lozam-pifamoivoizana

1. 100tinl ( 06/08/2013 14:06)
misy mba afaka manome vaovao momba ilay lozam-pifamoivoizana nanjo ny pasteur rabehatonina james ve ? Manentana antsika mba hitondra am-bavaka azy sy ireo naratra.Misaotra ry namana
novalian'i 100tinl ny 16/08/2013 12:53
2. Nehemiah ( 06/08/2013 14:36)
Hivavaka ho azy aho.
3. hery ( 06/08/2013 16:28)
Nadia Raonimanalina sur Ny Vaovaontsika:


: "Nivadika ny fiara nitondra ireo Pasteur FJKM
Ni-“ évacué”-na aty andrenivohitra ny filohan’ny sampana Fifohazana
Nitrangana lozam-piarakodia mahatsiravina indray tany Maevatanana omaly. Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva, tao Benanana, 12 Km tsy hiditra Maevatanana, dia nivadika ny fiara Renault Kangoo nitondra ireo mpitandrina efatra mianadahy mianaka.Raha ny fantatra dia fahavakisan’ny kodiarana no nitarika izao loza izao. Mpitandrina avy amin’ny FJKM izy ireo ary handeha hamonjy ny “ recyclage pastoral” izay hatao any Antsohihy sy Nosy Be. Voa mafy tanteraka ny mpitandrina Rabehatonina James, filohan’ny sampan Fifohazana. Voatery tsy maintsy ni “ évacué-na” taty an-drenivohitra, ao amin’ny hopitaly HJRA ny tenany. Ireo mpitandrina telo hafa izay nahitana ny filoha lefitry ny FJKM, ny mpitandrina Zarazaka Jean Louis , ny mpitandrina Georgine izay mpampiofana avy any Mandritsara, ary ny Pasteur Salomon, mitandrina ao amin’ny FJKM Imerinkasinina ary vadin’ny tonian’ny sampana dorkasy kosa dia tsaboina ao Maevatanana. Ireto mpitandrina ireto moa no tokony hampiofana mandritra izany “ recyclage” izany. Raha ny vaovao farany dia efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpitandrina Georgine.
"
4. 100tinl ( 16/08/2013 12:53)
misaotra indrindra antsika izay nitondra am-bavaka tsy tapaka, samia ho tahian'ny Tompo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0721