Rahoviana vao hiova ny fomba fiteny ka tsy ireto intsony no ampiasaina?
1. Miharena
(
10/09/2013 15:48)
Mpanota ny olombelona vs manana otri-pahatanterahana ny olombelona
Mbola ho avy i Jesoa vs efa ao anaty Jesoa
Lavitra ny Ray isika vs miaina ao amin'ny Ray isika
Mety misy betsaka azonareo tsikafonina amin'ny toriteny azontsika tsirairay avy...

novalian'i Miharena ny 16/09/2013 16:14
2. voromailala
(
11/09/2013 07:04)
Rehefa lasa silamo daholo ny malagasy rehetra, amin'izay tsisy resaka Jesoa intsony.
4. Miharena
(
11/09/2013 19:41)
Tsy hoe hanao izany New Age lazainao izany namana Nehemiah fa mila jerena ihany hoe inona no tena nirobohan'ny fomba fiheverana izay namafisin'ny olona hatrany amin'ny taranaka afara mandimby ka nahatonga azy ireo ho lasa fefika araka ny misy azy ankehitriny raha atao hoe tena finoana no nanaovana ireo karazana endrika fahalavoana rehetra miseho ireo, izay ampidirina mandrakariva amin'ny fivavahana.
5. Nehemiah
(
12/09/2013 05:48)
Ny antony niheverako an'izay mantsy dia satria fomban'ny mpandala ny New Age mihitsy ny manovaova ny hevitry ny voambolana fampiasa @ finoana kristiana mba hifanandrifiany amin'ny fampianaran-disony :-).
Satria ny ota dia ota ary ny fiverenan'i Jesoa Kristy dia fiverenan'i Jesoa Kristy hatr@ andron'ny Rain'ny Fiangonana mankaty ;)

6. mizara
(
16/09/2013 06:50)
Miharena:
Mpanota ny olombelona vs manana otri-pahatanterahana ny olombelona
Ny mahafinaritra aloha dia ny fahatsapan'ny namana Miharena io tanjom-pahantanterahana tokony imatimatesan'ny olombelona io.
Mazava tokoa mantsy ny hafatra nomen'ny Tompo:
"Aoka ho tanteraka ianareo tahaka ny fahatanterahan'ny Rainareo izay any an-danitra"
Miharena:
Mbola ho avy i Jesoa vs efa ao anaty Jesoa
Lavitra ny Ray isika vs miaina ao amin'ny Ray isika
Aoka kosa aloha hiavaka tsara namana Miharena an!
Tsy ny olona rehetra no manana an'i Jesosy ao anaty satria "tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra fa ny zanaky ny teny fikasana", inona ny teny fikasana?
- Mibebaha dia ho voavela ny helokareo
- Izay mino sy atao Batisa no hovonjena
- Izay tsy manana ny FanahiNY (Fanahy Masina) dia tsy Azy izy
- Izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena
Koa raha tanterakao ireo dia tsy ianao intsony tokoa no ho velona fa i Kristy no velona ao anatinao.
Aza afangaro ihany koa ny fananana ny Tompo ao anaty sy ny fiverenan'ny Tompo eny amin'ny rahon'ny lanitra.
7. Miharena
(
16/09/2013 08:20)
Marina daholo ny fanamarihanareo namana Nehemiah sy Mizara.
Mety azo atao tokoa ny mamatatra ny momba ny ota sy ny antony nametrahana izay fomba fialàna aminy izay nisian'ny famonjena. Fa eo amin'ny mari-drefy nirosoan'izany famonjena izany sy ny asa atao momba izany no antony ametrahana ireo tanjona ary koa antony hitadiavana hoe oviana ary iza avy no efa nanaovana ny asam-panavotana satria tsy isika ihany fa ny olobemon rehetra no iantefan'izany. Ka raha jerena taratra ao amin'ny olona iray izany hoe endriky ny Ray Mpahary izay nanao ny tsirairay izany dia tokony ho afaka tanteraka ny fefy mampisaraka satria mahafantatra fa IRAY ao amin'ny RAY avokoa ny rehetra amin'izay.
Misy fampianarana indraindray mampierikerika ny olona indrindra fa ny Kristianina ka tsy hahatsapany fa Andriamanitry ny olombelona rehetra IZY Ray ary Jesoa da miasa tsy mitsahatra eo amin'ny fo sy ny voan'ny olona tsirairay avy tsy ankanavaka.
Asa aloha na New Age izany fomba fijery izany na tsia fa rehefa mamaky ny maha-Kristianina aho dia mahita hoe izany ihany no izy fa tsy mahazo mivoana amin'izay isika. Izay manana izany fomba fijery izany amiko no mpiara-miasa amin'i Jesoa.

8. Nehemiah
(
16/09/2013 08:37)
Miharena:
Misy fampianarana indraindray mampierikerika ny olona indrindra fa ny Kristianina ka tsy hahatsapany fa Andriamanitry ny olombelona rehetra IZY Ray ary Jesoa da miasa tsy mitsahatra eo amin'ny fo sy ny voan'ny olona tsirairay avy tsy ankanavaka.
Miasa amin'ny fomba ahoana kay aloha ?
9. Miharena
(
16/09/2013 09:10)
Raha tanteraka ilay teny hoe ary ny zanakareo hanonofy sy ny hoe ary hosoratako ao am-pony ny lalàko dia tsy hisy intsony ny fifampiavahana eo amin'ny samy olombelona fa samy mahazo hafatra mifantana ao am-pony avy izy amin'ziay fotoana izany. Dia tsy mila an'i namana Nehemiah hitory amin'y intsony fa efa fantatr'izy tsirairay tsy an-kanavaka avokoa ny zava-drehetra.
10. Nehemiah
(
16/09/2013 14:20)
Asan'ny Fanahy Masina ireny. Kanefa rehefa jerena ny Testamenta Vaovao dia tsy maintsy olona notoriana ny Evanjely farafaharatsiny no niasan'ny Fanahy Masina
11. Miharena
(
16/09/2013 16:14)
Fa raha mijery isika dia misy ireo izay manalavitra ny olona amin'ny asan'ny Fanahy Masina ka manjary mampametra-panontaniana amin''ny lolhahevitra ilay izy hoe rahoviana?
Mbola anisan'ny tafaroboka amin'ny toetra mitodika amin'ny lasa hatrany toy ny Tanalahy ny Kristianina dia tsy manapa-kevitra hiteny ny fahamarinana momba ny Fanahy Masina izay mitoetra ary mampianatra tsy hahatonga ilay ohatra momba ny vadin'i Lota izay lasa vongan-tsira noho ny fahadisoany nitodika tao Sodoma sy Gomora.
Ilay resaka mampavesatra ny toriteny ankehitriny mihitsy no tiana ambara eto. Misy ny toriteny izay manjary milaza ny faharatsian'ny manao ireo toetra tsy maotina ary toherin'y namana sasany hoe izay mamaky tenin'Andriamanitra ihany no miroso ara-panahy fa tsy izany hoe fomba fitafy sy ny sisa izany. nefa rehefa zohina dia tsy tsapan'ny olona mihitsy hoe voafatotra izy rehefa mitodika amin'ireny fomba tsy maotina ireny.
Dia izay no tiana ambara momba ny hoe rahoviana vao hiova ny fomba fiheverana?