Ny mpaminany sandoka
1. Tefigasy
(
23/07/2013 14:25)
Efa lohahevitra nisy teto izy ity tamin'ny taona 2008. Ity ny rohy hahitantsika izany : http://forum.serasera.org/forum/message/m47fba423eee93
Ireto ny vetin-kevitra napetraky ny mpanolotra lohahevitra tamin'izay :
==> Fa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handa ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho an'ny tenany. IPetera 2:1
==> Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. Jaona 4:1
==>Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny làla-mahitsin'ny Tompo va ialahy?
Ny tiana hanohizana ity lohahevitra ity dia :
- ny fomba famantarana ireo mpaminany sandoka ireo.
- ny zavatra miandry azy sy izay manaiky ho fitahiny.
- ny fitandremana tokony atao mba tsy hahatafidirana ao amin'ny haratony.

novalian'i sitlo ny 31/07/2013 15:43
2. Nehemiah
(
23/07/2013 14:56)
Tefigasy:
Ny tiana hanohizana ity lohahevitra ity dia :
- ny fomba famantarana ireo mpaminany sandoka ireo.
Mahasoa ny toromariky ny Dt. 13:1-3 : Raha tahìny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao, dia aza mihaino ny tenin’ izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin’ ny fitiavana an’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra hianareo.
sy ny Dt. 18:21-22 : Ary raha hoy hianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain’ i Jehovah?22 Raha miteny amin’ ny anaran’ i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain’ i Jehovah izany: tamin’ ny fahasahisahiana no nilazan’ ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
Tefigasy:
- ny zavatra miandry azy sy izay manaiky ho fitahiny.
Jod. 11a : "Hahita loza izy!
Milaza mihitsy ny Ap. 22:15 hoe : "Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga (pseudos : un mensonge, tromperie ; fausseté consciente et intentionnelle ; dans un sens large, tout ce qui ne semble pas être vrai : de préceptes pervers, impies, trompeurs) sady mandainga"
Tefigasy:
- ny fitandremana tokony atao mba tsy hahatafidirana ao amin'ny haratony.
Tiako marihina aloha fa tsy tokony ahagaga an'iza na iza ny fitrangan'izay satria efa naminany an'izay ny Baiboly :
2 Tim. 4:3-5 : Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; [Gr. salama] fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin’ ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ ny anganongano.
Ny fomba fisorohana ny fandriny ?
1 Te. 5:21 : Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
2 Tim. 2:15 : Mazotoa manolotra ny tenanao amin’ Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara [Na: mamoaka tsara; na: mizotra mahitsy amin’] ny teny fahamarinana.
3. bor2lais
(
23/07/2013 14:58)
Miala tsiny amin'ny namana Tefigasy fa toa tsy mandeha ilay rohy dia indro averiko eto :
tsindrio eto
Ny fomba iray ahafantarana ny mpaminany sandoka amiko aloha dia ny tsi-fahatanterahan'ny zavatra lazainy e ! :-)

4. leva2
(
23/07/2013 17:49)
Velona Jesosy!
Mahafinaritra ilay fizarana, ka mba mahafaly ahy ny mandray anjara e!
Ny fijeriko azy manokana, ka nampihariko sy nahitako voka-tsoa dia izao :
1- "Ny voa no ahalalana ny hazo" hoy ny Tompo. Izany hoe jerena amin'ny antsipiriany (hatramin'ny vie privée) ny fiainan'izay milaza fa mpino iray ka fantarina raha mamoa voa tsara na ratsy. Fa raha Jesosy no ao anatiny dia tarafina eo amin'ny fiainany andavanandro izany. Raha ilay amboadia no nitafy hodi-janak'ondry dia taratra ihany koa izay, na inona toriany, na inona miracle ataony, na inona fiangonana misy azy, dia ny voa hatrany no hamantarana ny hazo.
2- Ny fampianaran-diso : ny fampianarana, na toriteny, na fanentanana tena kristiana marina dia tsy maintsy mi-converge amin'i Jesosy Kristy daholo. Mitaona ny olona hanana an'i Jesosy Kristy, manome vahaolana tokana amin'ny fahasahiranana, aretina, adin-tsaina, sns ... dia Jesosy Kristy. Mampianatra lalam-pamonjena tokana dia Jesosy Kristy. Tsy manasongadina anaram-piangonana, na anaran'olona fa mampisongadina an'i Jesosy Kristy irery ihany.
Ohatra vitsivitsy : Tsy izy araka izany ireto :
- Manindraindra anaram-piangonana (fampianaram-piangonana) ho lalam-pamonjena.
- Manindraindra fiaviana (jiosy) sy firazanana ho lalam-pamonjena.
- Mitaona ny olona handray fahasoavana sy fitahiana (materiel) fa tsy handray an'i Jesosy Kristy.
- Manindraindra ny ara-nofo fa tsy manao ho lohalaharana ny ara-panahy.
- Mitaona ny olona ho amin'ny fahasoavana fotsiny ihany fa tsy ny famonjena (Jesosy).
Izay nateraka indray ka efa zanak'Andriamanitra ary nandray ny Fanahiny Masina ihany anefa no manana fiarovana amin'ireo, manana maso mahay manavaka an'ireo, manana ny hery hoentina miady amin'ireo; koa dia mitaona antsika hatrany (izay mbola "any ivelany") hanaiky sy handray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainana.
Misaotra namana isany!

