Genesisy, Evanjely sy ny resaka evôlisiona vs famoronana, fizaràna fahasivy

21. Nehemiah ( 24/05/2013 07:00)
Andraso aloha : inona no famaritanao ny "fivoarana" ?

Hafa mantsy ny fiovàna kely ao anatin'ny karazan-javamananaina 1 izay vokatry ny diversité génétique sy ny sampona voatazon'ny fantina natoraly sy ny fipoiran'ny karazan-javamananaina 1 avy @ karazan-javamananaina hafa, ary izay dia mbola tsy nisy nahita mihitsy, na i Darwin aza.
Manazava an'izay anie ity fizaràna ity, izay no nanaovako hoe vakio 1 manontolo izy rehetra, fa manjary mandany andro.

Ka farito tsara aloha ny voambolana ampiasainao fa manjary miteraka malentendu.
22. Miharena ( 26/05/2013 16:12)
Aoka aloha hazava namana Nehemiah fa ny fivoarana dia mazava fa miainga amin'ny zavatra madinika ary miroborobo lasa maro karazana.
Ohatra tsotra be: ny olombelona teto Madagasikara dia 6000 000 tamin'ny taona 1960, 20 000 000 izy amin'izao fotoana izao = Fivoarana izay.

Maro loko ny sahona iray karazana = fivoarana izay

Nifanesy nisy sy foana teto ambonin'ny tany ny zavamananaina isan-karazany = fivoarana izay.

Ka asa ho inona no tena tiana o hahatongavana marina amin'ilay loha-hevitra hoe mifanipaka ve ny fisian'izany toe-javatra izany izay halalinin'ny evolisionista eo anatrehan'y Baiboly?

23. Nehemiah ( 27/05/2013 08:23)
F'angaha heverinao fa tsy fantatro ilay tetika hoe : "Izay mamaritra ny voambolana ampiasaina no mandresy @ adi-hevitra" e ?

Nodianao fanina hatrizay izao zava-misy izao, izay efa novelabelariko ela be t@'ity serasera ity : ireny fiovàna kely hitantsika @ zavaboary ireny, izay ateraky ny sampona sy fantina natoraly, dia tsy hay amoronana karazan-javamaniry vaovao.
Ny sampona dia fahasimbàna @ fototarazo, izay antontan-kevitra, ka raha kikisako kely isan'andro ny VCD-n'ny Rafozan-tsarotiny 9 dia tsy hivoaka avy ao mihitsy ny tohitelon'ny Lord of the Rings fa tsy ho hay vakiana intsony ilay izy satria simba tanteraka ny antontan-kevitra ao anatiny.
Ny fantina natoraly dia mazava ho azy fa izay antontan-kevitra efa eo ihany no azony fantinina.

Zavatra hafa : raha ny darwinisme no arahina dia niforona tsikelikely, ohatra, ny elatry ny vorona. Kanefa irréductiblement complexe anie ny elatra e, izany hoe, raha esorina ny ampahany 1 dia tsy mahatanteraka ny zara asany ilay izy ! @ fomba ahoana no azo eritreretina ho nivoaran'ny elatra @ alalan'ny dingana mifanesisesy tsikelikely avy @ tanana ? Raha kisarisarin-kelatra no nanombohany dia tsy afaka nanao inona t@'iny ilay biby, na nandeha tongotra na nitsidina, ka ho malaky lanin'ny biby mpihaza (izay ny fantina natoraly) !

Ka fizotra inona no nipoiran'ny antontan-kevitra ara-pototarazo vaovao nahafahan'ny mikrôba hivadika ho olombelona ? Mbola tsy nisy nahavita nanome valiny mahafa-po ny mpandala evôlisiona.
24. endriny ( 27/05/2013 09:56)
Raha fantatrao mantsy fa ny firafitry ny taolana rehetra amin'ny tananao dia mitovy amin'ny firafitry ny elatr'akoho. Mhhhhhhh

Tsy fioana hoy aho ny siansa fa zavatra hita sy iainana isan'andro.
25. Nehemiah ( 27/05/2013 12:46)

endriny:

Raha fantatrao mantsy fa ny firafitry ny taolana rehetra amin'ny tananao dia mitovy amin'ny firafitry ny elatr'akoho. Mhhhhhhh

Koa izany angaha dia hany mifandraika @ niaviantsika avy t@ mikrôba 1 ? Mety midika koa ilay izy fa tokana ilay Mpamorona antsika sy ny akoho.
endriny:
Tsy fioana hoy aho ny siansa fa zavatra hita sy iainana isan'andro.

