Inona marina no dikan'ireo "ora faha3 sy faha9"?
1. moustaraf
(
14/07/2013 16:34)
Salama namana,
Mba mahaliana ny mahalala hoe: inona marina no dikan'ireo Ora faha 3 sy ora faha 9, miverimberina foana ao @ baiboly manontolo; izay itrangan'ireo asa lehibe maro ampisehoan'i Tsitoha ny heriny!
Na ny boky taloha, na ny boky vaovao sy ny Epistily dia ahitana an'ireo filazam-potoana roa ireo avokoa!
Azo inoana araka izany fa tsy zavatra kely akory ny momba an'ireo!

novalian'i moustaraf ny 18/07/2013 07:10
2. Maranatha
(
15/07/2013 06:04)
moustaraf:
Salama namana,
Mba mahaliana ny mahalala hoe: inona marina no dikan'ireo Ora faha 3 sy ora faha 9, miverimberina foana ao @ baiboly manontolo; izay itrangan'ireo asa lehibe maro ampisehoan'i Tsitoha ny heriny!
Na ny boky taloha, na ny boky vaovao sy ny Epistily dia ahitana an'ireo filazam-potoana roa ireo avokoa!
Azo inoana araka izany fa tsy zavatra kely akory ny momba an'ireo!
MAnomeza ohatra tamin'ireo ora ireo hianao dia mihazava ny tiany hambara.
Oh: tamin'ilay fanoharana nomen'i Messiah mikasika ilay olona hanakarama olona ho amin'ny tanim-boalobony ao amin'ny Matio toko faha 20:1-11.
Oh tamin'ny Messiah teo ambony novonoina.
RAha ny amin'ilay voalohany ohatra dia noharina tamin'ny fandroson'ny ora ny fiantombohan'ny fisian'ny tany sy ny fiafarany. ka ny ora faha 11 dia efa manomboka hifarana ny tantaran'ny tany. ny faha 9 dia mbola tsy tonga teto an-tany mihintsy ny Meessiah ny faha 3
3. Nehemiah
(
15/07/2013 07:22)
moustaraf:
Salama namana,
Mba mahaliana ny mahalala hoe: inona marina no dikan'ireo Ora faha 3 sy ora faha 9, miverimberina foana ao @ baiboly manontolo; izay itrangan'ireo asa lehibe maro ampisehoan'i Tsitoha ny heriny!
Mino aho fa efa hainao mpandala ny maha-Jiosy ny dikany
4. moustaraf
(
15/07/2013 11:56)
Nehemiah:
moustaraf:
Salama namana,
Mba mahaliana ny mahalala hoe: inona marina no dikan'ireo Ora faha 3 sy ora faha 9, miverimberina foana ao @ baiboly manontolo; izay itrangan'ireo asa lehibe maro ampisehoan'i Tsitoha ny heriny!
Mino aho fa efa hainao mpandala ny maha-Jiosy ny dikany
Eny e! izahay dia mahalala tsara ny momba an'io, fa tsara koa ny mandray ny fomba fijery samy hafa! mba tsy ilazana hoe mitompoteny fatratra!
5. didi10
(
16/07/2013 10:12)
moustaraf:
Salama namana,
Mba mahaliana ny mahalala hoe: inona marina no dikan'ireo Ora faha 3 sy ora faha 9, miverimberina foana ao @ baiboly manontolo; izay itrangan'ireo asa lehibe maro ampisehoan'i Tsitoha ny heriny!
Na ny boky taloha, na ny boky vaovao sy ny Epistily dia ahitana an'ireo filazam-potoana roa ireo avokoa!
Azo inoana araka izany fa tsy zavatra kely akory ny momba an'ireo!
Hatramin'ny taloha ka mandrak'ankehitriny dia tsy miova ny fomba fanisan'ora sy andro araka ny namoronan'Andriamanitra azy; isika Kristiana no efa variana amin'ny fanisana "grégoriana" izay manova tanteraka ny calendrier araka ny nanaovan'Andriamanitra azy.
Andro
Jenezy 1 5
5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.
Ny iray andro dia mizara roa, ny mazava ary ny maizina ka ny maizina no manomboka azy izany hoe manomboka amin'ny maty masoandro ka hatramin'ny maty masoandro ny ampitso (calendrier gregorien) ny iray andro araka ny namoronan'Andriamanitra azy.
Ora
Ny maizina =alina dia misy 12 ora ary ny mazava =andro ihany koa dia misy 12 ora.
Jao 11 9
Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.
Ny fanisana ny ora dia tsy ampifampitohizana ny maizina sy ny mazava fa rehefa tapitra ny 12 ora amin'ny maizina dia miverina ora voalohany rehefa tonga ny mazava, ka rehefa hazavaina ny tenin'Andriamanitra momba ny ora nahafatesan'i Jesosy (tamin'ny ora fahasivy) dia mazava fa manodidina ny tamin'ny 3 ora hariva (oran'izao tontolo izao) satria manisa ora 9 ianao manomboka amin'ny 6 ora maraina.
Porofo hafa:Tsy maintsy nalevina haingana ny fatin'i Jesosy satria efa manakaiky ny Sabata izay nanomboka ny maty masoandro.
