Tondra-drano @ Ranomasina Mainty fotsiny ve ny Safo-drano ?
1. Nehemiah
(
17/06/2013 08:13)

Robert Duane Ballard no anaran'itony rangahy itony, Bob Ballard ho an'ny namany. Mety efa nahita azy ny olona izay nanaraka ny série "Seaquest" miaraka @ Roy Scheider (ilay mpilalao @ "Les dents de la mer").
Arkeôlôga ambany ranomasina no asan'i Ballard. Ny tena mampalaza azy dia ny nahitany ny sisan'ny Titanic rendrika. Kanefa misy zavatra hafa mampalaza azy : nilaza izy fa nahita porofo fa tsy inona akory ny Safo-drano t@ andron'i Noa tantarain'ny Baiboly fa tondra-drano goavana be tany @ faritra rakofan'ny Ranomasina Mainty ankehitriny.
T@ 1999, nizaha ny ao ambanin'ny Ranomasina Mainty @ alalan'ny robot mandeha ambany rano i Bob Ballard. Nitady famantaran'ny hamarinin'ny teôria izay novelabelarin'ny mpahaibolantany (géologues) Ryan sy Pitman t@ boky.
Milaza ireto zalahy 2 lahy ireto @ bokiny fa nahita famantarana fa farihin-dranomamy, misy lasy @ tany lemaka manamorona azy, ny Ranomasina Maintsy taloha. Mametraka petra-kevitra fa, aorianan'ny fahafenoan'ny Ranomasina Mediteranea rano avy @ glaciers be nitsonika t@ faramparan'ny Âge de Glace, nisy rano avo dia avo nirohoka tampoka manaraka ny Bosphore ka nanondraka ny lasy ary nanery ny mponina hifindra monina. Milaza izy ireo fa izay no Safo-drano tantarain'ny Baiboly.
Mazava loatra fa tsy inona akory izay fa vinavina feno fahasahiana sady tsy misy fotony. Tsy misy inona na inona mampitovy ny tondra-drano t@ Ranomasina Mainty @'ilay Safo-drano goavam-be sy mampivarahontsana tantarain'ny Baiboly. Diso ary feno eboebo koa ny filazan'izy ireo fa version'ny tondra-drano t@ Ranomasina Maintsy nivadika ho angano ny fitantaran'ny Baiboly.
Tsy manazava mihitsy ny antony nampisy anganona safo-drano @ toerana alavitra be tahaky ny Aostralia sy ny Amerika Avaratra ny petra-kevitr'izy ireo. Ny tena marina dia ireny anganona safo-drano ireny no fahatsiarovana ny Safo-drano izay nitranga indray mandeha monja t@ andron'i Noa, fa saingy tontan'ny ela ka niovaova.
Fa tsy vitan'izay. T@ 2002, nisy ekipana manam-pahaizana ara-bolantany avy any Canada, USA, Royaume-Uni sy Turquie izay nanadihady an'ilay petra-kevitra nivantana tany @'ilay toerana ka nanipaka ny fisian'ny tondra-drano tany @ Ranomasina Mainty. Nanao sondages sismiques, carrotages, fidatiana karbôna 14 ary nijery fôsily izy ireo, fa tsy misy inona na inona izay nifandraika t@ petra-kevitry ny fikoriana rano masina mandoza avy @ Ranomasina Mediteranea mianavaratra mankany @ Ranomasina Mainty. Ny tena marina dia nikoriana mianatsimo (ilay rano manjavo) avy @ Ranomasina Mainty mankany @ Ranomasin'i Marmara hatr@ andro fahagola ny rano.

Ka aza mety rebirebena @ filazan'ny sasany fa tsy inona akory ny Safo-drano @ Baiboly fa tondra-drano tany @ Ranomasina Mainty ianareo. Ny porofo antitranterin'izy ireo dia tsy mba poron'ny Safo-drano tantarain'ny Genesisy. Raha hitady porofon'ny Safo-dranon'i Noa ianareo dia jereo ny Grand Canyon. Jereo ny Monument Valley. Jereo ny Chaussée des Géants (Irlande). Jereo ny sosona tanimena izay miparitaka eran'i Madagasikara. Jereo ny habetsaky ny calcaire any @ Tsingin'i Bemaraha. Loza [i] naneran-tany ny Safo-drano, fa tsy tondra-drano t@ toerana 1.
novalian'i Nehemiah ny 19/06/2013 07:04
2. endriny
(
17/06/2013 14:46)
Nehemiah:
Jereo ny Monument Valley. Jereo ny Chaussée des Géants (Irlande). Jereo ny sosona tanimena izay miparitaka eran'i Madagasikara. Jereo ny habetsaky ny calcaire any @ Tsingin'i Bemaraha. Loza [i] naneran-tany ny Safo-drano, fa tsy tondra-drano t@ toerana 1.
Hay ve ny safo-drano no niavin'ny tanimena e?
Faharoa fa oviana tokoa ny atao hoe andron'i Noa? Angano no natao hinanadrify tamin'ny safodrano tany Israely.
Fa raha ireo tanimena ireo no lazainao dia talohan'ny nisian'ny olona no efa nisy ireo...
Dia ahoana ireo tangorom-bohitra amin'ny hantsan'i Betsimisaraka sy Anjafy, Anosy, faritra atsinanan'i Amerika avaratra, izay toerana antitra indrindra teto ambonin'ny tany no tsy misy nahitana izay lazainao fa safodrano izany (transgression)
Dia ilazao koa arak'ilay pasitera iray izay hoe: "Ambon-drano tamin'ny safodrano fahizany hono io eo Betsimitatatra io, fa tena mahavariana ny manam-pahaizana mihintsy fa ety ambony havoana ety no misy heniheny lehibe tahaka izao..."
3. endriny
(
17/06/2013 14:57)
Misy teny iray izay mba haiko ka mahakasika ny finoana sy ny zava-misy ihany milaza hoe: "Raha misy zavatra tianao afenina amin'ny mainty hoditra dia soraty"
4. Nehemiah
(
17/06/2013 14:57)
Ie, ny safo-drano no niavian'ny tani-mena.
Ary mba fantatrao ve fa nahitàna pollen io faritra atsinanan'i Amerika avaratra lazainao io ? Kanefa milaza ny manam-pahaizana mpandala evôlisiona fa mbola tsy nisy akory ny zavamaniry t@ 1,3 miliara taona lasa :) .

