Tsy vitan'ny kristianina sasany ve ny mampibebaka ny mbola tsy mpino?
1. hery
(
09/05/2013 21:28)
Asa ianareo raha mahatsapa fa ny ankamaroan'ny fiangonana madinika isakarazany dia izay efa mino no tena ataony lasibatra itoriany fa tsy izay mbola tsy mino mihitsy. Mety hoe lafiny pratika vitsivitsy ilay izy:
- Amin'izay tsy vao hanazava hatramin'ny voalohany hoe iza Andriamanitra
- Amin'izay tsy dia manao investissement be loatra, indrindra raha tsy hamokatra ilay fitoriana
- Amin'izay mahazo fahafaham-po hoe afaka nanohitra an'ireo fiangonana zokiny sns.
Fa sao dia lafiny ara-pinoana koa?
Sao dia hoe tsy ampy finoana dia tsy mahasahy mbola mitarika ireo izay tsy mbola nino mihitsy, ireo mbola tsy kristianina mihitsy?
Dia sanatria ve tsy ho vitan'ny kristianina sasany no mampibebaka an'ireo izay tsy kristianina mihitsy? Fa ny efa kristianina toa azy indray no ezahiny resena lahatra? Sa tsy natao ho an'ny rehetra ny baiboly?
Ny fiangonana hitako mandeha any amin'ny dezaka mitory teny maharitra sy tsikelikely, ary mampanao batisa na batemy mihitsy aza, dia matetika ireo fiangonana lehibe. Ka angamba ataoko fa izany no laharam-pahamehana. Ny soa fianatra e.

novalian'i sitlo ny 18/05/2013 08:12
2. Tefigasy
(
10/05/2013 04:48)
Fa voasoratra hoe Mat 28 : 19 "koa mandehana ianareo , dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra , manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina" .
Ny hahafantarana fa lasa mpianatra ny olona iray dia : Jao 13 : 35 "Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo , raha mifankatia ."
Dia apetraka ny fanontaniana:
firy % amin'ireo lazaina fa efa mino no miaina sy hahitana io famantarana io eo amin'ny fiainany ?
Raha mahalala an'i Jesoa, mihevitra ny tenany ho mino, miangona sy mandeha any am-piangonana ve ny olona iray nefa tsy hahitana taratra kely akory io famantarana io eo aminy , tsy mandainga ve izany izy ? Ary tsy izany ve no zava-misy amin'ireo milaza azy ho efa mahalala sy mino marobe amin'ny renivohitra ?
Raiso fotsiny ao antananarivo: feno foana ny fiangonana isak'alahady, toa betsaka ireo milaza azy ho efa mahalala an'i Jesoa, nefa na ny mpitarika fiangonana aza (avereno jerena ny tantara 2009) mitehaka rehefa noetin'ny polisy sy zandary nogadraina tsy ara-drariny ny rahalahiny tamin'ny fiangonana hafa. Tena mampalahelo ilay toe-javatra
Misy teny nolazain'i toriteny teto tamin'ny lohahevitra hafa hoe : " gaga mihitsy ny any majunga sy fullpoint fa any foana no mandeha ny mpanao tafika masina."
Dia raha hoy ianao hoe : Tsy vitan'ny kristianina sasany ve ny mampibebaka ny mbola tsy mpino?
Ny valiny hoetiko eto dia izao: mora lavitra ny mampibebaka ny mbola tsy mahafantatra an'i Jesoa Kristy, fa ny mampibebaka ireo izay miseho azy ho efa mahalala (mahalala hoy aho fa tsy mahafantatra) ireo no tena sarotra . Jereo fotsiny ny zava-misy eto amin'ity forum serasera ity: arotsaka daholo izao tenin'Andriamanitra rehetra izao fa tsy miontsina ny ankamaroan'ny mpandray anjara mba hibebaka, hiala amin'ny fampianaram-piangonana fa hiverina amin'izay tena lazain'ny baiboly. Dia ny Fanahy Masina sisa no angatahina mba hiasa amin'izy ireny !
