kristianina (hono) nefa tsy miditra any amin'ny tranon'Andriamanitra (fiangonana) miaraka amin'ny mpino namany
1. Tefigasy
(
02/07/2013 05:54)
Ahoana ny fahitantsika ireny olona ireny ?
Azo lazaina ho kristianina ve ireny olona ireny sa tsia ?
Inona no manosika azy tsy hanatona sy hiditra ny tranon'Andriamanitra hiaraka hidera amin'ny mpino namany ?
Tsy ilaina intsony ve ny fiangonana ?
Sitrak'Andriamanitra ve izany ?
Ireto misy tenin'Andriamantra entitsika hiaingana :
Mat.6:6 "Fa ianao kosa , raha mivavaka , dia midira ao amin'ny efi-tranonao , ka rehefa voarindrinao ny varavaranao , dia mivavaha amin'ny Rainao , Izay ao amin'ny mangingina ; ary ny Rainao , Izay mahita ao amin'ny mangingina , no hamaly anao . "
Jao.13:35 "Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo , raha mifankatia ."
Mar.9:40 " Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika ."
Jao.17:21 "mba ho iray ihany izy rehetra , tahaka Anao Ray ato amiko , ary Izaho koa ao aminao , mba ho ao amintsika koa izy ; mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy ."
==> Tsy mila fisehosehoana ny fivavahana amin'Andriamanitra, tsy hitadiavana laza sy voninahitra etsy sy eroa !
==> Mila mifankatia, mila mifandray ny mpino fa tsy samy maka ho azy, tsy samy manao izay hahatongavany ao amin'i Kristy fotsiny fa mila mifampitantana. Anisan'ny fitoriana ny filazantsara tena tsara indrindra izany ary tsara lavitra noho ny fanaovana tafika masina, fitetezana tany sy toerana etsy sy eroa.
==> Tsy izay rehetra tsy ao anatin'ny fiangonana misy anao dia tsy izy , tsy mpino, fa manana ondry maro Kristy. Tsy natao henjehina izy ireny na tsy miaraka aminao ao aza
==> Ny tena tanjon'i Kristy dia ny firaisan'ny mpino rehetra na iza izy na iza, na aiza izy na aiza. Izay no tena sitrapon'i Kristy, dia ny mba hiraisantsika rehetra, tahaka ny firaisan'i Jesoa amin'ny Ray.
Tsy misy fitsitokotokoana intsony mantsy amin'ny andro hahatongavan'ilay fanjakan'ny zanak'ondry, ka tsy aleo ve hatomboka dia ny ety an-tany izany e! Mba samy hamonjy ny tranon'Andriamanitra daholo ny zanany rehetra.
Marina fa mbola misy hevitr'olombelona ihany ao amin'ireny fiangonana ireny, nefa na izany aza, tsy midika akory izany fa rehefa tsy mitovy amin'izay eritreretinao ny zava-misy ao dia ilaozanao, henjehinao ilay fiangonana. Tadidio fa mahalala ny zava-misy rehetra ao amin'ny fiangonana ny Tompo ( Apok.2 ), fantany daholo ny ao an-tranony ary manome hafatra ho an'ny fiangonany hatrany Izy.
Jereo ny fiangonan'i Sardisy ( Apok 3:1- 22 ) , na fiangonana maty aza, tsy nisy tanteraka sy vita izay asa mba nampanaovin'ny Tompo azy; dia mbola nisy olona vitsy tao izay tsy nandoto ny fitafiany ary tsy niala tao amin’ilay fiangonana maty. Hitan'i Jesoa ireo ary navahany hiara-mandeha aminy; hitafy lamba fotsy satria mendrika izy ireo. Ny olona manko mijery hoe maty io fiangonana io, dia lasa miala ao izy, ary atao batisa in-dimy ny sasany isak’izay miova fiangonana. Tsy izany anie no tenin’ny Tompo e! Ataon’ny Tompo hoe fiangonana maty mihitsy io fiangonana io, fa na izany aza dia misy olona fantatr’i Jesosy ao satria Izy no lohan’ny fiangonana.
