Faminaniana ny 1290,1335 jours

1. maranatha ( 06/09/2013 08:21)
Ao amin'ny bokin'ny Daniela 12:11 Ary hatramin'ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.12 Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.

Mbola tsy tanteraka io faminaniana io ary misy teny ao amin'ny Ohab 2:2 voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.

Noho izany anjara-tsika ny manao ny fikarohana . Daniela 12:10 Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.

Ny hendry izany no hahafantatra ny fiafaran'ny ireo fotoana ireo.

Indice: 1 - Daniela 12:11a Ary hatramin'ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan'andro ....
Oviana ny nampitsaharana ny fanatitra isan'andro????

2- Daniela 12:11b ....hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana.
Oviana ny nampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana.?????

Rehefa hita io dia manisa fotsiny sisa. 1andro=1 taona ezek 4:6tf....ny indray andro no nataoko solon'ny herintaona ho anao.

Misokatra ho an'ny hendry ary ny fahafantarana satria hoy ny Mpamonjy ao amin'ny Matio 24:15 Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia .....

Filazana ny fiafaran'ny fotoana izany izy io. Misokatra ary ny lohahevitra koa samia manome ny heviny isika (ireo hendry). Mahereza
novalian'i moustaraf ny 11/09/2013 15:37
2. bor2lais ( 06/09/2013 10:14)
Enti-mody ho an'izay te ho mpaminany moa ity izany raha azoko tsara ry maranatha e ! Dia izay te ho mpaminany (tahaka anao ;-)) no antsoina hoe hendry aminao a !!! :-)
Nefa dia :
universal:

Forum ny eto, samy afaka maneho hevitra daholo

:-)
Miala tsiny fa tsy hendry bor2lais e (tsy natao ho azy ilay lohateny dia mbola miditra ihany ! :-)
3. moustaraf ( 06/09/2013 12:32)
Salama namana,
Omeo aloha ny fanaporofoana,araka ny affirmation izay ataonao fa"tsy mbola tanteraka "io faminaniana io
MISAOTRA
4. moustaraf ( 06/09/2013 12:32)
Salama namana,
Omeo aloha ny fanaporofoana,araka ny affirmation izay ataonao fa"tsy mbola tanteraka "io faminaniana io
MISAOTRA
5. Maranatha ( 06/09/2013 12:57)
raha mamaky ny daniela 12:7 Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin'ny lanitra ka reko nianiana tamin'Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin'ny olo-masina, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.8 Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran'ireo zavatra ireo?9 Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin'ny andro farany.10 Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.11 Ary hatramin'ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan'andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.12 Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.13 Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany.

Raha mamaky io dia milaza ny zavatra hiseho any amparany any io teny io. efa tanteraka ny 1260 jours fa ny point de depart ny fanisana ireo no mety ho samy hafa ny 1260 sy 1290 jours.
Ny 1260 jours izay niantomboka ny 538 fotoana nipetrahan'ny fitondrana papaly dia nifarana ny 1798 izay fotoana nampitsahatra ny fitondrana papaly voalohany. Io ilay 42 mois ao amin'ny apokalipsy na 3 1/2 ao amin'ny daniela.
ny 1290 sy ny 1335 izany izao no olana.
6. moustaraf ( 06/09/2013 13:42)
IZAY TOKOA VE?
7. Miharena ( 08/09/2013 05:37)
Raha mbola miondrika ao anaty boky indray isika dia tsy hahafantatra ireo lazain'ny namana Maranatha ireo fa raha manontany mihitsy an'i Jesoa ve tsy hahafantatra izay ambaran'ireo?
8. moustaraf ( 08/09/2013 11:25)
Amiko dia tena ilaina ny mangataka ny fitsilovana manokana amin'ireny faminaniana sasany ireny, ary matetika koa anefa dia omeny ao @ bokin'ny mpaminany ihany ny valiny, sy ny porofo maro, ary ny fahatanterahan'ireny faminaniana ireny!