5. Tefigasy
(
24/07/2013 06:01)
Misaotra betsaka anareo rehetra namaly.
Tsy dia misy hanampiana azy betsaka intsony fa ireto no mba tiako hotsindrina kely :
2.Jao.1:10 "Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory"
==> ankehitriny dia misy olona miteny fa fampianarana efa lany andro, finoana efa lany daty ireo finoana notakiana tamin'ny apostoly fahiny. Mazava anefa ny teny voasoratra eto fa raha misy olona mampianatra zavatra hafa ankoatran'ny efa nampianarina sy nolazaina hatrizay dia atao tsinotsinona izany !
2Jao.1:9 "Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin'ny fampianaran'i Kristy, dia tsy manana an'Andriamanitra . Izay mitoetra ao amin'ny fampianarana , dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka .
==> Miverina indray ireo fampianaran-diso tamin’ny andron’ny Apostoly tany amin’ny taon-jato voalohany. Miseho ireo mihambo ho mampianatra marina ny Baiboly ka mamerina ny olona hitandrina ny andro; mampifady hanina, manery hanao ny fampianaran-drazana, miantehitra amin'ny aloka sy ny tandindona ho lalam-pamonjena, … sns …Ny ankamaroan’izy ireny dia tsy misy fototra ara-tSoratra Masina voalalina tsara, fa mampiasa toko sy andininy hifanaraka amin’ny hevitra tiany hampitaina fotsiny. Mampahatsiahy ny teny voasoratra eto anefa fa Kristy no fototra sy tokony hifotoeran'ny fampianarana rehetra fa raha tsy izany dia zava-poana ary lazaina mihitsy fa tsy manana an'Andriamanitra (mpaminany sandoka) izay tsy mifototra amin'ny fampianaran'i Kristy fa miverina any amin'ny aloka. Manamafy izany ireto soratra manaraka ireto :
Kol.2:8 "Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao , fa tsy araka an'i Kristy .
Ireo fampianarana voatolotry ny razana izay tadavin'ny sasany hiverenana ankehitriny dia efa tsy nankasitrahan'ny Tompo tamin'Izy tonga nofo tety an-tany ary fampianarana vaovao sy fanekena vaovao no noetiny : Mar.1:27 "Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe : Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! satria efa nanatsiny ilay fampianarana taloha na ilay fanekena taloha : Heb.8:7-13 “fa raha tsy nanatsiny izany fanekena voalohany izany dia tsy mba nisy toerana ho an’ny faharoa”
Tsy nanaraka ireo fombafomba hebreo sy ny fampianarana voatolotry ny razana ny mpianatra sy i Jesoa Kristy ary nanontany mivantana azy ireo mihitsy ny jiosy tamin'izany hoe Mat.15:2 "Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana?"
Mar.7:3 "Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana , raha tsy efa manasa tsara ny tànany , satria mitana ny fampianarana voatolotry ny razana izy . ==> ny fariseo sy ny jiosy dia mbola miankohoka ao anatin'izany fampianarana tadiavin'ny sasany hiverenana ankehitriny izany.
Ny hafatrafatra tsara apetraka ary dia izao :
Tes2 3 : 6 "Ary mandidy anareo izahay , ry rahalahy , amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika , mba hialanareo amin'ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay ==> Aza miala amin'ny fampianarana sy ny finoana izay efa nambara ao anaty baiboly hatrizay na ataon'ny hafa ( ilay mpaminany sandoka) ho efa lany andro aza izany, lazainy fa tsy takiana intsony ankehitriny ary avadiny ho zavatra hafa.
Tes2 2 : 15 Koa tomoera tsara , ry rahalahy , ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo , na tamin'ny teninay , na tamin'ny epistilinay. ==> Ny baiboly ihany no referene fa tsy izay nofinofy sy angano tantarain'ireo miseho azy ho mpaminany nefa tsy izy. Ary farany : I.Tim.6:3-5 : "Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema , dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika , sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra , dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona , fa adala [marary] amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana , fifandirana , fanaratsiana , fiahiahian-dratsy , fifandirana lalandava , fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana , manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra."
Voninahitra ho an'Andriamanitra

