Tokony ho ovaina ny foto-tsakafo Malagasy

1. endriny ( 09/07/2013 06:07)
Ny vary ohatra dia sady manimba nify no mankarary vavony ary manintsana sokay, toa izany koa ny mangahazo.

Ny anapatsa na anatarika ohatra dia sady be sokay no be vitamina saingy vitsy ny Malagasy mihinana azy.

Ny katsaka dia sakafo tsara saingy toa zary anaovana provandy ho an'ny biby fotsiny no ahafantaran'ny be sy ny maro azy.

Ny trondro maina dia tokony ho sakafo isan'andro, saingy toa ataon'ny sasany fiomehezana raha ampitahaina amin'ny henakisoa sy ny henomby ary ny akoho...
répondu par Ratoa le 14/04/2015 16:51
2. jobiely ( 09/07/2013 06:44)
Marina zany saingy ny vary no efa nahazatra hatramizay satri vao teraka 6 volana dia efa nihinam- bary ka sarotra no miala amin'ny mahazatra e.
3. jobiely ( 09/07/2013 06:46)
Marina zany saingy ny vary no efa nahazatra hatramizay satri vao teraka 6 volana dia efa nihinam- bary ka sarotra no miala amin'ny mahazatra e.
4. 5laody ( 09/07/2013 11:26)
Ny fahitako azy tokony ovaovaina ny zavatra hohanina isan'andro. Ary omena endriny manintona ny sakafo hafa mahomby. ( mora vokarina, ampy amin'ny lafiny vitamine, calories, proteines ilaina isan'andro, tsy mandany energies loatra rehefa andrahoina)

Mila fisokafan-tsaina kely koa ilay izy, raha hitantsika ohatra ny zavatra hohanin'ny asiatiques, afrikanina na ny avy any amerika atsimo (ireo no lazaiko satria ny toe-tany amin'ireo faritra ireo no mitovitovy amin'ny aty amintsika), tsy dia mila zavatra be dia vita.

Manaraka izany dia miakatra hatrany ny vidin'ny cereales. Efa ela isika no tokony nanao izay hahavitantsika tena.

5. ravonjison ( 10/07/2013 15:51)
Aza miteniteny foana e, tsy mankarary nify sy mankarary vavony izany ny vary. Ny vary dia sakafo mahasalama tokoa ka tsy tokony hovaina izany ny fotontsakafo malagasy. Mila ampiarahina amin´ny zavatra hafa fotsiny izy fa tsy hoanina manokana.
6. 5laody ( 11/07/2013 21:18)
ravonjison:

Aza miteniteny foana e, tsy mankarary nify sy mankarary vavony izany ny vary. Ny vary dia sakafo mahasalama tokoa ka tsy tokony hovaina izany ny fotontsakafo malagasy. Mila ampiarahina amin´ny zavatra hafa fotsiny izy fa tsy hoanina manokana.

Ahoana no ilazanao fa miteniteny foana lery? Manandrama manao toa azy, aza andrahoina na vary fa hano amin'izao.
7. ravonjison ( 12/07/2013 07:55)

5laody:

ravonjison:

Aza miteniteny foana e, tsy mankarary nify sy mankarary vavony izany ny vary. Ny vary dia sakafo mahasalama tokoa ka tsy tokony hovaina izany ny fotontsakafo malagasy. Mila ampiarahina amin´ny zavatra hafa fotsiny izy fa tsy hoanina manokana.

Ahoana no ilazanao fa miteniteny foana lery? Manandrama manao toa azy, aza andrahoina na vary fa hano amin'izao.

Ny vary dia mahasalama tsara, mila andrahoina fa tsy hoanina manta.
8. cbd ( 12/07/2013 14:37)
ttpk ny tsnaiko mamaky ity dinika ity hoe tokony hovaina ny foto-tsakafo malagasy mdrrrrr

d misy sahy milaza fa mankarary vavony[bNy vary ohatra dia sady manimba nify no mankarary vavony ary manintsana sokay[/b] mdrrrrrrr

zany ny halehany refa hohaninareo manta ny vary e mdrrrrrr

hatram ohaviana no mankarary vavony ny vary no lazaina ko fa manimba nify ? mdrrrrrrr sao d vary masiso kosa aza no nohaninareo d nankarary ny vavoninareo ?

mazotoa mibrosy nify in-3 isan'andro d andraoana ny vary vao hohanina e ! mdrrrrrr

ts efa nanary vavony ho faty dol v ny malagasy sy ny sinoa sy ny aziatika raha mankarary vavony ny vary?

mis d tena efa mirediredy mints kty mdrrrrrrrr
9. endriny ( 15/07/2013 06:27)
Ilay aretim-bavony ange tsy voatery ahafaty e... Marina fa tsy mahafaty ny mihinam-bary, fa anontanio ny manodidina sy ny ao amin'ny fianakaviana hoe: iza sy iza avy no efa narary vavony sy marary vavony...