Izay aloha ny fahitako azy fa ny an'ny hafa tsy haiko

3. Nehemiah
(
10/05/2013 06:49)
Tiako marihina fa ny Fanahy Masina no mampibebaka olona 1 fa tsy ny mpitory.
4. bichette
(
10/05/2013 07:00)
Ny ankabeazan'ny kristianina mihitsy no sahirana ny mitory ny teny soa mahafaly amin'ireo izay tsy mino satria tsy sahy, matahoatra hoe "inona izao no heveran'ito ahy ... sns". Mieritreritra bebe kokoa ny "tena", matahoatra sao tsy tian'ilay olona intsony, na tsarainy, na sorena amin'ny tena ilay olona, na hoe sao dia tapina tsy hahita havaly intsony sns. Matetika koa anefa efa nanao izany ihany ilay olona fa nihafara-ratsy, izanyhoe mety niafara tamin'ny fifamaliana ohatra ka fay ahahhahaaaaa !
5. Tefigasy
(
10/05/2013 07:07)
Nehemiah:
Tiako marihina fa ny Fanahy Masina no mampibebaka olona 1 fa tsy ny mpitory.
Hazavao ny hevitrao, tohano amin'ny tenin'Andriamanitra hatrany mba tsy hampisy ady hevitra sy lasa taritina lava be ndray dia mivaoana ny lohahevitra ny farany !
Ahoana ny hevitrao amin'ito : Asa.2:38 : ary hoy petera taminy, mibebaha ary aoka samy atao batisa amin’ny anaran’i Jesoa kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo ary ianareo handray fanomezana dia ny fanahy masina.
Toa milaza io teny io fa mibebabaka ==> mahazo famelan-keloka ==> mandray fanomezana dia ny Fanahy Masina . Fa tsy hoe mandray ny Fanahy Masina mba entina hibebahana (izay vao mibebaka).
6. Tefigasy
(
10/05/2013 07:27)
bichette:
Ny ankabeazan'ny kristianina mihitsy no sahirana ny mitory ny teny soa mahafaly amin'ireo izay tsy mino satria tsy sahy, matahoatra hoe "inona izao no heveran'ito ahy ... sns". Mieritreritra bebe kokoa ny "tena", matahoatra sao tsy tian'ilay olona intsony, na tsarainy, na sorena amin'ny tena ilay olona, na hoe sao dia tapina tsy hahita havaly intsony sns. Matetika koa anefa efa nanao izany ihany ilay olona fa nihafara-ratsy, izanyhoe mety niafara tamin'ny fifamaliana ohatra ka fay ahahhahaaaaa !
Mandeha mission matetika amin'ny faritra maro eto madagasikara (ambanivohitra sy andrenivohitra) aho noho ny asam-pivelomana. Maro ireo tambanivohitra mbola tsy mahafantatra mihitsy izany Jesoa izany. Rehefa tena hitorianao teny izy ireny, ambaranao azy ny tena marina mikasika io Jesoa io dia tena liana tanteraka izy ireo mihaino zava-baovao. Ary mora foana aminy ny mandray ilay fampianarana mbola tsy hainy, mbola tsy niainany hatrizay. Fa ireo olona mihevitra ny tenany ho mahalala nefa tsy mahafantatra akory no manao valy boraingina matetika : "efa fantatray izany, tsy vao izao izahay no mahalala izany, sekta avy aiza ianareo, ..."
Dia hoy aho hoe: otran'ny mampianatra ilay izy: mora kokoa ny mampianatra ny zazakely iray mbola tsy mahalala n'inon'inona amin'ny zavatra ampianarina azy noho ny mampianatra olon-dehibe iray izay efa feno zavatra maro misafotofoto ao an-dohany !
Ny zavatra tsapako aloha eo ampanaovana ireny tafika masina ireny: arakaraky ny hitorianao, hanafihanao no tena mampitombo anao eo amin'ny fanarahana ny Tompo, ary tena mahazo hery misy ianao amin'izany !
