Nitsangana tamin'ny maty tokoa ve i Jesoa Kristy ? Fizaràna faharoa : ny finoan'ny Apôstôly

1. Nehemiah ( 13/08/2013 13:02)
Maty ambony hazofijaliana tokoa ve Jesoa ?

Mety efa fantatry ny sasany ny "A Christmas Carol" nosoratan'i Charles Dickens. Toy izao ny fanombohany : "Marley was deader than a doornail, of that there was no doubt." Ataon'i Dickens mazava tsara izay mba tsy hisalasala @ maha-surnaturel ny tranga manaraka ny mpamaky.
Torak'izay koa, alohan'ny ilalaovantsika Sherlock Holmes amotorantsika ny porofo ho an'ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty dia tsy maintsy ataontsika mazava fa nisy faty avokoa teo. Fahita @ gazety mantsy izany tantaran'ny "faty nitsangana" tany @ morgue izany. Sao dia mba izay koa no nahazo an'i Jesoa ?

Misy ny milaza fa tsy maty i Jesoa tambony hazofijaliana, ary niverina nahatsiaro tena rehefa tao anatin'ny fasana. Mitombina @ lafiny ara-drafibatana ve izany ?

William D. Edwards, M.D., et al., “On the Physical Death of Jesus Christ”:
Clearly, the weight of historical and medical evidence indicated that Jesus was dead. The spear, thrust between His right ribs, probably perforated not only the right lung, but also the pericardium and heart and thereby ensured His death.


Ahoana indray ny @ lafiny ara-tantara ?

Any @ mpahay tantara tsy kristiana t@ taon-100 voalohany sy faha2 no tokony mijery isika.

Nilaza i Lucien (~120-aorianan'ny ~180) t@ Peregrinus Proteus fa sôfista (izany hoe filôzôfa) nohombohana @ hazofijaliana i Jesoa.

Flavio Jôsefa (~37-~100), @ "Zava-kanto fahagolan'ny Jiosy", XVIII, 63-64:
T@'izany andro izany dia nipoitra i Jesoa, izay olon-kendry satria nahavita zava-mahagaga. Rehefa voahombo t@ hazofijaliana izy rehefa nanapaka Pontio Pilato satria nampangain'ny mpitondra anay, ireo izay tia azy dia tsy nitsahatra tia azy.

Mbola misy ny ady hevitra amantarana raha tena Jôsefa tokoa no nanoratra an'ity ampahany 1 manontolo ity, fa kosa tsy iadian-kevitra ny tapany momba ny fanombohana @ hazofijaliana notapahin'i Pilato.

Corneille Tacite (~56-~120), @ "Tantara":
Chrestus, izay niaingan'ilay anarana, dia niharan'ny sazy mafy indrindra [...] nanaovan'ny governoranay Pontio Pilato azy.


Mitovy @ mikarokaroka an'ireny laharan'ny "Midi Jerosalema" izay nivoaka t@ taon-100 voalohany dia ny mahita @ pejy voalohan'ny 1 hoe maty ambony hazofijaliana ary nalevina i Jesoa ilay mpanakorontana sy mpandrebireby saim-bahoaka. Tsy ratsy kosa ny asa mpitsongodiantsika, fa tsy izay ve ;) ?

Raha ny tena marina dia tsy misy fitantaràna kristiana na rômana na jiosy izay mandiso ny fahafatesana na ny fandevenan'i Jesoa. Na dia ny manam-pahaizana tsy mino ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty dia mino fa maty ambony hazofijaliana tokoa i Izy.

J. D. Crossan, niara-nanorina ny "Jesus Seminar":
That he was crucified is as sure as anything historical can ever be.


Azontsika atao @ fomba mitombina tsara @'izay ny manilika ny safidy voalohany, satria azo antoka fa maty ambony hazofijaliana tokoa i Jesoa Kristy.

Foana ve ny fasana ?

Tsy misy mpahay tantara mahay ny raharahany izay tsy mino fa maty i Jesoa rehefa nampidinina avy t@ hazofijaliana. Kanefa maro kosa ireo izay nihevitra fa nanjavona t@ fasana fotsiny ny fatin'i Jesoa.

