Fiverenana na shuv en Hebreu. Diniho tsara satria mahakasika ny hoavintsikarehetra io na converty ianao na HEBREU tena izy

1. mosheh ( 10/09/2013 08:29)
Ratsy ve raha miverina @ ny fombandrazany malagasy ny malagasy raha Hebreu izy?
Jereo ny boky ny lalana "torahtova"
novalian'i Nehemiah ny 18/10/2013 12:34
2. Nehemiah ( 10/09/2013 08:35)
Mbola tsy voaporofo mihitsy fa hebreo ny gasy, ny hany voaporofo dia misy ra hebreo ao anatin'ny ran'ny gasy
3. voromailala ( 10/09/2013 09:35)
Raha hataoko hoe tsara ny miverina amin'ny fombandrazany malagasy.
Tsara foana ve ilay fiverenana amin'ny fombandrazana malagasy na inona na inona izy taloha?
raha ohatra ka tsy Hebreo fa Silamo na boudiste ohatra?
4. toriteny ( 10/09/2013 13:45)
mosheh:

Ratsy ve raha miverina @ ny fombandrazany malagasy ny malagasy raha Hebreu izy?
Jereo ny boky ny lalana "torahtova"


Faly miarahaba antsika rehetra indray.
Ny fanontanianao dia ohatran'ny mitovitovy amin'ireto fanontaniana ireto:

-Maninona raha miverina any amin'ny Testamenta taloha indray dia atao tsy misy ny Tv. Dia averina indray ny mpisorona, ny fombafomba natao fahiny (famoràna sy ny sisa) dia hatokana ho an'ny Jiosy irery ihany ny Fanekena fa aleo very ny Jentilisa sy ny firenena hafa ankoatran'ny Hebreo

-Dia aleo fohanana ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay fa andao tenenina Andriamanitra hoe ampanantenao tany hafa ankoatran'i Kanana indray izahay ho lovainay.

-Dia aleo averina ny fanatitra alatsa-drà fa tsy mampiasa an'i Jesosy sy ny famonjena efa vitany teo amin'ny Hazo fijaliana hitadiavam-pamonjena intsony

-Dia aza avela hiasa ny Fanahy MAsina fa aleo fohazina amin'ny "fitsaharany" Andriamanitra Ray hitantana antsika indray any an-hefitra (Ireo zanak'Israely moa e!)

Asa raha azonao ny tiako tenenina. Tsy ny maha Hebreo anao intsony no mampisy lanja anao eo anatrehan' Andriamanitra amin'izao fotoana izao na dia hisy hiteny sy hanaporofo aza hoe Hebreo ny Malagasy. Ary tsy ny fombafomban'ny Hebreo na ny Malagasy ihany koa fa ny fanananao ny Zanaka ihany


5. Miharena ( 10/09/2013 15:35)
Hany fanontaniana nanitikitika ahy izy ity satria isan'ny mahagaga izay zava-mihatra amin'ireo Malagasy izay mitana ny fomban-drazana. Manamafy hatrany moa izy ireo fa anisan'ny fihaonana amin'ny rain'ny olombelona rehetra no ataon-dry zareo eny antampon-tendrombohitra.

Ny hany mba tsy fantatro sy ts nanontaniako nivantana taminy dia hoe nanana anarana ve ilay miseho sy miresaka aminy?
6. moustaraf ( 11/09/2013 04:38)
Salama namana,
1°Efa voaporofo ny maha HEBREO NY MALAGASY: ara-kolotsaina, ara-tantara, ara-baiboly, ara-tsiantifika! Ny minia mikipy sy ny minia marenina sisa no tsy mahalala

2°Tsy azo lavina fa misy karazam-piaviana maro eto M/kara, fa raha zohina ireo rehetra ireo dia mahagaga fa manana fiaingana tany ISRAEL AVOKOA:
ohatra ray : ny Sinoa (foko vitsivitsy izay mifora, ary voalza ao @ baiboly ny momba azy ireo, @ fiteny oh: goy=guôi= (hafa)firenena

3°Fiverenana:
Ny baiboly manontolo, raha tena mamaky sy mandinika isika, fa tsy ireny mpihinana am-bolony ireny, dia MAHITA sy MAHAFANTATRA fa io FIVERENAN'NY ISRAELY IZAY NIELY io no fototra iorenana; na ny T.T na ny T.V!
-Ny tombony @ Fanekena nohavaozina (alliance renouvellée) dia AFAKA MIDITRA AO KOA NY HAFA FIRENENA (Jentilisa), fa tsy ilay toriteny vilam-bava afafin'ny sasany hoe"NIFINDRA ANY @ JENTILISA NY FANEKENA"

4°Averina ve ny fomba rehetra t@ andron'i Mosesy?
lavitra ny afo ny kitay ry namana a! FAMINANIANA daholo ireny ry namana a! ireny dia aloky ny zavatra ho avy dia YESHU'A, izay TSY NANAFOANA fa nanatanteraka ary NANITSY ny @ fomba tokony hivavahana araka ireny Torah ireny!