7. Nehemiah
(
10/05/2013 07:31)
Inona aloha ny fibebahana ? Nadika avy t@ teny grika hoe "metanoia" izay midika hoe "fiovàna saina". Isika olombelona ve dia afaka miova @ herintsika manokana ? Tsia, tsy maintsy Andriamanitra no manova antsika (Mt. 19:26).
Jereo ny Jer. 31:31 sy ny manaraka : Andriamanitra no manova ny fontsika sy saintsika mba ho araky ny sitra-pony.
Sady tsy voatery mihatra mandrakariva ny lôjikanao, raha ny Asa. 10:44 no jerena

8. Tefigasy
(
10/05/2013 08:06)

Tsy manda izay lazainao aho fa mba tiako hamafisina misimisy koakoa aza izay lazainao : manaiky 100% aho fa Andriamanitra irery ihany no afaka manova olona. Saingy tsy afaka manao forcé olona Andriamanitra. Raha ny tena sitrany dia mba ho voavonjy daholo ny olona rehetra (Tit.2:11) ary tsy tonga tamin'ny fahotana i Adama sy Eva saingy Andriamanitra fitiavana izy ka manaja ny safidin'ny tsirairay hatrany. Toa izany koa ny Fanahy Masina satria Andriamanitra mitovy laharana amin'ny Ray sy ny Zanaka Izy. Manaiky aho fa Izy ihany no afaka manova ny olona, saingy tsy afaka miasa ao amin'io olona io Izy raha tsy safidin'ilay olona mihitsy.
Izay no tiako tsindrina: mila manaiky sy mino (mampiditra ao anaty) an'i Jesoa Kristy aloha (izay ilay safidy) vao manaraka ny zavatra rehetra. Toa izany koa : tsinotsinona ny mpitory, fitaovana fotsiny ihany fa ny Fanahy Masina no miasa ao aminy.
Ny Asa.10:44 dia nialoavan'ny toriteny nataon-dry Petera ny firotsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny jentilisa. Ary ny finoana dia avy amin'ny toriteny (Rom.10:17). Koa raha izay no zohina dia tsy mivaona amin'ilay lozika lazaiko eny ambony ihany io tranga io.
Koa raha hiverenana ilay teny nataonao teny ambony hoe : "Tiako marihina fa ny Fanahy Masina no mampibebaka olona 1 fa tsy ny mpitory." Tsy manohitra izany aho, tena manaiky izany 100%. Saingy tsy afaka manery io Fanahy Masina io fa mila ny safidin'ny tsirairay ihany aloha mba hanokatra varavarana.
9. moustaraf
(
10/05/2013 13:12)
Salama namana,
Amiko raha ny mba famakiako ireo teny milahatra maro be ao @ io baiboly io, hatrany @ Fiandohana sy ny Fiafarany dia tsotra ny azoko lazaina:
-Ny famonjena dia Antso, fa tsy fandresen-dahatra @fahaizana angolam-pitenenana sy tsindrim-peo miakatra sy midina...
-Fa hoy ny voasoratra "Ry israely oloko,izaho no nanary, ary izaho ihany no managona anareo"
-Miverimberina ao @ Apok ny hoe "ireo izay voavonjy hatramin'ny voalohany"
Iza moa ny Mpino ary iza no tsy Mpino??
lazaina fa tsy mpino ireo olona maro be tsy iray finoana amin'ny mpilaza! na miantso Kristy io na tsia! Tsy izany ve no famalin'ny maro?
amin'izao fotoana izao, na ny mpamosavy aza miditra fiangonana; ka iza no tsy mpino?
Ny "grand sujet" ankehitriny dia ny fanaporofoana ny hoe: ity tokoa ve no lalana sa tsy ity!
hany ka tsy avelan'ireo mpitondra fivavahana hANDALINA ny mpanara-dia azy @ ilay teny malaza hoe:"Aza avela hisy haka ny satra-boninahitrao,... miorena mafy ka hazony mafy izay tsara"
Ny fahaverezana amin'ny mpivavaka maro an'isa , dia ny fialana (na fifindrana @ fivavahana hafa ankoatra ny mahazatra)!

