Misy angano iray fitantarana RR taminay taloha RR ara-panahy io a

1. endriny ( 09/06/2013 04:49)
Ny antony tsy azo itondrana ny kominio mivoaka ny fiangonana sy ny tokony hanajana azy.

"Indray andro (araka ny tantara io a), dia nisy ankizy lahy kely te mba ahafantatra fa vatan'i Kristy tokoa ny kominio. Ka dia rehefa nandray izy, dia noraisiny tamin'ny Tanana ary dia nasitriny tany am-paosiny. Rehefa tonga tany an-trano izy, dia mba te hitsapa marina raha tena vatan'i Kristy marina ity sila-mofo nentiny. Koa dia naka fanjaitra izy, ary dia notsidrominy ilay kominio. Akory anefa ny ahatairany fa nivoaka ra ilay kominio ary nanafotra ny trano nitoerany ka dia maty ilay zaza lahy".

Io no tantara nambara anay fony kely. "Fampitahorana tsy roa aman-tany" no sady "Lainga". Fa dia natahotra sy nanaja kominio tokoa satria tsy te ho faty toa ilay zazalahy kely. Nefa dia RR am-panahy no milaza an'io a

Mino aho fa maro tamintsika no efa nilaza io angano fampitahorana io, ary dia nandraikitra an'io tao an=tsaina tokoa tamin'izany.

Izany no santionan'ny finoana misy. Moa tsy toa izany ny afobe

Dia nahoana no io zazalahy io no safotry ny ra ka maty, fa ahoana ireo mpanala zaza mandray kominio sy ireo mpangatra ary mpamono olona no tsy tonga dia safotry ny ra ny kibony sy ny tsinainy rehefa mandray kominio raha marina io angano io. ahahahahhahahah
novalian'i endriny ny 12/06/2013 19:36
2. Nehemiah ( 10/06/2013 08:34)
lol. Mitovy @ hoe "Aza mandaka rindrina fa mahafaty renibe" :)
3. sitlo ( 10/06/2013 09:21)
Aza mamaly ny ratsy fa mampakany amin'ny afobe.
4. mizara ( 10/06/2013 10:42)

endriny:

Ny antony tsy azo itondrana ny kominio mivoaka ny fiangonana sy ny tokony hanajana azy.

"Indray andro (araka ny tantara io a), dia nisy ankizy lahy kely te mba ahafantatra fa vatan'i Kristy tokoa ny kominio. Ka dia rehefa nandray izy, dia noraisiny tamin'ny Tanana ary dia nasitriny tany am-paosiny. Rehefa tonga tany an-trano izy, dia mba te hitsapa marina raha tena vatan'i Kristy marina ity sila-mofo nentiny. Koa dia naka fanjaitra izy, ary dia notsidrominy ilay kominio. Akory anefa ny ahatairany fa nivoaka ra ilay kominio ary nanafotra ny trano nitoerany ka dia maty ilay zaza lahy".

Io no tantara nambara anay fony kely. "Fampitahorana tsy roa aman-tany" no sady "Lainga". Fa dia natahotra sy nanaja kominio tokoa satria tsy te ho faty toa ilay zazalahy kely. Nefa dia RR am-panahy no milaza an'io a

Mino aho fa maro tamintsika no efa nilaza io angano fampitahorana io, ary dia nandraikitra an'io tao an=tsaina tokoa tamin'izany.

Izany no santionan'ny finoana misy. Moa tsy toa izany ny afobe

Dia nahoana no io zazalahy io no safotry ny ra ka maty, fa ahoana ireo mpanala zaza mandray kominio sy ireo mpangatra ary mpamono olona no tsy tonga dia safotry ny ra ny kibony sy ny tsinainy rehefa mandray kominio raha marina io angano io. ahahahahhahahah


Mampalahelo ahy ianao namana fa ny fahitako anao dia efa mpanompo ihany taloha fa niverin-dalana, tsy tianao ho tapahina tanteraka anefa ny fifandraisanao ara-pinoana amin'Andriamanitra fa eto ianao manaratsy ny finoan'ny hafa sy ny karazam-pivavahana mba hananarana anao sy iantsoana anao hiverina ao amin'ny Tompo.
Tsy dia fanaon'ny olona milaza fa tsy mpivavaka ohatra anao mantsy ny miditra amin'ny forum toy itony fa misy zavatra andrasanao ato. Ka hoy aho aminao hoe: "Tandremo ny miteny ratsy ny Fanahy Masina" fa tsy ho voavela intsony ny helokao".
5. sitlo ( 10/06/2013 16:24)
mizara:

...Tsy dia fanaon'ny olona milaza fa tsy mpivavaka ohatra anao mantsy ny miditra amin'ny forum toy itony fa misy zavatra andrasanao ato...


Raha tsongaiko kely ity valiteny ity na tsy natao ho ahy aza dia izao. Fitiavana
Raha izaho manokana, efa ela aho no mpikambana teto fa tsy nasiko sira mihitsy izany fivavahana sy finoana izany. Hoy mantsy izay silamo mpampianatra anay izay: raha te handany fotoana ialahy isany dia miresaha resaka fivavahana sy finoana, fa efa aman'arivo taona io no teo ary mbola ho eo foana...
Fa nony nahita ireo vahoaka malagasy nandao ny asa aman-draharaha, nandeha nihira fiderana teny amin'ny 13 mai, dia avy eo nentina hamoy ny ainy teny Ambohitsorohitra, dia avy eo nentina "nanala demony" teny amin'ny ministera... Dia tsaroako fa tahaka ny tamin'ny 1991 ihany no nitranga.
Dia lasa aho nanao fanadihadiana tamin'ireo afrikanina namako momba ny zava-mitranga any afrika. Rehefa nitohy ny fandalinako dia hoy aho hoe tsara raha ampahafantarina ny olona ilay izy.
6. Nehemiah ( 11/06/2013 05:49)

sitlo:

Raha tsongaiko kely ity valiteny ity na tsy natao ho ahy aza dia izao. Fitiavana

Lol
7. endriny ( 12/06/2013 19:36)
Dia hitanao amin'ity fiangonana ity daholo ny atsanga tsy aman'orana rehetra e

Ny fiangonana kristianina no manana izany "katedraly taolam-paty" izany. Asa na taolan'iza avy ireo na taolan'iza. Fa fiangonana Kristianina aloha ilay izy.

Dia sao dia mbola hangana iray toa io ary ry zalahy ka izany no mahatonga ity halatra taolam-paty aty Madagasikara ity
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1198