Ny mpanao gazety anglisy Frank Morison dia nieritreritra t@ voalohany fa angano na lazam-balala fotsiny ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty ka saika hanoratra boky momba an'izay mihitsy izy.
Ny momba ny fasana foana no nofotorany voalohany. Fananan'i Jôsefa avy any Arimatea, izay mpikambana @ Sinedriona, ilay izy. Ny naha-mpikamban'ny Sinedriona azy dia midika fa nitovy @ lazan'ireny kintan'ny mozika pop ankehitriny ny lazany tany Jodia t@ taon-100 voalohany. Fantatry ny olona rehetra iza no mpikambana @ Sinedriona. Tsy maintsy olona tena nisy aloha i Jôsefa, izay dia azo antoka, raha tsy izay dia mora foana ho an'ny mpitondra Jiosy ny maneho ny maha-hosoka an'ilay tantara. Ny fasany koa dia tsy maintsy mora fantarina sad @ toerana fanta-daza.

Nanontany tena fatratra i Morison hoe nahoana no navelan'ny mpitondra Jiosy hitohy ny anganon'ny fasana foana raha angano ilay izy. Raha nasehony fotsiny ilay nofo mangatsiakan'i Jesoa dia maty eo noho eo ilay angano.
Fantatsika koa fa noendrikendren'ny fahavalo ara-tantaran'i Jesoa Kristy ho nangalatra ny nofo mangatsiakany ny mpianatra. Midika izany fa resy lahatra ny olona rehetra, na tia an'i Jesoa Kristy na tsia, fa foana ny fasana.

Paul L. Maier, mpampianatra tantara taloha @ Oniversite Andrefan'i Michigan:
If all the evidence is weighed carefully and fairly, it is indeed justifiable … to conclude that the tomb in which Jesus was buried was actually empty on the morning of the first Easter. And no shred of evidence has yet been discovered … that would disprove this statement.


Vaky vava ny mpitondra Jiosy. Nanendrikendrika ny mpianatra ho nangalatra ny fatin'i Jesoa izy ireo. Kanefa moa fanendrikendrehana izany satria nisy andiana miaramila rômana (vatan-dehilahy 4 farafahakeliny) izay niambina ny fasana andro aman'alina, ary iaraha-mahafantatra fa ny fikotranana sy ny discipline-n'ny miaramilan'ny tafika rômana no nahavitany mamabo ny ankabetsahan'ny firenen'i Eorôpa.

Josh McDowell @ "The Resurrection Factor Part 3":
When that guard unit failed in its duty – if they fell asleep, left their position, or failed in any way – there are a number of historical sources that go back and describe what happens. Many of them are stripped of their own clothes, they are burned alive in a fire started with their own garments or they are crucified upside down. The Roman Guard unit was committed to discipline and they feared failure in any way.


Tsy misy olona nahavita nitsofoka niampita ny mpiambina Rômana nanaisotra ny vato 2 taona. Kanefa voakodia ny vato ary tsy teo intsony ny vatan'i Jesoa.

Raha nipetraka t@ toerana 1 ilay razana (tsy kilalaon-teny io an :-) ) dia ho mora @ fahavalon'i Jesoa ny maneho fa fandrebirebena saim-bahoaka ny ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty.

Tom Anderson, izay filohan'ny Fikambanan'ny Mpahay Lalàn'i Californie taloha:
With an event so well publicized, don’t you think that it’s reasonable that one historian, one eye witness, one antagonist would record for all time that he had seen Christ’s body? … The silence of history is deafening when it comes to the testimony against the resurrection.


Ka satria tsy nisy ny porofon'ny vatana naseho ary foana ny fasana fanta-daza dia neken'i Morison fa misy porofo mivaingana fa nanjavina teo ny vatan'i Jesoa Kristy.

Halatra faty ve ?

Nanohy ny famotorany i Morison ary nandinika ny antony nanosika ny mpanara-dia an'i Jesoa. Sao dia nisy nangalatra fotsiny ny fatiny ary neverina fa fitsanganana @ maty izany.
Kanefa, raha izay no izy, ahoana ny azo anazavàna ny filazan'ny olona be dia be fa nahita an'i Jesoa nitsangana t@ maty.