Io faminanian'i Daniela io dia mizara roa mazava; mify ny efa tanteraka ary misy ny mbola hoa avy izay mifandray @ boki'ny fanambarana!

Oviana no nitsahatra ny fanatita isan’andro?
Betsaka no milaza fa rehefa maty teo @ hazo ny Mpamonjy dia VITA ny zavatra rehetra= nitsahatra ny fanatitra isan’andro! TSIA
1.Na dia maty aza ny Mpamonjy dia mbola nisy mpisorona tao @ tempoly ary mbola nitohy hatrany ny fanaterana fanatitra isan’andro, mandra-paha rava ny tempoly “tsy nisy vato nifanongoa”

2. Fa I Jerosalema dia hitsahin’ny Jentilisa:
Rehefa rava ny tempoly, rava koa Jerosalema taorian’ny andron’I Mesia dia ny jentilisa no nanjaka tao=Mitsangana eo @ fitoerana masina ny fahavetavetan’ny fandravana; ny tsy mifora no nibaiko!
-Ary indrindraindrindra: Ny fivavahany no nampanjakainy= Romana sy grika
-Teraka ny fivavahana @ olona (Jesosy krestos); fivavahana @ masoandro (alahady=sun day);
-fety hafa no nampidirina fa lany andro ireo fety nomen’ny Tsitoha (Noely, paska romana, pentokoty romana,…)
-Nafafy ny hoe”efa nifindra any @ jentilisa ny fanekana sy ny fifidianana” fa voahozona ny hebreo; Tsy ilaina intsony ny Torah FA efa ambany fahasoavana, sns….
FAHAVETAVETANA IZANY!

3. ankehitriny, ataovy ny fanisana fa efa tapitra ny 1000 TAONA ho an’ny jentilisa; mitsangana indray ilay taranaka izay NAELY “hanangana ny rava ela” dia ilay fahamarinana mitory ny filazantsaran’ny fanjakana!

MAHEREZA
9. maranatha ( 09/09/2013 05:48)
moustaraf:

RAha io voalazanao io no marina izany dia tamin'ny taona 70 AD nandravan'ny romana azy ka raha hatreo isika no mainisa 70 +1260 = 1330 AD fanontaniana inona no zavatra nitranga rehefa tapitra io fotoana io????
70+ 1290= 1360 AD inona indray no nitranga tamin'io taon-jato io????
Toy izany koa ny 70 + 1335= 1405 AD toa tsy dia hita ao amin'ny tantara mihintsy hoe inona no zavanitranga tamin'ireo fotoana ireo???

Ity misy hevitra iray hita tato amin'ny Internet t@ 715 fotoana izay nidiran'ny silamo (valala) ka nanimbany an'i Jerosalema sy ny tempoly ary nametrahany ny tempoliny ao amin'ny tempoly nisy ny an 'i Jiosy izay lasa faha telo amin'ny tempolindry zareo maneran-tany, no mety hoe miainga ny fanisana. SAtria nanomboka teo no nampidirana ny fahavetavetana mahatonga ny fandravana. RAha hatao ny kajikajy tsotsotra dia mipetraka amin'izao andron-tsika izao ny faminaniana rehetra. satria raha 715 +1290= 2005 ary raha 715 + 1335 = 2050 .
SAmy vao mikaroka fa tsy mbola fantatra ny fahamarinany

Ny tokony ho izy mantsy dia amin'ny fotoana hipetrahan'io 1290 jours io dia manomboka avoakan'ny Bibidia ny fanamafisana ny fitandremana ny alahady mandritra ny 45 jours no enjehina ireo izay fa mitana ny lalàn'i Tsitoha tonga fanindroany ny Messiah ny 1335 jours.

moustaraf:

3. ankehitriny, ataovy ny fanisana fa efa tapitra ny 1000 TAONA ho an’ny jentilisa; mitsangana indray ilay taranaka izay NAELY “hanangana ny rava ela” dia ilay fahamarinana mitory ny filazantsaran’ny fanjakana!
MAHEREZA

