Traikefa fitsaboana any Gasikara

1. saho ( 27/06/2013 12:10)
Raha mandinika za dia mahatsapa fa be dia be ireo Malagasy maty Tanora a partir de 40 taona sy eo ho eo 60 taona eo
Ny antony mahatonga izany dia ny mbola andalampandrosoana ny fitsaboana misy any Gasikara, indrindra moa ireo olona izay tsy manambola hividianana fanafody sy handehanana any doc malaza ho mahay toa ny hoe ho any Profesoara
Ohatra iray raisiko ity, olona misy Tension dia tokony mihinana fanafody mandrapahafatiny, izay tsy milaza fa hoe marary mafy fa mba hisoroana le tapaka lalandra tampoka, na koa olona misy siramamy ambony ny ra (diabete) mila mihinana fanafody koa mandrapahafatiny fa tsy hoe kosa hoe marary mafy, ary io koa dia hisorohana le tapaka lalandra tampoka
Ireo aretina roa ireo no tena mahafaty tampoka, kanefa misy azo hisorohana izany raha tena miasa ny ministeran ny fahasalamana, manome halalana fa mahazo maka ra maimaimpoana ny olona teratany Malagasy tsirairay ao anatin ny 3 volana, ny fizahana ra (sang) matetika no hahafantarana ny aretina misy ao anatin ny fahasalaman ny olona iray, fa tsy hoe rehefa marary mafy tafiditra hopitaly le olona vao atao Analyse ra(sang), misy aza ny toejavatra ohatran izany efa tsy voavonjy intsony le marary fa Tonga dia maty
Mba mandalo ao WWW.midimadagascar.mg mijery ny filazana manjo (Necrologie) dia mahatsapa fa be dia be ny Malagasy maty tanora
Aleo misoroka toy izay mitsabo
Ny fomba kristiana dia misy milaza angamba hoe efa izay ny anjarany, efa anjarany ny maty, fa raha fomba fijery hafa dia hoe tsy ampy ny fitsaboana sy fitaovana sy fanafody sy fahaizana...mbola andalampandrosoana ny fitsaboana any Gasikara
Izay te hiofana hanao dokotera medicine dia mazava ho azy, mijereva sy mandalavo matetika ao wikepedia eto Internet manao recherche ohatra ireo aretina tosidra sy ra misy siramamy ireo
mazotoa daholo
novalian'i bichette ny 21/08/2013 15:34
2. voromailala ( 27/06/2013 13:43)
Misaotra an'i saho amin'izay fanomezana vaovao izay.

Ny zavatra hitako izany amin'ny izao fotoana dia ny malagasy manenjika ny fandrosoana aty ivelany ary ny vazaha dia manenjika ny natioraly any Madagasikara.

Fanazavana:

Amin'izao fotoana aty andafy dia manomboka mihena ny fandehanan'ny olona any amin'ny dokotera fa indrindra ny fihinanana fanafody noho ny vokadratsy hateraky izy ireny amin'izao fotoana izao (ohatra Mediator, Pillule 3e,4e, generation,sns....).

Lasa manantona Homeopathe, Naturopathe, Medecine Chinoise, energeticien...medecine douce izany ny vazaha ankehitriny. Misy mampiasa ny Huille Essentielle vita avy any Madagasikara ihany koa sns.......

Nisy aza moa dokotera Malaza ao paris nanoratra boky mihintsy momba an'izany izay Best Seller ao amin'ny FNAC (fivarotana boky, sy fitaovana sns... aty Frantsa), izay nanaovako lohahevitra eto.

Dia ny mahagaga indray fa mihatombo ny Malagasy mihinana fanafody indrindra moa fa ilay fanafody tension à vie.

Ohatra hoe Malagasy te hiaina amin'ny fiainana aty andafy nefa ny vazaha te hiaina ny fiainana any Madagasikara.

Ary tsy ny fanafody ihany fa na resaka sakafo koa aza indraindray toa torak'izany.










