Alahady ny andro
1. endriny
(
09/06/2013 03:48)
Maro ireo mitanjozotra manaraka ny arabe, mianjaika tsara fa hidera an'Atra, tsy maintsy atao hono sao dia menatr'olona. Dia tsy maintsy miafy mandoa rakitra na dia tsy ihinanana ilay tapakapoaka aza aloha sao dia menatr'olona.
Mafy ilay henatr'olona.
Ho hipoka ny fiangonana ary dia ho faly I mopera sy pasitera... oay ireto mpanatitra saosy eh... Misimisia ihany ny fahantrana sy ny fahasahiranana mba hivavahan'ny olona bebe kokoa...Mitady kil

novalian'i endriny ny 10/06/2013 13:42
2. endriny
(
09/06/2013 04:15)
O rey olona mba maka aina aloha fa mbola ho be ny dia an-tongotra atao amin'ny herinandro. Dia mba hividiano ramanonaka sy koba ilay tokony atao rakitra ahamandimandina ny tenda ka hitondra hery amin'ny herinandro vaovao.
3. bor2lais
(
10/06/2013 07:53)
Ahoanao inona izay ataony any fa izay hampitombon-tsaina anao sy hananao fiadanam-po eritreretina ! :-)
4. vony501
(
10/06/2013 13:16)
Ny adala no manao hoe :"tsy misy Andriamanitra". Ary tsy ny amin'izao fiainana izao akory no tena antony hivavahana, fa raha izany dia ianao no farany mahantra indrindra hoy ny soratra masina. Fa izaho sy ny ankohonako, dia ny hanompo an'i Jehovah mandrakariva hoy Joba.
5. endriny
(
10/06/2013 13:42)
vony501:
Ny adala no manao hoe :"tsy misy Andriamanitra". Ary tsy ny amin'izao fiainana izao akory no tena antony hivavahana, fa raha izany dia ianao no farany mahantra indrindra hoy ny soratra masina. Fa izaho sy ny ankohonako, dia ny hanompo an'i Jehovah mandrakariva hoy Joba.
Fa tsy niteny I Joba hoe " Izaho sy ny ankohonako dia isaky ny sabata ihany no mitanjozotra mankany amin'ny tempoly, ary hanao fanatitra..."
Ny an'i Joba dia iainana ary ampiharina amin'ny mpiara-belona ilay finoana fa tsy entina amingavingana ny olona tsy mitovy fandikana ny baiboly amin'ny tena, na entina anaovana hafetsena amin'ny namana sy ny mpiara-belona ny finoana sy ny baiboly...