6. Nehemiah
(
24/07/2013 06:44)
Ny anoherana ny mpandala ny maha-Jiosy be dia be @ serasera izany no antony voalohany nametrahanao an'ity lohahevitra ity ;).
Ny valin'izy ireo sisa andrasana :-)
Ny valin'izy ireo sisa andrasana :-)
7. Maranatha
(
24/07/2013 12:11)
Tefigasy:
==> Fa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handa ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho an'ny tenany. IPetera 2:1
==> Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. Jaona 4:1
==>Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny làla-mahitsin'ny Tompo va ialahy?
[/color]
Ny tiana hanohizana ity lohahevitra ity dia :
- ny fomba famantarana ireo mpaminany sandoka ireo.
- ny zavatra miandry azy sy izay manaiky ho fitahiny.
- ny fitandremana tokony atao mba tsy hahatafidirana ao amin'ny haratony.
Tena mipetraka tokoa ireo teny ireo ho an'ireo mpaminany sandoka.
Fa ndeha ho hapetraki-tsika indray ary ny tena mpaminany avy amin'ny Tsitoha izany hoe izay tena nirahiny. Ny Tsitoha mantsy dia tsy maintsy mampandre mialoha ny mpaminany raha misy zavatra hataony amin’ny olony Amosa 3:7 Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
Ary ihany koa raha tsy misy mpaminany izay hitari-dalana azy ireo dia ho very lalana izy ireo Hosea 12:14 Mpaminany no nentin'i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina NIAHY azy,
Izany no tsy maintsy hisian’ny mpaminany mandram-pihavin’i Messiah, hoy ny Tsitroha : Deo 18: 15 Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin'ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan'i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo. ka raha misy olona te hanontany an’i Tsitoha ny amin’ny zavatra izay ho avy dia manantona ny mpaminany I Sam 9:9 (Fahiny teo amin'ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin'Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin'ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.).
Eo indrindra no tsy maintsy hijerevana tsara ny fepetra (criteur) ny mpaminany iray satria atao ahoana tokoa ny fahafantatra na avy amin’ny tsitoha na tsia ilay mpaminany : Deo 18: 21 Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain'i Jehovah?
Fepetra 1- I jaona 4:1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. - 2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; . Manaiky fa efa tonga nofo ny Messiah
Fepetra 2- Isaia 8 :20 Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina. Tsy mantsy miteny araka ny lalàna
Fepetra 3- Apôk 10: 11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro. Tsy maintsy maneran-tany ny hafatra hentiny
Fepetra 4- Deo 18: 21 22 Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. Tsy maintsy tanteraka ny zavatra lazainy.
Fepetra 5 - Rom 16:26 fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, Voarakitra an-tsoratra sy mahatonga ho fanekem-pinoana.
Fepetra 6- - Nom 24:16 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan'ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony: Torana ilay olona anefa mihiratra sy mijery ny masony mandray ireo hafatra avy amin’ny Tsitoha.
Fepetra tsy tokony hanarahana ilay mpaminany
Fepetra 1-- Deo 13: 2 Raha tahìny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao 3 sady manao hoe: ANDEHA ISIKA HANARAKA ANDRIAMANI-KAFA (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao, 4 dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany Na hitarika anao hanao politikan’ny tany na hitarika anao hiady sns... Tsy azo harahina io fa mpaminany sandoka
Hirariana isika mba samy handinika tsara sy hamantatra ny tena mpaminanin'i Tsitoha sy ny mpaminany sandoka
8. moustaraf
(
25/07/2013 08:42)
Salama namana,
Tsy sarotra akory ny mahalala ny mpaminany sadoka satria efa betsaka no tonga sy ny mbola ho avy:
-Ampiasain'ny Satana hanova andro sy fotoana
oh: Sabata (andro voatendry) novana ho alahady (andron'ny masoandro)
-Hanafoana an'ireo fisoronana na ny fanatitra fanao isan'andro: tefyla tamyd
-Fandavana ny Torah sy ireo faminaniana manambara ny famonjena
-Manova ny anarana ambony indrindra ho fitenenan-dratsy ny anaran'ny Tsitoha:
Jehovah, Atra, Dieu,....
-Manenjika sy manohitra ny faminaniana ny momba ny Fanangonana ny Hebreo izay naely
-Mitory anarana hafa ankoatra ny YESHU'A
-....
Vakio kely ny tantaran'i Balama sy Balaka; maro no mbola te hiverina @ tantara io ka te hanozona ny Hebreo sy izay rehetra momba azy! fantatrareo ny tohiny
MAHEREZA DAHOLO