IZAHAY dia manizingizina mihitsy fa raha tsy miainga @ Torah isika ka hivavaka @ ilay Nivavahan'i Abrahama, Isaka, Yakov ARY nivavahan'ilay Mesia mpamonjy dia FANAHY HAFA no ivavahantsika (ary maro be ireo eny @ rivotra=lanitra)
7. Nehemiah ( 11/09/2013 13:56)

moustaraf:

Salama namana,
1°Efa voaporofo ny maha HEBREO NY MALAGASY: ara-kolotsaina, ara-tantara, ara-baiboly, ara-tsiantifika! Ny minia mikipy sy ny minia marenina sisa no tsy mahalala

2°Tsy azo lavina fa misy karazam-piaviana maro eto M/kara, fa raha zohina ireo rehetra ireo dia mahagaga fa manana fiaingana tany ISRAEL AVOKOA:
ohatra ray : ny Sinoa (foko vitsivitsy izay mifora, ary voalza ao @ baiboly ny momba azy ireo, @ fiteny oh: goy=guôi= (hafa)firenena

Raha tsy mitanisa ny loharanonao ianao mba ho azo akàna toky dia naman'ny torak'elefanta ny ataonao.
Tsy hoe mitovy ny voambolana 2 dia tsy maintsy avy @ 1 ny 1 fa mety samy avy @ tenim-pirenena taloha izy 2 (taiza moa no namakiako zavatra mifanandrify an'izay ? Ay marina, Gen. 11, ny @ fiparitahana tany Babela :-) )
8. moustaraf ( 11/09/2013 15:47)
Ny fifanandrifiana @ tenim-prenena dia maro be tokoa, ary io no manaporofo tilikambon'ny babela lazainao io, fa ny mahaliana anay dia ny ifandraisana "uniquement" @ teny hebreo!

ohatra teny mitovitovy:
Neny...nénèn
maty..Mat, mawt, mort, mott
leha...aller
osa...lâche
sns....
Raha manao ny fikarohana izahay dia tsy "ny fiteny" irery ihany akory no hadihadina fa lafin-javatra maro2 ary @ antsipirihany avokoa! vao sahy mamoaka tsoa-kevitra aroso ho fanta-bahoaka!
9. Nehemiah ( 12/09/2013 06:18)
Tsy linguiste akory aho fa saingy mampahatsiahy ahy ny fanaon'ny British Israelitism ny ataonao, izany hoe mandatsaka fifanandrifiana teny avy any an-danitra.

Ohatra izao ny an'ny British Israelititsm dia lazaina fa manaporofo ny maha-Isiraelita ny Britanniques ny hoe avy @ bereth ish (lehilahin'ny fanekena) ny voambolana "British". Kanefa raha mba tsy mifanipaka izy ireo dia tokony manaiky fa avy @ "bereth ayin" (tsy manana fanekena) ny voambolana "Britain" e :-).
10. universal ( 12/09/2013 07:58)
Hoy ny lohahevitra: "Fiverenana na shuv en Hebreu. Diniho tsara satria mahakasika ny hoavintsikarehetra io na converty ianao na HEBREU tena izy"

Ho ahy manokana tsy hitako mihitsy izay tombony na Hebreu aho na Gasy aho na Vazaha aho sns... Ny fantatro dia olombelona aho, mipetraka eto Madagasikara... ary isaorako an'Andriamanitra izany...


11. voromailala ( 12/09/2013 08:14)
universal> marina mihintsy izay voalazanao izay. Satria jereo kely anie:
Voaporofo azany hono fa Hebreu ny gasy taloha, dia iny fa nanaraka ny Torah ny ankamaronan'ny malagasy.

Raha ny fikarohanana vaovao anefa dia hita fa 2000 AV JC dia efa nisy mpinona tany Madagasikara, ka eritrereto anie fa hoe voaporofo indray fa Egyptiana ohatra razambena'ny gasy, dia hivady indray ve izany?

