Mba mila fanampiana!

1. shannie ( 10/10/2013 03:45)
Miarahaba Antsika rehetra. mba mila torohevitra avy aty @nareo. izaho irery no mitaiza sy mikarakara ny zanako vavy. 5 ans izy. miezaka aho ny mamalifaly azy, nefa tato ho ato dia miteny sy miantso dada izy. inona no ataoko mba hamenoako ny fitiavana eo @ny? satria tena tsy maita izany fitiavan-dray izany izy. lasa variana kely izy any ampianarana indraindray. tena mampalaelo ahy lay zanako. araka izany, dia sady mibedy kely aho no manambitamby sns eh..,dia misaotra anareo sahady @ toro-hevitra, fanampiana. mirary soa ho antsika rehetra!
novalian'i shannie ny 14/03/2014 16:18
2. Mateyous ( 10/10/2013 08:32)
Faly miarahaba an'i Shannie!
Tokony mba nofaritanao tsara aloha hoe: nahoana no ianao irery no mitaiza ilay zaza? nankaiza ilay rainy? niamboho adidy ve? sa any am-pilana ravin'ahatra na koa mamita iraka mandritra ny fotoana lava be ka tsy dia miraharaha anareo intsony na koa lasa nanadino anareo , na sanatria ve efa nodimandry!!? Tokony mba nambaranao mazava tsara izay anton-javatra izay, mba ahafahanay manome ny soso-kevitra mifanaraka amin'ny zava-misy.

Mampalahelo sy mampahonena tokoa ny mahita ireny zaza kamboty ireny na koa kamboty velon-dreny na kamboty velon-dray. Misy fiatraikany be amin'ny fiainan'ny zaza mantsy ilay fitiavana tsy feno eo aminy, ary tena sarotra sitranina mihintsy izany. Ny mapalahelo aza dia mety hahatonga aretim-po ho an'ilay ankizy kely tsy manan-tsiny ny tsy fisian'ny ray na reny intsony eo anilany.

Voalohany, raha mandositra adidy ohatra ilay rainy, ka mbola misy ihany ny azo ifandeferana raha toa ka disadisa no nampisaraka anareo, de tsara raha mifanantona sy mifampiresaka tsara ianareo ary mifandefitra sy mifamela mba ho fanasitranana ny fon'ilay zaza sy ho fitsinjovana ny hoavin'ilay menaky ny aina tsy ho potika tanteraka. Raha ohatra moa ka efa manambady hafa ny rain'ilay zaza de mila mifanantona hatrany ianareo mikasika ilay zaza,
3. Mateyous ( 10/10/2013 08:34)
Faly miarahaba an'i Shannie!
Tokony mba nofaritanao tsara aloha hoe: nahoana no ianao irery no mitaiza ilay zaza? nankaiza ilay rainy? niamboho adidy ve? sa any am-pilana ravin'ahatra na koa mamita iraka mandritra ny fotoana lava be ka tsy dia miraharaha anareo intsony na koa lasa nanadino anareo , na sanatria ve efa nodimandry!!? Tokony mba nambaranao mazava tsara izay anton-javatra izay, mba ahafahanay manome ny soso-kevitra mifanaraka amin'ny zava-misy.

Mampalahelo sy mampahonena tokoa ny mahita ireny zaza kamboty ireny na koa kamboty velon-dreny na kamboty velon-dray. Misy fiatraikany be amin'ny fiainan'ny zaza mantsy ilay fitiavana tsy feno eo aminy, ary tena sarotra sitranina mihintsy izany. Ny mapalahelo aza dia mety hahatonga aretim-po ho an'ilay ankizy kely tsy manan-tsiny ny tsy fisian'ny ray na reny intsony eo anilany.