9. Nehemiah
(
25/07/2013 08:57)
Ahoana indray ny hafatr'i Tefigasy etsy ambony ? Marina ve sa diso ? Mitombina ve ny fitanisany ny Soratra Masina sa tsia ?
10. Tefigasy
(
25/07/2013 10:30)
Nehemiah:
Ahoana indray ny hafatr'i Tefigasy etsy ambony ? Marina ve sa diso ? Mitombina ve ny fitanisany ny Soratra Masina sa tsia ?
Ka amin'zareo ireo anie mpaminany sandoka daholo ny apostoly e ! Tsy sahy milaza mivantana izany izy fa sarotsaromany amin'ireo lazainy eo ambony ireo ilay izy nefa dia manohitra tanteraka ireo efa voalaza sy fampianaran'i Kristy (izay efa napetrako eo ambony) nampitondrainy ny apostoly izany !
Izay no tsy hanohizako ilay ady hevitra aminy intsony fa aleo dia ity no hapetraka amin'ny mpamaky : Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana , mba ho velona ianao sy ny taranakao"
11. moustaraf
(
25/07/2013 12:06)
Salama daholo namana,
Miezaka manazava ny hoe fampianarana taloha sy ny fampianaran-drazana ny namana etsy ambony fa toa manahirana be ny mandray azy:
-Ny fampianarana voatolotry ny razana izay notandreman'ny jiosy fatratra voalazan'i Yeshu'a dia dia tsy ny Torah velively, aoka isika mampianatra mba hampianatra zavatra marina!
Ny Toraha dia tsy natolotry ny razana fa i Tsitoha mihitsy no nanolotra azy!!!
=Eo dia diso avy hatrany ny fanazavana rehetra
Ohatra @ ireo fampianaran-drazana:
-Manasa tanana foana vao misakafo, raha tsy izany dia voloto ny vatana sy saina!
Yeshu'a nanitsy hoe:"Tsy izay miditra @ vava no ...." loto ara-bakiteny no resahina eto
-Fady @ Jiosy ny mifandray raharaha @ Hafa firenena (Samaritana)
....sns...iREO dia tsy Torah velively fa fanitarana nataon'ireo razana
-Tsy hiditra sy itanisa toko sy andininy maro aho fa MARO BE ireo andalan-teny sy soratra notsongain'i Yeshu'a sy ny Apostoly avy ao @ bokin'ny lalàna sy ny mpaminany; izay no midika fa avy @ Tsitoha ny Torah fa tsy avy @ razana (isika rehetra mahalala an'izany e)
-Raha niakatra teo @ tempoly hampianatra Yeshu'a na ny Apostoly dia nandray ny horonan-tsoratra ary namaky: inona ireo novakiana ireo? Matio, marka,lioka, jaona, Apok,...ve???? Aoka isika rehetra handinika!
-Ny fivavahan marina dia efa naseho hatramin'ny voalohany, saingy noho ny fahababoana nisy t@ Israely dia very izany fivavahana marina izany; namerina an'izany t@ laoniny Yeshu'a ary nampitainy t@ Apostoly izany!
-Tanteraka ankehitrio izay voasoratra ao @ Apokalypsy:
"ilay menarana izay nazera ,resy avy tany annanedanitra dia namoaka riaka nanenjika an'ilay vehivavy niteraka ny zazalahy"
Menarana= satana =fivavahan-diso
Zazalahy teraka= Yeshu'a
Vehivavy niteraka azy= fiangonana nivoahan'i Mesia= Hebreo
Tongava isika saina fa aza manaiky ho ataon'ny satana fitaovana MANENJIKA an'ilay Vehivavy foana e!

