Genesisy, Evanjely sy ny resaka evôlisiona vs famoronana, fizaràna fahasivy

41. Nehemiah ( 03/06/2013 05:32)

Miharena:

Vakio tsara ny Baiboly hatramin'ny farany aloha vao miteny hoe tsy voalaza ao io resaka fisainana sy finoana mifanipaka io. Tsy misy afa-tsy io no ao rehefa mamaky io Baiboly io aho. Asa ny anao na ahoana?

Raha izay izany dia ho mora aminao ny manome ahy andininy 1 milaza mazava tsara fa mifanipaka ny fisainana sy ny finoana ka tsy avoaka @ contexte misy azy. Manaova an'izay ianao dia afaka miresaka isika. Satria izao : raha tsy mety aminao ny misaina dia inona koa no mbola iadiantsika hevitra eo ?
42. Miharena ( 13/06/2013 07:06)
Referansa hoy ianao : na tsy tanisaina aza ny andininy dia i Paoly no nilaza fa mifanipaka ny saina sy ny fanahy. Io no Fototra. Raha miainga amin'ny fanahy avokoa ny olona rehetra tsy misy olona miady.
Ny saina izay heverina fa manan-danja no mampisy korontana satria heverina fa izy no mandrindra ny zava-drehetra ary rehefa tsy mifanaraka amin'ny hevitry ny tena ny zavamitranga dia mampiteraka olana.

Mazava sy tsotra anie ilay izy namana fa tsy mitombina mihitsy ity filazanao ity hoe : raha tsy mety aminao ny misaina dia inona koa no mbola iadiantsika hevitra eo ?

Raha dinihina dia misaina isika saingy lasa any amin'ny ronan-kevitra fa tsy hitsin-tsaina rehefa tsy manome lanja ny fanahy aloha.
43. Nehemiah ( 13/06/2013 08:37)

Miharena:

Referansa hoy ianao : na tsy tanisaina aza ny andininy dia i Paoly no nilaza fa mifanipaka ny saina sy ny fanahy.

Tanisao ihany ny nahitanao an'izay @ Baiboly ka ! Izaho mantsy tsy mahita an'izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118