Famerim-bola atao etana

1. vonynive ( 09/10/2013 08:48)
miarahaba
fahita isan'andro ankehitriny isaky ny mividy zavatra dia atao entana ny famerimbola rehefa tsy misy madinika ilay mpivarotra ka na vatomamy na biskoitra no atao sandany, fa misy koa @ reny toeram-pivoahana eto an-drenivohitra ireny no mampiasa izany fomba izany fa tsy tapakila fiandry izay mbola azo entina miverina no ampiasaina, ka KOPIKO no famerimbolanao
koa rehefa hiverina any @ ireny toerampivoahana ireny ve dia mety horaisiny ilay vatomamy
2. vahiny2004 ( 09/10/2013 09:53)
Raha araka ny lalàna dia ny mpividy no tokony manao ny appoint fa tsy ny mpivarotra , tsy voatery izy hitady vola madinika ho anao. Izany hoe raha tsy te hahazo bonbon ianao dia tokony manome appoint ho azy ianao

3. hery ( 09/10/2013 11:20)
Raha anontaniana tokoa ve ilay mpivarotra hoe angoniko ny vatomamy dia amin'ny manaraka ireny fotsiny no entiko mividy entana dia hanaiky izy? Mino aho fa hisy olana vitsivitsy :-)

Sady mety hiverina amin'ny takalo amin'izay fa tsy varotra intsony
4. vahiny2004 ( 09/10/2013 13:43)
ka tokony "bon" (=tapakila fiandry) tokoa no omeny fa tsy "bonbon" :-)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2846