Somary gaga aho mahita ny lohahevitra eo aloha mis...

1. Maranatha ( 28/05/2013 11:08)
Somary gaga aho mahita ny lohahevitra eo aloha misintona antsika hitonon-tena fa Hebreo. Efa tapitra t@ 34 AD anefa ny famindram-po ho azy ireo araka ny Dan 9:24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina* ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana** sy hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy tombo-kase][**Heb. mpaminany]25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro roa amby enim-polo, dia etc]26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]27 Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava.

Raha io dia tapitra t@ 34 AD, fotoana izay nitoraham-bato an'i Stefana, ny famindram-po ho azy ireo.
Ny 70 herinandro izay niainga t@ 457 BC izay daty farany nomena hanamboarana sy hanavaozana indray an’I Jerosalema raha tany babilona ny zanak’israely (vakio ny Ezra 1:1-4, 5:13, 6:14, 7:13) Izay nifarana t@ 34 AD.
Tsara ho fantatra:
7 Herinandro = 49 andro
62 herinandro = 434 andro
1 Herinandro = 7 andro
7 + 62 + 1 = 70
70 Herinandro = 490 andro
1 andro =1 taona ( ezk 4:6 tf)

- 457 BC ka hatramin'ny 408 BC izay 7 herinandro na (49 taona) vita ny fanamboarana an' jerosalema t@ 408 BC (Vakio ny nehemia 9,10,11,). tapitra ilay 7 herinandro.
- 408 BC ka h@ 27 AD ny 62 herinandro (434 taona)izay fotoana nanosorana ny Mesia ilay nanaovana Jaona batisa an'i Jesoa (Jereo ny Matio 3).
- 27 AD ka hatramin'ny 34 AD izay herinandro 1 na ( 7 taona) 34 AD fotoana namonoana a'i Stefana. Daniela 7:29 Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro
Ny atsasaky herinandro dia 3,5 taona. izany hoe 27 + 3,5 = 30,5 AD Fotoana nanombohana ny Mesia teo ambony hazo fijaliana. Teo no nivoaka ilay teny hoe VITA na mitsahatra eo ny fanaterana fanatitra alatsa-drà. Ny rà-ny no entiny mamakivaky ny efitra lamba any amin'ny tempoly any an-danitra.

Hiverina @ ilay lohahevitra aho . Noho izany tsy dia zava-dehibe ilay hoe Hebreo na jiosy isika Malagasy. na izany kosa aza anefa dia misy zavatra betsaka marina ihany ny voalazan'i Moustafar . Tsy hoe diso daholo izay lazainy. Satria mifandray @ zavatra izay voalaza t@ testamenta taloha ny tokony hatao @ tesamenta vaovao. Henoina izay lazainay ka tano mafy izay tsara e!

Ny Baiboly koa tsy natao ho an'i kamo. Tompon'ny fanaovana kajy ny Tsitoha. Ny Mpamonjy no mpita-marika teo anilany raha nahary ny lanitra sy ny tany Izy.

Mahereza daholo
novalian'i Nehemiah ny 07/06/2013 08:29
2. bor2lais ( 28/05/2013 11:47)
lohateny:

Somary gaga aho mahita ny lohahevitra eo aloha ...

Ity iray ity koa aloha isany e ! :-)
3. Nehemiah ( 28/05/2013 12:23)
Inona kay no tena tian'ny mpanoratra tenenina @ hoe "efa tapitra ny famindram-po ho an'ny Hebreo" ? Handeha @ helo daholo ve ny taranak'i Abrahama rehetra ?

N. B. : Tsy misy hafetsena na fandrika ambadik'ity fanontaniana ity, fa mba tiako ho azo tsara fotsiny ny zavatra lazainao.
4. Maranatha ( 29/05/2013 07:36)

Nehemiah:

Inona kay no tena tian'ny mpanoratra tenenina @ hoe "efa tapitra ny famindram-po ho an'ny Hebreo" ? Handeha @ helo daholo ve ny taranak'i Abrahama rehetra ?

