Fomba fiantsoan'Andriamanitra ny mpanompony

21. RBNIR ( 08/08/2013 07:05)
RBNIR:

Nehemiah:

Kanefa @ Jn. 6:70 milaza i Jesosy hoe: "Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?"
Nohon'izany voafidy hatr@ voalohany koa i Jodasy.

Faly miarahaba namana,

Ka izay indrindra, tokony andinintena ny tsi11 sao dia mba nofidiana ihany nefa kay devoly toa an'i jodasy koa .

Samia ho tahin'ny Tompo namana

Tohizako:
« Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady. » (Mat.22:9)
« Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady. » (Mat.22:10)
« Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady. » (Mat.22:11)
« Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy. » (Ma.22:12)
« Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. » (Mat.22:13)
« Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina. » (Mat.22:14)

ANY AMPARANY VAO TENA HITA NY TSY HO VOAFIDY,

Raha araka ireo teny ireo aloha dia tena tsy ampy fotsiny ny fiononana hoe efa voantso aho fa mbola tsy maintsy atao koa izay hahavoafidy ahy.

Efa omeny io ambony io tokony atao mba hahavoafidy anao (mividiana akanjo fitondra amin'ny fampakarambady).

Inona izany ankanjo izany? Ankanjo = fitafiana « dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. » (Apo.3:18)

Izay manana maso aoka hahita, ary izay manana saina aoka isaina.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
22. RBNIR ( 08/08/2013 07:12)
Mbola hotohizana amin'ny lohahevitra hafa mihitsy raha sitrapon'ny Tompo ,
Inona ilay fitafiana, ary ahoana no fomba fividianana izany amin'i Jesosy.
Hafatra apetraka eto fotsiny dia hoe,
Raha mahatsiaro fa voantso ianao, dia tsarovy fa tsy tokony hionona amin'izay fotsiny ihany fa ataovy kosa indray izay hahavoafidy anao.
Samia ho tahin'ny Tompo daholo.
23. universal ( 08/08/2013 09:06)

RBNIR - 08/08/2013 07:05

Tohizako:
« Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady. » (Mat.22:9)
« Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady. » (Mat.22:10)
« Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady. » (Mat.22:11)
« Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy. » (Ma.22:12)
« Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. » (Mat.22:13)
« Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina. » (Mat.22:14)

ANY AMPARANY VAO TENA HITA NY TSY HO VOAFIDY,

Raha araka ireo teny ireo aloha dia tena tsy ampy fotsiny ny fiononana hoe efa voantso aho fa mbola tsy maintsy atao koa izay hahavoafidy ahy.

Efa omeny io ambony io tokony atao mba hahavoafidy anao (mividiana akanjo fitondra amin'ny fampakarambady).

Inona izany ankanjo izany? Ankanjo = fitafiana « dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. » (Apo.3:18)

Izay manana maso aoka hahita, ary izay manana saina aoka isaina.

Samia ho tahin'ny Tompo namana

Miala tsiny fa tena tsy azoko mihitsy ny tianao ambara.... Mila fambara ivelany toy ny akanjo ve Andriamanitra vao hahafantatra ny olony?
24. RBNIR ( 08/08/2013 09:16)
universal:

Miala tsiny fa tena tsy azoko mihitsy ny tianao ambara.... Mila fambara ivelany toy ny akanjo ve Andriamanitra vao hahafantatra ny olony?

Marina ny anao ary normal B raha tsy azonao satria mbola tsy nolazaiko hoe inona ilay akanjo, saingy araka ilay famaranana nataoko io ambony io dia "raha sitrapon'ny Tompo" dia hozaraina eto ilay akanjo na fitafiana ary hozaraina eto koa hoe ahoana ny fomba fividianana izany amin'i Jesosy, saingy aleo atao lohahevitra vaovao mihitsy satria ny lohahevitra eto dia mikasikan ny fomba fiantsoan'Andriamanitra ny olona.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
25. bor2lais ( 08/08/2013 10:37)
RBNIR:

Efa omeny io ambony io tokony atao mba hahavoafidy anao (mividiana akanjo fitondra amin'ny fampakarambady).

Eo amin'ilay hoe "mividy" no tiako asiana fanamarihana !

