

1. mizara ( 11/10/2013 07:08)
Tsy misy Athé intsony ao amin'ny NASA Ankehitriny noho ny fahitana tamin'ny
soratra tamin'ny vato teny amin'ny Planeta Mars fa tena misy Andriamanitra (Yahweh).
novalian'i Miharena ny 15/10/2013 17:58
2. mizara ( 11/10/2013 07:08)
http://www.direct.cd/2013/07/19/la-nasa-aurait-trouve-message-de-la-part-de-dieu-sur-mars.html
3. hery ( 11/10/2013 07:43)
:-)

Manana site officiel ny NASA ka raha misy zavatra kely hitan'izy ireo amin'izay missions ataony dia apetrany ao foana. Ito ny site: http://www.nasa.gov

Mbola tsy ao aloha io vaovao io fa angamba vao ho copier-ny amin'ilay site napetrakao :-p

4. voromailala ( 11/10/2013 09:13)
mizara> hoax io ka. :-)
5. Nehemiah ( 11/10/2013 14:37)
Na dia ataontsika hoe marina tokoa io dia tsy ho resy lahatra mihitsy ny athées satria nohajambain'ny devoly
6. Miharena ( 12/10/2013 04:00)
Tokony ho efa tsy mahagaga intsony anie ny fisian'ny asan'ny Fanahy na aiza na aiza manerana izao rehetra izao e!

Ny mahavariana fotsiny dia lasa toa zary ferana hoe eto amboni'n'ny tany ihany no fahamarinana nefa ny erana rehetra aza efa fantatra manodidina ny tany.

Ka raha mbola tsy mivelatra ny fomba fisainana dia mbola ho lanin'ny adihevitra eo ihany ny olombelona.
7. Nehemiah ( 12/10/2013 07:46)
Mino ny hamarinan'izay fahitàna izay ve i Miharena ?
8. Miharena ( 12/10/2013 16:36)
Raha io fahitana io aloha no resahana dia mety efa nisy olona hafa nandalo teo dia nanoratra ireo teny ireo. Efa misy koa aza ny mitsipaka sahady hoe tsy nisy io zavatra notantaraina io.

Tsy dia any loatra anefa no tokony hojerentsika fa ny zavatra fantatra dia efa lasa lavitr ny olombelona amin'ny fanaovana ireny mission eny lavitra eny ireny sy ny fametrahana ihany koa dian-tanana eny amin'ny erana lavitry ny tany ireny.

9. RBNIR ( 12/10/2013 18:37)
hery:

:-)

Manana site officiel ny NASA ka raha misy zavatra kely hitan'izy ireo amin'izay missions ataony dia apetrany ao foana. Ito ny site: http://www.nasa.gov

Mbola tsy ao aloha io vaovao io fa angamba vao ho copier-ny amin'ilay site napetrakao :-p



Faly miarahaba antsika rehetra indray,

Ekena fa tsy mbola navoakan'ny NAZA amin'ny fomba ofisialy ilay izy (ny antony dia satria mety hoe mena amban'ny mena ry zareo),
Nefa na izany aza: Syms Covington sy ny namany mbola tsy nanao fanoherana (dementi) ny fanambarana ery ambony amin'ny fomba ofisialy??? Tokony hampisaina ny olona izay indrindra fa information goavana miatraika amin'ny manampahaizana sy manana toerana ambony tahaka izany.

Ny Tompo anie hampahiratra ny masontsika rehetra

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
10. moustaraf ( 13/10/2013 17:03)
1°Tsy ny maha ambony na ambany ny mpitondra hafatra akory no zava-dehibe! raha izany dia tsy tokony hojerena akory ny baiboly satria mpiasa sy mpaminany fadiranovana ny fihomehezana no nampitondraina an'ireny!

2°Manomboka mihozongozona ny fivavahana kristiana @ izao fotoana izao maneran-tany satria mivoaka bantsilana manerana an'izao tontolo izao ny hosoka sy lainga maro nentina nanangana an'io finoana io! ka tsy maintsy mitady fomba mbola tsy nisy mpanao mba hamerenana an'ireo mpino maro be izay efa tsy miraika intsony @ famokisana lainga sy sermona miampy litania tsy hita farany!

3°Ny tenin'i El dia nomeny ny Olony, ary ny olony dia ety an-tany (globe terrestre), ka manao an'ilay ivavahan'ny Avraham ho kentrina sy tsy misy saina mihitsy ve izay olonaiznay satria efa tapitrohatra @ fahalalana? Ny torah dia ho an'ny Israely ; misy Israely nivahiny ve tany?

4°raha io voalaza io ilay izy, Nahoana koa no tsy misy @ teny afrikana ? SA tsy olom-belona ny afrikana eo antrehan'ny Mpamorona? fanambaniana olona sy fanandratan-tena efa mihoa-pampana!
11. RBNIR ( 14/10/2013 05:38)
Faly miarahaba namana moustaraf,

I paoly apostoly (izay tena nanampahaizana sy nanana laza ary toerana ambony tamin'ny fotoan'androny) dia nofidian'ny Tompo manokana hitory any amin'ny jentilisa sy hafa firenena.

Tsy menatra ny nitory ny fahamarinana tamin'ny mpanjaka, sy ny filozofa sns.... izany lehilahy izany namana.