Talohan'ny nilazan'i Mesia hoe VITA teo ambony hazo fijaliana dia nankasitrahan'i Tsitoha ny fanompoam-pivavahana teo an-tempoly tety ambonin'ny tany ( ireo sorona fitondrana ràm-biby). Nahazo harena sy toa lasa nireharehavan'ireo mpisorona anefa izany ka toa lasa jamba izy ireo ka tsy nahatsikaritra intsony ny fotoana tokony ho fiafaran'ny tandindona sy ny tena izy . Noho ny harena sy ny voninahitra dia tsy nanaiky an'i Jesoa ho ilay mesia izy ireo. Tapitra t@ nitorahan'izy ireo vato an'i Stefana ny famindram-po farany hoan'izay tsy nety nino an'i Jesoa ho ny Mesia rehefa nitory taminy izy ireo apostoly. Vita hatreo izany aloha ny hoe ry zareo Jiosy na Hebreo irery no henoin'i Tsitoha. Nitodika t@ jentilisa izay mankato an'i Tsitoha ny famindram-po. Afaka miresaka mivatana Aminy @ alalan'i Jesoa Kristy amin'izay ny olona rehetra.

Arak'izany tsy hitako intsony izay ilaina ny hoe Hebreo na jiosy satria ny rehetra dia izay manao ny marina sy mino an'i jesoa dia afaka ny ho voavonjy avokoa.

Tsy handeha ho any amin'ny helo akory izy ka raha toa ka mino an'i Mesia efa tonga nofo 2000 taona mahery lasa izay. Sy ny hoe inona no asa tanterahan'ny Mesia amin'izao fotoana izao. Sy ny tsy hihevitra hanorina trano lay ho tempoly ety an-tany intsony ka mbola hihevitra ny hanao fanatitra ram-biby . Hanaraka ireo fombam-pivavahana (fety) amin'ny endriny tena izy ka hanatanteraka ny lalàn'ny Kristy fa tsy ny lalàn'I Mosesy indrindra @ lalam-pisoronana.

Mitady ho lasa ho fireharehana mantsy ilay hoe taranaka Hebreo sy ny hoe Jiosy.
5. Nehemiah ( 29/05/2013 07:39)
Mazava @'izay fa misaotra indrindra
6. endriny ( 29/05/2013 14:26)
Inona moa leiretsy no maha samihafa ny manao fanatitra ram-biby, sy ny rakitra izay fanatitra vola a? Ilay ram-biby aza mba mamonto ny tany. Fa ilay rakitra hoe fanatitra ho an'Atra nefa asa firy isan-jatony tokoa no tonga any amin'Atra? Sady ain'olombelona mihintsy no very vaoahazo vola atao rakitra. Tokony foanana izany ny rakitra fa efa vita taloha ny sorona.
7. bor2lais ( 29/05/2013 14:42)
endriny:

Tokony foanana izany ny rakitra fa efa vita taloha ny sorona.

:-)
8. Nehemiah ( 30/05/2013 08:12)
Endriny >> Ny rakitra atao @ fiangonana dia tsy "sorona" ny tena marina fa fanampiana ny fiangonana. Tsy misy intsony ny sorona @ Fanekena Vaovao, afa-tsy ny soron'ny fiainantsika ho an'i Kristy.
9. bor2lais ( 30/05/2013 12:57)
Nehemiah:

Endriny >> Ny rakitra atao @ fiangonana dia tsy "sorona" ny tena marina fa fanampiana ny fiangonana. Tsy misy intsony ny sorona @ Fanekena Vaovao, afa-tsy ny soron'ny fiainantsika ho an'i Kristy.

Fanampiny : "la grâce est gratuite mais le culte a un coût !" :-)
10. moustaraf ( 06/06/2013 16:15)

Maranatha:

Somary gaga aho mahita ny lohahevitra eo aloha misintona antsika hitonon-tena fa Hebreo. Efa tapitra t@ 34 AD anefa ny famindram-po ho azy ireo araka ny Dan 9:24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina* ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana** sy hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy tombo-kase][**Heb. mpaminany]25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro roa amby enim-polo, dia etc]26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]27 Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava.