5. endriny
(
17/06/2013 15:27)
Nehemiah:
Ie, ny safo-drano no niavian'ny tani-mena.
Ary mba fantatrao ve fa nahitàna pollen io faritra atsinanan'i Amerika avaratra lazainao io ? Kanefa milaza ny manam-pahaizana mpandala evôlisiona fa mbola tsy nisy akory ny zavamaniry t@ 1,3 miliara taona lasa :) .
Ny tangorom-bohitra no lazaiko anao fa tsy ny lembalemba.
Nga ianao mino ny fidatiana carbon indray eh?
Ny anao dia toa izay hevitra mahasosoa ny hevitrao fotsiny no vohizinao eto, fa tsy ilay antota-kevitra amin'izy manontolo.
Tsy misy tanimena niforona avy amin'ny tondra-drano izany fa ny fasika sy ny tanidilatra dia misaraka rehefa ao anatin'ny rano... lesona T5
6. Nehemiah
(
18/06/2013 08:38)
1°) Tsy hay ahazoana daty mihoatra ny 1 tapitrisa taona lasa ny C14 satria 5 760 taona monja ny antsasa-piainany.
2°) Tsy nilaza mihitsy aho fa mino ny daty avy @ fidatian'ny evôlisionista fa nampiasa ny foto-pisainanao mba hanehoana anao fa mifanipaka ny foto-pisainanao :) .
3°) Ny fotaka voatsindrin'ny ranon'ny Safo-drano sy ny dilatra eo amboniny no nanjary tanimena.
4°)
Eto dia mitifi-tena ianao satria nampisaraka ny fasaka sy ny tanidilatra ary ny fotaka ny rano marian'ny Safo-drano : rano maria mikoriana mafy no afaka mampisaraka ny karazana dilatra samihafa ho sosona mifanandrify tsara tahaky ny hitantsika @ Grand Canyon, tahaky ny fanosorana dobera ny mofo.

7. endriny
(
18/06/2013 14:02)
Nehemiah:
1°) Tsy hay ahazoana daty mihoatra ny 1 tapitrisa taona lasa ny C14 satria 5 760 taona monja ny antsasa-piainany.
Ahahahahahha, ianaro tsara aloha ny lesona hoe ahoana no fomba fikajiana ny daty amin'ny C14, fa mbola tsy ampy io. Dia ataovy tsara ny kalazy, ahitsio tsara ny bima amin'ny difraktora, sa santorifioza no ampiasainao, izay ampiasainao tsy maninona e.
Nehemiah:
Eto dia mitifi-tena ianao satria nampisaraka ny fasaka sy ny tanidilatra ary ny fotaka ny rano marian'ny Safo-drano : rano maria mikoriana mafy no afaka mampisaraka ny karazana dilatra samihafa ho sosona mifanandrify tsara tahaky ny hitantsika @ Grand Canyon, tahaky ny fanosorana dobera ny mofo.
Ny tanimena tompoko dia tsy atsanga avy amin'ny safo-drano na fikorianan-drano, fa kosa vokatry ny fahalovan'ny vato sy ny vy an-tapitrisany taona.
Ny tanin'ny safo-drano, na nandalovan'ny renirano, na farihy dia manatsanga daholo.
Tsy andeha lavitra ho any Grand Canyon aho, fa ny tany mbola tsy hitako, fa Isalo sy Bemaraha noteninao dia an-tapitrisany taona no safotry ny rano, saingy miakatra tsikelikely ny ahavon'ny tany ary midina tsikelikely ny fanambanin'ny ranomasina amin'ny toerana sasany. Ka raha velona an-tapitrisany taona I Noah dia ilazao izahay hoe ahoana no nivelomany an'arivo taona monja, fa mba te ho velona toa azy izahay...
Efa ilazana ianao fa ny Israelianina nandevozina nandidy vato tany Egypta no nahita ireo aloka (Faosily) tamin'ny takela-bato ka nametraka ny genesisy.
10. Miharena
(
19/06/2013 02:32)
Raha ny Baiboly no hamarinina fa tsy miteny ho azy dia lasa tsy marina ry namana isany.
11. Nehemiah
(
19/06/2013 07:04)
Miharena >> Non sequitur.
Sady ny Baiboly dia ampitahaina @ sabatra, ary tsy misy ilàna azy ny sabatra raha tsy avoaka avy @ fourreau. Vakio anie ny Asa 2 : tsy manao afa-tsy ny miantso porofo izay efa fantatry ny olona resahiny i Petera mba hanaporofoana fa efa nitsangana t@ maty i Kristy.