Ny fiangonana tao sardisy, tamin’izany fotoana izany aloha dia mazava fa tsy mbola nisy denomination, tsy mbola nisy koa ny atao hoe pape. Fa ny fiangonana dia iray ihany. Hany ka fantatr’ireo olona ireo hoe fiangonan’i Kristy ity ary tsy niala tao izy. Fa izao kosa: tsy nanaraka ny fanaon’ny olona tao izy, fa niaina niaraka an’i Kristy. Ho vavolombelona anie ianao e! Ny fifindrana fiangonana, mifindra mankatsy dia mifindra mankaroa, izany moa no mitranga amin’izao fotoana izao. Fa ho an’ny olona mpifindrafindra fiangonana, tsy ny fiangonanana akory no mamonjy anao. Tsia, fa ny fihazonanao ny famonjena izay nomen’i Kristy anao sy ny fankatoavanao ny tenin’ny Tompo.
Indro misy olona iray ataoko hoe marary izy. Malemy ny tanany, kanefa ny tenany manontolo dia eo ihany. Tsarovy, fa ny anjarantsika dia ny mitana ny lamba fotsy izay notafianao. Ny fandraisanao ny famonjena noraisina tao amin’i Kristy, izany no anjaranao, ary noho izany, na inona na inona filazan’ny olona ity fiangonanao ity, tsy ny fifindrana fiangonana akory, tsy izany akory no famonjena. Fa na ohatra aza ka mandeha atsy ianao dia atao batisa, mandeha aroa ianao de raisina ho mpandray, tsy izany no famonjena anao, fa ny hamonjena anao dia ilay Kristy izay maty nisolo heloka anao teo ambony hazo fijaliana.
Misy olona vitsy aty aminao aty sardisy tsy mba nandoto ny fitafiany. Olom-bitsy eo amin’ny fiangonanao anie ianao, ka na sanatria tsy manaraka ny tenin’Andriamanitra aza ny fiangonanao, ianao kosa hanaraka ny tenin’Andriamanitra, tsy hankatoa izay rehetra manohitra tenin’Andriamanitra, na iza na iza miteny izany, fa ny tenin’Andriamanitra ihany no arahinao. Fiangonan’i sardisy, nanana anarana ho velona kanjo efa maty, saingy nisy olom-bitsy tao niaina tamin’ny fahamasinana niaraka tamin’ny Tompo. Tsy ny fialana ao amin’ny fiangonana ao no hamonjena anao, fa ny fihazonanao ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany

novalian'i manoasoa ny 16/07/2013 10:47
2. riri12
(
02/07/2013 18:20)
Raha ny fahitako azy. Araka ny fomba fijery filôzofika fotsiny, ny kristiana dia tokony hitazona foana ary tsy hanary ny "extrême" anakiroa izany hoe: ny "extrême" iray misy ny "universel" (fiombonam-be) ary ny "extrême" iray misy ny "particulier" (antso manokana ho an'ny tsirairay tsy itovizana amin'ny hafa). Ka raha vao manary ny anakiray amin'ireo dia azo lazaina fa mety mandringa ny maha kristiana. Ohatra : raha toa ka takona ao anaty vahoaka fotsiny na mivondrona na miangona toin'ny fanaon'ny sarababen'ny kristiana fotsiny andaniny, na koa mitokana fotsiny ka tsy mifandray na miara-dia amin'ny hafa fa mahatsapa ho voaantso manokana fotsiny ankilany dia manary ny iray amin'ireo tendro anankiroa voalaza tetsy ambony
3. sitlo
(
02/07/2013 23:08)
Mila mankany am-piangonana daholo isan-kerinandro satria manjary lasa any amin'ny afobe.
4. Tefigasy
(
03/07/2013 05:55)
sitlo:
Mila mankany am-piangonana daholo isan-kerinandro satria manjary lasa any amin'ny afobe.
Tsy tokony ho tahotra zavatra iray (afobe, helo, devoly, ....) no hiankinana sy hiarahana amin'ilay Andriamanitra fa Fitiavana.
Toa ny vehivavy iray andeha hanambady ihany e: tsy tahotra ny hanambady olona misy fahasembanana (sanatria) , na olona mahantra, na .... no hanambadiana olona iray fa Fitiavana ary tokony tsy hisy takalony raha tena marina !
Na izany aza, misy ny helo a ! Mety mbola tsy nahita ianao na mbola tsy tany fa aza miandry ho tonga any vao hieritreritra ny hiverina re !
5. booboo
(
03/07/2013 07:56)
Zà izao isany tsy mankany satria mbola kely ny zanako, 10 min de concentration efa tena ela @ ankizikely, maika fa "hipetraka hendry tsara" mandritra ny 1h30 ! Raha hivoaka any an-tokontany mandritra ny culte iray manontolo @ izay tsy manakorontana ny mpiara-miangona sy mampitony an-dry zareo, euh...tsy mipetraka mihitsy ny fanontaniana amiko, fa aleoko mijanona ato an-trano.