Paul Johnson, izay mpahay tantara, @ "A History of the Jews", p. 78:
What mattered was not the circumstances of his death but the fact that he was widely and obstinately believed, by an expanding circle of people, to have risen again.


Efa hitantsika teo fa foana tokoa ilay fasana. Kanefa tsy mba ny tsy fisian'ny faty no mety nankahery ny mpianatra mba hahatonga azy ireo ho vonona hanao vy very ny ainy hitory ny hafatr'Ilay Kristy nitsangana t@ maty (indrindrindrindra raha izy ireo ihany no nangalatra an'ilay izy). Raha nitsahatra tampoka ny fitomaniany sy ny fisaonany ary ny fiafenany ka nanjary mahery fo sady sahy manohitra ny fitondràna t@'izany sy misedra ny esoeso sy daroka ary fifofoana ny ainy dia tsy maintsy misy zavatra mahatalanjona nitranga.

Ny fijoroan'ny vavolombelona rehetra dia milaza fa niseho tampoka t@ vatany t@ mpanara-dia azy i Jesoa Kristy, ary ny vehivavy no voalohany. Lasa saina i Morison : nahoana no vehivavy no atao 1ers rôles @ teti-dratsy ? Hitanareo mantsy, t@ taon-100 voalohany, zara fa nanana zo ary tsy nanana ny maha-izy azy ireo mihitsy ny vehivavy, ka neverina ho tsinontsinona ny fijoroany vavolombelona. Raha nahomby ny "teti-dratsy" dia tokony lehilahy no nolazain'ny mpikononkonona ho nahita an'i Jesoa voalohany fa tsy vehivavy. Kanefa ny Testamenta Vaovao ihany no milaza fa nitsapa Azy sy niresaka t@ ary nahita ny fasana foana voalohany ny vehivavy.

Taorian'izay, araky ny fijoroan'ny vavolombelona, nahita an'i Jesoa im-10 ny mpianatra. Milaza izy ireo fa nasehony t@ ny tanany sy tongony loakan'ny fantsiky ny hazofijaliana ary nanasy azy ireo hitsapa Azy Izy. Milaza koa izy ireo fa niara-nisakafo t@ Izy ary mbola niseho t@ mpianatra 500 ao anatin'ny indray mitoraka Izy.

John Warwick Montgomery, izay mpisolovava, @ "History and Christianity", p. 78:
In 56 A.D. the Apostle Paul wrote that over 500 people had seen the risen Jesus and that most of them were still alive. (1 Corinthians 15:6ff.) It passes the bounds of credibility that the early Christians could have manufactured such a tale and then preached it among those who might easily have refuted it simply by producing the body of Jesus."


Norman L. Geisler sy Frank Turek, @ " Don’t Have Enough Faith to Be an Atheist", p. 243:
If the Resurrection had not occurred, why would the Apostle Paul give such a list of supposed eyewitnesses? He would immediately lose all credibility with his Corinthian readers by lying so blatantly.


Nanazava ny vahoaka tany Kaisaria ny antony mahatonga azy ireo hafa ho resy lahatra toy izao momba ny ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty ny Apôstôly :
Asa. 10:39-41 : Ary izahay no vavolombelon’ ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ ny tanin’ ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin’ ny hazo; nefa natsangan’ Andriamanitra kosa Izy tamin’ ny andro fahatelo ka nasehony marimarina, tsy tamin’ ny olona rehetra, fa tamin’ ny vavolombelona izay notendren’ Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy.

Michael Green, izay manam-pahaizana momba ny Baiboly, @ "The Empty Cross of Jesus":
The appearances of Jesus are as well authenticated as anything in antiquity … There can be no rational doubt that they occurred.


Tsy nifanipaka hatr@ farany

Tsy ny filazan'ny vavolombelona ihany no nanozongozona ny tsi-finoan'i Morison, fa talanjona @ fihetsiky ny mpianatra izy. Zava-misy ara-tantara izay nahavaky vava ny mpahay tantara sy ny psikôlôga ary ny tsi-mpino izay : ny lehilahy kanosa velona 11 dia nanjary niova fihetsika tampoka ka vonona ny hisedra ny fanalam-baraka sy ny fampijaliana ary ny fahafatesana. Martiora avokoa ny mpianatr'i Jesoa Kristy rehetra afa-tsy 1.
Raha toa ka efa nahafantatra izy ireo fa nangalarina ny faty dia nahoana izy ireo no vonona hisedra an'izay rehetra izay ?