Izay mihitsy !!! Izay no tiako iaviana. Raha ny lalàn'ny "action-réaction" izao dia zavatra hita sy iainana isan'andro. Fa ny karazan-javamananaina 1 miteraka karazan-javamananaina hafa dia mbola tsy nisy nahita mihitsy ! Ary na dia i Darwin aza tsy nahita afa-tsy fody miteraka fody tany @ nosy Galapagos tany !

Raha tohizanao @'ity lalana ity ny resaka dia tsy maintsy azonao an-tsaina tsara aloha ny mampiavaka ny siansa ara-panandramana sy ny siansa ara-tantara, ka ho hitanao eto ilay izy :

http://forum.serasera.org/forum/message/m517a9abb8c364
26. Miharena ( 27/05/2013 16:14)
Miresaka speciation indray moa ianao eto raha miresaka momba ny fody miteraka fody.

Fa adinonao angaha ny hybrida isankarazany sy ny karazana iray mizarazara maromaro? Ohatra, ny sahona eto Madagasikara fotsiny dia misy 400 mahery ny karazany ary azo avondrona isaky ny toetoetrany avy ary raha atao ny fasandrahana ara-tarazo dia hita hoe misy izay fototra mitondra hatrany ny sandrahaka.

Azonao atao mihitsy ny maka karazana lahatsoratra navoakan'ny mpanao fikarohana momba ny fivoarana maro.
27. Nehemiah ( 28/05/2013 06:03)
Hybridation ??? F'angaha ianao efa nahita hybride manana taova na zara asan-taova izay tsy efa nananan'ny ray na ny reny ? Angamba kosa fivaziziranan'ny tsy manaiky resy ny anao fa tsy tena mino an'izany hoe ahavitàna mamorona karazan-javamananaina vaovao ny hybridation.

Ny ahazoako antoka ny "mauvaise foi"-nao (na ny haratsin'ny fitadidianao) dia efa niresaka an'izay isika e : ny zava-misy @ resaka hybridation dia mifandraika kokoa @ fahariana voa "haingana" toy izay @ tapitrisa taona tsy tambo isaina ahizingizin'ny mpandala evôlisiona.

Ny liona sy ny jaguar izao dia afaka miteraka zanaka (jaglion). Kanefa any Afrika no iveloman'ny 1 ary any Amerika Atsimo ny 1. Raha ny fotopisainan'ny evôlisiona no arahina dia tsy tokony afaka miteraka zanaka izy ireo satria t@ 100 000 000 taona mahery no nisarahan'ny Amerika sy ny Afrika (ka niforonan'ny Ranomasimbe Atlantika) ka samy nivoatra t@ kontinantany izy roroa nandritran'izao fotoana izao ka tokony efa miavaka tanteraka ny fototarazony.
Nefa afaka miteraka ihany izy ireo, ka midika izany fa voa "haingana" no nisarahan'izy ireo. Kanefa naka lahy sy vavy 1 t@ karazan-javamananaina rehetra i Noa. Azo heverina fa noraisiny t@ Sambofiarany koa ny razan'ny grands félins. Rehefa nidina avy any dia nitranga ny spéciation, araky ny tontolo nalehany sy ny sampona nahazo ny sasany, ka nipoitra ny karazana grands félins hitantsika ankehitriny : liona, tigra, puma, jaguar.


Tsy mahazava ny nipoiran'ny olombelona avy @ mikrôba mihitsy ny hybridation.
28. endriny ( 28/05/2013 07:07)
[Quote=Nehemiah] Angamba kosa fivaziziranan'ny tsy manaiky resy ny anao fa tsy tena mino an'izany hoe ahavitàna mamorona karazan-javamananaina vaovao ny hybridation. [quote]

Dia ahoana ilay pirina atao hoe tsiboboka mivadika sahona

Fa hay ve hoe tokony hoe hanaiky resy izany ny mpamaky eh, dia tokony hiondrika amin'ny hevitry ny namana Nemehia.

