Ny fiheveran-dison'i Darwin, fizaràna fahavalo

1. Nehemiah ( 17/05/2013 13:53)
Misy olona sasany izay mieritreritra fa kristiana, na mpandà an'Andriamanitra nibebaka ka niverina ho kristiana, i Darwin. Kanefa jereo anie ny zavatra nosoratany t@ biôgrafian'ny tenany (ary aoka isika hahatadidy mandrakariva fa nanana diplôma @ taranja "Divinity", izany hoe teôlôjia, avy t@ Oniversiten'i Kristy tany Cambridge izy) :

Nanjary nahatsikaritra aho t@'izany fotoana izany (izany hoe t@ Janoary 1839, t@'izy 29 taona) fa ny Testamenta Taloha, manomboka @ fitantarany ny fiandohan'izao tontolo izao izay miharihary ho diso, miaraka @ tilikambon'i Babela, ny famantaran'ny avana, sns, sns, ary miaraka amin'ny filazany fa mitovy toetra @ mpitondra jadona be lolom-po, dia tsy azo atokisana nohon'ny boky masin'ny Hindoos [sic] na ny finoan'ny olon-dia.
Marcionisme hoy izany :-) !
@ boky ôrijinaly no ahitana ny teny "na ny finoan'ny olon-dia" sy ny fomba fijerin'i Darwin momba ny Testamenta Taloha, izany hoe "ny tilikambon'i Babela, ny famantaran'ny avana, sns, sns", fa saingy novonoin'i Francis zanany nohon'ny fangatahan'i Emma vadiny taorianan'izay.

Raha izay no zava-misy, tsy tokony hanohitra ny fotopisainan'i Darwin ve ny fiangonana ? Kanefa mahonena fa tsy izay no zava-misy. Jereo tsara :
_ t@ Febroary 2009, nandeha tany @ fasan'i Charles Darwin tany @ abbaye-n'i Westminster ny Dr. Rowan Williams, arsevekan'i Canterbury ary mpitondra ny fiangonana Anglikana, hifona @ fomba ôfisialy @ fatin'i Darwin @ anaran'ny Fiangonana Anglikana 1 manontolo satria "tsy nahazo" ny fotopisainan'ny evôlisiona (eny e, marina aloha fa io rangahy io ihany no mieritreritra fa mitaratra ny fitiavan'Andriamanitra ny fanelahana, manohana fanamboarana goavam-ben'ny fandikàna ny Soratra Masina, nanoritsoritra ny fahaterahan'i Kristy ho angano ary manohana ny fampidirana ny charia Silamo anatin'ny lalàna britanika).



_ 14 000 farafahakeliny ny isan'ny fiangonana nankalaza ny tsingerin-taona faha-200-n'ny nahaterahan'i Darwin t@ 2009. Inona angaha no toriteny nomeny ary inona no andinin'ny Soratra Masina nampiasainy e ?
_ Maro ny fiangonana sy ny kôlejy teôlôjika mampianatra évolutionnisme théiste ankehitriny (kanefa nanohitra mafy dia mafy ny fampifangaroana ny fotopisainany @ fisian'Andriamanitra i Darwin, ary mbola manohitra mafy dia mafy an'izay i Dawkins ankehitriny).
_ T@ Nôvambra 2009, nanao konferansa iraisam-pirenena momba ny haiolombelona (anthropologie) ny Ivontoeran'ny Siansa any Vatikana, ary farany dia nanaiky ny haiolombelon'i Darwin izy ireo, ary nilaza fa t@ faran'ny evôlisiona no nasian'Andriamanitra fanahy ny olombelona (eto dia manasa ny katôlika rehetra @ serasera mba hametraka ny eritreriny momba an'izay aho).

Eny ary, anjaranareo @'izay ny manapa-kevitra hoe tsara sa ratsy ny fianjadian'i Darwin sy ny fotopisainany @ Fiangonana sy ny fiaraha-monina ary tsy ho tratran'izay mihitsy ny fiaraha-monina malagasy ve na dia mirimorimo aza ny fanatontoloana sy ny acculturation. Anjaranareo koa ny manapa-kevitra raha kisendrasendra ny fifanandrifian'ny fitotongan'ny soatoavina malagasy sy ny fanatontoloana omban'ny fidiran'ny fotopisainan'ny evôlisiona @ fampianarana sy ny haino aman-jery rehetra. Satria raha miovaova ny zava-drehetra dia miovaova koa ny fitsipi-pitondran-tena. Ankehitriny, mety ho afa-bela ny mpanao heloka bevava any @ firenena mandroso raha miantsoantso ny "zenetika" ilazany fa "toy izao hatr@ nahaterahany" izy.
novalian'i Nehemiah ny 17/05/2013 13:56
2. Nehemiah ( 17/05/2013 13:56)
Ity ny rohy mankany @ fizaràna taloha ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m5191d57765a0e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3023