3. saho ( 27/06/2013 14:19)
Diso hevitra ianao, ireo karazana aretina roa ireo no tena matetika misy ary mpahazo ny malagasy maty tampoka, avereno vakio tsara, ary efa nanontany tena za hoe fa maninona ny malagasy ny akabeazany maty tanora, tsy mahatratra taona Lava
ny aty andafy, aty aminay dia efa mandroso ny fitsaboana, b d b ny antitra aty, ny resaka fitsaboana mandroso no maha ela velona azy, efa mahatratra 80 taona miakatra ny allemand zao, raha mahavita ny Malagasy ny Homoepathie sy ny zavamaniry rehetra dia mino za fa tsy hamaky hoe olona tanora mbola kely taona daholo no hitako ao filazana manjo ao www.midimadagascar.mg, zavamisy io fa tsy foronona, ary ny fototry ny fanafody koa mbola samihafa, base medicament eny pharmacie rehetra eny, na aty andafy hafa ny composition chimique le fanafody sy ny fiantraikany, tsy mitovy ny fanafody vita avy any chine sy inde sy any tany arabo
mazotoa daholo
voromailala:

Misaotra an'i saho amin'izay fanomezana vaovao izay.

Ny zavatra hitako izany amin'ny izao fotoana dia ny malagasy manenjika ny fandrosoana aty ivelany ary ny vazaha dia manenjika ny natioraly any Madagasikara.

Fanazavana:

Amin'izao fotoana aty andafy dia manomboka mihena ny fandehanan'ny olona any amin'ny dokotera fa indrindra ny fihinanana fanafody noho ny vokadratsy hateraky izy ireny amin'izao fotoana izao (ohatra Mediator, Pillule 3e,4e, generation,sns....).

Lasa manantona Homeopathe, Naturopathe, Medecine Chinoise, energeticien...medecine douce izany ny vazaha ankehitriny. Misy mampiasa ny Huille Essentielle vita avy any Madagasikara ihany koa sns.......

Nisy aza moa dokotera Malaza ao paris nanoratra boky mihintsy momba an'izany izay Best Seller ao amin'ny FNAC (fivarotana boky, sy fitaovana sns... aty Frantsa), izay nanaovako lohahevitra eto.

Dia ny mahagaga indray fa mihatombo ny Malagasy mihinana fanafody indrindra moa fa ilay fanafody tension à vie.

Ohatra hoe Malagasy te hiaina amin'ny fiainana aty andafy nefa ny vazaha te hiaina ny fiainana any Madagasikara.

Ary tsy ny fanafody ihany fa na resaka sakafo koa aza indraindray toa torak'izany.











4. voromailala ( 27/06/2013 14:53)
Marina fa hoe mihaela velona ny olona aty amin'ny tany andalampandrosoana, fa velona aratsimika sisa,velona mangozohozo, mihinana fanafody, asa raha hitanao ny fahasalaman'ireny olona ireo amin'izao fotoana zao.

Tsy ohatra ny 100 taona mahery any amin'ny Nosy okinawa, tsy mihinana fanafody fa mbola matanjaka tsara, ary maty natioraly, satria manana fomba fisakafoanana arapahasalamana.

Tsy manda ny fisian'ireo aretina ireo za, fa ny fanontaniana tena tsara hapetraka araka ny filazan'ilay Dokotera nanoratra ilay boky noteneniko io dia inona no fototr'ireo aretina io?

Resaka sakafo sy tsy filaminatsaina hoy ilay Dokotera io no mahatonga ny ankamaroan'ny aretin'ny olona.

Koa asa raha izay no mahafaty ireo tanora Malagasy? fa mino aho fa raha miova ny sakafo sy fomba fisakafoanana (ahena ny hena, sira, siramamy, sakafo simika fa mihinana Fruits sy Legumes, ary manao zavatra manala stress toy ny Pleine conscience na meditation) mety tsy hofaty tanora izy ireo.