Fantaro aloha ry namana hoe oviana ary iza no nanoratra ny genesisy? Ary toa inona ny tontolo niainan'ny mpanoratra fony izy nanoratra ny tantara?

Ny mikiraoba lasa olona indray dia voarakitra amin'ny firafitry ny sela fa io indray ohatran'ny hoe :"ny telo tsy mba iray" nefa tsy tadidiny fa iray naverimberina no lasa telo.

Sady rehefa izay no inoanao dia aza mivaky loha amin'izay niavian'ny zavamananaina akory. Fa lasa tonga amin'ilay hoe dia iza no namoronona ny baozaonina no ifarany. Fa aleo averintsika it resaka ity rehefa samy any amin'ny lavaky ny haizina isika.
29. Nehemiah ( 28/05/2013 07:47)

endriny:

Dia ahoana ilay pirina atao hoe tsiboboka mivadika sahona

Izaho ve tsy efa niteny anao hoe tsy manaporofo ny evôlisiona mihitsy izao ?

endriny:
Fa hay ve hoe tokony hoe hanaiky resy izany ny mpamaky eh, dia tokony hiondrika amin'ny hevitry ny namana Nemehia.

Taiza kay aho no niteny an'izay azafady ?
endriny:
Fantaro aloha ry namana hoe oviana ary iza no nanoratra ny genesisy? Ary toa inona ny tontolo niainan'ny mpanoratra fony izy nanoratra ny tantara?

Izay no nanaovako hoe vakio ho'aho ny fizaràna rehetra izay voa manakiana. F'angaha heverinao fa tsy manan-katao afa-tsy ny miboloky izay efa nolazaiko taloha e ?

endriny:
Ny mikiraoba lasa olona indray dia voarakitra amin'ny firafitry ny sela fa io indray ohatran'ny hoe :"ny telo tsy mba iray" nefa tsy tadidiny fa iray naverimberina no lasa telo.

Inona koa no idiran'ny resaka Trinite @'izao ??? Tsy hitako izay fifandraisana.
Fa izany hoe nisy andrana natao : mikrôba Escheria coli nampidirina tanaty boîte de Petri ngeza be ka navela hiroborobo eo mandritry ny 30 taona. Hatr@'izao dia mbola tsy nisy antontan-kevitra ara-pototarazo vaovao nipoitra mihitsy. Satria maninona ? Tsy "voarakitra amin'ny firafitry ny sela" mihitsy ny ahafahany mandatsaka antontan-kevitra vaovao avy any an-danitra @ fototarazony. Sa inona no diplôma @ taranja haiaina anananao no ahafahanao mitompo teny fantatra an'izay ? Nefa moa na izany na tsy izany dia tsy ny diplôma no maha-marina ny olona 1.
endriny:
Sady rehefa izay no inoanao dia aza mivaky loha amin'izay niavian'ny zavamananaina akory. Fa lasa tonga amin'ilay hoe dia iza no namoronona ny baozaonina no ifarany. Fa aleo averintsika it resaka ity rehefa samy any amin'ny lavaky ny haizina isika.

Angamba tsy takatry ny sainao izany fa finoana ara-pisainana mifototra @ tranga ara-tantara (ny fitsanganan'i Jesoa @ maty) ny finoana kristiana. Antsoina ho tia an'Andriamanitra @ fo, saina sy fanahy izahay. Antsoina koa izahay ho vonona ny manome valiny ho an'izay olona mitady azy @fahatsoram-po sady hanohitra ny mpanaraby tahaka anao izahay, ka izay no ataoko.
endriny:
Fa aleo averintsika it resaka ity rehefa samy any amin'ny lavaky ny haizina isika.

