Nangatahianareo moa ity angano ity dia aroso ihany
1. endriny
(
31/05/2013 04:49)
Avy eto Madagasikara ny mpanjakan'ny Jiosy iray dia I Salomona raha ny angano. Isalo Mena (Ilay fanahy tokana Mena) no dikany, izay nahitsin'i Sebah ho Suleiman. Ny naha Mena azy dia izy zarazara ka menan'ny taramasoandro hono.
Fony nitrandraka volamena taty amin'ny faritra atsinanan'i Afrika I Sebah dia tojo an'i Madagasikara, ary dia nanakalo sy nitrandraka volamena teto, izay nozohin'ny mpandinika frantsay taty aoriana ny tantarany ka mahatonga azy ireo mbola mifikitra sy mbola mitady mandrak'ankehitriny ilay toerana nitrandrahan'i Sebah ary mbola mino fa tsy maintsy mbola misy ambiny io harena io.
Ny fandalovan'i Sheba teto moa dia voarakitra amin'ny karazam-bilany nentiny izay antsointsika mandrak'ankehitriny hoe vilany saba, ilay vilany varahina miendrika antsasa-bolana.
Ka Isalomona dia lasa nanara-tsambo niaraka tamin'i Sebah na I Saba nitatitra ireo vangy sy volamena avy aty Afrika sy Madagasikara (Hatreto ny lovantsofina sy ny mpikaroka). Saingy rehefa tonga tany Etiopia dia nitodi-doha nianavaratra I Salomona. Asa noho ny volamena nanany dia babony ny fon'ny vehivavy Jiosy 1.000 be izao, ary dia lasa mpanjaka izy. Rehefa nahare io vaovao nahafinaritra io Saba dia nidera an'i Salomona tamin'ny zava-bitany. Teo moa dia tapitra ny tantara tao amin'ny boky tranainy (testamenta taloha).
Fa angano ihany io
Ny anatra netin'i Salomona ho an'i Jiosy indray dia ilay fahariana ny olombelona tamin'ny fotaka (Angano sy anatra Malagasy hatraizatraiza).

novalian'i razafyaina2o15 ny 21/04/2016 10:15
2. Nehemiah
(
31/05/2013 05:25)
Misaotra indrindra fa nahafinaritra. Angano angano, arira arira ^_^.
3. bor2lais
(
31/05/2013 10:06)
Tena mahafinaritra tokoa fa aleo tohizana ihany !
Mety tahaka izao ohatra ny tohiny :
Ka nihira hoe "Sabasaba Zanahary" ... satria somary voan'ny sery be izy (noho ny vovoka mena) !
:-)
Miala tsiny amin'ny izay mety tohina fa mba "entre pa" ;-) fotsiny ny ahy iny !
Mety tahaka izao ohatra ny tohiny :
endriny:
Rehefa nahare io vaovao nahafinaritra io Saba dia nidera an'i Salomona tamin'ny zava-bitany.
Ka nihira hoe "Sabasaba Zanahary" ... satria somary voan'ny sery be izy (noho ny vovoka mena) !
:-)
Miala tsiny amin'ny izay mety tohina fa mba "entre pa" ;-) fotsiny ny ahy iny !
4. endriny
(
31/05/2013 13:51)
Tsy hoe fifandrifiana akory amin'ny maha tantara gasy azy sy ny baiboly, fa na ny fikarohana ara-pilazantsara ankehitriny aza, izay iorenan'ny finoana katolika indrindra indrindra dia milaza fa ny reniran'i Sofia ilay Ophir voalaza amin'ny testamenta taloha faha Saba sy Isalo Mena.
Tsy azo atao moa ny mitondra camera ao amin'ny fitehirizam-bokin'i Roma, milaza ireo rakitra miafina ireo, saingy misy kosa azonao jerena andininy fohy ihany mikasika io tantara io ao amin'ny Annales Franc-Comtoises, Vol 2.
Tamin'ny Jiosy ny niavian'ny olombelona taloha dia anjely nirahina tety an-tany ary dia tamana tsy niverina intsony, fa noho I Saba sy Salomona izay mbola tsaroana amin'ny faritra Isalo izay be safira, aza adino (vatosoa mamirapiratra manenika ny torapasika amin'ny testamenta taloha), dia lasa ilay angano gasy milaza fa fotaka novolavolain'Atra ny olona, dia io no noraiketina amin'ny baiboly genesis.
Tsy niteniteny foana akory I RAtsiraka raha niteny taloha hoe avy eto Madagasikara no niavian'ny olombelona

