Marary tsy azo amindrana ra hono fa sao ifindran'ny devoly avy amin'ny ran'ny olona mpanota
21. vony501 (
12/06/2013 07:01)
mirananirina:
vony501:
endriny:
Finoana re izany Tompoko o. Saingy mody alefa mividy fanafody ny havany dia omena fanafody fampatoriana izy, dia ampidirana ra ihany noho ny fo mangoraka, fa olona tanora dia ho faty sahady.
Dia nony sitrana dia fotoam-bavaka be tsy nisy ohatran'izany fa nositranin'i Jehovah hono izy... Dia mihomehy ny pokona...
Risika ihany izany ataon'ny mpitsabo izany an! ary raha sanatria moa ka maty ihany ilay marary, ary fantatry ny havany avy eo fa nampîdirana rà antsokosoko izy?
Izaho manokana aloha tsy temoin de jehovah (izy ireo no manana io finoana mikasika n y rà io), saingy manaja ny finoan'ny hafa aho, ka raha izaho no mpitsabo dia navelako tamin'izao izy rehefa izay no maharesy lahatra azy
Tsy hitako izay risika ataon'ny mpitsabo @ izany! Diso izy raha toa tsy namonjy ireto marary nefa efa nanao voady fa hitsabo. Rehefa marary dia tsaboina tsy mila finoana izany rehefa hita fa izay no mety ahasitrana ilay olona.
Midera sy misaotra izany mpitsabo izany ny tenako namonjy aina.
Ny fampidirana rà dia mila consentement'n'ilay marary sy ny fianakaviany, toy ny fandidiana ihany. rehefa tsy manaiky ny marary sy ny mpanaraka azy, dia tsy azo atao fa alefa mody izy ary asaina manao taratasy manala andraikitra ny mpitsabo
Ny fampidirana rà dia mila consentement'n'ilay marary sy ny fianakaviany, toy ny fandidiana ihany. rehefa tsy manaiky ny marary sy ny mpanaraka azy, dia tsy azo atao fa alefa mody izy ary asaina manao taratasy manala andraikitra ny mpitsabo
Ny consentement dia tsy maintsy ilaina raha toa ka ilay misy risika ny fanaovana ilay operation na ny fanaovana grefy na fampiasana fanafody izay fantatra fa mety hitarika fahatesana na mbola tsy tena voarindra tsara. Fa raha ny mpitsabo mahita fa izao dia velona io olona io dia ataony izany hamelomana ilay olona.