Fanadiadiana ny tombokase miisa fito voalaza ao Fanambarana na Apokalypsy

1. saho ( 18/08/2013 15:35)
Fanambarana na Apokalypsy toko faha 5 andininy 1 milaza fanambarana tombokase voalohany fa ho Tonga ny fara andro

Tombokase faharoa,Fanambarana na Apokalypsy toko faha 6 andininy 2, milaza fa hisy soavaly fotsy manana apinga izay manambara ireo olona fa misy ireo olona na vahoaka Amin ny firenena maro tsy mino an 'ny Jesosy kristy mpamonjy, misy koa fanambarana fa misy mpitaingina soavaly mena sns...manambara ny ady lehibe izay miseho araky ny fisian ny baomba atomika sy fitaovana mahery

Tobomkase fahatelo, misy fanambarana fa hisy ny olona miady ny ho hanina isan andro, miasa aman ora, karama vary masaka, fianjeran ny varotra hiombonana erantany toa ny varotra iraisampirenena lehibe manao fitaovana miaraka Amin ny banky foibe (Bourse, Action, matiere premiere) miseho araka ny soavaly mainty

Tombokase faha 4, mpitaingina soavaly efatra. Miseho araka ny endrika 11 septembra 2001 tao Amerika, fiovan ny toetrandro akapobeny, mosary, endrika mahery vaika natoraly (tondradrano, rivotra mahery mandrava infrastructure firenena lehibe milaza fa matanjaka sns...)

Tombokase faha 5, fahatezeran'Andriamanitra Ray tsitoha voalaza ao Fanambarana na Apokalypsy toko faha 5 andininy faha 10

Tombokase faha 6, voalaza fa misy horohorontany, fiovan'ny toetrandro erantany, fahamaroan'ny isan ny zanak'olombelona erantany, fisian ny rivotra mahery mandrava (Hurrikan), fisian'ny ady lehibe erantany, mosary, faharariana noho ny fisian ny aretina mandrimpaka (gripam-borona, sida, sns...), voalaza ao Fanambarana na Apokalypsy toko 8 andininy faha 10 sy faha 11 sy faha 12
voalaza ao tombokase faha 6 koa ny faharinganan'ny ampahatelo ny zanak'olombelona miseho endrika ady na ara natiora na ara miaramila, an'arivo valala 200millions, Fanambarana na Apokalypsy toko faha 9 andininy 15-16
Ireo rehetra ireo dia efa voasoratra any Boky testamenta taloha antsoina hoe Daniela

Iza ireo Satana voalaza (Manampahefana hery vaika toa ny mpanao Politika sy ny Miaramila, ireo atheista tsy mino an'i Jesosy Kristy, ireo mpaminany sandoka =Mohamed, Luther, Hitler,Mossolini sns...) Ho Tonga Amin izany andro izany ny ranomasina hivadika ra mitambatra Amin ny ra ny zanak olombelona

Tombokase faha 7, mbola miandry isika, ary izay no andro farany, voalaza ao Fanambarana na Apokalypsy toko 19 andininy 12-15 fa hisy Jerosalema vaovao
Apokalypsy toko 21 andininy 3 sy 4, Jesosy Kristy handresy ireo Miaramila atheiste
Ny finoana Kristiana dia ireto telo ireto no votoatiny
-Fahatongavan' i Jesosy Kristy indray
-Fiverenan'ny Zanak'Israely ao Jerosalema( izay efa niseho)
-Fitsanganan'ny Tempoly vaovao (Izay miseho fomba samihafa erantany, toerana fiangonana tempoly tandrefana ohatra eto Allemagne vitsy mpivavaka isaky ny andro sabata (olona antitra nahatsapa fahoriana taloha toa mosary no Tonga ao ampiangonana midera an Andriamanitra sy Jesosy Kristy, foana ny fiangonana ankoatra ny fotoana Noely
Raha hiseho tokoa ny tombokase faha 7 dia izay ve ireo zanak'olombelona erantany vao hitodika ilay Ray tsitoha sy Jesosy Kristy mpamonjy
Raha mahantra ianao ankehitriny ka mahantra ao Amin izao tontolo izao, dia manankarena ianao ao Amin ny fiainana ao Kristy, Amen!
Miambena ao Amin'i Jesosy Kristy ary manaraha ny lalana marina sy mahitsy fa tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay, tsy ho sasatra ianao Amin izay asa izany ary amparitaho fa mandalo izao fiainana eto antany izao, Amen
novalian'i Miharena ny 23/08/2013 08:45
2. universal ( 19/08/2013 06:14)
ka inona ny olana amin'izany? Ny tsy madio fo ihany no matahotra an'izany....
3. moustaraf ( 19/08/2013 13:57)
"Raha mahantra ianao ankehitriny ka mahantra ao Amin izao tontolo izao, dia manankarena ianao ao Amin ny fiainana ao Kristy, Amen!"