5. Nehemiah
(
31/05/2013 14:20)

Mba afaka manome ny antsipiriany momba an'izay angano gasy izay ve ianao azafady indrindra : ny foko mitantara azy sy ny tantara ? Raha sendra manana rohy ianao vao mainka tsara.
6. leva2
(
31/05/2013 14:32)
Ary ny namana Moustaraf sy ny mpiondana jiosy rehetra mety handray ity resaka ity ho serieux an!
8. fahamarinana
(
31/05/2013 16:36)
bor2lais:
Rehefa nahare io vaovao nahafinaritra io Saba dia nidera an'i Salomona tamin'ny zava-bitany.
Ka nihira hoe "Sabasaba Zanahary" ... satria somary voan'ny sery be izy (noho ny vovoka mena) !
:-)
Miala tsiny amin'ny izay mety tohina fa mba "entre pa" ;-) fotsiny ny ahy iny !
[/quote]
Tsy maintsy nihomehy kely kosa raha namaky an'ity voalazan'i bor2lais ity an :)
9. endriny
(
31/05/2013 17:34)
Ahahahahaha
Fa araky ny zohihevitra misy, ary mahalasa vinany ny eraopeanina indrindra ny vatikanina dia ireto fomba Malagasy ireto izay lasa nolovain'ny Israelianina:
- Kilalao fanorona
- Famadihana (Taloha tokoa dia tsy namadika ny jiosy noho izy nivezivezy tao anaty efitra nandritry ny taona maro, fa taty aoriana izy vao naka io fomba io, izay heverina fa Isalo Mena no nitondra azy)
- Ny finoana an'Atra tokana dia Zanahary
- Ny Fivavahana mitodika amin'ny zoro tokana dia ny anjorofirarazana
- Ny fanandroana
Saingy mbola zohihevitra daholo izany

10. Miharena
(
01/06/2013 05:14)
Amiko indray ny lova talohan'ny nidiran'ny Baiboly teto dia efa hahafantarana tantara maro momba ny Malagasy. Ary ny mahavarian dia mora dia mora mihitsy no nandikana ny Baiboly teto nefa mbola vao haingana dia haingana no nidiran'ny soratra.
Mety hilaza ny namana Moustaraf hoe mis ydika vilana ilay natao amin'ny Baiboly ampiasaina amin'ziao fotoana izao fa izaho indray manao hoe tsy any amin'ny resaka pitsopitsony fa amin'y resaka vontoatiny no tokony hironan'ny fandalianna eo amintsika mandinika ny Teny, na io amin'ny Hebreo na amin'ny dika Malagasy sy eoropeana...

11. bor2lais
(
01/06/2013 08:36)
Bjr Faha > tandremo aza sao tapaka ny tsinain'ise fa sarotra be ny manohy azy a ! :-)
12. fahamarinana
(
01/06/2013 17:10)
bor2lais:
Bjr Faha > tandremo aza sao tapaka ny tsinain'ise fa sarotra be ny manohy azy a ! :-)
( Efa tahitahiana izy ato hi hi ! Manakoryyy, faly mahita anareo eto indray ! Anaty fonosana iny resaka iny fa azafady mitsatsaingon-dresaka ! )
13. endriny
(
03/06/2013 17:22)
Miharena,
Ka ilay finoana miainga amin'ny baiboly izao kosa ange miainga avy amin'ny fanadihadiana lahatsoratra daholo, sy ny fandalinana ny tantara. Fa tsy nisy niaina sy nahita izay nataon'i Kristy tany. Ahahahahaha

14. endriny
(
04/06/2013 05:55)
Nanatsatoka tehina I Mosesy dia niboiboika ny rano avy amin'ny tendrombohitra. Nanatsatoka tehina teo Fiaferana Andrianampoinimerina fa nangetaheta dia niboiboika ny rano avy ao ambanin'ny tany. Toa midika fa efa niverina I Mosesy ary Andrianampoinimerina no endrika niverenany faharoa tety an-tany. Dia asa rahoviana no hiverina ilay Kristy. Ny ahafantarana azy izao dia manangana olona amin'ny maty.
15. Nehemiah
(
04/06/2013 07:02)
endriny:
Fa tsy nisy niaina sy nahita izay nataon'i Kristy tany. Ahahahahaha
Ahoana indray ny Apôstôly ?
16. Miharena
(
04/06/2013 10:02)
Endriny,
Manangana amin'ny maty hoy ianao no hahafantarana ani esoa hiverina. Ary ahoana ireny olona manangana ireny?

17. Nehemiah
(
04/06/2013 12:34)
Fanamarihana kely : i Jesoa Kristy irery no nitsangana t@ maty ka tsy maty intsony mihitsy. Izay no anaovan'ny kristiana hoe nandresy ny fahafatesana izy.
18. bor2lais
(
04/06/2013 13:50)
endriny:
Nanatsatoka tehina I Mosesy dia niboiboika ny rano avy amin'ny tendrombohitra. Nanatsatoka tehina teo Fiaferana Andrianampoinimerina fa nangetaheta dia niboiboika ny rano avy ao ambanin'ny tany. Toa midika fa efa niverina I Mosesy ary Andrianampoinimerina no endrika niverenany faharoa tety an-tany.
Gravy ity namana iray ity ka ! :-)
Ary taorian'ny saba izany no niverenany ! :-)
19. endriny
(
07/06/2013 16:40)

Ahahahahha, izaho tsy manangona rakitra dia tsy manana majinika atsipy ho an'ise... fa misaotra.
Fa asa raha ity Nehemiah ity no mety taratry ny fiverenan'i Jesosy a... aza hitako fa tara fidirana aho marina a.