Voalohany, raha mandositra adidy ohatra ilay rainy, ka mbola misy ihany ny azo ifandeferana raha toa ka disadisa no nampisaraka anareo, de tsara raha mifanantona sy mifampiresaka tsara ianareo ary mifandefitra sy mifamela mba ho fanasitranana ny fon'ilay zaza sy ho fitsinjovana ny hoavin'ilay menaky ny aina tsy ho potika tanteraka. Raha ohatra moa ka efa manambady hafa ny rain'ilay zaza de mila mifanantona hatrany ianareo mikasika ilay zaza, ary aza asiana hena maso mihintsy ny amin'ilay vadiny keliny, fa ny zaza izay nampifamatotra no laharam-pamehana. Resaho izy ohatra, hoe mba asaina mba mitsidika ny zanany matetika ilay rangah na koa mba izy ohatra no asaina mitsena ilay zaza rehefa mirava avy any am-pianarana. Ary aza sarotiny mihintsy amin'ilay zaza, raha ohatra ka mba entiny mankany aminy ohatra ny zanakao rehefa amin'ny fotoana tsy fianarana, nefa na izany aza ilàna hatrany fahamailoana amin'izay mety ho toetran'ilay renikely.

Manaraka izay, raha ohatra indray, mamita iraka, na any am-pilàna ravin'ahitra ny rain'ilay zanakao, nefa tsy de henoheno loatra, de tsara raha mitady "solution" ihany ianao mba ahafahana mahazo azy sy manazava ny zava-misy. Fomba ny lehilahy sasany mantsy izany, rehefa mety ny fandraharahana na "bisness" izay ataony any amin'ny toerana izay alehany any, de toa lasa manadino ny fianakaviany sy ny ankohonany mihitsy izy, ary mety ho vitany mihintsy ny maka vehivavy hafa, aza mba misy re zany e!! tena mapalahelo, indrindra ny zaza tsy manan-tsiny.

Farany,raha ohatra ka efa tsy eo intsony ny rain'ilay zaza, de eo indrindra no tena maha sarotra ny raharaha. Mety tsy ho voasitrana intsony izany mandram-pahalehiben'ilay zaza, ary mety hiteraka kilema sy fahavoazana ara-tsaina ho azy mihintsy aza. Vahaolana iray azoko, ambara nefa mety tsy de ho azo ianteherana loatra: de aleo manambady hafa. Miankina amin'ilay ray izay ho eo anefa izany. Fa ny tena azoko antoka aloha de raha toa ka "tsy miteraka" ilay lehilahy sady malemy fanahy sy tsara fiton-drantena , dia izay no hitako fa mety ho afaka hanasitrana izany tsy kelikely eo ihany,ireny olona ireny mantsy tena tonga de manana fo mahay maneho fitiavana ary azo antoka mihintsy ny hampiova azy any aorina kely; mila manam-pinoana fotsiny ianao fa tsy maintsy ho sitrana miandalana eo ihany izy raha amin'izany.
Izay no azoko ambara fa de mitondra fankaherezana hoa azy ny tenako, ary aoka mba samy hitrotro am-bavaka azy daholo isika ekipa rehetra ato Forum.SERASERA.

Misaotra indrindra Tompoko
4. shannie ( 10/10/2013 09:30)
Misaotra Mankasitra an Mateyous! dia miala tsiny, tsy ampy tokoa ny teniko teo aloha. eny e, lava ny tantara...fintiniko kely iany, t@ izany dia, nanome toky ahy sy ny Ray aman-dReniko ilay rainjanako..nitoe-jaza aho, ary izaho efa ho teraka vao nahalala izahay oe efa manambady izy ty, satria tsy nety vita ny raharahanay fa nangataka andro fôna izy. izahay raha teo mifanalavitra be, izaho t@ izany tsy navelan'ny asako nietsika mihintsy, izy faona no nandeha taty @nay. manambady amanjanaka izy ary any @ vadiny. samy manana ny fiainany izahay. zao lay zanako miantsoantso dada dia mampalaelo ahy.
Dia mankasitraka iany koa ny @ fitondrana am-bavaka. mirary soa indrindra topoko!
5. shala ( 10/10/2013 10:16)
akory aby e!tena sarotra zan shannie a!fa dia fankaerezana sahady no omeko anjy,sarotra hoy aho satry dia tena efa samy manana ny fiainany tokoa ianareo.
fa misy marina iany volazany mateyous fa ninoninona antony fisarahanareo dia mezaha mandrakariva manantona ilay rainy satry adidiny io na oaiza izy na oaiza,ny oavin'ny zaza jerena fa ny anareo efa vita,mapalahelo anie ny zaza kamboty velon-RAD zn e!ny efa maty ary tsy hita izay asolo azy.