Efa hitantsika t@ 11/9/01 fa vonona ho faty nohon'ny antony izay heveriny ho marina ny olona na dia diso aza ilay izy. Kanefa tsy misy olona, na miparitaka toy inona aza, izay vonona ny ho faty ho an'ny antony izay efa fantany fa tsy marina !!!

Paul Little, @ "Know Why You Believe", p. 44:
Men will die for what they believe to be true, though it may actually be false. They do not, however, die for what they know is a lie.


Raha nino avokoa fa velona ny mpitarika azy ireo ny mpianatra dia nifandraika tsara @'izay finoana izay aloha ny fihetsiny.

Tsy nisy nahavita nanazava ny antony mety nanosika ny mpianatra hisedra ny fahafatesany ho an'izay efa fantany fa lainga. Kanefa na dia ataontsika hoe nifanaraka izy ireo handainga hoe nitsangana t@ maty i Jesoa Kristy dia @ fomba ahoana no nahavitany hanohy ny teti-dratsiny mandritry ny taona am-polony ka tsy mba nisy na dia 1 aza ni-vendre la mèche mba hahazo vola na toerana ambony ?

J. P. Moreland, @ "Scaling the Secular City", p. 172:
Those who lie for personal gain do not stick together very long, especially when hardship decreases the benefits.


Chuck Colson, voarohirohy t@ Watergate:
I know the resurrection is a fact, and Watergate proved it to me. How? Because 12 men testified they had seen Jesus raised from the dead, and then they proclaimed that truth for 40 years, never once denying it. Every one was beaten, tortured, stoned and put in prison. They would not have endured that if it weren’t true. Watergate embroiled 12 of the most powerful men in the world – and they couldn’t keep a lie for three weeks. You’re telling me 12 apostles could keep a lie for 40 years? Absolutely impossible.


Nisy zavatra nitranga izay nanova ny fiainan'ireo olona ireo.

Morison:
Whoever comes to this problem has sooner or later to confront a fact that cannot be explained away … This fact is that … a profound conviction came to the little group of people – a change that attests to the fact that Jesus had risen from the grave.”
novalian'i Nehemiah ny 22/08/2013 13:25
2. Nehemiah ( 13/08/2013 13:04)
Ity ny rohy mankany @ fizaràna voalohany ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m5205e1ef33d43
3. leva2 ( 15/08/2013 00:58)
Velona Jesosy!

Izao no azoko ambara namana Nehemiah :
Anisan'ny dingana voalohany goavana eo amin'ny asa fitoriana ny fanaporofoana fa MARINA ny BAIBOLY, ary TENIN'ANDRIAMANITRA ny BAIBOLY.
Ekena fa manaporofo ny tenany ny baiboly amin'ny alalan'ireo faminaniana marobe efa tanteraka, fa indrindra ny amin'i Jesosy, saingy tsy ampy hahavaha ny olana izany.
Vao mainka itondranao ireto boky fikarohana marobe izay fanontaniana miampy fanontaniana, fisalasalana mitondra fisalasalana.
Raha hanaporofo fa nitsangana tamin'ny maty tokoa Jesosy, versets bibliques no entinao nefa io aza tsy hinoany ny fahamarinany, sady isalasalany raha tenin'Andriamanitra tokoa na tsia, maika fa boky hafa?
Isika izay mino dia mahalala tsara fa "raha tsy nitsangana ny Tompo dia foana ny finoanareo". Izany no nahatonga ny Tompo rehefa nitsangana tamin'ny maty ka hiakatra hoany an-danitra nanafatra tamin'ny mpianany hoe : "... ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany" Asa 1 : 8b..
Ny tiako ahatongavana izany dia isika izay mino izao no vavolombelona hita maso sy azo tsapain-tanana fa nitsangana tokoa ny Tompo, fa velona tokoa IZY ao anatintsika ary tarafina amin'ny fiainantsika an-davanandro, amin'ny fihetsika, amin'ny fiteny, amin'ny fahagagana izay asehony eo amin'ny fiainantsika isan'andro : amin'ny fanasitranaNY, amin'ny fanafahaNY, amin'ny fitahiaNY, amin'ny fahasoavaNY, amin'ny fiarovaNY.
Ny fijoroana vavolombelona izany dia tsy misaraka mihitsy amin'ny asa fitoriana filazantsara satria ny asa fitoriana dia tsy boky azavaina mihitsy akory, tsy tantara porofoina fotsiny fa marina fa tena FIAINANA ZARAINA, JESOSY KRISTY VELONA ASEHO SY ZARAINA HO AN'NY HAFA.