Aiza no misy teny fa 1000 Taona no nomena ny jentilisa??? .
Ny hoe manangana ny rava ela arak'io Isai 58 dia mamerina ny fototra nomena tany amin'ny famoronanana. Genesisy Toko 1, 2, 3

Mba avoahy tsara hoe ny hevitrao fa tsy azoko tsara. sady mila hatambatra mba hahafahana mahita ny marina.
10. moustaraf ( 09/09/2013 07:16)
Salama namana,
1° Mila mijery tsara isika fa tsy t@ nanorenana ny mousquée tao Jerosalema akory no nitsahatra ny fanatitra isan'andro fanaon'ny mpisorona fa tany @ faharavan'ny tempoly mihitsy, araka ny hoe"tsy hisy vato mifanongoa tsy ho ravana"
Betsaka koa manko no milaza fa"rehefa maty" teo ambony hazo ny mesia dia nitsahatra ny fanatitra;
(eo am-pandrindrana an'ireo toko sy andininy aho, svp)
11. moustaraf ( 10/09/2013 04:20)
Ny fahitana hitan'i Daniela:
8:11 Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin' ny Komandin' ireo marobe, ary nesorina taminy ny fanatitra isan' andro, ary ny fitoerana masina noravana.
-Ny fahatanterahan'io dia t@ andro nandravana ny Tempoly; dia nitsahatra avy hatrany ny fanatitra!

8:12 "Ary nisy marobe mbamin' ny fanatitra isan' andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin' ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina."
-Aorian'io fandravana io dia HATOLOTRA AZY NOHO NY FAHADISOANA NY FANATITRA:
-rava Jerosalema dia nitsangana ny fivavahana Romana =Kristiana io!
-Fanatitra = vavaka
-NAZERANY @ TANY NY FAHAMARINANA

8:13 Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin' ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana ny amin' ny fanatitra isan' andro, ary ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo marobe ho fanitsaka?
-fanontaniana: hatramin'ny oviana no havela hohitsakitsahina ny fahamarinana?

8:14 "Ary hoy izy tamiko: Telonjato sy roa arivo andro; ary rehefa afaka izany vao hodiovina ny fitoerana masina."
-valiny: 2300 Taona! ataovy ny fanisana fa tsotra kely izany, ary izao taona iainantsika izao!
-Yeshu'a anefa efa nanambara fa" ho avy andro; tsy any an-tendrombohitra na any JEROSALEMA intsony no ivavahana, fa izay mpivavaka marina hivavaka @ fanahy sy ny fahamarinana"

N.B: ny fanatitra dia mifampiankina @ tempoly; rava tempoly, tsy misy fanatitra!
Raha hanao fanati-panahy isiska dia tadiavo aloha ilay trano fanahy!
12. Maranatha ( 10/09/2013 10:43)

Ny taona 70 anefa no nandravana ny tempoly , noho izany tsy mitombina izay fanisan-tsika izay ny 70+1260 na ny 70+1290 na ny 70+ 1335 dia tsy tafavoaka raha io 70 io no atao point de depart.
moustaraf:

8:13 Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin' ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana ny amin' ny fanatitra isan' andro, ary ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo marobe ho fanitsaka?
-fanontaniana: hatramin'ny oviana no havela hohitsakitsahina ny fahamarinana?

8:14 "Ary hoy izy tamiko: Telonjato sy roa arivo andro; ary rehefa afaka izany vao hodiovina ny fitoerana masina."
-valiny: 2300 Taona! ataovy ny fanisana fa tsotra kely izany, ary izao taona iainantsika izao!
-Yeshu'a anefa efa nanambara fa" ho avy andro; tsy any an-tendrombohitra na any JEROSALEMA intsony no ivavahana, fa izay mpivavaka marina hivavaka @ fanahy sy ny fahamarinana"

N.B: ny fanatitra dia mifampiankina @ tempoly; rava tempoly, tsy misy fanatitra!
Raha hanao fanati-panahy isiska dia tadiavo aloha ilay trano fanahy!