5. voromailala ( 27/06/2013 14:56)
Inty no porofo aratsiantifika nataona Dokotera iray amin'ny fanenana ny aditsaina amin'ny alalan'ny Pleine conscience, méditation.
6. Nehemiah ( 01/07/2013 14:17)

saho:
Ny fomba kristiana dia misy milaza angamba hoe efa izay ny anjarany, efa anjarany ny maty

Ity anank1 ity no tsy azoko : aiza @ fampianaran'i Kristy no misy inona na inona tokony hitarika ny olona hanana an'izao eritreritra izao ?
7. saho ( 01/07/2013 16:38)
nemeriah,
tantara Lava be tena tsy ho voatanisako eto raha holazaiko anao ny histoire tamin ny tranga moyen Age taty toerana nipoiran ny fiainana kristiana, indrindra fa avy ao Jerosalema ka mandrapahatonga any Rôma. Taloha tamin ny taona moyen Age dia nafangaro mihitsy ny fitondrana Religion kristiana sy ny fitsaboana, roa miaraka ireo, ary b d b aza ny hopitaly voaforona irony toby irony, tsy aiko ny fandikana azy Amin ny teny malagasy
Niainga avy aminy zavamaniry na taloha na ankehitriny, mbola misy le fitsaboana ohatran ny taloha be, ny fisehoany Amin ny firenena samihafa fotsiny samihafa
Amiko dia ataoko hoe qualité de vie le hoe fivoarana eo Amin ny fiainana rehetra
Raha nijanona toa moyen Age teto Europe dia mety tsy hisy ny fahatsarana ny resaka fitsaboana, ankehitriny mandroso tokoa, kanefa na dia izany aza tsy azo lazaina hoe haharitra eto antany mandrakizay ny tsirairay. Ny finoana kristiana misy foana koa na aiza na aiza, fa le fandraisana andraikitra mivantana, io gambany no mbola tsy ampy Amin ny fomba fisainana maro miseho any Tier monde. Mino an i Kristy ny kristiana, ka amiko dia angamba hoe fitiavana ho an ny mpiray tanindrazana amiko zao hizarako sy hanoratako izao, fa tsy hoe fanambaniana akoryy, ilaina ny ady hevitra. Raha resaka finoana no andraisana azy eto dia hoe tiako tahaka ny tenako ireo mpiray tanindrazana amiko, raha resaka fitsaboana dia tsy ampy fandraisana andraikitra ny tompon andraikitra manana fahefana mahay sy marina
Mazotoa daholo
8. Nehemiah ( 02/07/2013 14:59)
Misaotra ho an'ny fanazavàna.
Eto angamba dia misy fiheveran-diso kely tokony ahitsy, dia ny mihevitra fa finoana kristiana au sens propre (izany hoe mandala ny fampianaran'i Kristy) ny finoana tany Eorôpa t@'izany andro izany. Mbola ny katôlisisma no nanjaka, ary fantantsika fa maro ny fehin-kevitra @ finoana katôlika no tsy mifanaraka @ fampianaran'ny Baiboly.

Tsy kisendrasendra ny fifanandrifian'ny Fanitsiam-Pivavahana sy ny firoboroboan'ny siansa tany Eorôpa : izay voa nahafantatra ny sarambabembahoaka fa nomen'Andriamanitra alalana sy baiko hanjaka ny voary rehetra ary tontolo voafehin'ny lalàna tsy miova izao tontolo izao, araky ny filazan'ny Baiboly. Finoanoam-poana izany ny finoana ny fatalité, ary tsy mitarika ny olona ho fatalistes mihitsy ny finoana kristiana tena izy, voa mainka ary mitarika ny olona hijoro ho an'ny soan'ny fireneny, araky ny nataon'i Martin Luther King. Izay koa no nahatonga ny mpino maro ho maritiora.
9. endriny ( 09/07/2013 06:01)
Ny sakafo no loharanon'aina, koa rehefa tsy ampy ny sakafo na tsy tomombana dia faharariana lava ny olona, na atao mora toa inona aza ny fanafody, na ho zaraina maimaim-poana aza, rehefa ny foto-tsakafo no tsy ampy dia tsy misy azo ataon'ny dokotera sy ny mpitsabo.

Na ho atanao hitovy ny any Japana sy Etazonia aza ny hopitalintsika, rehefa ny olona no noana dia tsy isy zavatra hiova eto, fa na ny dokotera aza noana lava...
10. bichette ( 21/08/2013 15:34)
aty andafy afaka misoroka : manao depistage sy azo tao tsara ny mangataka amin'ny dokotera hoe "za te hanao bilan sanguin" , dia tonga dia hanaovany. Ka misy aretina avy dia hita ! prise en charge par la securité sociale sy ny mutuelle raha miasa ny fitiliana. Ny any Mada indray, tsy manambola sady tsy voataiza amin'izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1392