Fomba fiantsoan'Andriamanitra ny mpanompony

1. Tefigasy ( 02/08/2013 06:21)
Rehefa ao anatin'ny ady, fitsapana, sedra, ... dia toa izao no fihevitra sy toetran'ny olona matetika :
- misy mihevitra fa Andriamanitra dia efa nanadino azy, nahafoy ny olony tanteraka
- misy mihevitra fa tsy mahay mankasitraka ny olona nofidiny Andriamanitra , tsy mahay mamaly fitia: tia ve Izy dia toa izao no hanaovany antsika, avelany ho toa izao isika, ...
- misy tsy nieritreritra ny fisian'i Jehovah intsony, niala tanteraka tamin'Andriamanitra, nanaraka sy manompo sampy, ...
- misy manatona olona heveriny fa mpanompon'Andriamanitra, mihevitra fa rehefa mamonjy Andriamanitra dia miainga amin'ny fomba efa nataony hatrizay. Tsy mino fa tsy mampiasa olona hafa toa ny jentilisa, olona tsy mivavaka Andriamanitra. Mihevitra fa ny olona antsoin'andriamanitra dia olo-masina ihany tahaka an-dry Mosesy, Josoa, Arona, mpaminany, .... mihevitra izy ireo fa Andriamanitra dia tsy miantso olon-tsotra, tsy mijery ny jentilisa, tsy mandraharaha amin'ny mpanompo sampy, ...

Raha babo tany babylona ny zanak'israely, nandalo fisedrana, fitsapana, hirifiry sy fijaliana, dia nifidy sy niantso olona Andriamanitra mba hamoaka azy ireo tany. Mety mihevitra ianao hoe mpaminany izao izay olona izay, na olona masina be, na taranaky ny mpisorona sy ny levita, ...
Ny zava-nisy anefa dia olona tsy nahalala na nandraharaha Azy no nofidiny, olona mbola niaina niaraka tamin'ny sampy no nalainy, ary olona jentilisa izay fady indrindra teo amin'ny zanak'israely. Tsy iza izany fa i Kyrosy.
Kyrosy dia olona niala tamin'ny lasitra nataon'ny zanak'israely. Teo amin'ny israely ny olona natsoina dia efa misy lasitra, fepetra ka raha vao miala iny lasitra iny dia sarotra aminy ny manaraka sy manaiky azy. Raha vao hoe tsy mitovy amin'ilay fahita hatrizay dia toa hafahafa, ....
Eto dia hafa firenena no natsoin'Andriamanitra, tsy jiosy nefa nitenenan'Andriamanitra hoe mpanompoko ianao, ary efa hatrany ambohoka dia izaho no niantso anao. (Isaia.44 + Isaia 49). Kirosy amin'io fotoana io manompo sampy.
Mahagaga Andriamanitra ary tsy feran'ny heritsika mihitsy ny fomba fisainany sy ny fandaharany. Miantso izay tiany antsoiny Izy fa tsy azontsika ferana hoe ny olona toa izao ihany antsoina, na koa hoe ny olona toa izao aza antsoina mihitsy. Ahoana moa no tokony hahitan'ny olona toa izao anao Andriamanitra: olona tsy mitandrina asabotsy, tsy mifady hanina, tsy eo ambanin'ny lalàna, tsy vita batisa, tsy manaraka ireo fombafomba jiosy maro, ....; aleo ny toa anay ihany no hahita anao,.... Andriamanitra tsy azo atao ao amposy ka hoe rehefa ato amposiko Izy dia tsy ao amposinao.
