Ny fiheveran-dison'i Darwin, fizaràna faharoa

1. Nehemiah ( 07/05/2013 08:43)
I Erasmus Darwin dia niara-nanorina ny Fikambanan'ny Volana.



Ny nahatonga an'izao anarana izao dia izy ireo nivory tany Birmingham isaky ny fenomanana, manomboka t@ 1766 ka hatr@ 1800 eo ho eo, rehefa nampidirina ho ampahan'ny Royal Society anglisy izy ireo. Nivory teo ny manam-pahaizana sy ny mpitondra orinasa indostrialy ary ny filôzôfa natoraly t@'izany fotoan'andro izany ary niresaka momba ny lohahevitra progressistes isan-karazany mandritry ny alina manontolo izy ireo, ka mila hazavàna rehefa mody satria mbola tsy nisy réverbères t@'izany. Azo lazaina fa "reservoir à intellectuels" ho an'ny Revôlisiona Indostrialy ilay izy, ary neverina fa io no fikambanana ara-tsiansa malaza indrindra aorian'ny Royal Society t@'izany. Nanoritsoritra ny tenany ho "mpivarotra fahazavàna" ny mpikambana.
Anisan'ny mpikambana t@'ity fikambanana ity :
- Josiah Wedgwood, izay mpanao vilian-tany malaza sady rain'ny renin'i Charles Darwin

- James Watt, izay nanamboatra motera mandeha @ heton-drano afaka ampiasaina @ indostria



- Joseph Priestley, izay anisan'ny mpanorina ny simia môderina, ary mpahita ny ôksizena. raiki-po t@ Revôlisiona Frantsay izy ary tena nanao lanonana t@ tranony any ambanivohitra any Angletera mihitsy izy t@ taona faha-2-n'ny nandrondanana ny Bastille. Tezitra mihitsy ny mponin'ny tanàna nisy azy ka nandoro ny tranony ary voatery nandositra tany Etazonia izy.



- William Murdoch, ilay mpamorona ny fihazavàna @ gazy

- Samuel Galton, izay mpitondra orinasa indostrialy manan-karena be

Teo koa ny mpikambana avy any Etazonia :
- Benjamin Franklin, ilay mpahita ny herinaratra. Nivezivezy nanao dia avy any Angletera nankany Etazonia sy miverina izy mba tsy ho tapaka ny fifandraisan'ny progressistes @'ireny firenena 2 ireny.

- Thomas Jefferson, izay anisan'ny olo-mangan'ny Revôlisiona Amerikana.



Ny tanjona voalohan'ireo olona ireo dia ny hampihatra ny hevitra sôsialistan'ny Revôlisiona Frantsay t@ fireneny. Kanefa sakana ho azy ireo ny maha-kristiana ny fireneny ka ny tetik'izy ireo dia ny fanasomparana ny finoana kristiana @ alalan'ny siansa.

Toy izao ny nanaovany azy : vao nanomboka ny Revôlisiona Indostrialy ary betsaka ny tantsaha izay nandao ny tananany andehanana hitady asa any @ tanan-dehibe. Nandeha andro aman'alina ny masinina mandeha @ heton-drano, nilàna handoroana sarbô betsaka mba hampandeha azy ireo, ary maloto velona sady maizina ny tanàna (sady mbola tao anatin'ny "petite époque glaciaire", (1350-1850) izay nahitàna ririnina faran'izay mangatsiaka, izy ireo). Nanjary hobby ho an'ny olona ny siansa, ary ny mpikambana @ Fikambanan'ny Volana dia nanome fampianarana siansa ny mpiasa @ vidiny mirary, ka matetika dia nahitàna mpiasa mahay ny fanasokajiana zavamananain'i Linnée, miaraka @ anarana latinina zavamananaina am-polony. Mazava loatra fa narararaotra an'izay mba hampidirana ny heviny manohitra an'Andriamanitra ny mpampianatra, ary tena nanampy be mihitsy ny fahasomparana ny finoana kristiana izany. Azo lazaina fa tetika nolavaina t@ Fikambanan'ny Volana ny tetika ampiasain'ny mpandala ny maha-olombelona ankehitriny (izany hoe ny fanasomparana ny finoana kristiana @ alalan'ny fampianarana) mba hanosika ny ankizy rehetra eran'izao tontolo izao hanary ny finoany.
novalian'i Nehemiah ny 08/05/2013 08:46
2. Nehemiah ( 07/05/2013 08:46)
Ity ny rohy mankany @ fizaràna voalohany ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m51876950d0158
3. Nehemiah ( 08/05/2013 08:46)
Ity indray ny rohy mankany @ fizaràna manaraka :

http://forum.serasera.org/forum/message/m518a1087ed950

Miomàna ;).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1827