Amiko indray tsy hoe vidina ilay akanjo fa nomena maimaim-poana izay nanaiky ny antso (izay olona noraofina teny an-tsisin-dàlana) saingy tsy notafiany fa ny efa mahazatra azy ihany no nanaovany ! :-)

Fomba fijeriko ihany anefa io a ! :-)
26. universal ( 08/08/2013 15:07)
RBNIR - 08/08/2013 09:16

Marina ny anao ary normal B raha tsy azonao satria mbola tsy nolazaiko hoe inona ilay akanjo, saingy araka ilay famaranana nataoko io ambony io dia "raha sitrapon'ny Tompo" dia hozaraina eto ilay akanjo na fitafiana ary hozaraina eto koa hoe ahoana ny fomba fividianana izany amin'i Jesosy, saingy aleo atao lohahevitra vaovao mihitsy satria ny lohahevitra eto dia mikasikan ny fomba fiantsoan'Andriamanitra ny olona

Ekeko raha milaza ianao fa NORMAL raha tsy azoko ny voasoratrao satria miendrika parabole ny fitanisanao ny mat. 22:(9-10-11-12-13), satria ity tenin'i kristy tam mpianany ity dia tena mazava:

13.10Les disciples s'approchèrent, et lui dirent: Pourquoi leur parles-tu en paraboles?
13.11 Jésus leur répondit: Parce qu'il vous a été donné de connaître les mystères du royaume des cieux, et que cela ne leur a pas été donné.
13.13 C'est pourquoi je leur parle en paraboles, parce qu'en voyant ils ne voient point, et qu'en entendant ils n'entendent ni ne comprennent.
.

ary na ny mpianany aza dia mbola tsy mahalala izay tena tiany hambara arak'ity voalaza ity:

15.15 Pierre, prenant la parole, lui dit: Explique-nous cette parabole.
15.16 Et Jésus dit: Vous aussi, êtes-vous encore sans intelligence?

Tena miala tsiny aho ry namana RBNIR fa te hanontany anao aho:
HEVITRAO VE NY MOMBA ILAY AKANJO SY NY FIVIDIANANA AZY ANY AMIN'I JESOSY? SA IZANY NO TENA TENIN'ANDRIAMANITRA? (Raha azo atao dia aza asiana toko sy andininy ny valiteninao fa ataovy mahitsy)

Raha ny hevitro mantsy dia toy izao: Andriamanitra dia omnipotent, omniprésent ary omniscient. Fantany daholo ny ao am-po tsy miloaka. Tsy mila fambara avy ety ivelany izy, ary koa tsy mila vavaka amin'ny teny tsara rindra izy, na tsy miteny na inona na inona aza ianao dia efa fantany ny momba anao hatramin'ny nahaterahanao ka mandrapahafaty anao.

27. RBNIR ( 09/08/2013 09:50)

Azonao tsara ny zavatra rehetra namana,
Raha mangetaheta ianao dia hoy aho hoe: "MITADIAVA........ DIA HAHITA IANAREO"
Tsy mbola nitondra ny hevitro teto mihitsy aho namana sady tsy sahy hitondra ny hevitro eto (fa izay nampianarin'i Jesosy ihany no entiko sy ho entiko eto)
Raha ny hevitro no entiko eto dia HO VERY DAHOLO na izaho na izay rehetra mandray azy,

Farany tsy hiambo mihitsy koa aho fa hevitro izany satria tsy ahy ilay izy namana.

N.B: na iza na iza te hamantatra ny MARINA dia asaiko izy hitady izany ao anaty Baiboly,
Ny baiboly tsy avy tamin'ny fisainan'ny olona namana fa " « fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Pet.1:20)« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Pet.1:21)

Misy ny olona efa nampianarin'i Jesosy mivantana (toy ireo apostoly fahiny) (tsy izaho aloha ilay izy namana fa izaho koa aza mba nampianarina). Ireny olona ireny tadiavina fa aza mitady hafa, Mora fantatra ny olona toy izany namana (ny voany no hamantarana ny hazo)

MITADIAVA.........DIA HAHITA IANAREO.