12. Nehemiah
(
25/07/2013 13:50)
moustaraf:
-Raha niakatra teo @ tempoly hampianatra Yeshu'a na ny Apostoly dia nandray ny horonan-tsoratra ary namaky: inona ireo novakiana ireo? Matio, marka,lioka, jaona, Apok,...ve???? Aoka isika rehetra handinika!
Tsy mahatohitra ny fakam-panahy hamaly an'ity 1 ity aho :-) ! Zavatra mbola tsy vita soratra ve dia hovakiany :-) ? Raha ny hanaporofo fa tsy manam-pahefana ireo boky ireo no tanjonao dia tsy ao mihitsy ny lôjikanao.
Aoka marina isika rehetra handinika.
13. moustaraf
(
26/07/2013 07:09)
FIL 3:6
“Araka ny zotom_poko, dia nanenjika ny fiangonana,; araka ny fahamarinana avy @ lalàna, dia tsy nanantsiny”
Betsaka tokoa ankehitriny ny MBOLA TAHAKA n'i Paoly taloha: "manenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy @ lalàna (Torah)", ary mihevitra fa manao ny tsara eo antrehan'izay ivavahany!
IRETO FAMINANIANA IRETO IZANY AMINAREO EFA LANY DATY?
Ezek 8: 23 Ny hafa firenenena no hanatona ny jiosy
Zakaria 1:17b/ 2: 16 Ary EL mbola hifidy an’I Jerosalema indray
Zakar 7:14 fa haeliko any @ firenena tsy fantany izy
Zakar 8:13 ho tonga fitsofandrano ny firenena rehetra
Zakar 8:23 hisy 10 hafa firenena hihazona ny sisin-damban’ny jiosy 1: hiaraka aminareo izahay fa ao aminareo El
Mika 4:2 ny jentilisa ho avy @ israely hivavaka
Isa 14: 1-2 El hifidy indray ny israely
sns..............
FA efa ny Jentilisa sy ny Romana indray no nofidiny , ary tsy Jerosalema vaovao intsony no anaran'ilay paradisa fa Paris vaovao, New york vaovao, ....

14. Nehemiah
(
26/07/2013 07:14)
Na izany na tsy izany tsy ao mihitsy ny lôjikanao @ zavatra notanisaiko etsy ambony.
16. Nehemiah
(
26/07/2013 08:29)
Koa ianao ihany anie no tsy te-hanohitra ny hevitro fa ny efa nolazainao ihany no averimberinao e :-)
17. moustaraf
(
26/07/2013 08:45)
Tsy misy hevitra ampiadina eto akory fa izay maharesy lahatra ny tsirairay ao anatin'io baiboly no reshina!
Forum anie izy ity e!
Forum anie izy ity e!
18. Nehemiah
(
26/07/2013 12:30)
Famaritan'ny hoe forum @ rakibolan'i Bing :
"place to express yourself: a medium in which the public may debate an issue or express opinions, e.g. a magazine or newspaper" (avy amiko ny soramandry)
Ka tsy misy inona na inona mandrara ny adi-hevitra eto, sady tsy misy an'izay ny fitsipiky ny serasera.
Izaho anie tsy mandrara anao tsy manohitra ny hevitro e :). Raha tsy mahavaly dia tsy mahamenatra ny miaiky

19. bor2lais
(
29/07/2013 13:42)
"forum" kosa ange tsy avy amin'ny teny hebreo e ! ;-)
Nefa toa mitovitovy feo amin'ny hoe kapernaomy angaha ! :-)

20. sitlo
(
31/07/2013 15:43)
Sandoka daholo ny mpaminany rehetra fa rehefa maty dia ny zavatra tsara ihany no tantaraina dia lasa tsy sandoka. Ilay mitantara amin'io mahazo omby sy andevo avy eo.