Ny fiheveran-dison'i Darwin, fizaràna fahefatra

1. Nehemiah ( 10/05/2013 08:52)
Raha marina ny haiolombelon'i Charles Darwin sy ny darwinisme ara-piaraha-monina, inona moa no mahasakana ny olombelona tsy hifehy ny fiterahany mba hanatsara ny rafi-batana sy ny halalin-tsain'ny olombelona ?

Izay no atao hoe eozenisma (avy @ teny grika , tsara na andriana, sy gennôi, fiterahana) rahateo. I Francis Galton (1822-1911), cousin'i Darwin, izay mpahaiolombelona, eozenista, mpamakivaky tany tsy fantatra, mpahay zeôgrafia, mpamorona, meteôrôlôga, mpahaifototarazo ifotony, mpahairefitsaina ary mpahay statistika (andriana anglisy izy ka nanana vola sy fotoana betsaka hanaovana siansa)no namorona an'izay "taranja" izay.



Tena mazava ny hevitr'i Galton, ary namorona koa izy ny atao hoe "phrénologie" : nirefy lohan'olombelona an'aliny izy, ary ny mpanaraka azy koa dia nirefy lohan'olombelona an-ketsiny, mba hahitana fifandraisana @ endriky ny loha sy ny halalin-tsaina, mba ahafahana sarahana mialoha ny olona lalin-tsaina sy ny olona votsa saina. Farany dia hita fa tsy misy fomba amantarana ny halalin-tsain'ny olona 1 @ alalan'ny fandrefesana ara-batana tahak'izao, ary noforonina t@ 1908 ny QI.

Tena mino avokoa i Galton fa ny foko Darwin-Galton-Wedgwood no tena matsilo @ resaka haifototarazo eran'ny Angletera ka nanapa-kevitra izy ireo fa tsy hanambady ivelan'ny foko. Raha ny tena marina, cousine-n'ny rain'i Darwin ny renin'i Darwin, ary cousine-n'i Darwin i Emma Wedgwood vadiny. 3 @ zanany 10 no maty, ary azontsika an-tsaina rahateo ny antony...

Ireto misy olona malaza izay nanohana ny eozenisma :
_ Herbert George Wells, ilay mpanoratra boky sci-fi fanta-daza(La Guerre des Mondes, La Machine à Remonter le Temps,...) sy sôsialista,



_ Woodrow Wilson,



_ Theodore Roosevelt, samy filohan'ny Etazonia taloha izy 2 lahy,



_ Émile Zola, ilay mpanoratra boky frantsay fanta-daza sady sôsialista (vakio anie ny bokiny "Germinal" ;) ),



_ George Bernard Shaw, ilay mpanoratra boky irlandey sady sôsialista, izay nilaza hoe : "Rehefa alefantsika @ chambres à gaz ny sembana dia tsy maintsy mihaino mozika klasika isika",



_ John Maynard Keynes, ilay mpahaitoekarena fanta-daza sy mpamorona ny keynesianisme, izay nanana hevitra voalohany fa tokony manao investissement @ infrastructures ny fanjakana rehefa ratsy ny toekarena (ary izay no nangalan'i Franklin D. Roosevelt hevitra ho an'ny "New Deal"),



_ William Keith Kellog, ilay mpamorona ny corn-flakes, ho antsika diaspora ;),



_ Margaret Sanger, ilay mpanorina ny "Planned Parenthood", izay orinasa manao fanalan-jaza voaloan'ny volan'ny hetran-dry zareo amerikana ihany, sady Darwiniste mafana fo sy mpanavakavaka volon-koditra,



_ Winston Churchill (mbola mila asiana famaritana ihany ve :) ? ),


Tsy mampahatsiahy inona na inona amintsika ve ny fihetsiny lol :) ?

_ Aldous Huxley, ilay mpanoratra ny boky "Brave New World" sady zafin'i Thomas Huxley, ilay "Darwin's bulldog",



_ ary farany fa tsy kely indrindra, Adolf Hitler



Ireto misy olona izay niasa t@ sehatry ny eozenika :
_ Leonard Darwin, zanak'i Charles,



_ Charles Davenport, izay namorona ny Birao Firaketan'ny Eozenisma any Etazonia,



_ Madison Grant (1865-1937), izay nanakiana ny "melting pot" amerikana, satria lazainy fa lasa mifanambady ny samihafa fokom-pirenena ka manjary manimba ny fokom-pirenena fotsy hoditra (izy no anisan'ny nahazoan'i Hitler aingam-panahy, ary iverenantsika izay @ fizaràna ho avy)



_ Sir Julian Huxley, rahalahin'i Aldous, mpandala ny maha-olombelona malaza sy mpanohitra ny finoana kristiana mafana fo, izy koa no anisan'ny mpanoratra ny fanambaram-pinoan'ny UNESCO (ilay Fikambanan'ny Firenena Mikambana izay misahana ny resaka fampianarana), izay nosoratana t@ 1949 kanefa navoaka t@ 1976 t@ fahafatesan'i Sir Julian Huxley, sady ahitàna zavatra tahaky ny "filantsika ny fametrahana fanjakana manerana an'izao tontolo izao" sy ny "manafaingana ny evôlisionan'ny olombelona" ary ny zavatra toy izao.



Ireto indray misy firenena sasany izay namoaka lalàna eozenista (tena natao stérilisation mihitsy ny ankizy sembana) :
_ Indiana, Etazonia, 1907,
_ Alberta, Canada, 1928,
_ Allemagne, 1933, t@ Hitler nandray fahefàna,
_ Japon, 1934
_ Suède, 1934
novalian'i Nehemiah ny 11/05/2013 06:05
2. Nehemiah ( 10/05/2013 08:54)
Ity no rohy mankany @ fizaràna taloha ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m518c9dd864e64
3. Nehemiah ( 11/05/2013 06:05)
Ity indray ny rohy mankany @ fizaràna manaraka ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m518ddf68cc34f
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.5175