Hialana ve sa hiafina raha ianao no eto @ toerako ?

1. jobiely ( 22/05/2013 12:52)
Tsisy ambiance mints ato ampiasananay. Samy maka ho azy ny mpiasa fa tsy miresaka zavatra hafa ankoatra ny asa, ny sasany masika sady kizintina, ny hafa indray miavona.Ny sasany tsy mihaino rehefa mba iresahana fa nenazy ihany no ambony ( resaka asa io), @ internet no mba fanalako andro rehefa tsy dia be asa. Ny karama koa metimety ihany. Ny heure flexible be, ny asa tsis préssion mintsy, tena tsara e.Tiko daholo ny zavatra ato sy lé asa fa lé ambiance @ mpiara- miasa no tsy tiko.2 taona zay za niasa tato tsy mba misy namana mintsy, Inona no atao @zany, hialana ve sa hiafina?
novalian'i Isabella ny 10/10/2013 11:35
2. leea ( 23/05/2013 06:42)
Ka asa anie no notadiavina fa tsy ambiance e. Ary raha hiala de hifindra asa, ka otrizay ihany no ambiance any de ahoana?
3. Hagg ( 23/05/2013 09:48)

Marina ny an'ny leeea, asa ny antondia dia izay zany ko. Rehefa mande ny asa dia izay no fahafinaretana sy ambiance. Raha tsy mande kosa ilay asa dia tsy hitako izay hatao ao raha sady hifampiavonavona ny tsy hiasa. Saaa... miankina amze ataonao hoe ambiance ko aloe...
4. moi ( 23/05/2013 11:12)
Tsy mbola azo antoka tokoa ny ambiance any amin'izay asa vaovao ka izay no tsy ilàna hifindra raha tiana ihany ilay asa ; ahoana raha mba mamorona ambiance afterwork ohatra, mba miara-manàla azy ny mpiara-miasa au resto, karaoke ... na raha misy anankiray afaka mampiantrano dia manao plissplisy dia mikorana any ? sa mi-organiser rencontre sportive hiarahan'ny mpiara-miasa ? ny ahy izany ny hampidirana ambiance no eritreritro e ! mifandefasa koa mail mba misy blagy ireny, ataovy toy ny fifaninanana ...
Rehefa tsy mety dia eo ihany moi e !
5. 5laody ( 23/05/2013 11:29)
Salama jiaby e!
Ataovy ohatry ny fiten'ny Ntaolo hoe Mangahazo mangidy malemy, ka hoanina amin'ny halemem-panahiny e.

Misy mpampiasa tia mampifaninana ny olona miasa ao aminy,
ary misy kosa mahita hoe ny fifandraisan'ny mpiasa dia mampitombo ny vokatra azo.

Fa maro ve ianareo ao am-piasana sa ekipa misy olona vitsivitsy?
Raha hitanao hoe tsara daholo ankoatry ny ambiansa dia efa zava-dehibe satria ny ambiansa mety azo alamina ihany.

mba asaivo asian'ny mpampiasa fetifety kely hampitambatra e na asiana pot kely rehefa misy anniversaire sns.Na initiative-nareo mpiray fiasana.

Raha te hiala moa ianao raha tsy zavatra tsaratsara noho io no andaozanao azy.

Sao manao pot d'adieu ianao vao mihatsara ny ambiance ;)
6. jobiely ( 23/05/2013 11:54)

5laody:


Fa maro ve ianareo ao am-piasana sa ekipa misy olona vitsivitsy?


mba asaivo asian'ny mpampiasa fetifety kely hampitambatra e na asiana pot kely rehefa misy anniversaire sns.Na initiative-nareo mpiray fiasana.

Raha te hiala moa ianao raha tsy zavatra tsaratsara noho io no andaozanao azy.





Vitsivitsy ihany zahay no ato nefa dia tsy mifandray lotra.
Ato koa dia efa misy an' io fiaraha- misakafo lazainao io, in 1 isam- bolana, ndraindray mivoka any ivelany moa indraindray any @ resto. Misy club sportif koa ato fa tsita mints zé marimaritra iraisana atramzao. Hatreto aloha zaho mbola tsy mahita zvtra anoloana ilay asako e, dia zao mbola mijanona ato zao. Fa tsy kivy ka, za courage foana :)
7. jobiely ( 23/05/2013 12:02)

Hagg:


... miankina amze ataonao hoe ambiance ko aloe...