Fantatry ny Tompo ny ataony, Izy rahateo koa mahalala ny vo sy fo,
Tsy voatery hoe ny malehelo ihany no fidian'ny Tompo fa na iza na iza manetry ny tenany (ny

Tompo irery ihany no mahalala izay) dia hain'ny Tompo foana ny mampiasa azy.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
12. Miharena ( 14/10/2013 07:55)
Raha tena dinihina anie namana RBNIR ny foto-kevitry ny namana Moustaraf dia mandà tanteraka ny fitoriana ataon'ny Apostoly Paoly e!

Asa hoe tena mandà ny Testamenta vaovao ve izy ireo? Satria raha io resaka ao amin'ny Jaona io dia Testamenta Vaovao no misy azy.

Nandre fandaharana nokarakarain'ny mpandala ny Hebreo aho tamin'ny radio iray ary nitsikera an'i Paoly Apostoly izy ireo hoe tsy nifankahita tamin'i Jesoa akory noho ny fifanipahan'ny fomba fitantarana izany fisehoana izany ao amin'ny Asan'ny Apostoly.
13. voromailala ( 14/10/2013 09:22)
Ny zavatra mahagaga ahy dia maro no mbola mieritreritra fa marina io zavatra io? :-)
14. moustaraf ( 14/10/2013 17:17)

Miharena:

Raha tena dinihina anie namana RBNIR ny foto-kevitry ny namana Moustaraf dia mandà tanteraka ny fitoriana ataon'ny Apostoly Paoly e!

Asa hoe tena mandà ny Testamenta vaovao ve izy ireo? Satria raha io resaka ao amin'ny Jaona io dia Testamenta Vaovao no misy azy.

Nandre fandaharana nokarakarain'ny mpandala ny Hebreo aho tamin'ny radio iray ary nitsikera an'i Paoly Apostoly izy ireo hoe tsy nifankahita tamin'i Jesoa akory noho ny fifanipahan'ny fomba fitantarana izany fisehoana izany ao amin'ny Asan'ny Apostoly.


Salama namana,
Izaho Moustaraf, raha manaraka ny fanehoan-kevitra izay ataoko eto isika, dia tokony hahita tsara fa "manizingizina" mihitsy ny tsy fisian'ny fifanipahana eo @ Boky taloha sy vaovao!
Tonony eto ilay olona na fikambanana renao t@ radio mba hahaizana manavaka azy hoe Iza izy!
ohatra:
-ny jiosy mandala ny jodaisme traditionnel dia tsy manaiky an'izany boky vaovao izany!
-NY Jodaisme mesianika dia mivavaka tahaka ny kristiana ihany, fa saingy fombafomba jodaisme ihany no ataony!
-Maro ihany koa ny Mpitarika fivavahana kristiana no mivadika tampoka ka miseho ho jiosy na dia tsy mahalala na inona na inona @ izay lazainy akory!

hoy ny lehiben'ny Apostoly "i Petera" manome attestation momba ny Epistilin'ny Paoly: "nomena fahalala ambony ny rahalahintsika" ka "mila mitandrina eo @ famakiana izay soratany fa aolan'ny kely fahalala izany ka mitondra fahaverezana ho an'ny tenany"

Amiko raha tiantsika ho fantarina; dia ny Epistilin'ny Paoly no tena manazava @ antsipirihany ny hevitry ny TORAH araka ny fampianaran'Yeshu'a ialay niantso azy.

15. Miharena ( 14/10/2013 18:06)
Ekena àry namana izany fanamarihana ataonao izany. Fa mandihy eo ambony sahafa ihany ny olona rehefa tena zohina eo anatrehan'ny fanamavoana ny fiantsoana izay notapahan'ny mpandika teny.

Ohatra mahavariana : ilay fiantsoana hoe Andriamanitra dia impersonnel. Ka iza no heverinao ho cible raha nisafidy izany ny Malagasy hiantsoana ny Mpahary?

Ankoatr'izany dia miteny ihany aho hoe misy ny tranga fiseshoan'i Jesosy Kristy avy any Nazareta izay mitovy amin'ny fomba fisehoNY tamin'i Paoly (fahitana Mazava Lehibe sy feo).

Dia anisan'ny tsy izy avokoa ve ireny?

16. moustaraf ( 15/10/2013 17:24)
Salama namana,
Ahitsiko foana , tsy izaho na ianao na isika no nifidy an'io anarana Atra io hasolo ny Elohym, fa ny mpandikateny izay voafehin'ny didin'ny mpanjaka!
ka raha nisafidy an'io ny Mpanjaka sy ny mpisikidrina dia tsy misy cible hafa ankoatra ny "fampitodihana izay rehetra mihevitra fa mivavaka @ Mpamorona ,ho any @ razana na fatina mpanjaka" izay nivavahan'ny andriana sy ny vahoaka izay nentiny!!!

Raha tranga dia misy maro be tsy voatanisa; fa tsotra ny valiny: ny tsivarivary tsy ho lasa vary na oviana na oviana!
17. Miharena ( 15/10/2013 17:58)
Dia tohizako ihany ilay lojika raha miteny ianao hoe mba hitodihan'ny Malagasy any amin'ny razana. Ny razana dia heverin'ny Malagasy fa izay miverina amin'ny Mpamorona. Ka tsy faty io aminy fa fanombohan'ny fiainam-panahy. ary miasa noho izany.

Raha mandeha lavitra fahagola, dia Andriamanitra izany no azo iantsoana ny hoe Izay Mpanjaka Avo indrindra, na Ela indrindra.

Ka eo no teneniko hoe tsy mitombina ilay fivoizana hoe fatina mpanjaka satria ny fahafatesana aza tsy eo amin'ny foto-pinoan'ny Malagasy akory hatrizay niainany na dia kely aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0578