Ilay marary vavony tsy voatery hoe ulcere ihany koa, fa na isika masinaty lava, sy marikivy rora matetika matory io aza dia efa fisehoan'ny aretim-bavony avokoa izany.

Raha miteny aziatika ianareo dia jereo ny nifiny dia ampiatahao amin'ny nifin'ny afrikanina izay tsy mpihinana vary amim-bilia akory.. Dia hitantsika ny valiny.

Ny sianidrinina sy ny tavolo ao anatin'ny vary dia samy mandrirotra ny Sokay avy amin'ny vatana ka mampalemy ny fotonify sy mampihena ny pH ao anaty taova izay lalovany ka io no manimba tsikelikely ny vavony sy mahatonga ilay marikivy ao am-bava matetika.
10. ravonjison ( 15/07/2013 07:53)

endriny:

Ny vary dia sakafo mahasalama tokoa. Rehefa misy olana mikasika ny taovam-pandevonankanina , na olona , na biby, atý amin´ny firrenena tsy dia mihinam-bary loatra, dia ovaina haingana aloha ny sakafo, asaina mihinam-bary ireo mandritra ny andro maromaro, satria ny vary dia mi-calmer tanteraka ny vavony sy tsinay...Izay dia mifanohitra amin´ny voalazanao tanteraka.
Ankoatr´izay koa noho ny tavolom-bary hafa noho ny tavolom-barim-bazaha dia tsy mitarika fahabotana ny mihinam-bary.

Ny hoe masina anaty sy marikivy rora dia zavatra hafa no mahatonga izany fa tsy vary velively.

Ny asiatika, tsy fikarakarana nify no mahatonga azy ireo ho satry nify fa tsy noho ny vary velively. Ny sucre ao amin´ny vary dia hafa, tsy traiter-ny bacterie ao ambava ka mahatonga plaque sy carier dentaire.

Misy anefa ireo matiere nutritif tsy ao, ka mila ampidirina ao amin´ny laoka na tsindrintsakafo.
11. endriny ( 17/07/2013 13:03)

ravonjison:

Ny asiatika, tsy fikarakarana nify no mahatonga azy ireo ho satry nify fa tsy noho ny vary velively. Ny sucre ao amin´ny vary dia hafa, tsy traiter-ny bacterie ao ambava ka mahatonga plaque sy carie dentaire

Dia manimba nify izany ny fihinanana vary.... Sady tsy ny bakteria koa ange no natao hanamontsana voalohany ny tavolo ao am-bava e...fa ilay amilazy...

Tsy ataoko siantifika be ny fanazavana ny maharatsy ny fihinana vary be loatra eo amin'ny vavony fa izao fotsiny: hoy isika hoe " Ny vary mateza an-kibo", marina io satria saro- devonina ny vary, ary izay indrindra no mahareraka ny vavony aminy ka mahatonga ireo tranga notanisaiko teo aloha ireo.

Amin'ny finoantsika Malagasy dia hoe: " ny vary amin'ny hotely mankarary vavony fa misy karibonetra". Tsy marina io, fa ny karibonetra aza manampy ny vavonintsika amin'ny asidra ateraky ny fandevonana ny vary... Fa noho ilay olona mirotoroto mihinana vary amin'ny hotely ary zara raha maka aina dia sitoresy (stress) be ny vatany ka vao maika manasarotra ilay fandevonana ny hanina nohanina izay efa zara fa voatsako.

12. ravonjison ( 17/07/2013 14:37)

Ianao itý dia miteniteny foana mihitsy ry Endrana.

Ny tiako lazaina ami´ilay sucre dia itý : ny sucre ao amin´ny vary dia tsy traiter ny bacterie , noho izany dia mitarika aretinify. Ny sucre ao amin´ny sakafo hafa kosa, ohatra: varim-bazaha, biscuitt sns,mofomamy isankarazany... dia traiter ny bacterie, noho izany dia mampitombo ny habetsany sy manova ny pH ao ambava, izany dia mitarika aretinify. Ny bacterie dia facteur mandray anjara amin´ny fiainantsika rehetra ka tsy azo esorina.

Manarak´izany , ny vary matezan-kibo , diso be io . Ny vary dia mora levona, noho izany dia tsy mandreraka ny vavony sy tsinay ny fihinanana azy.