Ny fanontaniana tokony apetraky ny kristianina dia hoe mbola ao ampoko ve sa tsy ao ampoko intsony Andriamanitra; fa tsy hoe ao amponao ve Andriamanitra sa tsy ao. Tsy ny hamantratra ny hafa hoe otran'ny tsy hitako ao am-ponao anie ny Fanahy Masina e ! Ny Tompo no mahafantatra, Azy izany. Mitsangana eo ambaravana ka mandondona eo amponao Jesoa . Tsy miteny izy hoe mitsangana eo ambaravaran'ny namanao aho ka mandondona dia vohay ny varavaran'ny namanao. Eo am-ponao Izy no mandondona, ary izay ilay Andriamanitra izay manana ny fahalalantsaina, malalaka amin'ny safidiny, miantso izay tiany antsoina ary manefy izay tiany hifanaraka amin'ny sitrapony, mifidy izay tiany hiasana. fahefan'Andriamanitra izany.
Indray maka, niresaka i Jesoa sy petera, nanontany an'i Petera Izy hoe: moa tia ahy va ianao ? Nomen'i Jesoa andraikitra isaky ny avy namaly fanontaniana i Petera. Lasa kevoka i petera ka nanontany an'i jesoa mikasika ny amin'i jaona hoe: ary ahoana ny amin'itsy olona itsy? dia hoy Jesoa hoe: ho inonao izany, tsy misy idiranao ny amin'izay fiantsoana azy fa ny fiantsoana anao no tanterahinao. Mahafantatra izay olona antsoiko sy omeko andraikitra Aho, izay no dikany. Tsy fahefanao ny mitsara ny fiantsoana ny hafa fa izaho no mitsara ny fiantsoana Azy.
Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra
novalian'i universal ny 12/08/2013 09:17
2. Nehemiah ( 02/08/2013 07:26)
Misaotra nizara. Ho tahian'Andriamanitra anie ianao
3. pisoonja ( 02/08/2013 08:46)
Misaotra indrindr tamin'ny fizarana sy fampaherezana, misy hosaintsainina lalina , ny fahasoavan'Andriamanitra anie ho aminao sy ny ankohonanao
4. bor2lais ( 02/08/2013 13:59)
Misaotra indrindra amin'ny fizarana.
Ity ny ahy no isan'ny voatsoakako : "Miantso izay tiany antsoiny Izy fa tsy azontsika ferana".
:-)
5. moustaraf ( 04/08/2013 15:46)
Tsara dia tsara ny fizarana,fa misy hotsinginina kely:
-Ny rehetra dia mihevitra fa voaantso avokoa ary samy maharay hafatra; fa ny fanontaniana dia hoe "hafatra avy aiza marina ary iza no miantso":
-Misy hery roa "eny @ lanitra " izay samy mamabo sy Miantso ary mametaka marika @ handrina sy @ tanana havanana!
_Tsy isika akory no miozonozona dia ampy ilazana fa ilay tsitoha no niantso, fa misy lalana sy fomba efa nofaritany.
Ilay Mpamorona dia efa nahalala hatramin'ny voalohany fa tsy maintsy hovoafitaka ny olombelona ary maro ny kely saina izay tsy hahatakatra velively ny tiany hahatongavana, ka dia efa nomeny ny famaritana rehetra hahamora kokoa ny fanarahana azy sy amantarana ireo izay irahiny sy ireo izay antsoiny; dia ny Bokin'ny Torah sy ny mpaminany!
Araka izay nolazain'Yeshu'a t@ fanoharana "ilay mpanakarena sy ilay malahelo" hoe:
"MANANA AN'I MOSESY SY NY MPAMINANY" ny mbola velona ka raha tsy mino an'ireo dia tsy hisy hafatra na iraka na zavatra hafa azony antenaina.

