fibroscopie

1. shannie ( 23/06/2013 05:57)
tsy nahazaka ilay fanafody nomen'dokotera fa mahery be ilay izy, dia asainy manao fibroscopie, mba misy afaka manazava ve oe aôna ny tena fandehan ilay fibroscopie? ilay dokotera mantsy kizitina be sady masik, tsy mba manazava tsara fa avy dia oe marary vavony ianao? manao fibroscopie zany. mba tiko fantatra ilay izy fa miroroa saina be za, oe ataoko ve le izy sa aona? za tsy le parary vavony be ireny fa ilay fanafody mahery nomeny ahy no nampandoha ahy. mila miomana iany mantsy ny saina. ny henoko dia oe diovina ny vavony dia ampidirana thyau ao ambava mankany @ vavony, sady mataotra iany aho. rehefa olona maharary vavony ve dia atao izany avokoa? misaotra anareo sahady mamaly. @ko izany mpitsabo marary izany tokony hahay handray marary sy mahay miresaka tsara @ marary fa tsy oe sady efa marary ilay olona no mbola kitakitaina iany, mampalaelo.
novalian'i shannie ny 24/06/2013 11:06
2. pisoonja ( 24/06/2013 08:14)
Angaha tsy maintsy izy no dokotera aloha shannie a! amiko mantsy izany dr izany tokony ho confiant 'nao satria izarana ny marary sy ny mavesatra rehetra ka tsy hitako loatra ny antony tokony hampasiaka azy , manambitamby anao ary no tokony hataony handresy lahatra anao koo
3. voromailala ( 24/06/2013 09:26)
Ny dokotera dia tsy nianatra ny fijerena ny olona marary amin'ny ankapobeany (vatana sy saina ary fanahy) toy ny "médecine holistique"ary tsy mitsabo ny fototry ny aretina fa manasitrana fotsiny (Misoigner izany fa tsy Miguerir).

Aza omena tsiny loatra izy raha ohatra izany ny fiasany, ny nampianarina azy dia mijery hoe inona ny aretina mahazo anao amin'izao fotoana izao, dia mijery izy hoe inona no fanafody afaka omena anao dia izay. Efa taranja hafa "Psychologie" indray ny dokotera mandinika fahatezerana sns....

Ny sosokevitra harosoko izany dia na ianao mahatoky ilay dokotera dia tsy matahotra fa miroso hatramin'ny farany na miova dokotera izay eritreretinao fa hatokisanao kokoa tsy hatahoranao.

4. shannie ( 24/06/2013 11:06)
misaotra, misy dokotera efa mahazatra ahy mihintsy, sady mahay mandray tsara ny marary izay tonga ao @ny izy saingy tsy teo mihintsy izy dia tsy nahandry azy aho ka tsy maintsy nijery dokotera tany @ hopitaly, nanao douleur abdominale aho. efa nazavaiko izy oe tsy mahazaka compimé raha betsaka, nefa vao maika comprimé 12pcs par jour no nomeny ahy, nihinana 2jrs za d nia narary sady nandoha be na dia éfa nisotro rano betsak aza. niverina tany aho niteny oe tsy zakako ilay comprimé, avy dia asainy manao le fibroscopie za rahampitso 25. mitombona ve zany??? ilay douleur abdominale tsisy fiovany fa mbola marary, nolazaiko azy dia mbola asainy miinana paracetamol indray za, nefa tsapako toy ny misy mivonto anaty kiboko ao. tsy nasiany resaka fa TAPITRA. sady mamaky taratasy hafa izy no miresaka @nao dia miondrika ao, otran tsisy dikany mints enao eo anatrehany. tsy tia iverina any @ny intsony aho, fa sady very vola no mbola aretina indray no azoko miampy fahasorenana :-( . dokotera tsy mamely...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5464