10. Miharena
(
10/05/2013 16:48)
Raha ny fahitako azy indray dia samy mihevitra fa manana ny marina ny olona te-hitory ary mametraka avy hatra ny ny namana rehetra manodidina azy ho tsy mahalala na inona na inona na dia fantany aza fa manana antokom-pinoana.
Izany hoe teo-tsaina no misy tsy mety satria miahiahy ny hafa ho sy voavonjy daholo dia manakorontana izay efa rafitra misy.

11. sitlo
(
10/05/2013 21:40)
Ireo fa miady an-trano.
Ny mampalahelo dia ny tsy manam-pahalalana mora ampiesonina no lasibatra.
Za efa miteny hoe ny fahendrena ampianariny lalinina dia ny fampiesonana nentin'ny mpitondra fivavahana, ny mpitory teny sns dingano avokoa.
Raha ny fahendrena tokoa no tadiavinareo dia tsy hilaza akory ianareo hoe taraiky ny any ambanivohitra. Fa ianareo voapasoky ny hoe "raha tsy sy izao tsy miditra any an-danitra", "fahafatesana mandrakizay"...
Izao ny olona tsy maninon-tsy maninona aza lasainareo fa mpanota sy mpanompo sampy...

12. Tefigasy
(
10/05/2013 23:38)
sitlo:
Ireo fa miady an-trano.
Iza no miady an-trano eto ?
Raha mamosaka hevitra izay eritreretiny fa marina ve ny olona iray ka mety mifanohitra amin'ny hevitry ny hafa dia lazaina fa miady an-trano ?
Mba hafa indray izany famaritan'ise ny atao hoe miady an-trano izany a !
sitlo:
Ny mampalahelo dia ny tsy manam-pahalalana mora ampiesonina no lasibatra.
Mar.10:25 "Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vody fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra .
I.Kor.1:27 "fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry ; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery ;
13. hadji
(
11/05/2013 07:38)
aza ny teny ao @ Baiboly no asesinao raha mety fa ny fanazavana mazava
14. Tefigasy
(
11/05/2013 11:25)
hadji:
aza ny teny ao @ Baiboly no asesinao raha mety fa ny fanazavana mazava
Fa inona ny zavatra tsy voazavan'ny baiboly ? Raha tsy hitan'ise ao ny vahaolana dia tsy ho hitan'ise n'aiza n'aiza intsony. efa voasoratra ao daholo ny zavatra rehetra koa maninona ny baiboly no teren'ise hakatona. Sa izay metimety amin'ise ihany no soratana eto ry hadji. Omeko an'ise ary aloha ny sehatra fa aleo ny tanako sy ny baiboly hangina e, tsarovy anefa fa Lio.19 : 40 "Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo , dia ny vato no hiantsoantso"
15. Nehemiah
(
11/05/2013 12:20)
hadji:
aza ny teny ao @ Baiboly no asesinao raha mety fa ny fanazavana mazava
Hita fa lohahevitra kristiana dia mbola mahita miteny an'izany lol
16. hery
(
11/05/2013 13:10)
Ilay zavatra tahaka izao mihitsy no mahatonga ilay fanontaniana.
Tsy maintsy ny samy ef kristianina indray no mifandresy lahatra sy mifampisintona. Maninona no tsy resena lahatra ny mbola tsykristianina?
Marina fa ny milaza efa kristianina eto mbola tsy tonga lafatra... fa hiandry ny kristianina ho tonga lafatra izany vao hamonjy ny tsy mbola nandre? Sao dia ny mitory any amin'ny mbola tsy nahalala aza no moramora kokoa?

18. toriteny
(
13/05/2013 06:20)
bichette:
Ny ankabeazan'ny kristianina mihitsy no sahirana ny mitory ny teny soa mahafaly amin'ireo izay tsy mino satria tsy sahy, matahoatra hoe "inona izao no heveran'ito ahy ... sns". Mieritreritra bebe kokoa ny "tena", matahoatra sao tsy tian'ilay olona intsony, na tsarainy, na sorena amin'ny tena ilay olona, na hoe sao dia tapina tsy hahita havaly intsony sns. Matetika koa anefa efa nanao izany ihany ilay olona fa nihafara-ratsy, izanyhoe mety niafara tamin'ny fifamaliana ohatra ka fay ahahhahaaaaa !