-Fahadisoan-kevitra lehibe ny fampianarana sy fanizingizinana foana ny hoe"tsy manana ny fombany" ilay Tsitoha fa isika tsirairay dia afaka mamorona izay tiana atao ary samy hilaza hoe "IZAHO VOAANTSO".

6. endriny ( 05/08/2013 03:49)
Lahatra sy anjara hoy ny Ntaolo razanay... saingy ny fiainana tsy maintsy misy ny tsara mba hiavaka amin'ny ratsy. Saingy ny olona dia sady tsara no ratsy... toa ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany ihany.
Ny manodidina ny olona no mamolavola ny olona hirona any amin'ny sehatra iray, nefa misy koa ny talenta araka ny vintan'ny tsirairay. Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary...
Tsy nisy olona naniry ny hidiran'ny tromba fa rehefa avy izy dia avy...
7. RBNIR ( 05/08/2013 11:49)
Faly misera hatrany,

Raha mahatsiaro ary isika fa tena "voantso" marina dia izaho kosa milaza hoe ataovy izay hahavoafidy an-tsika indray kosa
Tsindrio eto

Ny Tompo anie homba, hitahy ary hampahery an-tsika,

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
8. universal ( 07/08/2013 08:53)
raha ny fahitako azy indray dia:
- Andriamanitra no nahary izao tontolo izao, anisan'izany ny olombelona,
- IZY NO TOMPON'IZAO TONTOLO IZAO, EO AM-PELATANANY IZAO TONTOLO IZAO,
- Ny zava-boahary ankoatra ny olombelona dia manaraka ny lalàna napetrany hany ka na dia tsy miasa aza ny vorona dia velona foana, i Salomona mpanjaka dia tsy mbola nitafy tsara raha miohatra amin'ny vonikazo, ohatra ihany ireo fa ny zava-boaharin'Andriamanitra dia afaka miaina tsara avokoa eto an-tany fa ra-olombelona no nanimba ny tontolo.
- Tsy miantso Andriamanitra, tsy misafidy Andriamanitra fa samy mijinja izay nafafiny , ary hoy ny malagasy: ny tody tsy misy fa ny atao no miverina

Ary hoy indrindra i Kristy ao amin'ny evanjili'imatio:



7.22 Plusieurs me diront en ce jour-là: Seigneur, Seigneur, n'avons-nous pas prophétisé par ton nom? n'avons-nous pas chassé des démons par ton nom? et n'avons-nous pas fait beaucoup de miracles par ton nom?
7.23 Alors je leur dirai ouvertement: Je ne vous ai jamais connus, retirez-vous de moi, vous qui commettez l'iniquité.



9. universal ( 07/08/2013 08:55)
raha ny fahitako azy indray dia:
- Andriamanitra no nahary izao tontolo izao, anisan'izany ny olombelona,
- IZY NO TOMPON'IZAO TONTOLO IZAO, EO AM-PELATANANY IZAO TONTOLO IZAO,
- Ny zava-boahary ankoatra ny olombelona dia manaraka ny lalàna napetrany hany ka na dia tsy miasa aza ny vorona dia velona foana, i Salomona mpanjaka dia tsy mbola nitafy tsara raha miohatra amin'ny vonikazo, ohatra ihany ireo fa ny zava-boaharin'Andriamanitra dia afaka miaina tsara avokoa eto an-tany fa ra-olombelona no nanimba ny tontolo.
- Tsy miantso Andriamanitra, tsy misafidy Andriamanitra fa samy mijinja izay nafafiny , ary hoy ny malagasy: ny tody tsy misy fa ny atao no miverina

Ary hoy indrindra i Kristy ao amin'ny evanjilin'i Matio:



7.22 Plusieurs me diront en ce jour-là: Seigneur, Seigneur, n'avons-nous pas prophétisé par ton nom? n'avons-nous pas chassé des démons par ton nom? et n'avons-nous pas fait beaucoup de miracles par ton nom?
7.23 Alors je leur dirai ouvertement: Je ne vous ai jamais connus, retirez-vous de moi, vous qui commettez l'iniquité.



10. bor2lais ( 07/08/2013 09:54)
universal:

- Tsy miantso Andriamanitra, tsy misafidy Andriamanitra fa samy mijinja izay nafafiny , ary hoy ny malagasy: ny tody tsy misy fa ny atao no miverina

Tsy mifanohitra amin'ny fizarana ataonao izao ve io teninao io (na dia somary manana endrika fatalista ihany aza) ? :-)

Marihina fa ilay lohateny dia mikasika ny "fomba fiantsoan'Andriamanitra ny mpanompony" ! :-)
Azavaiko ny tiako lazaina :
Voalaza ery ambony fa miantso izay tiaNY Andriamanitra ary tsy azontsika ferana izany !
Ny lazainao raha azoko tsara dia hoe "tsy miantso Izy" noho ny fahitanao ny "asa ratsy" ataon-draolombelona amin'ny zava-boahary ! Karazana "fepetra" apetrakao io amiko : feranao ny fomba fiasaNY ! :-)

Izany hoe aminao dia sady tsy miantso Izy no azo ferana ny fomba fisainaNY ! :-)

Nefa raha jerena akaikikaiky kokoa, inona (na Iza) moa no nanesika anao hilaza sy hizara eto ireo tsy mety (izay hitanao) ataon'ny olombelona amin'ny zava-boahary ireo ? :-)

Mba tsetsatsetsa ihany anefa ny ahy io a ! :-)
11. universal ( 07/08/2013 12:09)
Misaotra anao ry namana bordelais.

