Ny Safo-drano, fizaràna faharoa

1. Nehemiah ( 04/06/2013 07:52)
Raha ohatra ka nisy tokoa izany Safo-drano maneran-tany izany, ary raha taranaky ny roroa 4 monja isika, ka nisy fotoana ampy iraketan'ireny tranga ireny @ anganon'ny vahoakan'izao tontolo, tsy tokony ho voarakitra @ ankabetsahan'ny kolon-tsaina eran-tany ve izany ? Asio maso kely anie ity sary ity :



Manamarika isika fa tsy mba any @ Proche-Orient akory no tena betsaka ny isan'ny tantaran-tsafodrano fa any Amerika Avaratra, ka tsy azo atao ny mihevitra fa angano niparitaka avy t@ Mezôpôtamia ilay izy !
4-doha ny lohahevitra mampitovy an'ireny tantaran-tsafodrano 240 eran'izao tontolo izao :
1°) Resaka fitondran-tena no nahatonga ny Safo-drano (izany hoe, sazy ilay izy).
2°) Misy "olom-boafidy" ampandrenesin'ny andriamanitra, mba ahafahany hiomana izy sy ny fianakaviany.
3°) Ringana daholo ny biby rehetra, afa-tsy ilay olom-boafidy sy izay biby niaraka t@.
4°) Vorona no manambara fa nisintaka ny ranon'ny Safo-drano.

Jereo @'izay ary ireto olona mitovy @ Noa @ mitôlôjia vitsivitsy:
- ho an'ny Sumériens dia Ziusudra no anaran'ilay olom-boafidy.
- ny an'ny Akkado-Babyloniens indray dia Utnapishtim no anarana. Épopée de Gilgamesh no anaran'ilay angano mifandraika @ tantaran'i Noa @ mitôlôjia babylôniana. Mahatsikaiky fa goba (cube) tsotra izao ny Sambofiara @ tantaran'i Gilgamesh. Izany ve dia tsy ho voahodikodin'ny ranomasina maria tahakan'ireny taikely ireny :) ? Ny tena Sambofiaran'i Noa kosa dia tsy afaka miondrika mihoatra ny 2° na dia maria toy inona aza ny rano, ary na dia niondrika 60° aza dia tsy mivadika mihitsy.
- ny an'ny mpanjakan'ny surf, izany hoe ny Hawaïiana, Nu'u no anarany (tsy mampahatsiahy inona na inona mahazatra antsika ve izany ?). @ angano hawaïiana koa dia manisy avana @ lanitra i Kane andriamaniny ho famantarana ny fankasitrahany.
- ny an'ny foko sinoa Miao (Chine atsimo atsinanana) dia vao mainka mahatalanjona rehefa dinihina miaraka @ "solomaso ara-Baiboly" ilay izy :
* ny an'azy ireo dia mitondra anarana midika hoe "Patriarkam-bovoka" (Adama ve ?) ny Patriarka voalohany, ary izao no anaran'ny taranany :
* Lu-Su (Lameka ve ?)
* Se-Teh (Seta ve ?)
* Nu-ha (tsy mampahatsiahy inona na inona mahazatra antsika ve izany :) ?), izay nanana taranaka miantso hoe :
* Lo-Han (Hama ve ?)
* Lo-Shem (Sema ve ?)
* Ja-Fu (Jafeta ve ? Io mantsy no lazain'ny Miao ho razan'ny fokony)
* Ku-Sah (Kosa ve ?)
* He-Lan (Elama ve ?)
Raha mbola aty Chine isika dia nahoana moa raha manararaotra hitsidika kely ny Grande Muraille de Chine isika :) ? 4 500 taona hono ilay izy. Ka jereo anie ity graffiti ity.


Nozarazaraina @ tapany ambanin'ny sary ny pictogrammes ifotony. Ka tsy mampahatsiahy inona na inona mahazatra antsika izany sambo be nisy olona valo izany ;) ?
novalian'i Nehemiah ny 05/06/2013 06:03
2. Nehemiah ( 04/06/2013 07:53)
Ity no rohy mankany @ fizaràna voalohany ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m51ac9ed2a6fce
3. Nehemiah ( 05/06/2013 06:03)
Ity kosa ny rohy mankany @ fizaràna manaraka :

http://forum.serasera.org/forum/message/m51aed448a4538
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0829