Ny olona efa manana an'ny Tompo tsy mieritreritra an'ireo "sao dia..." be dia be ireo rehefa irahina hitory filazantsara satria efa nomena Fanahy ho sahisahy izy ireo.
Misy fijoroana vavolombelona kely ito resahiko anao. Misy ramato izay eto akaikinay tsy dia miresaka firy aminay. Tsy hoe miady izahay, fa mifampiarahaba ihany rehefa mihaona fa tsy dia miresaka be anefa, tsy mifandray akaiky izany é! Fa tamin'ny 3 na 4 bolana lasa angamba izay teren'ny Fanahy ato anatiko hitory teny an'io olona io foana aho nefa ilay olona aza tsy miresaka amiko.
Dia nankany an-tranony aho nitory ny Famonjena taminy ary tena noteneniko mihitsy hoe ni-insiste be Jesosy ny hitoriako an'io teny io taminao. Fa tena hitako mihitsy ny attitude ny fa tsy niraharaha izay teniko akory, ohatran'ny nitsiky maneso aza hoe za tsy mila an'izany, moa tsy hanao ohatran'ny sitlo tatsy ambadika hoe adala angamba ito ramato ito fa Jesosy hono no namporisika azy hitory teny tamiko.
Fa raha olona tsy manana an'Andriamanitra tena mety menatra mihitsy hoe ataon'ito olona ito ho adala mihitsy angamba aho, tena ataony fifosana any amin'ny olona. FA nefa aho tena faly hoe nanao ny sitrapon'Andriamanitra, nitoriteny ary nahavonjy fanahin'olona iray satria matoa ny FAnahy mi-insiste be ny hitoriako teny amin'iny olona iny dia satria tiany hovonjena iny olona iny. Ary raha tsy voavonjy aza ny fanahiny tsy nampaninona ahy mihitsy ny hofosainy eraky ny tanana hoe adala sy mpivavaka be
Tapa-bolana angamba izay nisy probleme be ny tokantranony dia tonga dia taty amiko izy no nanantona. Dia lasa mpinamana miresaka be izahay, aty amiko foana izy no maka conseil fa indrindra indrindra tena mikatsaka an'i Jesosy amin'ny fony rehetra mihitsy izy sy ny ankohonany amin'izao ary mino aho fa tsy ho ela dia voavonjy ry zareo
19. sitlo
(
13/05/2013 06:35)
Rehefa milaza ny momba ahy dia mba asio rohy azafady fa aza mifanasoketa.
20. toriteny
(
13/05/2013 06:36)
hery:
Asa ianareo raha mahatsapa fa ny ankamaroan'ny fiangonana madinika isakarazany dia izay efa mino no tena ataony lasibatra itoriany fa tsy izay mbola tsy mino mihitsy.
Ka normal be anie izany Hery é! Ny secte anie any an-tanan-dehibe ihany ny cibler ny fa any bebe kokoa ny 10% isam-bolana é. Sa ianao efa nahita secte tany Ambovombe? Nefa ny olona an-tanandehibe efa mba mahalala kely an'izany Jesosy izany avokoa ny ankamaroany, efa manana fiangonana hivavahana isank'alahady.
Ny ahy indray aloha aleoko izy eto an-drenivohitra no mitady olona é! Ny eto au moins efa mba manana connaissance kely farafaharatsiny mahay manavaka ny fampianarana izy sy tsy izy. Fa mba eritrereto anie hoe any am-banivohitra mbola tsy mahalala izay Andriamanitra no andehanan'ireny é. Tena angamba tsisy folona voavonjy eto Madagasikara. Izao aza eritreretina hoe efa manana ny hazon-damosiny daholo ny rehetra amin'ny arapinoana tsy voahozongozona intsony mbola betsaka ihany ny voajono