Ny saram- pianarana eny @ sekoly tsy miankina

1. chantrire ( 30/04/2013 10:24)
Trangan-javatra iray niseho tamin' ny sekoly tsy miankina eto an- drenivohitra eto no ho tantaraiko aminareo. Loza ny nafitsok' ity Raim-pianakaviana iray tsy nahaloa ny saram- pianaran - janany.
Voalohany aloa dia tsy manaja ny fe-potoana tokony handoavana ny saram- pianarany izy.
Efa nifarana ny volana ka dia voatery nampihato ny zanany ny tompon' andraikitry ny sekoly.
Nampiaka- peo ny anao lahy fa tsy nahatanty ny fandroahana ka dia niafara tamin' ny fifamaliana teo imason' ny mpianatra rehetra izany.
Ireo tompon' andraikitra moa dia nitazam-potsiny tsy namaly azy satria dia tsy navelany hiteny izy ireo fa ny vavany no nanalany ny "soffre de douleur-ny " ka moa ve tsy irony adala nihetsika irony ny fihetsiny.
Rehefa hivoaka ny vavahady indray ity izy dia nandrahona ireo tompon' andraikitra tao amin' ilay sekoly.
Sady manala -baraka ny tenany izy no mbola mandrahona ihany koa kanefa tsy nandoa na ny ariary aza.
2. 5laody ( 30/04/2013 11:08)
Sali daholo,

Mety ho antony maro no nahatonga ilay izy tsy ho voaloha, ny krizy sns..
raha efa nandoha ihany izy hatramin'izay.

Tokony nampanantsoina manokana angamba aloha ilay rangahy na (izy sy ny vadiny ) mba hifampiraharahana.

ary tsy tokony atao eo imason'ny mpianatra be dia be.

raha ianao no tam toeran'ilay zaza?
3. Nehemiah ( 30/04/2013 13:03)
Tsy manana fanajàna na kely aza ho an'ireny olona tsy manaja tena ireny aho. Rehefa tsy mahaloa dia mandehana rangahy any @ EPP a !
4. booboo ( 03/05/2013 13:12)
5laody > +1
5. 5laody ( 03/05/2013 20:42)
Miarahaba ny rehetra,

Tsy manome tsiny anao aho ry Nehemia fa mety tafahoatra ny fihetsik'ilay rain-jaza.
Santionany amin'ny fialan'ny zaza maro amin'ny fianarana izao tranga izao amin'izao fotoana ito hitantsika ito.
(Voalaza fa ambony be ny taux de descolarisation amin'izao fotoana izao eto Mada).
Ny ray amandreny rehetra angamba dia samy mihevitra sy manao izay mba hananan'ny zanany chance ho tafita.
Mety mba misy marimaritra ho hitan-dry zareo kosa angamba eto satria raha jerenao hoe volana mars izao dia mba ahoana ny amin'ilay kilonga: ho very herintaona ve?
Ary ilay talen-tsekoly ve hahita mpianatra hasolo ilay iray vao nalàny? (resaka vola miditra aminy eto no resahina.)
ily mpianatra tsy tokony ho hampidirna amin'ilay olana mihitsy aloha.
Raha tsy TE handoha mihintsy ilay RAD dia hafa no fitrangany.
misaotra namaky.



6. Nehemiah ( 04/05/2013 13:40)
Marina fa zava-dehibe loatra ny fanabeazana, fa kosa tsy ananan'ny RAD inona na inona ny sekoly, ka matetika dia matetika efa misoratra @ règlement intérieur fa rehefa tsy mahaloa écolage mandritry ny X volana dia roahana. Raha amavoina izay fitsipika izay manjary miteraka gaboraraka goavana be, kanefa tsy maintsy loavina ny karaman'ny mpampianatra sy ny mpiasa. Samy mafy ady ny olona rehetra.

Moa hitranga izay toe-javatra izay raha alefa @ fanabeazana sy ny fitsaboana ho an'ny sarambabembahoaka ny volan-ketra fa tsy ny fanambatambazana ny bebaoty sy ny coliseum manara-penitra ?
7. sitlo ( 13/05/2013 22:59)
Tamin'ny mbola kely aho tia andrakandrana izay ihany. Dia tsy naloako ilay saram-pianarana mba hijereko ny hitranga. Dia io nolazain'i 5laody io no nitranga. Nanantona ahy nanontany tsimoramora ilay mpiandraikitra dia nanontany hoe nisy inona.
8. chantrire ( 15/05/2013 09:55)

Nehemiah:

Tsy manana fanajàna na kely aza ho an'ireny olona tsy manaja tena ireny aho. Rehefa tsy mahaloa dia mandehana rangahy any @ EPP a !

Marina izany ry Nehemiah a!Fa tohiny ny tantara dia niala ry zareo satria tena tsy voaefany intsony ilay saram-pianarana ary mbola nilaza koa ilay Raim-pianakaviana fa hafindrany fianarana hono ny zanany.
Dia mba sekoly iza no mba handray azy ? Ny EPP izao tsy mandray intsony raha tsy amin' ny Oktobra indray.
Mampalahelo ilay zaza. Fa tena mafy koa ny mahazo ny sekoly ianarany raha toa izany foana ny ataony.
9. Nehemiah ( 16/05/2013 08:37)
Aoka ny raiamandreny mba handray ny andraikitra mitandrify azy kely fa tsy ny mpanabe no hifitra ny vodiny. Sarotra be ve ny mandefa ny zanany @ trano famakiam-boky na ny mampianatra azy mihitsy e ?

Ny an'ny Amerikana izao tena manao homeschooling mihitsy ny sasany.
10. jobiely ( 16/05/2013 08:56)
Ny an'ny Amerikana izao tena manao homeschooling mihitsy ny sasany.
[/quote]
Ny an'ny amerikana zany fa tsy ny eto amtsika, ny ray amanjeny ary tsy mahay ko in no ampianariny ny zanany eo, ny fotoana ikaramany ary tsy ampy ko aiz no hisy fotoana ampianarany an- janany. Aza mampitovy lakana aman- jahatra e!!!
11. Nehemiah ( 16/05/2013 09:02)
Izay izao ny toe-tsaina tsy mety. Ny adala no toan-drainy. Tsy ny tsy fahaizan'ny raiamandreny no hampanjavina ny trano famakiam-boky
12. vahiny2004 ( 22/08/2013 09:59)
Mampalahelo ny trangan-javatra toy izao . Mino aho fa tena mba maniry izay hahasoa ny zanany ireto ray aman-dreny saingy tratry ny tsy nety. Betsaka ny ankizy / ray aman-dreny tratran'izao olana izao .

Raha tohizana izao krizy izao dia ny sekoly koa no ho krizy ka hikatona satria mety ho zaza 3 sisa ve hanokafana kilasy ? Dia ho very asa ny mpampianatra ihany koa .

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1812