6. Nehemiah
(
03/07/2013 08:14)
Tsy azo ihodivirana fa manana ny marina ihany i Sitlo : misy tokoa ny manana an'izay eritreritra izay. Ny tsi-fahampian'ny fahalalàna ny finoana kristiana no mahatonga an'izay. Tokony fongorana ity fiheveran-diso avy @ fisainan'ny fanamarinana avy @ asa ity : ny fahasoavan'ny Tompo avy @ finoantsika Azy no mamonjy antsika fa tsy ny fanatrehana fotoam-piangonana na asa hafa.
7. Tefigasy
(
03/07/2013 08:47)
Nehemiah:
Tokony fongorana ity fiheveran-diso avy @ fisainan'ny fanamarinana avy @ asa ity : ny fahasoavan'ny Tompo avy @ finoantsika Azy no mamonjy antsika fa tsy ny fanatrehana fotoam-piangonana na asa hafa.
Dia aoka ary ho tsipihina tsara fa tsy midika akory izany fa tsy ilaina ny mankany ampiangonana rehefa nandray ny famonjena avy amin'ny fahasoavana ny olona iray .
Ny olona nandray ny famonjena, niaina ilay fahateraham-baovao dia tokony hitombo fa tsy mijanona fotsiny eo amin'io toerana misy azy io: hitombo amin'ny asa, finoana, fihariana, ... Maro ny sehatra azo sy afaka hitomboana, fa raha mandinika tsara ilay tantaran'ilay Mpamafy (Lio.8) isika : izay naniry teny amin'ny tany tsara no afaka nitombo tsara sy namoa avo zato heny. Dia ny tsirairay no mieritreritra ny lalana tokony hizorany !
8. Miharena
(
03/07/2013 09:54)
Kristianina misokatra masom-panahy no ilaina fa tsy mpanara-driandrano. Ary io dia tsy azo raha tsy efa folaka tanteraka manary ny fizahozahoana. Ilay fandinihan-tena lalina dia izay famolahana ny otantsika izay, dia ny fizahozahoana sy ny fanarahan-driandrano. Ireo toetra roa ireo no tsy ahitana vokatra eo amin'ny finoana ary mety ao am-piangonana na ivelan'ny fiangonana dia hitrangan'izany toetra tsy mamokatra izany.
9. bor2lais
(
03/07/2013 10:08)
tefigasy:
Dia aoka ary ho tsipihina tsara fa tsy midika akory izany fa tsy ilaina ny mankany ampiangonana rehefa nandray ny famonjena avy amin'ny fahasoavana ny olona iray .
Ny olona nandray ny famonjena, niaina ilay fahateraham-baovao dia tokony hitombo fa tsy mijanona fotsiny eo amin'io toerana misy azy io: hitombo amin'ny asa, finoana, fihariana, ... Maro ny sehatra azo sy afaka hitomboana, fa raha mandinika tsara ilay tantaran'ilay Mpamafy (Lio.8) isika : izay naniry teny amin'ny tany tsara no afaka nitombo tsara sy namoa avo zato heny. Dia ny tsirairay no mieritreritra ny lalana tokony hizorany !
+1
Ny fandraisana ny famonjena dia mitaky "engagement" sy "responsabilité" satria ireo no (isan'ny) azo itarafana ny fitomboana ara-panahy fa tsy hijanona eo @ "stade misotro ronono" foana akory ! :-)
Amin'ny lafiny iray koa ange ilay tsy fandehanana am-piangonana dia azo raisina ho fitiavan-tena ihany e ! :-)
10. sitlo
(
03/07/2013 17:09)
Fitiavana ho any amin'Andriamanitra. hahaha
Ilay olombelona sy ny fandratatenany. Ndana ary mankany ampiangonana isak'Alahady koa. Andriamanitra mantsy manana trano.
Ilay olombelona sy ny fandratatenany. Ndana ary mankany ampiangonana isak'Alahady koa. Andriamanitra mantsy manana trano.