na dia mifanalavitra ary ve ianareo dia tsis moyen ifandraisana mitsy?ohatra hoe par telephone,sa izy mitsy no efa tsy mirara intsony?aza misy re zany,nefa na izany aza ts maintsy misy solution fona zany.

torohevitra kely iany ko dia mba manatona ireny fikambanana mitaiza zaza ireny na ko ireny mpitondra fivavahana maro ireny fa tsy isy iray zay ts anampy anao reny e!omeo fitiavana mandrakariva ilay zaza f aza dia bedesina matetika satry tsy fidiny oazy ary tsy ampy@ka tadiaviny,sady nekizy refa zavatra tadiaviny zay no ts itany:miteraka zavatra maro mandritra ny fiainany iny.zay fa mahereza dia aza adino ko ny miresaka@A\tra a!
6. shannie ( 10/10/2013 11:08)
Misaotra Shala an! mifandray par tel iany izahay indraindray, dia miresaka @ dadany ilay zanako. tia ijery ny zanany ilay rainy saingy tsy avelan ny vadiny, masika be ny vadiny. ary nampitandrina ahy mihintsy ary ny vadiny t@ izay oe "raha tratrako mifandray ianareo dia ho toriako, ataoko oe manadala ny vadiko ianao, zakao irery any ny zanakao, na rehefa tsy velona dia ario any @ wc"
tena tsy manadala ny vadiny mihintsy anefa aho., aleoko mipetraka sy mandefitra. zaza iray ve mo tsy ho vita, fa ny mampalaelo ahy dia izy tsy ampy fitiavana. na dia efa miezaka aza aho mamalifaly sns dia hafa iany izany oe fitiavan Ray. izaho sy ny dadany anie na tsy miaraka intsony aza dia zanany koa io eh. saingy tena masika be ny vadiny.
Ny tiako tenenina @ lay oe mibedy kely an, tsy oe mibedy be oe aôna fa rehefa misy betise kely ataony dia mibedy kely azy iany aho satria tsy afaka ampanaranina be ny sitrapoiny koa izy, juste ampafantarina azy oe misy tsy mety. fa marary iany ny foko rehefa sendra mibedy kely azy aho.
7. vale ( 11/10/2013 11:48)
shannie: mampalehlo kely izany tantaranareo mianaka zany aky, fa ny conseil omeko an, dia izao, ataovy izay hiresahana amin'ny dadany io problème io, aza matahoatra ny conséquences any @ tokatranony, fa adalany ny azy ka anjarany mi-assumer ny vokany, lazao azy fa mila azy rainy ny zaza, tsy manery anaz hiala ny tokantranony ianao, fa mangataka aminy mba hifandraisan'izy mianaka, raha vehivavy natera-bevavy kou ilay vadiny, tsy maintsy hanaiky, raha olona mba niteraka koa, ataovy mazava tsara @ ila rain-jaza fa tsy izy no ilainao fa ny zanany no mila azy, efa betsaka ny teknolojia izao afaka hifandraisandry zareo, raha lavitra ilay rainy, na sms kely, manontany news tsindraindray fotsiny aza dia efa hahafaly ny zaza, vao mainka tsara raha afaka mifankahita via skype etc,, ohatra izy mianaka, bonne chance ^^
8. hadji ( 29/01/2014 05:10)
shanniea tsy mandanja akory aho raha miteny ity aminao mahareta fa mbola ho avy ny anjaranao dia ny dadabe aloha asina antsoiny hoe dada dia araho vavaka ny fiananao fa miandry anao ny Famonjen'ny Tompo
9. shannie ( 10/03/2014 14:46)
