kristianina (hono) nefa tsy miditra any amin'ny tranon'Andriamanitra (fiangonana) miaraka amin'ny mpino namany
21. didi10
(
16/07/2013 10:22)
Tefigasy:
Ahoana ny fahitantsika ireny olona ireny ?
Azo lazaina ho kristianina ve ireny olona ireny sa tsia ?
Inona no manosika azy tsy hanatona sy hiditra ny tranon'Andriamanitra hiaraka hidera amin'ny mpino namany ?
Tsy ilaina intsony ve ny fiangonana ?
Sitrak'Andriamanitra ve izany ?
Ireto misy tenin'Andriamantra entitsika hiaingana :
Mat.6:6 "Fa ianao kosa , raha mivavaka , dia midira ao amin'ny efi-tranonao , ka rehefa voarindrinao ny varavaranao , dia mivavaha amin'ny Rainao , Izay ao amin'ny mangingina ; ary ny Rainao , Izay mahita ao amin'ny mangingina , no hamaly anao . "
Jao.13:35 "Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo , raha mifankatia ."
Mar.9:40 " Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika ."
Jao.17:21 "mba ho iray ihany izy rehetra , tahaka Anao Ray ato amiko , ary Izaho koa ao aminao , mba ho ao amintsika koa izy ; mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy ."
==> Tsy mila fisehosehoana ny fivavahana amin'Andriamanitra, tsy hitadiavana laza sy voninahitra etsy sy eroa !
==> Mila mifankatia, mila mifandray ny mpino fa tsy samy maka ho azy, tsy samy manao izay hahatongavany ao amin'i Kristy fotsiny fa mila mifampitantana. Anisan'ny fitoriana ny filazantsara tena tsara indrindra izany ary tsara lavitra noho ny fanaovana tafika masina, fitetezana tany sy toerana etsy sy eroa.
==> Tsy izay rehetra tsy ao anatin'ny fiangonana misy anao dia tsy izy , tsy mpino, fa manana ondry maro Kristy. Tsy natao henjehina izy ireny na tsy miaraka aminao ao aza
==> Ny tena tanjon'i Kristy dia ny firaisan'ny mpino rehetra na iza izy na iza, na aiza izy na aiza. Izay no tena sitrapon'i Kristy, dia ny mba hiraisantsika rehetra, tahaka ny firaisan'i Jesoa amin'ny Ray.
Tsy misy fitsitokotokoana intsony mantsy amin'ny andro hahatongavan'ilay fanjakan'ny zanak'ondry, ka tsy aleo ve hatomboka dia ny ety an-tany izany e! Mba samy hamonjy ny tranon'Andriamanitra daholo ny zanany rehetra.
Marina fa mbola misy hevitr'olombelona ihany ao amin'ireny fiangonana ireny, nefa na izany aza, tsy midika akory izany fa rehefa tsy mitovy amin'izay eritreretinao ny zava-misy ao dia ilaozanao, henjehinao ilay fiangonana. Tadidio fa mahalala ny zava-misy rehetra ao amin'ny fiangonana ny Tompo ( Apok.2 ), fantany daholo ny ao an-tranony ary manome hafatra ho an'ny fiangonany hatrany Izy.
Jereo ny fiangonan'i Sardisy ( Apok 3:1- 22 ) , na fiangonana maty aza, tsy nisy tanteraka sy vita izay asa mba nampanaovin'ny Tompo azy; dia mbola nisy olona vitsy tao izay tsy nandoto ny fitafiany ary tsy niala tao amin’ilay fiangonana maty. Hitan'i Jesoa ireo ary navahany hiara-mandeha aminy; hitafy lamba fotsy satria mendrika izy ireo. Ny olona manko mijery hoe maty io fiangonana io, dia lasa miala ao izy, ary atao batisa in-dimy ny sasany isak’izay miova fiangonana. Tsy izany anie no tenin’ny Tompo e! Ataon’ny Tompo hoe fiangonana maty mihitsy io fiangonana io, fa na izany aza dia misy olona fantatr’i Jesosy ao satria Izy no lohan’ny fiangonana.