Misaotra namana!
4. Nehemiah ( 15/08/2013 08:33)
Tsy mandà an'izay mihitsy aho, kanefa mba tiako marihina indray mandeha ny maha-zava-dehibe ny fanànana valiny ho an'ny fanontaniana apetraky ny sasany, ho fanamafisana orina ny finoan'ny mpino sy fanakomboana ny vavan'ny mpanaraby.

1 Pet. 3:15-16 : fa manamasìna an’ i Kristy ho Tompo ao am-ponareo [Isa. 8.12, 13] ; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,16 ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’ i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.

2 Kor. 10:5 : fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’ Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’ i Kristy

Avy amiko ny sora-mandry rehetra.
Hitanao fa tsy izaho no namorona an'izay fa efa tao anaty Baiboly hatr@ voalohany. I Petera koa, t@'andron'ny Pentekôsta, dia niantso porofo (Asa. 2:22). Mazava loatra fa tsy miorina amin'ny angano ny finoantsika, fa tsy mety ny mamaly hoe "Minoa fotsiny ihany" raha anontanian'ny ankizy madinika ohatra hoe ahoana no ahafantarantsika fa nitsangana t@ maty tokoa i Jesoa Kristy. Voa mainka manjary marefo ny finoany.

Toe-tsaina mbola tsy mahazatra ny gasy io satria tsy nisy nandimby an'i Razafimahefa, kanefa zava-dehibe loatra izany
5. endriny ( 16/08/2013 05:59)
Ny mahavariana kely fotsiny dia tao ho ao dia enjehina amin'ny virus ny link sy ny web mitantara fa tsy nitsangana tamin'ny maty i jesosy. Asa inona angaha no tena atahoran'ny sasany amin'ny filazana ny tantara?
6. Nehemiah ( 16/08/2013 08:34)
Raha manana porofo ianao dia aza matahotra ny mamelabelatra azy eto fa raharahiako inona izay olana infôrmatikan'ireo olona ireo ?
7. endriny ( 20/08/2013 06:37)
http://beforeitsnews.com/religion/2012/04/new-proof-that-christ-escaped-after-crucifiction-crucifixion-1988736.html

http://youlearnsomethingneweachday.com/religion/jesus-escapes-crucifixion-and-raises-a-family-in-japan/
8. Nehemiah ( 20/08/2013 14:06)
Izany ve no antsoinao hoe porofo, sitim-baovao izay mampita fandrebirebena saim-bahoaka New Age ? Teo foana ny olona nijery an'i Jesoa ambony hazofijaliana, ao anatin'izay nisy miaramila rômana tsara kotrana be, tamin'ny fotoana inona no mba nahafahany midina avy ao ka tsy nisy nahatsikaritra ? (N.B. : ny atsy milaza fa tany Cachemire no nahafatesany ny aroa milaza fa any Japon indray dia iza no tokony inoana lol ?)

Sady fantatsika rahateo fa Jiosy mahatoky i Jesoa fa tsy nandeha nianatra tany @ lamas izao (sady hanao inona any ?).

Tsy mandrara an'iza na iza hanadomelina ny sainy @'ireny havendranana New Age ireny aho, kanefa raha nahatsikaritra ianao dia dinika matotra mirona @ siansa matotra ny aty. Ka izao no toro hevitra omeko anao : amin'ny manaraka, raha te-hanohana ny teôria noforomporoninao ianao dia aza mionona amin'ny mampiditra voambolana amin'ny Google ka mametraka ny rohy voalohany hitanao
9. Nehemiah ( 22/08/2013 13:18)
Morison, op. cit., p. 9:

It was as though a man set out to cross a forest by a familiar and well-beaten track and came out suddenly where he did not expect to come out.


