Hitler ve kristianina sa tsia ?

1. pisoonja ( 26/08/2013 13:24)
Nahita fanadihadiana iray mahakasika an' I Hitler aho omaly nilaza fa ny antony namonoany ny jiosy dia ny fitadiavana ilay kapoaka nisotroan'i Jesoa farany alohan'ny namonoana azy satria io kapoaka io dia misy " pouvoir" sady misy " miracle", milaza koa izy fa iray rà amin'i Jeso Kristy ny Allemange satria mananà firazànana ambony .
Mino Hitler izany fa zanak'Andriamanitra ve Jeso matoa mitady pouvoir @ alalan'ny kapoaka nisotroan'i Jeso farany izy ?
novalian'i toriteny ny 10/09/2013 14:00
2. voromailala ( 26/08/2013 13:32)
Amiko manokana izany dia miankina amin'ny hoe rehefa inona ny olona no hatsoina hoe kristianina?

Ianao ve izao ohatra kristianina, raha Eny no valiny dia inona no maha kristianina anao? dia miankina amin'izay ny valiny.

Raha misy kristinina miteny zao hoe rehefa izay vita batemy rehetra dia kristinina, noho izany amin'io olona io dia kristinina koa hitilera.
3. Nehemiah ( 26/08/2013 14:05)
Ny valiny fohy dia tsia.

Na dia notaizàna ary natao batisa t@ finoana katôlika i Hitler dia nikasa ny hamongatra ny finoana kristiana satria neveriny fa mahatonga ny olona hiantra @ osa ilay izy ka mahatonga azy ireo hiroborobo ka hampiely ny fototarazony @ vahoaka ka mampitarazoka ny evôlisiona (mpandala ny fotopisainan'i Darwin mafàna fo indrindra izy). Notaomina hiala @ finoany kristiana ohatra ny zatovo @ jeunesses hitlériennes.

Marina tokoa fa liana fatratra @ resaka mystiques sy occultes i Hitler (ary mariho ny teniko fa vokatry ny fanilihana ny finoana kristiana, izay antidote ho an'ny finoanoam-poana, izay) kanefa raha izaho ianao dia raisiko "avec une pincée de sel" izay nolazaina t@ fanadihadiana ka mikaroka kely fa manana fironan-dratsy @ sensationnalisme ny fandaharana tahakan'ireny
4. pisoonja ( 28/08/2013 08:39)
marina ny teninao ry namana Nehemia fa saingy betsaka ny tsoa-kevitra azo raisina ao anatin'iny fandaharana iny , ohatra raisina sy tsara indrindra dia fahafantaran'i Hitler fa i Jeso dia manana fahefana tsy takatry ny saina, izany hoe manaiky ihany @ ampahany izy fa zanak'Andriamanitra i Jeso saingy kosa @ maha toetran'olombelona azy dia misy karazan'olona tia fanoherana toa azy
5. Nehemiah ( 28/08/2013 08:57)
Mampiaiky hatr@ Satana ny fahefan'i Jesoa Kristy.

Fa araky ny tenin'i Jakôba dia tsy vitan'ny fanekena ara-tsaina fa zanak'Andriamanitra i Jesoa ny finoana kristiana.
6. pisoonja ( 28/08/2013 09:06)
ke efa voalazako tery ambony anie fa te-ho satana ny akamaroan'ny olona hitady fahefana ka hanohitra an'Andriamanitra, fa ho an'ny Kristianina kosa ny fanadihadiana toy ireny dia mampiseho mazava fa na i satana aza mbola mitady fahefana avy @ Andriamanitra koa inona no anarahana azy ?? izay no tokony hifampizarana eto @ forum , manompoa an'Andriamanitra @ fonao rht ny sainao rht ny fanahinao rht
7. voromailala ( 28/08/2013 09:34)

Nehemiah:

Mampiaiky hatr@ Satana ny fahefan'i Jesoa Kristy.

Fa araky ny tenin'i Jakôba dia tsy vitan'ny fanekena ara-tsaina fa zanak'Andriamanitra i Jesoa ny finoana kristiana.

Marina izany tenin'i Jakôba izany, mila ekena indrindra ara-po, ara-panahy.
8. toriteny ( 10/09/2013 14:00)

pisoonja:

Nahita fanadihadiana iray mahakasika an' I Hitler aho omaly nilaza fa ny antony namonoany ny jiosy dia ny fitadiavana ilay kapoaka nisotroan'i Jesoa farany alohan'ny namonoana azy satria io kapoaka io dia misy " pouvoir" sady misy " miracle",

-Ny kristianina tsy mivavaka mba hanana "pouvoir" na hitady "miracle"
-Ny Kristianina tsy mamono olona
-Ny kristianina tsy manambony tena sy manao tsinotsinona ny hafa
-Ny kristianina tsy misy "haine" ohatran'i Hitler

pisoonja:

milaza koa izy fa iray rà amin'i Jeso Kristy ny Allemange satria mananà firazànana ambony .
Mino Hitler izany fa zanak'Andriamanitra ve Jeso matoa mitady pouvoir @ alalan'ny kapoaka nisotroan'i Jeso farany izy ?

Jesosy Jiosy nefa Hitler namono Jiosy an'arivony izay lazainy fa "race inférieure".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0676