Ny Herinandro
Na manampahaizana iza na siantifika iza dia tsy hanana valiteny mazava velively hoe fa maninona no natao fito andro ny herinandro iray.
Andriamanitra Ray no namorona io andro fito mameno ny herinandro io tamin'ny namoronany izao tontolo izao, ary nitsaharany tamin'ny andro fahafito. Tapitra ny andro fahafito dia miverina andro voalohany.
Mat 28 : 1 - 11
[-28-] Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao mazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.
Ny volana
Ny fiandohan'ny volana, dia izay araka ny maha volana azy dia ilay maizim-bola (nouvelle lune) iny, ary tapitra ny volana iray rehefa miverina ny maizim-bolana.
Ny volana fiandohan'ny taona dia ny volana nisan na abib izay Andriamanitra Ray ihany koa no nametraka azy, izay mbola harahin'ny vahoaka Jiosy amin'izao fotoana izao.
Eks 12 : 1 - 11
[-12-] ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: 2 Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.
Eks 34:18
18 Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.
Ny taona
Ny taona iray dia misy saison 4 : Lohataona - fahavaratra -Fararano- Ririnina
Misy taona 2 misy volana 12 ny taona fahatelo dia misy volana 13.
Tsy haiko raha mahavaly ny fanontanianao izany namana Hery fa fahalalana ankapobeny izany rehetra izany fa anjaranao no mamakafaka sy mandinika.
Misaotra.
6. moustaraf
(
17/07/2013 04:48)
Salama namana,
Toa maivana loatra raha mionona @fanisana ora sy andro no entina manazava ny ORA faga 3 sy faha 9.
Ireo fotoana ireo no antsoina hoe Etritsone, na fotoana voatokana ho fanaterana ny fanatitra isan'andro (iray @ maraina, iray @ hariva= ba boker, ba érèv)!
-Mazava be araka izany, ary tsy kisendrasendra ny fahafatesan'i Yeshu'a "Ora faha sivy); fa fahatanterahan'ny Torah izay Izy rahateo no nanoratana azy.
Yeshu'a = fanatitra tsara indrindra (zanak'ondrin'i EL)
-Izay no maha zava-dehibe ny bokin'ny Lalàna (Torah), izay tandindon'ny tena izy!
-Ireo fahitana hitan'i Daniel sy Petera: Ora fanaterana fanatitra hariva = ora fivavahana
Fahitana hitan'i Kornelio, sns...
DIKANY:
tsy namorona fotoana hafa ny Tsitoha mba hivavahana amiiny, fa ireo fotoanan'ny fanatitra isan'andro no fotoam-pivavahana ankasitrahana! sy fanaterana ny hanitra ankasitrahana na ny liktoret.
-Ny Ray mpahary dia efa nanoritra dieny miloha :
-taona ankasitrahana, ny volana voafidy, ny herinandro voatendry, ny andro voatokana, ary ny fotoana na ora ankasitrahana, hahatsiarovana Azy sy hiankohofana eo anatrehany!
Ny Mpisorona (kohen) sy ny levita ihany no voadidy ho eo @ fanompoana mandrakariva; izay efa soloan'Yeshu'a tena eo @ fisoronana mandrakizay @ izao fotoana izao any an-danitra.
-Raha nifanehatra t@ mpaminan'ny Baal ny Mpiasan'i El avo indrindra: Niandry ny fotoana ankasitrahana izy mba handatsahan'i El afo avy any an-danitra!
Ny fivavahana @ El tsy ataotao foana araka ny sain'olom-belona sy hafanam-po fotsiny amin'izao,fa ilàna ny fanazavana sy fitsilovana manokana araka izay efa voasoratra!
ireo rehetra ireo dia novain'ilay FETSY, izay efa voasoratra rahateo fa hanova Lalàna sy Fotoana!

7. moustaraf
(
18/07/2013 07:10)
Ny zavatra izay misy ankehitriny dia fahatanteraan'ireo faminaniana maro, izay manambara fa rehefa ravàna Jerosaleman dia "hohitsahin'ny Jentilisa 1000 Taona",
Tsy gaga isika raha ny fivavahana romana no nasolo an'ilay araka ny Torah:
-Novana ho alahady ny Sabata ( i Vatican dia manizingizina mihitsy fa izy no nanova an'io , ary mpanara-dia azy avokoa izay mivavaka alahady rehetra fa mody mifanaratsy fotsiny)
Sun day: andro fivavahana @ masoandro!
-Novana avokoa ireo fotoana voatendry: fety voalaza fa ho tandremana mandrakizay @ fotoany
-Natsahatra ny "fanompoana isan'andro" =fotoana ankasitrahana!a
Tsy nijanona teo fa novana koa ilay anarana mahavonjy nomena ny aty ambany masoandro, ka nosoloina zavatra hafa!
FOTOANA HANANGANA NY RAVA IZAO RY NAMANA ISANY, IVERENANA AMIN'NY RAY TSY TOHA
"Ho avy ny andro...., izay mpivavaka marina Hivavaka amin'ny Fanahy sy ny fahamarinana"