Daltonisme

1. bichette ( 12/08/2013 07:18)
Misy amintsika ve mahalala olona gasy daltonien ? ao madagasikara ? dia ahoana ny fandraisana azy ireo , any ampianarana sns ? connu ve io anomalie io ?
novalian'i bichette ny 21/08/2013 15:28
2. Nehemiah ( 13/08/2013 06:59)
Izaho aloha tsy mahalala, kanefa raha nisy ety Madagasikara dia tsy tokony efa misy voambolana malagasy ilazàna azy ve ? Tsy misy. Nohon'izany dia tsy ao anatin'ny fototarazon'ny Malagasy ilay izy satria ara-pototarazo (génétique) io, fa raha misy gasy voan'izay ankehitriny dia nohon'ny fifanambadiana @ vazaha sy vahiny tonga teo hatr@ taon-jato faha-XIX.
3. Dreamlover14 ( 13/08/2013 09:44)
Zaho manana havana daltonien. Tsy misy idiran'ny hoe nanambady vazaha ny razany fa gasy ray gasy renyh izy. Olona toy ny rhetra ihany izy, nahavita fianarana ihany saingy rehefa mifanakaiky ny loko mena sy maitso no manana fahasahiranana izy hanavaka an'ireo.

Izay ihany no olany.

Ny conséquence dia tsy ho afaka hanao asa mikasika nyh sécurité aérienne izy na dia miasa @ orinasa mpitanterana anabakabaka aza
4. Nehemiah ( 13/08/2013 12:46)
Izany an ! Marina aloha fa tsy voatery ho nolovaina mandrakariva ilay izy satria sampona izy io, fahavoazana @ selan'ny maso mahita sy manavaka ny loko, ary raha ny any am-pianarana dia tsy mba misy fandraisana manokana ny olona voan'izay raha ny fahalalako azy (ilay izy koa tsy fahita aty).
5. bichette ( 13/08/2013 15:27)
mahafantatra gasy voan'io aho manko ! fa ny mahalasa saina ahy dia tsy dia faheno izy io, ka àsa na satria tsy mbola "reconnu" ve amin'tsika gasy any madagasikara ve izy io ? Ka rehefa mbola kely ilay ankizy ka tsy mahay manavaka ny maintso amin'ny mena, na ny manga dia lazaina fa "dondrona, mafy loha" ??? dia avy hatrany dia omena zero any ampianarana sy lazaina fa "insolent" rehetra hahitsy anefa mbola mamerina ???
6. hery ( 14/08/2013 06:10)
Tsy fantatry ny gasy (indrindra ny mpanabe) tsara ilay izy satria tsy miavaka be. Tsy kilema na aretina hita be avy hatrany tahaka ny trisomie 21 na ny mongolie. Olona toa salama ara-batana sy ara-tsaina tsara ihany mantsy ry zareo fa io resaka loko io fotsiny no tena olana.

Na izany anefa dia mino aho fa rehefa manomboka lehibe ny ankizy no tsy mahay manavaka ny loko mena dia fantatr'izay mifanerasera aminy akaiky (ray aman-dreny, zoky sy zandry) fa manana olana izy dia angamba tonga saina amin'izay hoe daltonien
7. Nehemiah ( 14/08/2013 08:38)
Mety mitombina ny petra-kevitr'i Bichette : hitako ho fohy saina tsy misy toy izany ny mpampianatra indraindray
8. shannie ( 17/08/2013 11:18)
azafady! inona ilay "daltonien?" izao mantsy aho vao maheno izany. misaotra.
9. endriny ( 18/08/2013 01:17)
Daltonian na koa olona jambena hoy ny Malagasy, misy dikany tenigasy mazava io, ary mahatonga ny olona milaza hoa ianao angaha jambena no tsy mahay manavaka io ratsy sy ny tsara, na tsy mahay manavaka ny ny tanora sy ny antitra dikany tsy mahay manavaka loko.

Izay no mahatonga ny any ampiananarana tsy mampiasa afa tsy penina manga na mainty ary mena.

Ary izay no mahatonga ny saina Malagasy fahagola tsy nisy afa tsy loko roa
10. Nehemiah ( 19/08/2013 05:33)
Izao indray no hitako @ tenymalagasy.org rehefa ampidiriko ny voambolana "jambena" :

Mipendrampendrana noho ny hazavana mamon [...]
¶ Azon' ny fahasahiranana mafy. [tohiny Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy Temporarily blinded or dazzled [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay ébloui; qui a les yeux troubles [Hallanger 1974]
11. endriny ( 20/08/2013 06:18)
Jambena dia fotenin'ny hoe jamba + mena, ary tsy midika mihintsy hoe pahina.

Ny mampihomehy ahy eto dia tenigasy no resahina dia famaritana tenivahiny no omena anay. Ohatran'ny milaza hoe rehefa ny vahiny no mamaritra ilay izy dia izay no marina. Sa izay ve ilay hoe ny an'ny tena tsy tafy fa ny an'ny olona salorana.
12. Nehemiah ( 20/08/2013 06:53)
Mba manaova toetran'olon-dehibe moa fa mahakamo
13. bichette ( 21/08/2013 15:22)

shannie:

azafady! inona ilay "daltonien?" izao mantsy aho vao maheno izany. misaotra.


Ny olona daltonien dia olona tsy mahita loko otran'ny fahitan'ny olona normaly fa hafa ny azy no hitany. Mazàna voafetra ny loko hitany, avy eo misy karazany koa hoe daltonien inona sy inona. Misy olona tsy mahita loko fa "noir et blanc" no hitany, misy olona tsy mahita ny loko mena sy maintso fa mitovy ny loko hitany rehefa mijery ireo loko roa ireo izy, izay mety hoe beige no hitany ary sahirana izy manavaka azy ..; arakaraky ny karazana daltonisme n'ilay olona io avy eo, fa en tt cas, ny daltonisme dia olona tsy mahita loko otran'ny olona rehetra fa hafa ny azy ary voafetra.
Ka rehefa manao sary paysage izy ohatra dia ny ranomasina ataony mena, ny lanitra ataony maintso, ny ravinkazo ataony manga ohatra !

:-)
14. bichette ( 21/08/2013 15:28)
ny hoe JAMBENA, tsy mino loatra aho hoe hilazana ny daltonien io ! hafa mihtisy ny atao jambena, ny daltonisme tena permanent mihitsy fa ny jambena, etat temporaire à un temps determiné plutot tres court :-)
taty andafy aho vao nahalala io daltonisme io ! zavatra tsy henoko tany Mada mihitsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5615