Isika olombelona ihany no mamaritra ny fijerintsika hoe miantso Andriamanitra na koa hoe misafidy Andriamanitra. Ny antony dia:
1/ Raha jerena ny zava-misy dia maro ny olona mitonona ny tenany ho voaantson'Andriamanitra, porofon'izany ny firoborobon'ny antokom-pinoana maro samihafa ary samy manandratra ny azy ho marina sy ambony noho ny an'ny hafa ary miafara amin'ny fifanenjehana mihitsy aza. Ny lecture-ko amin'izany dia ifandroritan'ireo mitonona ho olom-boafidy ny fanjakan'Andriamanitra ary isika olombelona ihany no mandrava izany fanjakan'Andriamanitra izany.
Tsarovy fa Andriamanitra tsy namorona antokom-pinoana marobe fa olombelona no noforonony ary hitany fa tsara izany saingy isika olombelona no misafidy zavatra hafa ka izany no mahatonga ahy miteny hoe: samy mijinja izay nafafiny, ny tody tsy misy fa ny atao ihany no miverina.
2/na dia eto amin'ny forum aza dia ahitana taratra izany ...

Ny fanontaniana mipetraka dia FATALISMA ve izany

Eritreritra ny ahy ary fanehoankevitra ny ihany, raha tsy mety aminao, avelao any fa tsy misy olana...
12. bor2lais ( 07/08/2013 12:34)
universal:

Isika olombelona ihany no mamaritra ny fijerintsika hoe miantso Andriamanitra na koa hoe misafidy Andriamanitra.

Ny mifanohitra amin'izay anefa no fandraisako ny tanjon'ity lohahevitra iray ity, sa izaho no diso fandray ? :-)
13. Nehemiah ( 07/08/2013 12:46)

RBNIR:
Raha mahatsiaro ary isika fa tena "voantso" marina dia izaho kosa milaza hoe ataovy izay hahavoafidy an-tsika indray kosa

I Abrahama ilay"Kaldeana", i Davida ilay mpiandry ondry tsy misy dikany, i Rota ilay Moabita, i Rahaba ilay makorelina, i Petera ilay mpanjono ary i Paoly ilay Fariseo mpanenjika kristiana angaha nanao "izay hahavoafidy "azy ireo ?
14. universal ( 07/08/2013 12:49)
Ny loha-hevitra dia hoe ny fomba fiantsoan'Andriamanitra ny mpanompony.
Fijery iray iny. Azo ekena na tsy azo ekena

Forum ny eto anie ramose e, fanehoan-kevitra. Ny ahy fijery iray hafa ...
15. bor2lais ( 07/08/2013 13:07)
universal > eny tokoa, saika adinoko fa forum izy ity ! Noheveriko koa fa sehatra azo ifanakalozana ! ;-)
16. RBNIR ( 07/08/2013 13:44)
Nehemiah:

i Paoly ilay Fariseo mpanenjika kristiana angaha nanao "izay hahavoafidy "azy ireo ?


Faly miarahaba namana,

Voantso i paoly apostoly, nefa na dia voahantso aza izy dia hoy izy hoe,
« fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako. » (1 Kori.9:27)

Ny fiantsoana tsy miantoka ny famonjena, izay hovoafidy ihany no ho tafiditra ao.
Vakio tsara ny fizarana ato.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
Vakio tsara ny fizarana ato
17. Nehemiah ( 07/08/2013 13:57)
Kanefa @ Jn. 6:70 milaza i Jesosy hoe: "Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?"

Nohon'izany voafidy hatr@ voalohany koa i Jodasy.
18. pisoonja ( 08/08/2013 05:10)
Andriamanitra dia miantso ny olombelona tsirairay, tsy misy tsy voaantso fa samy antsoina daholo isika rehetra ary amin'ny fomba samy hafa , kanefa koa Andriamanitry ny Fahalalahana IZY ka manome antsika izany safidy izany, ny sasany efa voaantso fa tsy mety manara-dia AZy , firifiry tokoa moa ny olona efa voaantsoNy @ asa fanompoana nefa nihemotra nanaraka andriamanikafa indray, efa niantso IZy fa nanome safidy antsika malalaka ihany koa
19. RBNIR ( 08/08/2013 05:29)
Nehemiah:

Kanefa @ Jn. 6:70 milaza i Jesosy hoe: "Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?"
Nohon'izany voafidy hatr@ voalohany koa i Jodasy.


Faly miarahaba namana,

Ka izay indrindra, tokony andinintena ny tsi11 sao dia mba nofidiana ihany nefa kay devoly toa an'i jodasy koa .

Samia ho tahin'ny Tompo namana
20. Nehemiah ( 08/08/2013 06:07)
Izay indray dia ekeko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0775