Tsy tambo isaina ny tsi-mpino tahakan'i Morisonizay namototra ny porofo manohana ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty ka niaiky an'ilay izy ho ilay zava-misy mahatalanjona indrindra @ tantaran'ny olombelona.

C. S. Lewis @ "God in the Dock", p. 159:

Something perfectly new in the history of the Universe had happened. Christ had defeated death. The door which had always been locked had for the very first time been forced open


Hamaranantsika azy, andeha isika hanjohy ny mombamomba ny tsi-mpino anank1 hafa izay resy lahatra nohon'ny porofo.

[size=150]Ilay mpampianatra vaky vava[/size]

Anisan'ny nieritreritra fa angano fotsiny ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty ary niova fo tahakan'i Morison dia ilay manam-pahaizana ara-pitsaràna ngezalahy Simon Greenleaf. Izy no anisan'ny nampalaza ny Sekoly Fianarana Lalàna any Harvard. Nanoratra asa soratra mizara 3 mitondra ny lohateny hoe "A Treatise on the Law of Evidence" izay nolazaina ho "ilay fahefàna goavana indrindra @ literatioran'ny fitsaràna 1 manontolo". Mbola mifototra @ fitsipiky ny fikarohana porofo novolavolain'i Greenleaf ankehitriny ny fitsaràna amerikana.

T@'izy mbola nampianatra tany Harvard dia nilaza t@ mpianany izy fa angano fotsiny ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty. @ maha-mpandà an'Andriamanitra azy dia nieritreritra izy fa tsy misy ny fahagagàna. Nanentana azy ny 3 @ mpianany mba hampihatra ny fitsipiky ny porofo novolavolainy @ [/color]

Nanaiky ihany i Greenleaf t@ farany, ka nampifantoka ny sainy kinga @ zava-pitsaràna hamototra ny zava-misy ara-tantara mba hanaporofo fa tsy izy ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty.

Kanefa arakaraky ny nanaovany an'izay no tolagaga t@ hafonjan'ny porofo nanohana ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty. Voahozongozon'ny tranga 1 monja izay nanova ny tantaran'izao tontolo izao ny tsi-finoany.

Tsy hain'i Greenleaf ny nanazava zavatra maro izay nitranga taoriana kelin'ny nahafatesan'i Jesoa , indrindrindrindra ny fiovàna toe-tsaina tampoky ny mpianatra. Tsy mpianatra 1 na 2 no nanizingizina fa nitsangana t@ maty i Jesoa Kristy fa izy rehetra. Nampihatra ny fitsipiny izy ka namoaka ny "didy fitsaràna", izay nahavariana, satria niova fo tanteraka ka nanaiky fa ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty no tena tsara anazavàna ny zavatra nitranga taoriana kelin'ny fihombohany t@ hazofijaliana. Hitan'ity manam-pahaizana ara-pitsaràna matsilo saina sady mpandà an'Andriamanitra fahiny ity fa tsy nahavita nifikitra t@ finoany momba ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty ny mpianatra raha tsy tena nifanena t@'i Kristy mihitsy izy ireo.

Novelabelarin'i Greenleaf tamin'ny bokiny The Testimony of the Evangelists Examined by the Rules of Evidence Administered in Courts of Justice ny porofo nahatonga azy hiova hevitra. Manentana ny olona izay mitady ny fahamarinana momba ny ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty izy mba hanjohy ny zava-misy am-pahatsoram-po @ teny famaranana.

Resy lahatra fantatra t@ famotorana nataony izy ka lasa kristiana mafana fo. Mino izy fa raha misy olona tso-po mizaha ny porofo tahaky ny fanao @ fitsaràna dia tsy maintsy mitovy tsoa-kevitra @, izany hoe tafatsangana tokoa Izy.

Zava-misy izany ny naharesen'i Jesoa Kristy ny fahafatesana. Inona no fiantraikan'izay @ fiainanao ?
10. Nehemiah ( 22/08/2013 13:25)
Ity @'izay ny rohy mankany @ fizaràna farany :

http://forum.serasera.org/forum/message/m521610c862909
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0324