11. Tefigasy
(
04/07/2013 05:07)
sitlo:
Fitiavana ho any amin'Andriamanitra. hahaha
Aleo hahitsy tsara fa toa havilanao ilay izy a : tsy mitovy mihitsy ny hoe "fitiavana ho any amin'Andriamanitra" sy ny "fitiavana an'Andriamanitra". Ilay faharoa mety hitarika ilay voalohany , fa ilay voalohany tsy voatery hanao ilay faharoa.
sitlo:
Ilay olombelona sy ny fandratatenany.
Tsy dia hitako loatra ny fanandratan-tena amin'ny fandehanana any am-piangonana. Raha ny hampidera lamaody sy hisehoseho no antondihanao (nefa tsy izany no izy) dia fahavetavetana eo imason'Andriamanitra izany ary loza ho an'izay sahy hanao izany ihany koa. ( Isa.1:13 )
sitlo:
Ndana ary mankany ampiangonana isak'Alahady koa.
Tsy voatery ho isak'Alahady; afaka atao isan'andro. Sady raha mbola mahatsiaro ianao fa zanak'i Dada dia mahita fahafinaretana hatrany mankany an-tranony.
sitlo:
Andriamanitra mantsy manana trano.
Isa.56:7 " fa ny tranoKO atao hoe trano fivavahana "
Lio.2:49 "Nahoana no nitady Ahy ianareo ? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho "
12. endriny
(
04/07/2013 05:46)
Asa aloha leiretsy fa ao amin'ny baiboly tsy misy miteny didy na anatra napetraka hoe mamorona fivavahana kristianina, fa ny voalaza dia hoe mandehana ka torio ny fanjakan'Atra, izany hoe fitohizan'ny testamenta taloha no nanirahana ny mpianatra... Sa izaho ve no diso... Sady tsy nisy naniraka hoe manangana fiangonana dia ovay alahady ny fivavahana...
Averiko indray ny fiangonana amin'ny Jiosy dia tsy ilay hoe fiderana an'Atra fotsiny fa ilay fampatsiahivana ny tantaran'Israely sy ny tetiharana ary ny famoianarana ny teny Jiosy sy ny fitadiavana andavan'andro...
Fa ny fiangonana Kristianina dia mitanila fa tsy mitsinjo afa tsy ny mpitondra fivavahana fotsiny, izay nohamasinina sy nasandratra ary tompoina manoka fa solotenan'Atra na mpitonratenin'Atra hono...

13. Tefigasy
(
04/07/2013 06:50)
endriny:
Asa aloha leiretsy fa ao amin'ny baiboly tsy misy miteny didy na anatra napetraka hoe mamorona fivavahana kristianina, fa ny voalaza dia hoe mandehana ka torio ny fanjakan'Atra, izany hoe fitohizan'ny testamenta taloha no nanirahana ny mpianatra... Sa izaho ve no diso... Sady tsy nisy naniraka hoe manangana fiangonana dia ovay alahady ny fivavahana...
Ao amin'ny baiboly tsy misy mihitsy hoe mihinana ianao vary, manaova gateau, .... fa eo amin'ny natiora kosa, izay rehetra teraka dia tokony mitombo, ary mariky ny fahavelomana ny fitomboana. Ary raha te hitombo dia tsy maintsy misakafo, eny fa na dia tsy lazaina daholo aza izany. Raha averina ambara ao amin'ny baiboly daholo ve izao antsipirihin-javatra rehetra izao vao hatao, hisy taratasy afaka hanoratana azy ve eto an-tany ?
Ahoana ny fomba fitoriana ny fanjakan'Andriamanitra ? Ahoana no fomba fanorenana tsara izany fanjakan'Andriamanitra izany eto an-tany ?
Adala ve i Paoly raha namangy sy nitety fiangonana maro tany Azia.
Adala ve Andriamanitra raha nampanoratra boky an'i Jaona ho an'ny fiangonana fito ?
Maninona ry Petera sy ry Paoly no nanao fotoam-bavaka foana isaky ny voalohan'ny herinandro ?
Voalaza sy voambara ao anaty baiboly daholo izany tompoko fa ny minia tsy mijery ihany no sahy milaza fa tsy voasoratra ao anaty baiboly izany !
endriny:
Fa ny fiangonana Kristianina dia mitanila fa tsy mitsinjo afa tsy ny mpitondra fivavahana fotsiny, izay nohamasinina sy nasandratra ary tompoina manoka fa solotenan'Atra na mpitonratenin'Atra hono...