-Io ilay toriteny nentina nanjanaka sy nanapotika ny firenena izay nampahantraina, isan'izany ny Malagasy!
Ireo izay mitoriteny aminao anefa maka izay rehetra anananao: volamena, safira, bolabola,...
Miaina sy misonenika tsara ery any an-dafin-dranomasina!


4. saho ( 19/08/2013 14:25)
moustaraf> tadidio io voalazako io fa tsy natao ho an'ny soratra Malagasy eto ihany fa fanadiadiana misy erantany indrindra avy Amin ireo finoana Kristiana
Ny fandraisanao ny fanadiadiana nosoratako sy nampitako teto angamba mety raisinao ho fahadisoana, ny olona tena Kristiana mivoady eo anatrehan'ny tempoly na fiangonana amin'ny fomba hitondrany ny tenany eo anatrehan'ny Kristiana rehetra, dia ny voady fa Jesosy Kristy ihany no voalohany, raha resaka filana na harena Amin izao tontolo izao dia tsy nivoady izany izy ireo, olomboafidin'ny Ray tsitoha ohatra Mpitondra fivavahana rehetra, ka anjaran'izay mahafantatra no mampahalala, tsarovy koa fa Firenena toa ny Malagasy dia mbola andalampandrosoana, ary efa misy ezaka vitan'ny Kristiana toa ny fivavahana catholique mampisy ireo mpikambana mikarakara sekoly, hopitaly katolika erantany, ankoatra toy ny fisian' olona kristiana toa Pedro any Gasikara any manohana ireo ankizy sy zatovo malagasy sahirana
Aza arahina arabakiteny le voalaza fa ataovy ny fanadiadiana dia ho hitanao ny valiny, ny finoana kristiana dia tsy atao hanapotika ary tsy hatao hampahantra, fa ny misy fomba maro be hahazoanao soa eo Amin ny fiainanao, efa voasoratra koa ny hoe "Ny hatsembohan'ny tavanao no hihinananao", fa tsy toa ny fandrombana sy ny fanimbana ny fiarahamonina
Fehiny, nahazoana soa ny finoana kristiana, ary mba anjarako mizara eto satria tsy tiako tazonina ho ahy irery.
Mirary soa ho an'ny Kristiana rehetra erantany na ny Malagasy rehetra ary mahereza ao Amin ny Kristy Tompo
5. endriny ( 20/08/2013 06:28)

saho:

Iza ireo Satana voalaza (Manampahefana hery vaika toa ny mpanao Politika sy ny Miaramila, ireo atheista tsy mino an'i Jesosy Kristy, ireo mpaminany sandoka =Mohamed, Luther, Hitler,Mossolini sns...) Ho Tonga Amin izany andro izany ny ranomasina hivadika ra mitambatra Amin ny ra ny zanak olombelona


Menatra aho raha sahy manevateva olomalaza tahaka izao... Raha io lazainao io no marina dia fantaro aloha fa ny Andriamanitra ao amin'ny baiboly tompoina io dia Andriamanitr'Israely, ary izay ivelan'ny israelita dia demony sy olona maloto avokoa na antsoiny mivantana hoe taranaky ny maizina.

Raha mitahy amin'ny Mohamed isika dia tsy volombolon'ny taranaky Abrahama akory, noho izany tsy ahazo ny fanjakan'ny lanitr'Andriamanitr'Israely mihintsy na hanao tsianjery an'io baiboly io aza, satria tsy israelita.
6. Miharena ( 23/08/2013 08:45)
Miarahaba ny namana Saho nanokatra lohahevitra toy izao.

Misy lalana iray izay tsikaritro ahafahana mamantatra hoe aiza ho aiza moa io famahana ny tombon-kase io?

Izy ity dia avy amin'ny alalan'ireo mpitory teny maro izay milaza ho nisehoan'i Jesoa.

Asa ny namana RBNIR raha afaka manamarina izay fanambaràna izay zavatra voalaza momba ny fiavian'ny fotoana hitorian'ireo vavolombelona roa mandritra ny 1260 andro.

Namepetra ny namana mpitory tamin'ny fotoana nisian'ireny korontana tamin'ny taona 2009 ireny izany fanambarana izany.

Ankehitriny mahita ny fahatanterahan'io teny io ny fiangonana mahita ireo olona roa (Dahalo niova fo) izay mitondra fitoriant-teny mahery vaika.

Ka asa na hino ihany ny Malagasy na tsia rehefa misy zava-mivaingana toy ireny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2784