Raha tonga ny irak'Andriamanitra sy ny Anjely_mbola hino ve ny olona?
21. Nehemiah
(
05/09/2013 12:36)
Miharena:
Tsy ny soratra ihany no ahafahana manamporofo soratra fa raha izay no izy dia maty ny soratra.
Kanefa ny Soratra @ Ap. 18:22 ihany no milaza hoe : Izaho dia manambara amin’ izay rehetra mandre ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ ity boky ity ho azy. Ka ahoana no ahafantaranao fa "raha izay no izy dia maty ny soratra" ?
22. ratsirano
(
07/09/2013 11:01)
Somary hiverina hatrany amin'ny voalohany kely isika : i Jehovah sy i Satana dia mpifahavalo, satria i Satana dia te haka ny toeran'i Jehovah mba ho tompoin'ny olombelona rehetra. Fa ny zavatra azo antoka dia i Jehovah no Mpamorona izao rehetra izao sy Mahery lavitra noho i Satana, satria i Satana dia tsy inona fa anjely tany an-danitra taloha (Joba 1:6). Nivadika tamin'Andriamanitra izy nefa mbola afaka nivezivezy tany an-danitra tamin'izany fotoana izany.
Taty aoriana anefa dia jereo fa tsy afaka niditra tany an-danitra intsony izy (Apokalypsy 12:7-9). Mariho tsara fa nisy ady tany an-danitra ary niaraka tamin'i Satana tamin'izany "ny anjeliny". Manana "anjely" koa izany i Satana.
Ny zava-doza dia ity : raha hiseho aminao ny anjelin'i Satana dia tsy hilaza aminao mihitsy izy hoe avy any amin'i Satana (Korintiana faharoa 11:14)
Izay no tsara hahafantarantsika hoe ahoana marina ny asan'ny anjelin'i Jehovah mba tsy hahatonga antsika ho voafitaka. Tsy misy afa-tsy ny tantara ao amin'ny Baiboly no ahitantsika an'izany.
Ny anjelin'i Jehovah dia nataony iraka matetika hitondra ny Teniny, ohatra tamin'ny andron'i Mosesy (Eksodosy 3:1,2)
Torak'izany koa tamin'ny andron'i Abrahama (Genesisy 22:11,12).
Maria renin'i Jesosy (Lioka 1:26)
Amin'izao andro-tsika izao dia manana andraikitra ny anjelin'Andriamanitra dia izay voalaza ao amin'ny Apokalypsy 14:6,7. Mariho fa hoe : ilay filazantsara dia hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany rehetra.
Andraikitra napetrak'i Jesosy ho an'ny mpianany io (Matio 28:19,20). Ny "firenena rehetra" no nasain'i Jesosy atao mpianatra. Ahoana moa no hahafahan'ireo mpianatra vitsikely ampianatra ny firenena rehetra ? Ny anjelin'Andriamanitra no manampy azy amin'izany.
Ny zavatra fanaon'ny anjelin'i Jehovah koa dia fiarovana ny mpanompony (Salamo 34:7).
Ohatran'ny tamin'ny andron'i Daniela (Daniela 3:28 - Daniela 6:23)
Mpanantanteraka ny didim-pitsaran'Andriamanitra koa izy ireo matetika (Mpanjaka faharoa 19:35). Ary amin'ny ho avy izy ireo dia hiaraka amin'i Jesosy hanatanteraka izany koa (Tesaloniana faharoa 1:7,8). Mariho fa "ireo izay tsy manaiky ny filazantsaran'i Jesosy" dia ho tsaraina amin'izany.
Iarahantsika mahalala hoe aiza io filazantsara io ary jereo fa na ny apostoly aza dia nampitandrina momban'izany (Galatiana 1:8,9). Mety ho voaozona mihitsy izany raha milaza zavatra hafa ankoatry ny filazantsaran'i Kristy. Mariho tsara fa na anjely aza mety hitory filazantsara hafa.
Tsy afaka afangaro filazana hafa koa anefa izany filazantsara izany ary tsy afaka hoe hilatsaka eo am-povoany ianao fa tsy maintsy misafidy (Korintiana voalohany 10:20,21).
Samy maniraka ny anjeliny izany na i Jehovah na i Satana ka anjaratsika tsirairay avy no mianatra manavaka aloha, dia misafidy avy eo. Ny zavatra azo antoka ny amin'i Satana dia miezaka mafy dia mafy izy ary ampiany fahagagana mahatalonjona mihitsy aza, mba tsy hahitan'ny olona hoe aiza ny fahamarinana momba an'Andriamanitra (Korintiana faharoa 4:4).
I Jehovah kosa indray dia efa nanome ny Teniny dia ny Baiboly hahafahantsika mahafantara azy sy izay fikasany momba antsika. Firifiry izay ny boky nosoratan'ny olona efa taon-jato maro izay fa tsy nisy tavela, ary misy vaovao foana fa tsy ho ela dia ho lany andro koa, fa ny Tenin'Andriamanitra, ny Baiboly, dia mbola eo foana mandrak'androany ary tsy ho ringana mihitsy mandra-pahatanterak'izay voalaza rehetra ao. Efa nandraman'i Satana ho fongarana tanteraka mihitsy ny Baiboly fa tsy vitany satria Jehovah no niaro an'io boky io mba hahitantsika ny marina (Jaona 17:17)
Koa dia mazava ny safidy eo anoloantsika tsirairay avy fa ny tenako dia manaraka ity tenin'i Josoa ity : Josoa 24:15.
Mirary soa.