Vale> Mankasitraka ny @ toro-hevitra! saingy tena lasa manahirana be ny fifandraisana @ dadany, tsy tia hahalala mihintsy ramatoa. aleoko mangina, mangataka mafy @ Andriamanitra aho mba ho aiko ny itaiza sy ikarakara samy irery ny zanako. mirary soa Vale an.
10. shannie ( 10/03/2014 15:05)
Hadji> mankasitraka anao iany koa! marina mintsy izany, zaho ne efa tsy miantehitra na manantena azy intsony e.
fa ny mampiasa ny saiko fotsiny dia lay zanako milaza fa tia aita azy indraindray. aôna ny tena fomba fitaizako azy mba amenoako izay fitiavana tsy ampy @ny izay? mino aho fa hain Andriamanitra atao ny zavatra rehetra!
dia misaotra anareo rehetra eh.
11. vaoaka17 ( 12/03/2014 16:51)
Maereza zay lo ny teny voaloha omeko anao, ninoninona ataonao mants ts mis maasolo ny fitiavan dray zany, indrindra oe vavy kely. Miezaka kel enao manazava miadana aminy fa ts afak ahita az matetik fa sahirana am asany ts manadino iz fa tiany enao.maatsiaro anao foana iz. Mitovy ny toeranao no mis a ankehitriny.saingy ny dia nohon'ny fitiavantena no antny fisarha,refa tonga teo amizay dia torohevitry ny namana no narahako tena nahaomby.miezaka iany ko enao mampiseho aminy na dia somary madainga kely ar dray2 mividy zavatra hoazy, rappeleo kel foana oe au courant ny zavatrmitranga am fiainany ny rainy. Az mora kiv fa ts maintsbol.ho avy ny anjaranao e
12. shannie ( 14/03/2014 07:51)
Vahoaka> misaotra @ fankaherezana, dia mankahery anao iany koa eh. tsy kivy isika fa mbola manana an Andriamanitra ka afaka mitraka.ee vavy kely. Miezaka kel enao manazava miadana aminy fa ts afak ahita az matetik fa sahirana am asany ts manadino iz fa tiany enao.maatsiaro anao foana iz. Mitovy ny toeranao no mis a ankehitriny.saingy ny dia nohon'ny fitiavantena no antny fisarha,refa tonga teo amizay dia torohevitry ny namana no narahako tena nahaomby.miezaka iany ko enao mampiseho aminy na dia somary madainga kely ar dray2 mividy zavatra hoazy, rappeleo kel foana oe au courant ny zavatrmitranga am fiainany ny rainy. Az mora kiv fa ts maintsbol.ho avy ny anjaranao e
[/quot.
13. hadji ( 14/03/2014 09:01)

shannie:

Hadji> mankasitraka anao iany koa! marina mintsy izany, zaho ne efa tsy miantehitra na manantena azy intsony e.
fa ny mampiasa ny saiko fotsiny dia lay zanako milaza fa tia aita azy indraindray. aôna ny tena fomba fitaizako azy mba amenoako izay fitiavana tsy ampy @ny izay? mino aho fa hain Andriamanitra atao ny zavatra rehetra!
dia misaotra anareo rehetra eh.
bjr shannie fa izao kosa aloha e efa hitany veny rainy fahiny sa mbola tsy hitany mihitsy
14. shannie ( 14/03/2014 16:18)
bjr shannie fa izao kosa aloha e efa hitany veny rainy fahiny sa mbola tsy hitany mihitsy?

Efa Hitany ka! saingy ny mahagaga dia vao kely amambolana h@zao io zanako io dia ankona mitomany vao mba maita ny dadany, tsy tia ho raisiny mintsy e. mbola mahagaga ahy h@zao zay fietsika zay.
efa 1an zay tsy nisy fihaonana intsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0893