Te hiteraka maro aho fa misy hifandraisany ve?

1. manoasoa ( 30/04/2013 12:48)
Miarahaba antsika rehetra,mila valiny avy aminareo ny tenako mikasika ny hoe: Mampitombo ny toe-karena ve ny fahabetsahan'ny mponina eo @ firenena iray?
Tsy izany mantsy fa anisany firenena be mponina indrindra sy mandroso indrindra i Chine- Inde -Amerika.
2. ral_ ( 07/05/2013 14:30)
manoasoa:

Miarahaba antsika rehetra,mila valiny avy aminareo ny tenako mikasika ny hoe: Mampitombo ny toe-karena ve ny fahabetsahan'ny mponina eo @ firenena iray?
Tsy izany mantsy fa anisany firenena be mponina indrindra sy mandroso indrindra i Chine- Inde -Amerika.

Salama Manoasoa,




Raha ny fandinihako azy dia misy seuil ilay izy, azavaiko:
-Raha mbola celib na mpivady vao ny olona dia tsy dia mieritreritra loatra ny fihariana ary mety sarotsarotra kokoa ny mitsitsy.

-rehefa tonga ny zaza dia misy ny motivation sy ny tanjona kendrena ka milofo mafy amin'ny fiainana, ary mbola afaka mandamina tsara ny fotoana itaizana sy hitadiavana.

-Maro ny zaza, Efa misy ny traik'efa na fitaizana na fitadiavana , raha manana ny ampy tsara hanakaramana mpitaiza (maro) ary afaka mampandroso tsara ny fitadiavana. (Eto izany ilay tranga tianao hahatongavana)

-Maro loatra ny zaza: tsy araky ny aina sy ny vola ny fitaizana azy ireo sy ny fitadiavana. Eo ilay tena sarotra. (Raha mampitovy ohatra amin' ny hoe Chine sy Inde, dia voatery mandeha miasa ny zanaka na dia tsy mbola fotoanany aza)

Amin'ny lafiny iray koa, misy fetrany ihany avy any ambany, toy ny tany eoropeana maro heno hoe mihaantitra ny mponina nefa vitsy ny mpiteraka dia iza no hamelona ireto zokiolona?

misy lafiny tsara sy ratsiny ary arakarak'izay zava-mitranga (aretina, fahaverezana asa, mahazo loto sns... lol)

fampitahana mety tsy mendrika:

Mino aho fa efa naheno daholo isika hoe ny fifohana sigara dia mahatonga ny mpifoka hanana toe-tsaina tia mitady vola tamin'ny nanombohany nifoka.

Rehefa ela ny ela raha manao kajy dia hita fa mandavaka budget ihany izy io rehefa be loatra.
ary amin'ny farany aza moa dia mankarary mihintsy ary mety hitarika aretim-be.

RAha jerena amin'ny firenena indray kosa nefa na fantatra izao aza fa tsy mahasalama aza ny sigara dia mampidi-bola ho an'ny fanjakana.

Rehefa nandinika kely indray izy ireo dia io vola miditra io dia kely noho ny lany mitsabo ny mpifoka indray ka aleo tsy nisy mihintsy.

Ny tsy mety amin'ilay fampitahana: ny sigara azo ialana.
3. vahiny2004 ( 09/10/2013 13:47)
Fa mety hahavita firy nefa i Manoasoa ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4128