Samia ho tahin'ny Tompo namana

28. universal ( 09/08/2013 14:46)
RBNIR - 09/08/2013 09:50

Misy ny olona efa nampianarin'i Jesosy mivantana (toy ireo apostoly fahiny) (tsy izaho aloha ilay izy namana fa izaho koa aza mba nampianarina). Ireny olona ireny tadiavina fa aza mitady hafa, Mora fantatra ny olona toy izany namana (ny voany no hamantarana ny hazo)

Tena miala tsiny fa mbola betsaka ny zavatra ilàna fanazavàna, misy olona lazainao ho tadiavina fa tsy tokony hitady hafa. Ny voany no ahafantarana ny hazo hoy ianao, toy ny fanalàna devoly ve izany? Fahazahoana harena be? Fanaovana miracle? Fahaizana mitanisa toko sy andininy? Fanaovana vavaka tena tsara rindra? sns... Mety ho tsara izany saingy i Kristy dia efa nampitandrina antsika amin'ny fihavian'ny olona marobe amin'ny anarany nefa mpaminany sandoka avokoa... ary talohan'ny nitenenany an'io teny io izy dia efa nanambara tao amin'ny matio hoe:

7.22 Plusieurs me diront en ce jour-là: Seigneur, Seigneur, n'avons-nous pas prophétisé par ton nom? n'avons-nous pas chassé des démons par ton nom? et n'avons-nous pas fait beaucoup de miracles par ton nom?
7.23 Alors je leur dirai ouvertement: Je ne vous ai jamais connus, retirez-vous de moi, vous qui commettez l'iniquité.

Mazava ny voalazan'i Kristy, Fantany ny TSY olony na dia MAHAY MAMPIRESAKA SY MIANTSOANTSO HOE KRISTY KRISTY aza.

Satria forum moa ny eto dia mba hilaza ny hevitro aho.
Vokatr'izany tsy tokony mividy akanjo any amin'ny Kristy izany vao hahalàla anao Izy. Isika olombelona no mila famantarana ivelany... ka tsy tokony haetrintsika hilahatra aminintsika i Kristy ka mila famantarana ivelany...
29. Miharena ( 12/08/2013 06:55)
Izaho indray amin'ity lohahevitra ity dia te-hanontany hoe inona moa io ianao lazaina fa antsoina io? ny vatanao (tempoly) sa ny sainao (=ny libre-arbitre miovaova) sa ny fanahinao (tsy miova fa ifandraisanao amin'ny Ray)? Raha voavaly tsara izay fanontaniana izay vao afaka miteny hoe misy ny fiantsoana.

Tsy misy afa-tsy ao anaty anefa no azo hitsapana izany ary koa miankina amin'ny fampiasana ireo telenta telo nomena malalaka antsika ireo.
30. universal ( 12/08/2013 07:31)
Ny fijeriko azy dia io fiantsoana io dia resaka "intimité" amin'Andriamanitra sy ilay olona, miankina amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra ihany, satria Andriamanitra irery ihany no mahafantatra izay mahasoa anao sy izay ilainao.

Araky ny voalazan'i Kristy manao hoe:

6.6 Mais quand tu pries, entre dans ta chambre, ferme ta porte, et prie ton Père qui est là dans le lieu secret; et ton Père, qui voit dans le secret, te le rendra.

Ary raha ny tena marina aza miandry ANTSOINA fa isika no tokony hitady an'Andriamanitra.
31. Miharena ( 12/08/2013 07:45)

Ary raha ny tena marina aza miandry ANTSOINA fa isika no tokony hitady an'Andriamanitra

Fa raha mierikerika hitady Azy dia tsy hahita mihitsy aloha fa hivezivezy eny eh!

Ny olana manko dia isika zanak'ANdriamanitra tsy mahatsiaro tena no tena iharann'y teny hoe : mitandrema fa ny Devoly toy ny liona miherona mitady izay harapany (resaka prédation no tiana ambara amin'io fehezanteny io). Toetra ratsy ny fanangonana ho an'ny tena tsy hananan'ny hafa ny anjarany. Io no toetra tokony hiadiana voalohany izay vao afaka miteny hoe voantso. Hoy ny Tompo hoe eto amin'izao tontolo izao ianareo fa tsy naman'izao tontolo izao. Izany hoe fahatsapana fa manana fanahy no dikan'izany. Ny fanahy no olona hoy ny fitenin-drazantsika. Ny antso eto dia iraka hizara fahalalàna an'Andriamanitra.

Fa ny olana aminzao fotoana izao dia manjary lasa toa tantanana tsikelikely ny olona vao mahatsapa fa manana ny Fanahy Masina ka hizara izany amin'ny namana mbola mitsilopy.
32. universal ( 12/08/2013 09:17)

Miharena - 12/08/2013 07:45

Fa raha mierikerika hitady Azy dia tsy hahita mihitsy aloha fa hivezivezy eny eh!

Tsy ilaina ny fierikerehina rehefa mitady Azy ary tsy ilaina ny be théorie sy be lazao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0541