Ahoana ny fijery ireo zaza mbola tsy mahasara-dreny araky ny fitenena(12-13-14 taona) nefa miroboka sahady amin'ny sehatry ny fitiavana? Vokatry ny fivoaran'ny toetr'andro ve sa vokatry ny fanabeazana? Inona no vahaolana?
Sarotra be ny mitaiza ankizy ankehitriny satria tena mivoana be mihintsy ny fandraisan'ny ankizy ilay atao hoe fahendrena.Manaraka loatra ny fivoarana any ivelany ny ankizy nefa tsy mifanaraka mihintsy amin'ny fisainana maha malagasy izany.
Ny tena manahirana indrindra dia izao:na miezaka mafy aza ny ray aman-dreny ao an-trano dia mitaiza ireny zaza ireny ihany koa ny fiarahamonina misy azy ary ny tena manahirana dia fotoana fohy ihany ny ankizy no mijanona ao an-trano fa eny ivelany no tena mameno ny fotoanany betsaka.Mila fahamatorana sy fahaizana mitaiza tokoa ny ankizy ankehitriny satria tsy azo poretina be loatra nefa koa tsy azo avela halalaka be .Fa na izany na tsy izany ny tena zava-dehibe indrindra dia mila tezaina araka ny sitrapon'Atra ny ankizy mba hanana tahotra an'Atra.