Fijerinao manokana izany ary efa jamban'izay fomba fijery iray izay ny masonao ka tsy mahita sy tsy mahazo izay hita sy azon'ny sasany izay mahazo aim-panahy isaky ny miditra any amin'ny tranon'Andriamanitra !
Ary izay fomba fijerinao izay no ampiasain'ny devoly ankehitriny mba hanapotehina ny tranon'Andriamanitra maro, hanakatonana ny varavaran'ny fiangonana, hisakanana ny olona tsy ho any am-piangonana izay averiko indray mandeha fa hoy Jesoa hoe "tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho "
14. endriny
(
04/07/2013 13:11)
Hay ve misy idiran'ny vary amin'ny fampianarna finoana ihany koa eh?
Aleo hazava fa ny fihinanay vary no tonga talohan'ny baiboly teto... Ahahahahhha
Fa ny baiboly toa ny boky Fizika sy Chimie.
Saingy i Kristy tsy niteny hoe mandeha ampianaro ny lona ho tonga Kristianina, fa hoe ampianaro ny fanjakan'Atra ny olona fa efa akaiky ny farany.... Eto loha no mampihomehy ahy kely satria izy ihany anefa no nilaza fa tsy hainy ny ora na ny fotoana hoe rahoviana no farany fa mila vonona fotsiny hoy izy.... izany hoe kay ny i Kristy aza tsy afaka milaza ny marina... Dia eo no maha diso ilay hoe: Izaho sy ny Ray dia iray ihany...

15. Tefigasy
(
04/07/2013 13:38)
endriny:
Hay ve misy idiran'ny vary amin'ny fampianarna finoana ihany koa eh?
Afaka ampiasaina avokoa ny zavatra rehetra entina mampianatra sy maneho hevitra raha ilaina izany. Fomba fanaon'i Jesoa ny manolotra fampianarana avy amin'ny fanoharana. Ary tsy misy teny manohitra izany ao amin'ny baiboly hoe tsy afaka ampiasaina ny support toa ireny !
endriny:
Aleo hazava fa ny fihinanay vary no tonga talohan'ny baiboly teto... Ahahahahhha
Afaka taritinao alavitra be mihitsy aza fa ny vary efa nisy talohan'ny fiforonan'ny olombelona izay nanoratra ny baiboly . Tsy hitako izay hidiran'ny vitsika amin'ny solika!
endriny:
Fa ny baiboly toa ny boky Fizika sy Chimie.
Azo angalana tantara, angano, ... koa ny baiboly. Hita ao daholo ireo fa tsy mikendry hamoaka hevitra ny amin’izany ny baiboly. Ny tantaram-pamonjena no ambarany ary entiny mampita foto-kevitra ; ary io farany io no tena zava-dehibe indrindra ho an'ny kristianina.
Tsy vakivakiana fahatany io baiboly io. Efa maro ny olona namaky tamin'ny sainy sy ny masony fotsiny fa niala maina tsy nahita afa-tsy ny fizika sy chimie tao anatiny.
endriny:
Saingy i Kristy tsy niteny hoe mandeha ampianaro ny lona ho tonga Kristianina, fa hoe ampianaro ny fanjakan'Atra ny olona fa efa akaiky ny farany....
Aleo averina eto ity teny ity fa misy mitady hanodikodina : Mat.28:19 "koa mandehana ianareo , dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra"
Farito ny atao hoe kristianina dia farito ny atao hoe mpianatra (disciples) !
endriny:
Eto loha no mampihomehy ahy kely satria izy ihany anefa no nilaza fa tsy hainy ny ora na ny fotoana hoe rahoviana no farany fa mila vonona fotsiny hoy izy.... izany hoe kay ny i Kristy aza tsy afaka milaza ny marina... Dia eo no maha diso ilay hoe: Izaho sy ny Ray dia iray ihany...
Afaka hanokafanao lohahevitra iray hafa ny mikasika ny maha iray ny Ray, Zanaka, Fanahy Masina raha misy tsy azonao na manitikitika anao. Mivaona tanteraka amin'ny lohahevitra izay napetrako aho raha io no hotaritiko lava be eto !
16. bor2lais
(
09/07/2013 11:33)
Tefigasy:
Ahoana ny fahitantsika ireny olona ireny ?
Azo lazaina ho kristianina ve ireny olona ireny sa tsia ?
Inona no manosika azy tsy hanatona sy hiditra ny tranon'Andriamanitra hiaraka hidera amin'ny mpino namany ?