Farany , vary any amin´ny hotely: ny vary misy karbonetra dia mamparary vavony tokoa. n´aiza na aiza. Ny milieu ao amin´ny vavony dia asidra tokoa, tsy dia masina loatra fa eo eo ihany, izany dia mifanaraka tsara sy ilaina amin´ny fandevonankanina, zavatra voajanahary io. Tsy ilaina ampiana karbonetra izany, raha salama ilay olona... Hafa kosa raha marary vavony ilay olona, izany hoe raha lasa masina loatra ilay milieu, dia ilaina ny mi-corriger azy.

Izany rehetra izany dia lesona any aminy 2-3 année amin´ny médecine ( physiologie sy biochimie)..
Ny anao ny honoho sy izay resahina etsy sy eroa no entinao eto, mifanohitra amin´ny zavamisy daholo izay lazainao. Aza manao manao propagande diso eto. ....
Ny vary dia mahasalama tokoa.
13. endriny ( 17/07/2013 17:28)

Tsy misy resaka honohono eto, fa na ianao ihany aza no milaza fa manafaingana ny fahasimban'ny nify ny fihinana vary ka aiza aza izany... Ny tsy itoviany amin'ny bonbon sy siramamy dia ireo glucoside fohy kely ka mora entin'ny rano rehefa ontsanina fotsiny.

Tadidinao ny physio sy ny bio dia tadidinao ny metabo anaero sy enzymatique izay miseho foana ao anatin'ny olona. ka arakaraky ny halavan'ny chaine de D glucose ao aminy no mahatonga azy hilona ao an-kibo ary mampitombo ny metabo anaero ka mampidina ambany dia ambany ny pH. Ny halavan'ny D glucose chain dia mampiakatra ny energy ilaina amin'ny phosphorylation sy ny Rubofla. ilaina, ka mandrirotra ny electron avy amin'ny Ca mba hanampiana ny reaction redoxylase... Hany ka mampihintsana ny sokay amin'ny nofo sy ny taolana.

Miampy an'io ny neutralisation ny Cyanure amin'ny vary...

Aza fady fa be tenim-bazaha be ilay famerenan-desona
14. endriny ( 17/07/2013 17:33)
Nahoana ny olona tratran'ny acidification gastrique no asaina mividy phospha na degu fa maninona no tsy asaina misotro rano nasiana karibonetra fotsiny?

Dia satria ilay dokotera te hampiseho fotsiny fa mila fanafody vao sitrana, no sady fampitomboana ny risipo amin'ilay marary no koa fidiram-bolan'ny farmasianina.
15. ravonjison ( 18/07/2013 08:17)

endriny:

ravonjison:

endriny:

ravonjison:

Ny asiatika, tsy fikarakarana nify no mahatonga azy ireo ho satry nify fa tsy noho ny vary velively. Ny sucre ao amin´ny vary dia hafa, tsy traiter-ny bacterie ao ambava ka mahatonga plaque sy carie dentaire

Dia manimba nify izany ny fihinanana vary.... Sady tsy ny bakteria koa ange no natao hanamontsana voalohany ny tavolo ao am-bava e...fa ilay amilazy...

Tsy ataoko siantifika be ny fanazavana ny maharatsy ny fihinana vary be loatra eo amin'ny vavony fa izao fotsiny: hoy isika hoe " Ny vary mateza an-kibo", marina io satria saro- devonina ny vary, ary izay indrindra no mahareraka ny vavony aminy ka mahatonga ireo tranga notanisaiko teo aloha ireo.

Amin'ny finoantsika Malagasy dia hoe: " ny vary amin'ny hotely mankarary vavony fa misy karibonetra". Tsy marina io, fa ny karibonetra aza manampy ny vavonintsika amin'ny asidra ateraky ny fandevonana ny vary... Fa noho ilay olona mirotoroto mihinana vary amin'ny hotely ary zara raha maka aina dia sitoresy (stress) be ny vatany ka vao maika manasarotra ilay fandevonana ny hanina nohanina izay efa zara fa voatsako.

Ianao itý dia miteniteny foana mihitsy ry Endrana.

Ny tiako lazaina ami´ilay sucre dia itý : ny sucre ao amin´ny vary dia tsy traiter ny bacterie , noho izany dia mitarika aretinify. Ny sucre ao amin´ny sakafo hafa kosa, ohatra: varim-bazaha, biscuitt sns,mofomamy isankarazany... dia traiter ny bacterie, noho izany dia mampitombo ny habetsany sy manova ny pH ao ambava, izany dia mitarika aretinify. Ny bacterie dia facteur mandray anjara amin´ny fiainantsika rehetra ka tsy azo esorina.

