inona ary no mba mahatonga ny olona sasany eny and...

1. shannie ( 17/08/2013 12:19)
inona ary no mba mahatonga ny olona sasany eny andalam-be eny rehefa misy zavatra tsy mifanaraka @ny sainy, avy dia manalika olona" ohatry ny alika ty" na mampinana maloto. manohina sy mankarary sofina ny miaino ireny, saingy aleo mandefitra mangina fa iady @ny ve. mampalaelo.
novalian'i danbal ny 03/11/2013 18:10
2. totsy ( 22/08/2013 02:41)
Tsy ampy intsony ny fahaiza-miaina e! et potika ny tontolo misy antsika.
3. 5laody ( 31/08/2013 09:53)
Mety ho lasa HS kely ity fa nanitikitika ahy,

Tsy fantatro ny tena fotony fa amintsika malagasy toa biby tsy mendrikamihitsy ny alika, (satria tsy azo hohanina ve?), misy faritra izao fady alika, misy ompa maro mifandray amin'ny alika, rehefa zavatra tsy dia mety loatra no ambara dia mety hivadika resaka alika sns marobe.

Raha mandinika ianao dia ny kisoa no biby mitovy kilasy aminy raha amin'io fijery io. Jereo anie raha misy ompa na ohadratsy misy hoe saka na bitro na fosa, gidro sns e?

Namaky sombin-tantara nosoratan-dRabearivelo aho indray mandeha izay dia misy interjection hoe :chien!

dia lasa ny saiko eo hoe misy olona tia alika noho ny olombelona satria tsy mamitaka ny alika,
misy faritra any ivelany ohatra dia entina tsofindrano any am-piangonana ny alika.

ahoana no fandraisanao io biby io?






4. shannie ( 31/08/2013 18:49)
totsy:

Tsy ampy intsony ny fahaiza-miaina e! et potika ny tontolo misy antsika.

mampalaelo eh?
5. shannie ( 31/08/2013 19:12)
ie, misy olona tena tia alika, ary andaniany vola be mihintsy ikarakarany ny alikany, namany akaiky azy io, miara matory aminy, ampandroiny, sns... fa raha ny eto dago dia toa ireo mpanambola ihany no mahavita izany. fa ny sasany kosa dia atao piandry tanana fotsiny iany ny alika, mirenireny eny rehetra eny, mihina ny karazana maloto izay tandrify azy, matory eny rehetra eny.... noho izay ve no mahatonga ny olona sasany lasa manompa mampitaha @ alika? tsy aiko aloha ny tena antony eh.

6. Nehemiah ( 02/09/2013 05:28)

shannie:

fa raha ny eto dago dia toa ireo mpanambola ihany no mahavita izany

Izaho kosa tsy mpanana nefa karakaraiko ny alikako :-)
7. shannie ( 02/09/2013 07:16)
Nehemiah>
Izaho kosa tsy mpanana nefa karakaraiko ny alikako :-)

ny tiako tenenina @ io an, betsaka ny gasy tsy hahavita ikarakara ividy sakafon'alika, vitamine sns @ millions, ny ao antokatrano ary manairana azy, izay ambintsakafo tsy lany eo iany no omeny ny alikany. fa tsy hahavita ividy hena manta 1kg atokana ho an alika izy, ronono sns. jereo ne ny alika eto dago fa ny ankabetsahany dia mirenireny mitsindroka izay itany eny e, mihinana ny fatin'ny nàmany. beurk!
dia izay angamba ve no mahatonga le olona sasany manalika olona rehefa tsy mifanaraka @ eritreriny ny ataon ilay olona manodidin azy? indray andro aho nandeha bus, maika ifanenjika ilay taxi be dia nododosany aho ihidina aingana, aingana aingana aingana ry neny a, rehefa tsy tafidina aingana niaraka t@ vavany niteny aho satria nitondra entana sady nitandrina iany sao haratra eo, dia tezitra izy sady niteny t@ko oe ty ko ohatry ny alika. tena taitra sady toina aho t@ zay saingy tsy itako izay natao, pff.. manta vava be lay receveur. mampalaelo
8. Nehemiah ( 02/09/2013 08:03)
Difotry ny tsy fahaiza-miaina marina ny fiaraha-monina.

Rehefa eritreretiko aloha dia tsy mba ny gasy irery no manana fomba fijery manambany alika, na dia @ teny frantsay aza misy ny hoe "Nom d'un chien !" na "chiennerie" na "faire le chien". @ teny anglisy koa ompa ny manao hoe "You are a dog!". Mety avy @ alika mirenireny marina izay fomba fijery izay.

Kanefa ny hitako ho tena antony tsy itiavan'ny gasy ny alika @ ankapobeny dia ny fahafohizan-tsaina : hatr@ Fanitsiam-Pivavahana tany Eorôpa nahatonga ny sarambabembahoaka vazaha ho afaka mamaky Baiboly no nahazoany fa voarin'Andriamanitra manana fihetseham-po ny biby fiompy tahaky ny alika sy ny soavaly (jereo ohatra ny boky nosoratan'i Anna Sewell). Manomboka hatreo dia nanehoana fiantràna sy hatsaram-panahy izy ireo.

Kolon-tsaina izay tsy mba ananan'ny gasy izay kolon-tsaina izay. Ny mpitory rehefa mitory dia milaza fa noforonin'Andriamanitra "comme ça" (ny sofiko mihitsy no naheno !!!) kanefa tsy mba izay no ampianarin'ny tenin'Andriamanitra (izahao oh. ny tantaran'i Balaama sy ny borikivaviny). Ny ahy aloha dia tsotra : "celui qui n'aime pas les animaux ne s'aime pas soi-même" ka izay tsy tia ny tenany dia tsy ho tia ny olombelona hafa koa
9. shannie ( 02/09/2013 10:38)
hihih! ary misy fitenenan'gasy koa an, rehefa misy zazakely dongadonga dia atao oe" antsay e, alikalika kely ne zany zaza kely zany e" na koa oe" ny zaza anie toy ny alika kely eh, izay mahatambitamby azy no tiany" tsy aiko ianao raha efa naheno ireo fitenenana ireo.

t@za tsy mbola nananjanaka dia mahasahy mividy alika lafo, ampandroiko, karakaraiko tsara, mahafinaritra ahy, ary mifankahazo tsara, mahagaga t@ zany fa pozinin'olona faona ny alikako rehefa miasa aho, dia mitomany mintsy aho malaelo, dia mividy indray dia toa izany fôna. kivy aho taty aoriana dia tsy niompy alika tsouny. sady rehefa niteraka aho dia toa tsy nahavita nikaraka biby izany intsony. ;-) hihih lasa manao resak'alika.
10. danbal ( 03/11/2013 18:10)
tena resak'alika ty fa aleo ialana, hi,hi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1762