Tsy ilaina intsony ve ny fiangonana ?
Sitrak'Andriamanitra ve izany ?
Sombiny ihany no entiko eto !
Amiko dia mifandray daholo ireo fanontaniana ireo : eo amin'ny fitaizana no misy lesoka !
Tsy voataiza ho tompon'andraikitra (araka an'Andriamanitra) ny olona ka lasa mpitazana (spectateur) sy/na mpandray (passif) fotsiny fa tsy mba "actif" ao am-piangonana !
Dia lasa tanteraka ao anatin'ny Fiangonana ilay hoe "ny tsy manao ihany no be vava" ! :-)
Rehefa tsy atao izay lazainy dia misy fahatsiarovan-tena ho voailika na/sy tsy manana ny anjaran-toerany ao amin'ny Fiangonana, hany ka lasa miala sy manaratsy eny ivelany eny ! :-)
Santionany ihany ireo voalazako ireo fa mety misy antony hafa ihany koa ! :-)
17. manoasoa
(
09/07/2013 12:18)
Ilaina dia ilaina ny miaraka mivavaka ho antsika Kristianina,satria isika dia mila mifampitantana raha ho any an-danitra efa mby akaiky ihany koa anie ny Tompo e.
Hebreux 10:25 "N`abandonnons pas notre assemblée, comme c`est la coutume de quelques-uns; mais exhortons-nous réciproquement, et cela d`autant plus que vous voyez s`approcher le jour."
Hebreo 10:25 Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka hitanareo fa mihantomotra ny andro.

18. bor2lais
(
11/07/2013 15:25)
Ity misy rohy miresaka lohateny mifandraika amin'ity an'i Tefigasy ity ho an'izay mety ho liana :
Tsindrio eto
:-)
Tsindrio eto
:-)
19. endriny
(
15/07/2013 06:02)
Atra tsy manana trano sy tsy nanamboatra trano fa noho ny ambom-pon'ny olona dia lasa nanamboarana trano Atra, nefa asa Atra raha mipetraka ao tokoa na tsia... Fa ny sasany amin'ireny manangatra toa ny katedraly eo Andohalo.
20. Tefigasy
(
15/07/2013 14:30)
endriny:
Atra tsy manana trano sy tsy nanamboatra trano fa noho ny ambom-pon'ny olona dia lasa nanamboarana trano Atra,
Raha jerena hatrany am-piandohana ny zavatra rehetra dia foana izao tontolo izao, tsy nisy n'inon'inona fa aizina no tambonin'ny lalina. Lozika be raha tsy manana trano sy tsy mbola nanamboatra trano ho Azy Andriamanitra.
Saingy rehefa nisy ilay Izy dia nekeNY ary nankatoaviNY tsara (Isa.56:7) ary mbola nohamafisin'i Jesoa Kristy tamin'Izy tonga nofo teto ambonin'ny tany (Lio.2:49) .
endriny:
nefa asa Atra raha mipetraka ao tokoa na tsia...Fa ny sasany amin'ireny manangatra toa ny katedraly eo Andohalo.
Tsy ny fanevatevana, na fanaovana tsinotsinona (sanatria) ilay tranon'Andriamanitra akory no mampitsoaka Azy ao. Ekena ary tena zava-misy fa betsaka ny olona izay tsy kristianina nefa miditra amin'ireny fiangonana ireny no manevateva ilay tranon'Andriamanitra, ary ny tena loza ary moa dia ny devoly ihany koa mba miditra amin'ireny fiangonana ireny mba hitady izay ho fitahiny. Nefa izao no voasoratra : Isa.1.25 ; 28 "hodioviko amin'ny lavenona ianao hahafahan'ny tain-drendrikao , ary hesoriko ny firaka rehetra aminao" ; 28 "ary samy haringana avokoa ny mpiodina sy ny mpanota , eny , ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah"
Tsy ilay Andriamanitra akory no mitsoaka na matahotra ny mpanevateva ny tranony, fa izay manevateva Azy sy manao tsinotsinona izay Azy no hahita ny anganony (Heb.10:31) . Averiko farany ilay fiangonan'i Sardisy: fiangonana efa maty, efa tsy misy aina intsony, efa nivilana tamin'ny fisiany ; saingy tsy niala tamin'izany fiangonana izany ny mason'Andriamanitra fa nahita sy nanavaka hatrany ireo olona vitsy tsy nandoto ny fitafiany tao.