Manarak´izany , ny vary matezan-kibo , diso be io . Ny vary dia mora levona, noho izany dia tsy mandreraka ny vavony sy tsinay ny fihinanana azy.

Farany , vary any amin´ny hotely: ny vary misy karbonetra dia mamparary vavony tokoa. n´aiza na aiza. Ny milieu ao amin´ny vavony dia asidra tokoa, tsy dia masina loatra fa eo eo ihany, izany dia mifanaraka tsara sy ilaina amin´ny fandevonankanina, zavatra voajanahary io. Tsy ilaina ampiana karbonetra izany, raha salama ilay olona... Hafa kosa raha marary vavony ilay olona, izany hoe raha lasa masina loatra ilay milieu, dia ilaina ny mi-corriger azy.

Izany rehetra izany dia lesona any aminy 2-3 année amin´ny médecine ( physiologie sy biochimie)..
Ny anao ny honoho sy izay resahina etsy sy eroa no entinao eto, mifanohitra amin´ny zavamisy daholo izay lazainao. Aza manao manao propagande diso eto. ....
Ny vary dia mahasalama tokoa.

Tsy misy resaka honohono eto, fa na ianao ihany aza no milaza fa manafaingana ny fahasimban'ny nify ny fihinana vary ka aiza aza izany... Ny tsy itoviany amin'ny bonbon sy siramamy dia ireo glucoside fohy kely ka mora entin'ny rano rehefa ontsanina fotsiny.

Tadidinao ny physio sy ny bio dia tadidinao ny metabo anaero sy enzymatique izay miseho foana ao anatin'ny olona. ka arakaraky ny halavan'ny chaine de D glucose ao aminy no mahatonga azy hilona ao an-kibo ary mampitombo ny metabo anaero ka mampidina ambany dia ambany ny pH. Ny halavan'ny D glucose chain dia mampiakatra ny energy ilaina amin'ny phosphorylation sy ny Rubofla. ilaina, ka mandrirotra ny electron avy amin'ny Ca mba hanampiana ny reaction redoxylase... Hany ka mampihintsana ny sokay amin'ny nofo sy ny taolana.

Miampy an'io ny neutralisation ny Cyanure amin'ny vary...

Aza fady fa be tenim-bazaha be ilay famerenan-desona

Nisy diso kely ilay nosoratako fa azafady :

Ahitsiko : " Ny tiako lazaina ami´ilay sucre dia itý : ny sucre ao amin´ny vary dia tsy traiter ny bacterie , noho izany dia tsy mitarika aretinify. Ny sucre ao amin´ny sakafo hafa kosa, ohatra......"
16. Ratoa ( 08/09/2013 19:21)
tsy manimba izany ny vary ê! ny fihinana sakafo tsy voalanjalanja no manimba nify sy fahasalamana.
Ekeko fa raha vary fotsiny no haninao, tsy misy laoka, tsy misy anana, tsy misy trondro, tsy misy karaoty haninao miaraka aminy dia ho simba ny nify sy ny vatanao rehetra.
Toa izany koa, raha karaoty fotsiny no haninao, na raha ovy fotsiny no haninao dia ho simba tanteraka ny vatanao.
Sakafo tsara ny vary , mahasalama, haniko ary mbola ho haniko paha-fatiko na dia tsy anisan'ny olona izay mitaky hihinam-bary isan'andro aza aho.
17. vahiny2004 ( 17/09/2013 06:54)
izaho koa mba toran'ny hehy t@ ilay hoe tsy mahasoa ny vary ! Ny vary no tena anisan'ny féculent tsara indrindra , miaraka @ katsaka. Tsara lavitra noho ny ovy sy pates

Fa mazava ho azy tokoa fa raha vary fotsiny no hohanina, indrindra raha vary fotsy be dia tsy ampy (fa tsy hoe tsy mahasoa akory aza)

Tout excès est nuisible
18. tiris8786 ( 13/04/2015 17:24)
ka ovainao inona ary ? efa izay no nanabeazana antsika ary au contraire mbola mora ny mieritreritra vary sy laoka nohon'ny sakafo hafa.
19. Ratoa ( 14/04/2015 16:51)

tiris8786:

ka ovainao inona ary ? efa izay no nanabeazana antsika ary au contraire mbola mora ny mieritreritra vary sy laoka nohon'ny sakafo hafa.

Izaho mantsy mba gaga!!! ny firenena tsy mamboly vary ary tsy nobeazina tamin'ny vary aza mizizo hihinam-bary.
Fa izay ê: tout excès est nocif....raha vary tsy misy fangarony koa dia tsy tsara!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6558