Ny fiheveran-dison'i Darwin, fizaràna voalohany

1. Nehemiah ( 06/05/2013 08:26)
Vitsy dia vitsy ny olona nanana lanja nohon'i Charles Darwin t@ tantaran'izao tontolo izao. Nisy olona nilaza mihitsy fa ny hevitr'i Darwin no hevitra mavesa-danja indrindra noforonin'ny ati-dohan'olombelona hatrizay.

Nilaza i Daniel Dennett fa tokony omena saranga ambony nohon'i Einstein sy Newton i Darwin satria nahavita nampiray ny sehatry ny tsy fisian'ny dikany sy lanjany @ fiainana sy ny sehatry ny fisian'ny dikany sy lanjany @ fiainana izy. Marina aloha fa nilaza kosa izy fa asidra universel mihinana ny soatoavina rehetra ary indrindrindrindra ny "dikan'ny fiainana avy @ Avo ka voalahatra manomboka avy any ambony mankany ambany" ny fotopisainan'i Darwin. Nidera an'i Darwin koa i Richard Dawkins satria raha tsy nisy azy dia tsy afaka ho "mpandà an'Andriamanitra tonga lafatra ara-tsaina" ny olona.
T@ 2009 no nankalazain'ny mpandà an'Andriamanitra sy ny mpandala ny maha-olombelona ny fitsingerenan'ny taona faha-200-n'ny nahaterahany sy ny taona faha-150-n'ny namoahany voalohany ny bokiny, "The Origin of Species". Kanefa inona marina no tanjon'i Darwin t@ namoronany ny fotopisainany ary inona no nahatonga azy hamorona azy ? Mba mitombina ara-tsiansa ihany ve ilay izy ? Inona no vokatry ny fotopisainan'i Darwin @ tantara sy ny fiaraha-monina ?

Zavatra voalohany dia tsy maintsy asiantsika fiheverana manokana ilay olona izay tena nahazoan'i Charles Darwin aingam-panahy, dia ny raibeny, ilay dokotera Erasmus Darwin (1731-1802).



Izy no anisan'ny manam-pahaizana sy mpamorona (inventeurs) tena mahay sy mafana fo t@ fotoan'androny. Angamba tsy nisy ny ankamaroan'ny teknôlôjia @'izao andro izao raha tsy nisy an'i Erasmus Darwin. Notoheriny mafy ny finoana kristiana, nokianiny mafy ny fanandevozana, ary notohanany mafy ny revôlisiona amerikana sy frantsay (angamba iaraha-mahafantatra fa nanohitra mafy ny finoana kristiana ny revôlisiona frantsay). Nampidiriny tao anatin'ny lisitry ny aretina ny Fahamoràna Ambakaina sy ny Fanantenam-Poana ary ny Fahatahorana ny Helo.

T@ 1770, nasiany ny blason-n'ny fianakaviany (izay miendrika akora 3) ny saretiny, sady nasiany teny latinina hoe "E conchis omnia" (avy @ akora ny zava-drehetra) eo ambaniny. Tsy mampahatsiahy inona na inona aminareo ve izay ?

T@ 1792, t@ "The Economy of Vegetation", nilaza izy fa nipoitra avy t@ fipoahana tany @ habakabaka tany ny Tany.

When high in ether, with explosion dire
From the deep craters of his realms of fire,
The Whirling Sun this ponderous planet hurl’d,
And gave the astonish’d void another world.


Tsy mampahatsiahy inona na inona aminareo ve izay ?

T@ "The Botanic Garden" indray, nilaza izy fa nipoitra tanaty ranomasina ny fiainana ary avy tany no niroboroboany tsikelikely.

Organic Life beneath the shoreless waves
Was born and nurs’d in Ocean’s pearly caves;
First forms minute, unseen by spheric glass,
Move on the mud, or pierce the watery mass;
These, as successive generations bloom,
New powers acquire and larger limbs assume;
Whence countless groups of vegetation spring,
And, breathing realms of fin, and feet, and wing.


Tsy mampahatsiahy inona na inona aminareo ve izay ?

Fa ny tena mahaliana dia ilay bokim-pitsaboana goavana be navoakany t@ 1794 sy 1796 (fizaràna 2, 65 taona eo ho eo talohan'ny "The Origin of Species"), izay nitondra ny lohateny hoe "Zoonomia or the Laws of Organic Life", ary izao no lazainy :

Tapitrisa taona an-jatony talohan'ny nanombohan'ny tantaran'ny olombelona... ny biby mafana ra rehetra dia nipoitra avy t@ kofehy manan'aina iray, izay nomen'ny Anton-Dehibe Voalohany [fa tsy hoe Andriamanitra] ny maha-biby azy, miaraka @ fahafahana hahazo taova vaovao... ka afaka manatsara ny tenany ho azy tsikelikely, sady afaka mampita an'ireo fanatsaràna ireo @ taranany, mandrakizay doria doria.



Azontsika marihina ny fampiasan'i Erasmus Darwin ny fiteny hoe "Anton-Dehibe Voalohany" (mba tsy ho tafitohina ny mpiray firenena @, izay nanana fisainan'ny mpiangona alahady t@'izany andro izany, angamba), kanefa milaza izy fa rehefa natomboka ny evôlisiona dia tsy mila fanampiana avy @'Andriamanitra intsony.
Kelikely taorian'izay, vao mainka nilaza izy t@ "The Temple of Nature" hoe : "ny zavamaniry sy ny biby rehetra misy ankehitriny dia avy t@ zavamaniry sy biby tsy hita maso kely indrindra, izay tonga dia nanana aina ho azy rehefa voaforona tao ambanin'ny ranomasimbe voalohany."

Nikalo koa izy hoe :
"...man
Should eye with tenderness all living forms,
His brother-emmets
[izany hoe vitsika], and his sister-worms."



7 taona talohan'ny nahaterahan'i Charles no nahafatesan'i Erasmus, kanefa voataomina tanteraka t@ fiheverana feno fandavana an'Andriamanitra sy fanoherana ny finoana kristiana i Robert Darwin zanak'i Erasmus, ary notaizany t@'izay fisainana izay i Charles zanany. Hitantsika @'izany fa "raharaham-pianakaviana" ny evôlisiona ary toetra azo ekena ny fandavana an'Andriamanitra t@ fianakaviana Darwin, tsy noheverina ho "krizim-pikomiana ara-pitondrantena" ilay izy fa angamba "lova".
Tokony fantatra koa fa novakian'i Charles Darwin ny "Zoonomia" t@'izy 18 taona ary tena nankafiziny, mazava loatra fa namolavola ny fomba fisainan'i Darwin io boky io, ka tsy mahagaga raha mitaratra ny toko 1 @ "Zoonomia" na tononkalo 1 nosoratan'ny raibeny avy ny bokiny tsirairay, afa-tsy 1. Tsy mahagaga koa raha nanatsoaka ny hevitra notsoahiny izy tany @ Galapagos. Ny zava-baovao nentin'i Charles fotsiny dia ny zavatra hitany tany sy ny fizotra ahafahan'ny evôlisiona hitranga, izany hoe ny fantina natoraly.
novalian'i Nehemiah ny 07/05/2013 08:47
2. Nehemiah ( 07/05/2013 08:47)
Ity no rohy mankany @ fizaràna manaraka ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m5188bec81e49b
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.146