Raha io dia tapitra t@ 34 AD, fotoana izay nitoraham-bato an'i Stefana, ny famindram-po ho azy ireo.
Ny 70 herinandro izay niainga t@ 457 BC izay daty farany nomena hanamboarana sy hanavaozana indray an’I Jerosalema raha tany babilona ny zanak’israely (vakio ny Ezra 1:1-4, 5:13, 6:14, 7:13) Izay nifarana t@ 34 AD.
Tsara ho fantatra:
7 Herinandro = 49 andro
62 herinandro = 434 andro
1 Herinandro = 7 andro
7 + 62 + 1 = 70
70 Herinandro = 490 andro
1 andro =1 taona ( ezk 4:6 tf)

- 457 BC ka hatramin'ny 408 BC izay 7 herinandro na (49 taona) vita ny fanamboarana an' jerosalema t@ 408 BC (Vakio ny nehemia 9,10,11,). tapitra ilay 7 herinandro.
- 408 BC ka h@ 27 AD ny 62 herinandro (434 taona)izay fotoana nanosorana ny Mesia ilay nanaovana Jaona batisa an'i Jesoa (Jereo ny Matio 3).
- 27 AD ka hatramin'ny 34 AD izay herinandro 1 na ( 7 taona) 34 AD fotoana namonoana a'i Stefana. Daniela 7:29 Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro
Ny atsasaky herinandro dia 3,5 taona. izany hoe 27 + 3,5 = 30,5 AD Fotoana nanombohana ny Mesia teo ambony hazo fijaliana. Teo no nivoaka ilay teny hoe VITA na mitsahatra eo ny fanaterana fanatitra alatsa-drà. Ny rà-ny no entiny mamakivaky ny efitra lamba any amin'ny tempoly any an-danitra.

Hiverina @ ilay lohahevitra aho . Noho izany tsy dia zava-dehibe ilay hoe Hebreo na jiosy isika Malagasy. na izany kosa aza anefa dia misy zavatra betsaka marina ihany ny voalazan'i Moustafar . Tsy hoe diso daholo izay lazainy. Satria mifandray @ zavatra izay voalaza t@ testamenta taloha ny tokony hatao @ tesamenta vaovao. Henoina izay lazainay ka tano mafy izay tsara e!

Ny Baiboly koa tsy natao ho an'i kamo. Tompon'ny fanaovana kajy ny Tsitoha. Ny Mpamonjy no mpita-marika teo anilany raha nahary ny lanitra sy ny tany Izy.

Mahereza daholo


SALAMA NAMANA,
1.Tsy mahagaga raha tsy azonareo ny maha zava-dehibe an'ilay taranaka voafidy sy nomena ny tena fanekana, satria ny Roamana no nampianatra sy nanabe anareo !
Tsy misy famonjena ho an'ny Firenena jentilisa "izay tahaka ny oliva maniriniry ho azy", raha tsy atao grefy ao @ ilay taranaka voafidy, dia ilay fototra 'nomena ny didiny sy ny lalàny".
Raha natao grefy tany @ Romana sy grika ianareo dia tadidio fa any izany ny famonjena ho anareo! Tsy any Roma akory no misy an'ilay Jerosalema vaovao e!

2. Ity fandinihana an'ilay bokin'I Daniela ity dia tena mampanongo tena mihitsy, mba mamakia tsara re e! fa aza dia faly ny hamerin-desona lava foana tahaka izao:
"27 Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava."
-Milaza ny Mpamonjy ve aminareo io andininy io????
-vakio tsara ny tantara rehetra (epistily, sns), fa tsy ny fahafatesan'i Mesia akory no nampitsahatra ny fanatitra sy sorona tao Jerosalema, AOKA TSY HAMORONA ISIKA
-Ny faharavan'ny Tempoly no nampijanona ny fisoronana sy ny fanatitra (mahaiza mamaky)
-Ilay nampitsahattra ny fanatitra no =ilay mpandrava = ho avy @ elatry ny fahavetavetana IZANY VE NO LAZAINAREO FA MILAZA NY MESIA????
Io ilay jesosy kristy an'i Grika sy Romana, fa tsy Yeshu'a hamasirhah velively.
MAHAEREZA DAHOLO!
11. Nehemiah ( 07/06/2013 08:29)
Rehefa dinihina anie ny fehin-kevitr'i Moustaraf dia mifototra @ hevitra fa novain'ny Rômana ny Baiboly, kanefa efa voaporofo @ fomba ara-tsiansa hatry ny ela fa tsy marina izany :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2645