23. Miharena
(
07/09/2013 18:19)
Namana Nehemiah : tsy hoe tanisaina toy izany ny teny dia hilaza hatrany ianao fa Ny Baiboly manontolo no voalaza amin'io andininy io fa ny Apokalypsy no nambara hoe aza ampiana na hanalàna fa maika ny hafatra noho ny zavatra hitranga. Ary tsy manamporofo velively ny resaka momba ny hoe soratra miaina sy tsy miaina anie io valinteninao io e!
Raha hiverina amin'y lohahevitra isika ary hampiaina ny Teni'n'Andriamanitra dia ity misy andalana iray ohatra izay misy tsy mahafantatra hoe efa mandeha amin'izao fotoana izao dia ny
Ire olona ireo dia mety efa manao ny asany ankehitriny eto amintiska. Ao ohatra ny namana RBNIR izay mpanaraka ny namana Hery Fitiavana izay nilaza ny fiavian'io fotoana io. Ary eo koa ireo namana fifohazana izay efa mahalala fa efa miahatra io teny io satria ny an-dry zareo ireo dia tsy mba finoana soratra fa finoana zavamisy izay fifandraisana mivantana amin'i Jesoa sy Jehovah.

Apok 11:
3 Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.
4 Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany.
5 Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin'ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary rana misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy.
6 Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin'ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely ny tany amin'ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.
Ire olona ireo dia mety efa manao ny asany ankehitriny eto amintiska. Ao ohatra ny namana RBNIR izay mpanaraka ny namana Hery Fitiavana izay nilaza ny fiavian'io fotoana io. Ary eo koa ireo namana fifohazana izay efa mahalala fa efa miahatra io teny io satria ny an-dry zareo ireo dia tsy mba finoana soratra fa finoana zavamisy izay fifandraisana mivantana amin'i Jesoa sy Jehovah.
24. Nehemiah
(
09/09/2013 07:55)
Fisainana mitamberina ny anao : milaza ianao fa raha ny Baiboly ihany no raisina ho tenin'Andriamanitra dia maty ny soratra ary milaza koa ianao fa ny soratra maty dia izay tsy mandray afa-tsy ny Baiboly.
Rehefa amoahana hevitra ny Baiboly dia tsy maintsy farafaharatsiny manjohy ny vontoatiny fa tsy mifototra @ tapany vitsivitsy ka atao tsinontsinona ny tapany hafa : ao koa ny Jod. 1:3 manao hoe : "Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ ny olona masina." (Avy amiko ny soramandry.)

25. Miharena
(
09/09/2013 10:25)
Lasa lavitra ilay lohahevitra fa raha manana izay azonao ambara momba ny famantarana izay irak'Andriamanitra ianao dia mba alefaso namana Nehemiah a!