Ary mba fantatrao ve fa kristiana nino ny Baiboly ny olona nanorina ny vontoatin'ny siansa araky ny fahafantarantsika azy ankehitriny, tahakan'i Newton sy Pasteur ary Steno, raha tsy hilaza afa-tsy izy ireo ?
Heverinao fa kisendrasendra ve ny fifanandrifian'ny Fanitsiam-Pivavahana niverenan'ny sarambabembahoaka nahita ny fahefan'ny Soratra Masina sy ny firoboroboan'ny siansa tany Eorôpa ?
Ho hitako eo @'izay raha kamo ara-tsaina tahakan'i Sitlo ka ho ahilikao d'un revers de main ireto fisarihan-tsaina ataoko ireto.
30. Miharena ( 28/05/2013 11:53)
Sao dia lasa resaky ny moana sy marenina izy ity namana isany.

Asa hoe ny Mpino ve lasa marenina sa ny siansa lasa moana?

Izay milaza mahalala ny Tenin'Andriamanitra toa manjary tsy te-hahalala izay fahlalàna ara-tsiansa fa heveriny fa mandroba izay ananany izany.

Ny mpahay siansa dia manjary moana eo anatrehan'ny mpanitrikitrika ara-Baiboly ny tena fahamarinana eran-tany sy eran-danitra.

Ilay izy anefa amin'ireo ohatra roa ireo dia mandeha zotra ilany ihany fa tsy mifamaly satria avy hatrany dia ny milaza ho mpino daholo no manana ireo toetra roa ireo.
31. Nehemiah ( 28/05/2013 12:46)
Hita fa tsy misy raha azonao ny tiako voizina hatrizay.

1°) Finoana ny fotopisainan'ny evôlisiona fa tsy siansa : ny zava-misy ara-tsiansa no ampandaloviny @ filtre-n'ny fandavana an'Andriamanitra. Kanefa misy interprétation hafa mifandraika @ Baiboly azo atao fa tsy ny an'ny mpandà an'Andriamanitra irery.

2°) Scriptura super scientia, ary izay no tena tsy tantinao.



Ny mpahay siansa dia manjary moana eo anatrehan'ny mpanitrikitrika ara-Baiboly ny tena fahamarinana eran-tany sy eran-danitra.


LOOOOOOOL ! Ny kristiana no lasa moana sy nisintaka t@ sehatra rehetra @'izao tontolo izao, ny manam-pahaizana mpandà an'Andriamanitra no manjaka ka nanao tery vay manta ny fandalàna ny maha-olombelona t@ fampianarana, dia mbola mahita miteny an'izany ihany ianao ?
32. Miharena ( 28/05/2013 15:01)

LOOOOOOOL ! Ny kristiana no lasa moana sy nisintaka t@ sehatra rehetra @'izao tontolo izao, ny manam-pahaizana mpandà an'Andriamanitra no manjaka ka nanao tery vay manta ny fandalàna ny maha-olombelona t@ fampianarana, dia mbola mahita miteny an'izany ihany ianao ?


Hay ve?

Eto no ahitana hoe manana fomba fijery hafahafa raha ianao milaza ho Kristianina no mitondra teny toy izao.

Izaho Kristianina fa tsy voafehin'ny filazàna fa mpandà an'Andriamanitra ny olombelona iray mivoy ny fikarohany ara-tsiansa ary mitsikera izay tsy mety eo amin'ny fomba fijerin'ny Kristianina.

Mila asehon'ny olona masaka ara-panahy ilay resaka toy itony lohahevitrao itony fa tsy ho an'ny mpanao pli-vava mba tsy hahatonga adihevitra tsy misy laoniny sy tsy hain'ny olona havahana akory ny tanjony.

Miala tsiny aloha amin'ilay fitenenana fa fahatsapana ihany izany lazaiko izany an!
33. Nehemiah ( 29/05/2013 05:30)

Miharena:

Hay ve?

Eto no ahitana hoe manana fomba fijery hafahafa raha ianao milaza ho Kristianina no mitondra teny toy izao.

