ratsatongotra tsy mahazaka hatsika

1. maya26 ( 02/08/2013 14:11)
Bjr daholo,
Tsy haiko na misy efa tratran'ity aretina hafahafa ity ianareo, rehefa ririnina otran'izao d ts mahazaka hatsik n ratsatongotra d mivonto sy mangidihidy, rehefa voaterin'ny kiraro d marary be. Tsy itako izay itsaboana azy. Efa miezaka mba manao botte na tennis fona mba tsy ho tratran'ny hatsika fa ts mety e.
Mba toroy hevitra reto fa tena sahirana ah a.
misaotra mialoha
novalian'i maya26 ny 09/09/2013 06:23
2. shannie ( 03/08/2013 19:36)
rehefa ririnina mangatsika toa izao dia mietsika daholo io aretina tsy fahita io. fa ny tena tsara dia manantona dokotera ny 1er dia izy no manao ny diagnostic sy manome fanafody rehéfa misy tsy azoazo, sao dia misy micause ilay tongotra dia mietsika rehefa mangatsika? toy ny aretin'aty iany koa d tsy tia hatsiaka mihintsy. andramo lomana anaty rano mafana izay zaka asiana karibônetra iany koa oe. atao @ hariva mialohan'ny hatory, dia ataovy tsara kobana iany koa ny bakiraro. dia mahereza misotro rano betsaka. misy pommade tokony ahosotra @ zany fa manantona mpitsabo eh. na manontany any @ pharmacie. dia mirary soa e.
3. endriny ( 05/08/2013 04:25)
Aza adino, fa rehefa mangatsiaka ianao dia mihena ny fikorianan'ny ra, ka izay no mampivonto ny tongotrao. Tokony manao pataloha roa sosona raha mety, na ireny ba lava manara-pe ireny.

Raha manao ba kiraro matevina ianao dia tokony manao kiraro lehibe noho ny fanao an-davanandro fa manjary vofintina ny tongotra ka tsy afaka mikoriana tsara ny ra. Raha olona tsy malia ra ianao dia mihinana aspirinina ampahefany isan'andro.

Manantona dispensera akaiky anao indrindra

Mirary soa
4. maya26 ( 05/08/2013 06:33)

Salama daholo, misaotra betsaka amin toro hevitra. andramako aloh ad ho hita eo indray
merci
5. Ratoa ( 08/09/2013 18:56)
engelure no majo anao raha tsy misy micose ianao. ilaina sasana madio tsara amin'ny rano matimaty sy savony na mandona tongotra amin'ny ranotsira matimaty ianao, na izy roa .
Tsy atao mamay ny rano fa vao maika mampirongatra ny engelure.
Dia fafao ho maina tsara ny tongotrao. dia asio bas coton matevina, rehefa mikiraro ianao asio bas matevina koa dia kiraro malaladalaka no anaovanao. Zaho taloha nisy io rehefa ririnina. teny Ambohipotsy izahay no nipetraka, mangatsiaka be eny.
6. maya26 ( 09/09/2013 06:23)

Merci beaucoup dolreto namali a, za lou otran ts mis micose zan ka. misaotra betsak am torohevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3646