12. barnasha ( 12/09/2013 08:44)
@ Voromailala

Tena marina mihitsy izany, misy rà "Mitsri" (Egyptiana) ny Malagasy, satria ny zanak'Israely dia tsy inona fa arameana metisy Egyptiana, Yossef ohatra dia nanambady vehivavy Egyptiana: Asnat Bat Poti-fer'a izay renin'ny fokon'i Efrayim sy Menasheh (Genèse 41:50), ary raha navoakan'ny Adonaï avy tao Egypta ny Hebreo dia lazain'ny baiboly hoe fa nisy "Erev Rav" (Une multitude de gens de toute espèce) nanaraka ny Hebreo (Exode 12:38).

Raha ny fombafomba dia ahitana fomba Egyptiana eto ary raha resaka Jenetika dia ahitana izany koa. I Ra-mesesu III (Ramses III) ohatra dia haplogroupe E1b1a izay hita @ pourcentage lehibe @ Malagasy, toa 40% raha tsy diso ahy.
13. voromailala ( 12/09/2013 08:51)
barnasha> Misaotra anao amin'izay fizarana fahalalana izay.
Sendra noteneniko tamin'izao fotsiny ilay hoe Egyptiana fa mety ho marina tampoka zany :-)

Ilay Civilisation Egyptiana nanao ireo pyramide ireo koa zao tena mba mahaliana ahy, fa toa hoe nanana fahaizana ambony be noho isika amin'izao fotoana hono.
14. Nehemiah ( 12/09/2013 08:52)

voromailala:
Raha ny fikarohanana vaovao anefa dia hita fa 2000 AV JC dia efa nisy mpinona tany Madagasikara, ka eritrereto anie fa hoe voaporofo indray fa Egyptiana ohatra razambena'ny gasy, dia hivady indray ve izany?

;)
15. mtiana ( 12/09/2013 12:49)

Nehemiah:


voromailala:
Raha ny fikarohanana vaovao anefa dia hita fa 2000 AV JC dia efa nisy mpinona tany Madagasikara, ka eritrereto anie fa hoe voaporofo indray fa Egyptiana ohatra razambena'ny gasy, dia hivady indray ve izany?

;)

Manohana ny hevitr'i voromailala aho.
Amin'izao fotoana izao dia betsaka ny rivotra mitsoka mikasika ny fivavahana, ary milaza fa manana porofo ...
Fehiny : Mila mitandrina "Tano mafy izay hanananao mba tsy hisy haka ny satro-boninahitra". Apokalypsy 3 :11
"Izay efa mijoro tsara , aoka izy hitandry fandrao ho lavo" I Korintiana 10:12
"Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana" I Jaona 5 : 12
"Hoy i Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy mankany amin'ny Ray , afa-tsy amin'ny alalako" Jaona 14 : 6
Andeha isika hamorona olona tahaka ny endrintsika araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka ao amin'ny hazandrano,ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany". : Genesisy 1: 26 (Andriamanitra telo izay iray : Ray , Zanaka , Fanahy Masina , efa nisy hatr'izay sy ho mandrakizay, tsy miova, Alfa sy Omega).
Mahereza mivavaka sy mamaky baiboly fa tsy ho voarebirebin'ireo milaza ho mpikaroka sy manam-pahaizana
16. moustaraf ( 12/09/2013 17:13)
Edrey!
Marina dia marina loatra ny filazana fa misy rà Egyptiana ny Malagasy, ary efa voadinika daholo anie izany e! fa tsy hoe mandavo ilany tahaka ny fandrian'alika akory,
ohatra 1: ireo anarana miantomboka @ Ra..., sns...
Ary izany dia mbola hamafisin'ilay dia makaty Ma/kara araka ny voalazan'ny baiboly ihany

Efa tany alohan'ny andron'i Solomona no efa nisy Hebreo teto Ma/kara ary misy porofo maromaro any Israely sy any Torkia (Musée) izay manoritra ny lalana nakana volamena taty M/kara
Fa saingy ilay dia taorian'ny fahababoana no tena nahamaro ny Hebreo noho ny fanenjehana mavaivay nahazo azy ireo, hany ka nanafina ny identité-ny!

Tsy lavina ihany koa fa nifangaroharo t@ fokom-pirenena maro ihany koa izy ireo nandritra ny dia izay natany, ary nihazo lalana roa mazava tsara:
1° Nihazo an'i Azia mineur , Javana.... (manana endrika aziatika)
2° Nihazo an'i Arabia, Egypta , Etiopia.... (manana endrika arabo, na afrikana)
Efa voalazan'ny mpaminany taloha be izany rehetra izany fa tsy faminaniana vaovao akory!
indrindra ny hoe"Na dia mifangaroharo @ firenena jentilisa aza ny oloko, na tsy mahalala ahy intsony aza izy, eny ho adinony ny anarako....Izaho kosa hanangona azy indray avy any @ faran'ny tany"
AMEN


17. Miharena ( 16/09/2013 08:34)
Ny RA no tena isan'ny hita hoe notazonin'ny Malagasy hatrizay ka nahafahany nametraka mazava ny maha-masina ny Razana.