raha ny 2300 andro indray dia efa mazava tsara fa niainga tamin'ny -457 BC na talohan'ny Messiah izay nifarana ny 1844 amin'izao fanisan-taonan-tsika izao. Mitombina daholo ny fahamarinana rehetra amin'io tanterka ny fahavitan'ny Jerosalema ny 408 izay 7 herinandro hanamboarana an'i jerosalema tamin'izany tanterka ny fahataperan'ny 62 herinandro izay nanaovana batisa na fanosorana ny messiah ny 27 AD tanterakaihany koa ny 1herinandro farany tamin'ny nitoraham-bato an'i Stefana. io ilay 70 herinandro natokana ho an'ny firenen'I daniela .
raha tohizana ny fanisana dia mijanona ny 1844 ilay 2300 andro izay vanim-potoana hanombohan'ny fitsarana any an-danitra (na fanadiovana ny fitoerana masina) Yom kipoor hoy ny Jiosy na andro fanavotana .
Rehefa natao ny kajy rehetra dia tsy mifandray amin'io ny fanisana ny 1260 andro sy ny 1290 ary ny 1335 .
Ny 1260 ohatra dia niainga tamin'ny nanombohan'ny Fiangonana katolika romana dia ny 538 izay nanomboka nampidirana ireo fahavetavetana rehetra toy ny hoa lasa alahady ny andro tokony ho tandremana. Ny fahefana papaly no misolo ny fahefan'i Tsitoha eto an-tany sns... tsy atondro izany hianao.

Tapitra ny fitondrana fahefana papaly I ny 1798 izay nahatapitra ilay 1260 andro na ny 42 volana (42X30=1260) na ny 3 andro 1/2 izay manome telotaona sy tapany izay 1260 andro ihany koa (360X3=1080 + 180= 1260). Io ilay voalazan'ny Apok 13:3 aAry hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty;
izany hoe efa saika tapitra ny fitondrana Papaly .
Apok 13 :3 bnefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.
Niverina nindray ny fitondrana papaly ny 1929 fa mbola tsy nanjaka maneran-tany ; fa tamin'ny fitondran'i Jean paul II (1978-2005) no nanomboka nitety tany maro izy izay midika fa manaiky azy ny tany rehetra .
Eo no sarotra amin'ilay kajy satria tsy mbola nivoaka ihany koa ilay lalàna manendry fa tsy maintsy ny andro alahady no andro natao hitsaharana sy hivavahana ho an'ny rehetra .

Mbola mila dinika betsaka
13. Maranatha ( 10/09/2013 10:45)
Mba jereo anie ity cite ity fa milaza fa i jena Paul II no nampifandray ny fiangonana rehetra http://fr.wikipedia.org/wiki/Jean-Paul_II
14. bor2lais ( 10/09/2013 11:27)
Ary toa tsy mitovy hevitra ianareo izany a ! :-)
Tandremo fa farafaharatsiny ny iray aminareo izany dia sandoka aloha hatreto a ! ;-)
15. moustaraf ( 11/09/2013 15:37)
Ity aloha misy fanamarihana ny @ fanisana taona ao @ faminaniana lazain'ny baiboly:
-Tsy mitovy ny isan'ny andro @ taona Hebreo trananiny araka ny Torah sy ilay fanisana andro @ taona Jiosy ankehitriny ary koa ny fanisana andro greogoriana sns...izay mety ho maro be izy ireo, ary koa ny fanisana andro @ io alimanaka ampiasaintsika @ izao fotoana izao io;
dikany:
1°Mila mahay ilay fanisana andro volana sy taona araka ny Torah aloha isika raha te haazo précision, fa tsy @ ity calendrier -n'ny Jentilisa ity akory!
2°Raha ity baiboly dikan-teny ity no iaingana dia mbola ho diso be ihany isika satria "maro be" ireo détails importants izay tsy voadika akory, nefa ilaina @ fandinihana!

MAHEREZA DAHOLO
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8233