Dixit ilay tsy mino ny fiverenan'i Kristy @ rahon'ny lanitra izay efa mipetraka tsara @ fanekem-pinoana kristiana. Inona kay no mari-pitsarànao ? Satria ny Baiboly dia milaza fa tsy manana fomba fijery kristiana (an'i Kristy) izay tsy mety mino ny tenin'i Kristy (mazava loatra), ary i Kristy dia nijery ny Soratra Masina 1 manontolo ho marina sy manam-pahefàna.
Miharena:
Izaho Kristianina fa tsy voafehin'ny filazàna fa mpandà an'Andriamanitra ny olombelona iray mivoy ny fikarohany ara-tsiansa ary mitsikera izay tsy mety eo amin'ny fomba fijerin'ny Kristianina.

Mila asehon'ny olona masaka ara-panahy ilay resaka toy itony lohahevitrao itony fa tsy ho an'ny mpanao pli-vava mba tsy hahatonga adihevitra tsy misy laoniny sy tsy hain'ny olona havahana akory ny tanjony.

Miala tsiny aloha amin'ilay fitenenana fa fahatsapana ihany izany lazaiko izany an!

Toa feeeeeeeno finoana be ny teninao rehefa tsy jerena akaiky, fa tsy ho vitan'izay tsy akory. Efa novelabelariko ny antony mampifandrafy ny fotopisainan'ny evôlisiona sy ny finoana kristiana. Tohero ts11 ny hevitra narosoko raha tianao toherina izany. Izay no izy rehefa miady hevitra fa tsy balabala be mody feno finoana be fotsiny, nefa tsy misy substance akory ny zavatra tenenina.
34. endriny ( 29/05/2013 14:15)
Ilay anao izany ry Nehemia toriteny fa tsy ady hevitra koa. Enga anie izaho ho resilahatra amin'ny hevitrao indray andro any, amena
35. Nehemiah ( 30/05/2013 08:16)
Tsy hitako izay ifanilihan'ny toriteny sy ny adi-hevitra
36. Miharena ( 31/05/2013 02:10)
Nehemiah:

Izay no izy rehefa miady hevitra fa tsy balabala be mody feno finoana be fotsiny, nefa tsy misy substance akory ny zavatra tenenina


Ilay substance no tsy itovizako aminao eo amin'ny finoana. Satia ny ahy zavatra tsy hita. Asa na efa niaina izany zavatra tsy hita izany ianao na tsia.
37. Nehemiah ( 31/05/2013 07:38)
Fanitsiana : Ny anao dia zavatra tsy ara-pisainana. Samihafa izay.
38. Miharena ( 01/06/2013 05:06)
Hitanao tsara, ary hitanao fa mahitsy tsara izay fomba fahitanao azy izay. Tsy ara-pisainana mazava ho azy ny zavatra tsy hita.

Ny ara-pisainana dia efa tsy finoana amiko fa firehana.

Ka asa hoe ao amin'iza amin'ireo no misy anao? Ilay voafehin'y firehana ve sa ilay mino?
39. Nehemiah ( 01/06/2013 06:40)

Miharena:

Tsy ara-pisainana mazava ho azy ny zavatra tsy hita.

T@ oviana koa no nisy an'izao ?
Miharena:
Ny ara-pisainana dia efa tsy finoana amiko fa firehana.

Ipse dixit. Izay koa no mahavoa ny gasy rahateo : mieritreritra fa mifanipaka ny ara-pisainana sy ny finoana.

Sa tsy mampaninona anao raha tsy nitsangana t@ maty i Kristy ?
Mba omeo andininy @ Baiboly anank1 aho milaza fa mifanipaka ny finoana sy ny fisainana.
40. Miharena ( 02/06/2013 21:21)
Aza dia afangaro namana ny tantara sy ny fizotrana tantara noho ny safoto izay niorina tao an-tsain'ny olombelona ka nahatonga ireny tranga maro nifanesy ary anisan'izany ny namantsihana an'i Jesoa, sy ny resaka hoe finoana izay tian'i Jesoa aseho ny maro. Vakio tsara ny Baiboly hatramin'ny farany aloha vao miteny hoe tsy voalaza ao io resaka fisainana sy finoana mifanipaka io. Tsy misy afa-tsy io no ao rehefa mamaky io Baiboly io aho. Asa ny anao na ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.009