Misy antso tokoa izy io raha zohina ary ny Fanahy no tena Olona hoy ny Malagasy ka ny fifandraisan'ny RA no maha-matotra azy.

Fa eo ihany isika, raha tanterahan'Andriamanitra àry io filazàny io hoe hanangona ny Israely IZY, inona no hitan'ny namana mpandala ny maha-Jiosy ny Malagasy ny fifandraisana ara-panahy izay manome porofo mivaingana toy ny hafatra mivantana ary ahoana no hanavahana fa misy ny hafatra avy amin'ny fanahy hafa amin'ireny mpitory milaza azy ho nianatra mivantana tany an-danitra ireny?
18. mosheh ( 25/09/2013 08:41)

Nehemiah:

Mbola tsy voaporofo mihitsy fa hebreo ny gasy, ny hany voaporofo dia misy ra hebreo ao anatin'ny ran'ny gasy

Salut
Ny Anareo tsy voaporofo ny any efa voaporofo ny fiteny, ny fomba, ny toetsaina, ny loko, ny zavatra tokony hivavahany. Ny identiténay dia efa fantatra, ny lalana nidirana teto Mahdagascar, izany hoe ny carnet de bord hoy tantsambo, ny toetsaina, be dia ve tsy voatanisa izany. ho any izay mblola tsy tehino mahazo manohy ny fomba efa mahazatra azy tsy misy tsininy io satria i Elohym dia fitiavana na dia tsy hanaiky aza ianao ho olony. Na koa ampiana hoe mety afrikany ianao (tsy Ethiopian na falashah taranaky Slomo na Salomon).
dia Toizy ny tsy finoana eh!
de mandrapan-dre!!!
19. mosheh ( 25/09/2013 08:58)

Miharena:

Ny RA no tena isan'ny hita hoe notazonin'ny Malagasy hatrizay ka nahafahany nametraka mazava ny maha-masina ny Razana.

Misy antso tokoa izy io raha zohina ary ny Fanahy no tena Olona hoy ny Malagasy ka ny fifandraisan'ny RA no maha-matotra azy.

Fa eo ihany isika, raha tanterahan'Andriamanitra àry io filazàny io hoe hanangona ny Israely IZY, inona no hitan'ny namana mpandala ny maha-Jiosy ny Malagasy ny fifandraisana ara-panahy izay manome porofo mivaingana toy ny hafatra mivantana ary ahoana no hanavahana fa misy ny hafatra avy amin'ny fanahy hafa amin'ireny mpitory milaza azy ho nianatra mivantana tany an-danitra ireny?

Shalom!
ny zavatra voalohany tokony ho fantarintsika dia ny "Identité" iza marina ianao ary avy taiza ianao, nahoana ianao mpivavaka mahafatra-po tsy ampy fahalalana? Eny mino aho fa manampahaizana ianao fa tsy mahatakatra zavatra lalina ny tsiambaratelonao, ary mino koa aho fa "hebreo ianao" hisaorantsika ny misiona sy ny namany nampianatra antsika ny baiboly na nampianatra antsika nivavaka amin'ny fivavaky ny razantsika dia i Avraham, ytzrac, Yacov ary izany ary napahalala ilay mpaminany lehibe na "nebi gadol" resaka clientélisme no tanjon'ireny. Ny anarana no tokony zavatra fantarinao voalohany, iza ilay tena anaran'ilay nampisy ny Lanitra sy ny tany Andriamanitra sa Elohym izany. Azo hovana ve ny anarana na personage ao amina boky iray sa tsia. Aizo no misy lalàna afaka manafoana io didimpitsarana io. na ny haute cours de justice any "Lahai" aza tsy afaka manao izany tsy misy tribunal afaka manao izany.
Marina ny voalazanao misy tokoa ny antso ao anatin'ny baiboly io.
faminaniana hoan'i malagasy. Ny malagasy dia hedry sy lalimpandiniana mikaroka tsy manaonao foana, tsy mivavabavaka foana.
jereo ny boky" Farimamy termina page 67l" inona no atao hoe Andriamanitra?razana? sns.
Manota izao ianao miteny ratsy ny anaran'ilay nampisy ny Lanitra sy ny tany na i Elohym "voaloto ny anarako amin'ny anarantsampiny."
20. Nehemiah ( 25/09/2013 13:01)
Mosheh > Ny ataonao no atao hoe torak'elefanta
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008