Ny fiangonana tao sardisy, tamin’izany fotoana izany aloha dia mazava fa tsy mbola nisy denomination, tsy mbola nisy koa ny atao hoe pape. Fa ny fiangonana dia iray ihany. Hany ka fantatr’ireo olona ireo hoe fiangonan’i Kristy ity ary tsy niala tao izy. Fa izao kosa: tsy nanaraka ny fanaon’ny olona tao izy, fa niaina niaraka an’i Kristy. Ho vavolombelona anie ianao e! Ny fifindrana fiangonana, mifindra mankatsy dia mifindra mankaroa, izany moa no mitranga amin’izao fotoana izao. Fa ho an’ny olona mpifindrafindra fiangonana, tsy ny fiangonanana akory no mamonjy anao. Tsia, fa ny fihazonanao ny famonjena izay nomen’i Kristy anao sy ny fankatoavanao ny tenin’ny Tompo.
Indro misy olona iray ataoko hoe marary izy. Malemy ny tanany, kanefa ny tenany manontolo dia eo ihany. Tsarovy, fa ny anjarantsika dia ny mitana ny lamba fotsy izay notafianao. Ny fandraisanao ny famonjena noraisina tao amin’i Kristy, izany no anjaranao, ary noho izany, na inona na inona filazan’ny olona ity fiangonanao ity, tsy ny fifindrana fiangonana akory, tsy izany akory no famonjena. Fa na ohatra aza ka mandeha atsy ianao dia atao batisa, mandeha aroa ianao de raisina ho mpandray, tsy izany no famonjena anao, fa ny hamonjena anao dia ilay Kristy izay maty nisolo heloka anao teo ambony hazo fijaliana.
Misy olona vitsy aty aminao aty sardisy tsy mba nandoto ny fitafiany. Olom-bitsy eo amin’ny fiangonanao anie ianao, ka na sanatria tsy manaraka ny tenin’Andriamanitra aza ny fiangonanao, ianao kosa hanaraka ny tenin’Andriamanitra, tsy hankatoa izay rehetra manohitra tenin’Andriamanitra, na iza na iza miteny izany, fa ny tenin’Andriamanitra ihany no arahinao. Fiangonan’i sardisy, nanana anarana ho velona kanjo efa maty, saingy nisy olom-bitsy tao niaina tamin’ny fahamasinana niaraka tamin’ny Tompo. Tsy ny fialana ao amin’ny fiangonana ao no hamonjena anao, fa ny fihazonanao ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany
Hebreo 10:25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro
22. manoasoa
(
16/07/2013 10:47)
Hebreo 10:25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro
[size=20]VATSIM-PANAHY:[/size] Toriteny nalaina tao Epistily nosoratan'i Paoly ho an'i Hebreo. Hebreo 10/25 Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka hitanareo fa mihantomotra ny andro.
Ny fiangonana resahantsika eto dia ilay Fiangonana:
@teny Frantsay assemblée
@teny Hebreo Fiarahan'ireo olom-boantso
Ny Kristianina eo am-piandrasana ny andron'i Jesoa Kristy dia miaraka miangona:
1- Mba hifananatra hatrany => Efa atomotra ny andro hiaviNY ka isika rehetra dia mila miaraka mifampitantana hatrany any @fiarahantsika miangona hanatratrarantsika ilay Paradisa.
2- Tsy toy ny fanao ny sasany => Maro ny milaza ho Kristianina no manadran-tena,mieboebo,mireharehaany @fiarahantsika miangona nefa tsy ny @izany no iantsoana antsika tena Kristianina. Ary tsarovy fa Andriamanitra mahalala ny fo sy voa ka tsy hisy ho afaka miala @fitsaraNY isika.
Tsy vahaolana ny fisitahantsika @Fiangonana fa mila isika mijoro hatrany mba hifananatra fa tsy ho mpilaza tena ho Kristianina fotsiny fa mba ho tena Kristianina eken'Andriamanitra.
Amen