Ny ambiance amiko dia mba misy fahafinaretana hafa ankoatra ny asa, ohatra: mba manana meilleur amie ato am- piasana, mba mifampitantara fiainana andavan' andro fa tsy dia resaka asa fooona no atao, mba tsy asina anlé hoe Mme sy Mr reny rehefa miresaka fa manjary mampisy elanelany be, mba mifananihany, mihomehy sns e. Ny olona ato aminay ko manko efa somary olon- dehibe daholo fa 2 ihany izahay no mbola kelikely taona ato dia mety zany daholo no tsy mampitovy ny tadin- dokanga lol!!!
8. jobiely ( 23/05/2013 12:04)

moi:

ahoana raha mba mamorona ambiance afterwork ohatra, mba miara-manàla azy ny mpiara-miasa au resto, karaoke ... na raha misy anankiray afaka mampiantrano dia manao plissplisy dia mikorana any ? sa mi-organiser rencontre sportive hiarahan'ny mpiara-miasa ? ny ahy izany ny hampidirana ambiance no eritreritro e ! mifandefasa koa mail mba misy blagy ireny, ataovy toy ny fifaninanana ...
Rehefa tsy mety dia eo ihany moi e !

Efa misy ato daholo ireo teninao ireo teneninao ireo fa zaho mihintsy no tsy mahazo tsirony e, tsy haiko koa na noho ny génération tsy mitovy ngamba, ry zareo ato manko efa lehibebe taona noho izaho no betsaka.
9. Hagg ( 23/05/2013 12:43)
Izay le ami zay zany ny tadiavinao... tsy voatery ao ampiasana nefa io fa raha ao dia mety ho tsara mety ho ratsy...arakarak'izay discipline ao koa... misy azo hifampivazivazina tadiavinao zany ve ao? misy olona lany andro miresaka fotsiny ao ampiasana... fa izay e, tsy voatery ao ampiasana ny meilleurs ami/amie tadiavinao. Azo tadiavina ety ivelany izany ary izay aza no tsara kokoa. Rehefa mba mirava dia miresaka malalaka...saaaa? Izahay ireto zao matoa manoro hevitra anao dia mety ho efa ami anao aneritreritra, izany hoe tsy irery ianao. Fa le hoe meilleurs koa mbola tantara hafa....


jobiely:


Hagg:


... miankina amze ataonao hoe ambiance ko aloe...

Ny ambiance amiko dia mba misy fahafinaretana hafa ankoatra ny asa, ohatra: mba manana meilleur amie ato am- piasana, mba mifampitantara fiainana andavan' andro fa tsy dia resaka asa fooona no atao, mba tsy asina anlé hoe Mme sy Mr reny rehefa miresaka fa manjary mampisy elanelany be, mba mifananihany, mihomehy sns e. Ny olona ato aminay ko manko efa somary olon- dehibe daholo fa 2 ihany izahay no mbola kelikely taona ato dia mety zany daholo no tsy mampitovy ny tadin- dokanga lol!!!
10. moi ( 23/05/2013 13:07)
mihamazava, resaka génération tsy mitovy angamba... fa eo koa ny tempéraments ! tsy hoe mino ny horoscope za a, fa misy marina ihany ilay hoe ireto compatible ... Fa sao ary dia ho lasa razokiny ao zandry a !
11. chantrire ( 24/05/2013 14:15)

Salama e!
Ny tena marina ry jobiely dia izao an!Ilay krizy ity no mahatonga ny olona tsy hiraharaha ny ambiance ao am- piasana. Ankoatra izay indray raha tsy mitovitovy taona ny mpiara - miasa ohatran 'ny tsisy ambiance mihintsy. Ohatra hoe ilay olona kizitina lazainao izay ve sao dia efa antitra ohatra?
Fa amiko aloha raha tsisy ambiance ohatran 'ny mankaleo be e!
Ianareo mpiara -miasa ihany koa no tokony hifampiresaka ary tokony hisy hitarika ohatra hoe hanalazy kely na excursion ...
Andramo ihany aloha sao dia mba mety e!
Ny mitady asa vaovao mantsy amizao toa sarotra be. Dia mahereza e!
12. anarako2013 ( 10/06/2013 14:06)
ra ny ambiance fotsiny no ts ampy ao ampesana, mbol azo ihafiana ian!! ny ahy ato ar ny ambiance tsisy, ny mpiara miasa manamerde, ny mpampiasa koa manaliaka, fa ny iafihako ato fotsiny dia raha itady asa ts mahita mintsy @zay lazaina fa krizy izao, ny karama koa azo atao oe tsara ian!! miandry izay tandrify sisa alou e
13. kiri ( 28/08/2013 13:39)
ka ny toera-piasana nge tsi maintsi misi an'zani foana e fa anjaranao no mi s'adapte ,rehefa sendra izay mpiara miasa miavonavona izay ko aloha d tsy laitra e na ny hande hiasa aza lasa mahakamo
14. Isabella ( 10/10/2013 11:35)
tsy miala a ra za fa d miezaka mifandray sy miresaka @ oul ao apesana fst, sady tsy d tsara ku nge lé oue mifandray be e, hafa mitsy lé oue namana d hafa mitsy ku lé oue piara miasa e, hay fôna no mapisy ambiance an'io refa mifanerasera am'lé oul ela ela ao ianao (amiko io a)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3057